Fananan'Andriamanitra isika
Tsy azo vazivaziana mihitsy ny amin'ny maha fananan'Andriamanitra antsika. Fa ho an'izay tena maniry ny hahalala ny marina dia hahita zavatra mibaribary betsaka hanorenana ny finoany. Miantso antsika Andriamanitra mba hahatsapa ny amin'ny fitomboan'ny fatra maha fananany antsika izany. Ary iantohany ny fitaizana antsika ho amin'ny fiainana mandrakizay tsy misy fahafatesana intsony. Ary misy fampitandremana izay tsy azon'ny saina voafetra atao velively ny hahalala tanteraka ny toetra na ny asan'Ilay Kristy Mpamonjy. Mila miantehitra tanteraka amin'Ilay Mpahary isika izany, Ilay Tompontsika satria voahary noforoniny isika.
Joba 11: 7, 8 - "Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha. Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao?".
Ry sakaiza, izany fahatsapana ny maha fananan'Andriamanitra antsika izany dia mety ho afaka hanova ny fijerintsika amin'ny fifandraisana amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Ilay Mpahary sy Mpanavotra antsika, izay miantoka ny fiainantsika manontolo.
Romana 11: 33 - "Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!"
Ny nidiran'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao, ny nahatongavan'i Kristy ho nofo, ny fahateraham-baovao, ny fitsanganana amin'ny maty, ary ny zavatra maro aseho ao amin'ny Baiboly dia zava-miafina lalina loatra ka tsy takatry ny sain'olombelona mety maty; na hoe fantatra tanteraka marina akory aza. Ampy dia ampy ny porofo nomen'Andriamanitra amin'ny maha avy amin'Andriamanitra antsika, noho ny maha avy Aminy ny Soratra Masina. Ka dia tsy misy antony tokony hisalasalantsika ny amin'ny Tenin'Andriamanitra, satria tsy mahafantatra ny zava-miafina ao amin'ny fitondrany isika. Ny maha zava-dehibe sy ny maha sarobidy ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra omeny antsika isan'andro, avy amin'ny alalan'ny fitaovana omena eo am-pelatanantsika dia ampy ho porofo hitokiana ny amin'ny maha avy Aminy ny Soratra Masina. Antoka omena antsika izany.
Amin'izao toe-javatra mitranga maneran-tany izao, izay tsy azo afenina antsika, dia mihazakazaka mihitsy ny toe-javatra mba hahatsapantsika izany zava-tsarobidy omen'Andriamanitra antsika izany, hitokiantsika amin'ny ho avy, ny amin'ny mandrakizay.
Misy zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny. Ry sakaiza, mbola misy zavatra manelingelina anao ve ? Mbola misy zavatra sarotra be aminao ve amin'izany hoe maha fananan'Andriamanitra antsika, ka iantohany ny fiainana mandrakizay tsy misy fahafatesana, tsy misy alahelo intsony ?
Eritrereto tsara ny maha fananan'Andriamanitra anao. Misy zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny, ary mila mitoky amin'izany isan'andro isika. Fananany isika, fananany ny zavatra rehetra eto ambonin'ity tany ity. Ary iantohany ny mandrakizay tsy misy fahafatesana intsony.
Ny fahasarotan'ny hevitry ny Soratra Masina no efa nanome saina ny tsy mino ho enti-manohitra ny Baiboly. Nefa, hafa lavitra noho izany ny toe-javatra, fa io indrindra no porofo mahery mampiseho ny maha avy amin'Andriamanitra an'izany. Manorina ny fiainantsika amin'ny finoana fa fananan'Andriamanitra sarobidy, ary iantohany ny mandrakizay ety an-tany no zaraina amintsika tsirairay avy. Ny fahalehibiazana sy ny maha saro-pantarina izay miseho ao amin'Andriamanitra indrindra no tokony hiteraka finoana ho antsika fa Tenin'Andriamanitra izany.
O ry sakaiza, tsy misy mahafantatra izay hiafarantsika. Fa Izy mihitsy no miantso antsika hoe: "Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavetra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana". Antoka omeny antsika izany. Antoka omeny antsika isan'andro isan'andro mihitsy ho an'ny isam-batan'olona manaiky, manohina, matoky izany antsony izany.
Ny fanambaran'ny Baiboly ny fahamarinana dia amin'ny fomba tsotra sy antonona indrindra ny fon'ny olona, ka sady efa nahagaga sy nahafaly ny olona ambony indrindra izany no nahitan'ny tso-piaina indrindra sy ny kely fahalalana ny lalam-pamonjena. Tsy manavaka na iza na iza ny fanomezan'Andriamanitra, fa isika rehetra no voakasik'izany. Ka na inona na inona toetrantsika, na inona na inona zavatra atrehintsika, dia manana antoka isika. Tsy avelan'Andriamanitra ho very maina izany fahazavana izany. Toa izany no nampibaribary ny plana momba ny fanavotana eo anoloantsika hahitan'izay rehetra ny tokony hataony amin'ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika, ka hahavoavonjy azy araka ny fomba voatendrin'Andriamanitra.
O, tsara loatra izany. Efa noeritreretinao ve izany ? Irin'Andriamanitra ny hahatonga antsika amin'izany fahatsapana izany. Ary ivelomantsika ny vokatry ny finoana, ka hahatsapantsika ny maha sarobidy, maha fananan'Andriamanitra antsika izay anamboaran'Andriamanitra antsika. Amboariny mba handova ny fiainana mandrakizay tsy misy fahafatesana intsony.
Misaotra an'Andriamanitra isika ny amin'ny fitomboam-pahalalana avy Aminy. Ny amin'ny nanafahany antsika sy ny antoka omeny. Ny fitaizana antsika amin'ny fifandraisana Aminy. Ary ny fanomezany mandrakizay tsy hisaraka Aminy intsony.
Lavin'ny mpisalasala sy ny tsy mpino ny Tenin'Andriamanitra satria tsy takany avokoa ny teny avy ao aminy. Ary na dia ireo rehetra izay mino ny Baiboly aza dia tsy ary afaka amin'ny fisalasalana aminy. Azontsika an-tsaina angaha ny antson'Andriamanitra miantoka ny fiainana mandrakizay tsy isalasalana mihitsy, ary mivelona amin'izany firaisana Aminy izany isika. Ny fianarantsika ny Teniny isan'andro no maha sarobidy ny maha fananan'Andriamanitra antsika, ny maha sarobidy mihitsy antsika. Antoka omeny antsika ahafahantsika mandray ny vokatry ny fitaizana antsika raha ekentsika izany, izay antoky ny fiainana mandrakizay.
Ry sakaiza, mamporisika antsika ny Tompo mba hifandray Aminy, hifanaraka Aminy, ary hifamatotra Aminy mihitsy. Ary iantohany ny vokatry ny fifandraisana amin'izany, ho fenoiny ny fitiavany. Ary ho vavolombelon'izany ny fifandraisana ao an-tokatrano misy antsika, na any an-dalambe.
Ho tahian'Andriamanitra anie izany antsony sarobidy mitaona antsika hifandray Aminy isan'andro isan'andro, ary iantohany ny vokatra tsara indrindra ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Commentaires
Enregistrer un commentaire