Ny virijina folo


 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny virijina folo (Matio 25: 1- 12).
Andeha ho jerena hoe inona no mampitovy ireto virijina folo ireto, na dia adala aza ny antsasany, ary hendry kosa ny antsasany.

Raha nanaraka tsara ilay fanoharana isika dia afaka nanamarika hoe inona no itovizany: samy nasaina hamonjy ny fampakaram-bady izy ireo, samy nivoaka hitsena ny mpampakatra ihany koa, samy nitondra fanala na fanilo ihany koa no azo ilazana azy. Ary satria tara ny mpampakatra, dia samy natory avokoa. Ary samy taitra rehefa tonga ny mpampakatra.
Raha fintinina dia izao amin'ny ankapobeany, amin'ny fisehony ety ivelany, dia tsy misy loatra ny mampiavaka ny hendry amin'ny adala.
Ny adala resahina eto dia tsy ilay efa manary lamba eny amin'ny arabe, fa ny olona izay tsy ampy fahendrena, tsy dia mahalala ny tokony hataony, na koa hoe tsy dia ampy fahamatorana.
Ireo voalaza etsy ambony ireo no nampitovy azy folo.
 Ny nampiavaka azy kosa, zavatra tokana ihany, dia izao, ny hendry nitondra solika fitaiza. Fa ny adala kosa tsy nitondra tao anaty fanalany. Izany hoe raha hazavaina amin'ny teny tsotra dia izao, ny hendry nitondra fanala misy solika. Ary ankoatr'izay, izy dia mbola nitondra tahirin-tsolika. Koa, raha sanatria ka lany ny ao anaty fanala, dia mbola misy ambiny mbola azo hanampiana. Fa ny adala kosa dia nionona tamin'izay tao anaty fanalany fotsiny ihany.
Ny hendry izany dia olona mailo. Mahay mitsinjo ny vodiandro ho merika, hoy ny fitenenana. Tsy manao hoe tondraka anio mananjara, fa mijery lavitra. Miomana fa mety ho lavitra ny dia, mety ho ela,  haharitra ny fiandrasana.

Ka nanao ahoana ary ny fiafaran'izy ireo?

Rehefa tonga ny mpampakatra, dia tsy nanana solika intsony ireto adala. Fa ny hendry kosa mbola nanana. Eto ny adala vao tonga saina, ary nangataka tamin'ny hendry hoe : mba omeo izahay. Nefa, ataon'ny hendry ahoana moa ny hizara zavatra tena hilainy, ary koa tsy ho ampy zaraina intsony?
Eny, fanoharana ihany ity notantarain'i Jesosy ity ho fampieritreretana. Fa ny famonjena dia isam-batan'olona. Tsy afaka ny hiantehitra amin'ny hafa isika ka hiteny hoe: misy afaka mamonjy ahy foana eo e!  Ny tsirairay dia tokony hiomana, fa tsy afaka hiomana hoan'ny hafa izy.
Ny tsirairay no tompon'andraikitra amin'ny famonjena azy, fa tsy tokony hanilika andraikitra amin'ny hafa ihany koa.
Ka rehefa lany solika ary ireto adala ireto dia tsy maintsy nivoaka nitady mpivarotra. Efa voarindrina anefa ny varavarana  vao tonga izy ireo, avy nividy solika, ka tsy tafiditra intsony.
Eny, voafetra ny fotoana. Tsy tokony hitaredretra, fa hararaoty ny fotona mety hakàna fanapahan-kevitra tsara. Hararaoty izao fotoana malalaka izao, hamenoana solika ny fanala, fa tsy hiandry ny alina, na amin'ny fotoan-tsarotra vao hidodododo hitady.

Fa inona moa ity fanala na fanilo, sy solika lazain'ny Baiboly ity?

Ao amin'ny Salamo - 119: 105- "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao".
Ny olona rehetra izany dia tsy tokony hisaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra, eo am-piandrasana ny fiavian'i Jesosy fanindroany.
Ny Baiboly no fanilo na fanala, fanazavana ny lalana ny izay izorana. Mba hahatonga ny Baiboly hahavita ny asany dia mila solika.
Hoy ny teny ao amin'ny Jaona 14: 26 "fa ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay nirahin'ny Ray amin'ny Anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. "
Raha atao bango tokana izay voalaza teo dia ny Baiboly, na ny Soratra Masina, na koa ny Tenin'Andriamanitra no fanilo; ary ny Fanahy Masina no mampahazava azy. Koa raha tsy manana ny Fanahy Masina sy ny Baiboly isika, dia mandeha amin'ny haizina.
Hoy ny 1Tesaloniana 5: 1 - 8 "Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa hianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika." 

Vavaka: Ray be fitiavana ô! te-ho vonona amin'ny fiavianao izahay. Te-handeha eo amin'ny mazava izahay. Ampio izahay mba hitafy ny finoana sy fitiavana ary ny fanantenana avy Aminao. Fa amin'ny Anaran'i Jesosy, 'lay tia anay, ary efa namonjy anay teo amin'ny hazo fijalina no angatahinay 'zany vavaka 'zany. Amen

Commentaires

Articles les plus consultés