I Bartimeo jamba
Marka 10: 51 - "Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko".
Eto , dia tantarana jamba anankiray rehefa nandeha nankany Jeriko Jesosy. Dia mba nandre ny amin'izany Jesosy izany ity jamba ity, nandre ny lazany ny amin'ny fanasitranana. Dia nino sy natoky izy fa mba ho sitrana ihany koa rehefa mifanena amin'ity Jesosy ity. Ka rehefa nandalo ary i Jesosy, dia niantsoantso mafy izy hoe: "Ry zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. Ry zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko". Ary ny olona efa nampangina azy. Ny mpianatra moa dia efa niteny taminy hoe: "an an an, mangina hianao, fa mbola mihaino an'i Jesosy izahay. Fa tsy ny feonao akory no ho renesinay eto". Tsy nahasakana an'i Bartimeo tsy hiteny izany, fa vao maika aza izy niantsoantso mafy kokoa noho ny teo aloha.
Dia hoy Jesosy: "aha antsoy ilay jamba". Dia indro ilay jamba fa nampanantonina Azy.
Fa ny zavatra mahagaga, talohan'ny nahatongavany teo amin'i Jesosy dia izao, teo amin'ny toerana izay niantsoantsoany dia nitsangana izy, ary nanary ny lambany. Dia niatsambotra teo amin'i Jesosy. 'Zany hoe, ilay feon'i Jesosy ihany izany no narahiny, dia reny. Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy izy, dia nanontany azy ny Tompo hoe: "Inona no tianao hataoko aminao ?".
Ry sakaiza, ianao ihany koa, isan'andro isan'andro dia mikaroka an'izany Jesosy izany; mikaroka ny lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay, satria mandre ianao fa Jesosy no manome izany fiainana izany, ary manome be dia be. Ary Izy rahateo efa nilaza ao amin'ny Jaona 12: 3 manao hoe: "Handeha hanamboatra fitoerana ho anareo Aho".
Mazava izany teny izany, tsy misy madilàna ho tentenina akory. Ka, raha miazakazaka ianao ankehitriny, toa an'ity jamba ity manatona an'i Jesosy, satria dia fahajambana ara-panahy no manjo antsika ankehitriny, dia izao, manontany anao Jesosy anio hoe: "Inona no tianao hataoko aminao ?".
Misy ny olona no mitady izay mampetipety azy vetivety: olana ara-piainana, asa fivelomana angaha na tsy fahasalamana, na tsy fahampiana eo amin'ny vola ho entina hiatrika ny fiainana; dia famahana olana isan-karazany.Ary izany rehetra izany dia fehezin'ny fanontanian'i Jesosy manao hoe: "Inona no tianao hataoko aminao ?" dia misy safidy izay tsy maintsy hatao. Ny an'i Bartimeo jamba dia izao no nangatahiny hoe: "Rabony ô, ny mba hampahiratana ny masoko".
Ry sakaiza, raha mba tianao androany, dia azon'i Jesosy atao ny hampahiratra anao. Raha tsy mahita ianao ara-panahy, tsy ho hitanao ny lalana mankany amin'ny lanitra. Dia azonao atao ny mitalaho amin'i Jesosy hoe: "Jesosy ô, mba ampahirato aho hahita izany lalana mankany Aminao izany". Ary ny an'ilay lehilahy jamba dia izao no valin-teny nomen'i Jesosy rehefa nangataka an'izany izy. Ary hoy Jesosy taminy ao amin'ny andininy 52: "Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao". Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony. Dia nanaraka an'i Jesosy ilay jamba.
Raha toa ka omen'i Jesosy fahiratana ara-panahy ianao anio, raha atoro anao ny lalana manao hoe: "Fa Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana", moa ve hanaraka Azy koa hianao, rehefa mahiratra ny masonao ?
Ry sakaiza, miangavy anao ny Tompo anio mba handray izany fanapahan-kevitra izany. Aoka mba tsy ho diso aoriana loatra re ny fandraisanao sy ny fanarahanao ny lalana mankany amin'ny fiainana. Ary ny hirariana dia ny mba hahitanao sy ny ankohonanao izany lalana izany. Ka manomboka anio, dia hisafidy ianao manao hoe: "ny eo akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy. Ny miaraka amin'i Kristy no mety aminay. Ary ny lalana mankany an-danitra no nosafidianay". Ary enga anie ka ho tanteraka aminao sy ny ankohonanao izany.
Ny Tompo anie homba anao amin'ny fotoana rehetra. Amen.

Commentaires
Enregistrer un commentaire