NY FITOERANA MASINA
NY FISORONANA TAO AMIN'NY FITOERANA MASINA
Nasehon'Andriamanitra ny olombelona ny fitiavany azy tamin'ny alalan'ny Didy Folo sy ny Fitoerana Masina. Zava-dehibe tokony ho tsarovana fa ireo zavatra roa loha ireo dia samy fanomezana avy tamin'Andriamanitra, fa tsy avy tamin'ny olona ho an'Andriamanitra akory.
Araka ny maha-olona antsika dia mety ho sarotra amintsika ny hanaiky ny fanompoam-pivavahana tamin'ny alalan'ny ra, satria mampaharikoriko antsika izany. Mba vakio kely anefa ireo filazana ao amin'ny "Patriarka sy Maminany" toko faha 4, 5 sy 30; fa amin'izany no hahazoanareo mamaly ny fanontaniana sasany izay mety hiseho ao an-tsainareo.
Ilaina mihitsy ny hahafantarantsika fa misy lesona lehibe azo tsoahina avy amin'ny fandinihana ireo fitaovana tao anatin'ny fitoerana masina sy ny fanompoam-pivavahana natao tao, satria samy tandindon'i Kristy ireny rehetra ireny. Izany indrindra no antony tokana nanaovana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny Testamenta Taloha. Ilaina dia ilaina koa ny hitarihana ny saintsika hampihatra izany amin'ny fiainantsika andavanandro araka ny maha-kristiana antsika.
Hianarantsika ny faritra tsirairay tao amin'ny fitoerana masina sy ny maha-tandindona azy hampiseho mialoha an'i Jesosy Kristy, ary ny fampiharana izany amin'ny fiainantsika andavanandro. Azontsika antoka fa tsy miova Andriamanitra. Marina fa amin'ny fomba hafa no ivavahantsika Aminy amin'izao fotoana izao, fa tsy tahaka ny nataon'ny Isiraely. Nefa kosa ny fiainana sy ny asa nataon'i Kristy sy ny fahafatesany tamin'ny lasa no banjinintsika ankehitriny. Isiraely fahizay nitazana ny Mpamonjy ho avy, fa isika ankehitriny kosa mijery an'i Kristy efa tonga ary mbola ho avy indray. Ny trano fivavahantsika ankehitriny dia hafa noho ny taloha. Ny hira sy ny fombam-pivavahana ataontsika dia hafa koa; kanefa ny tantaran'ny famonjena dia tsy miova. Eo amin'ny fandinihantsika ny fomba nampianaran'i Jehovah ny Isiraely sy ny fomba nihaonany taminy teo amin'ny fitoerana masina no ahafantarantsika koa ny fomba fivavahana Aminy sy ny fitahiana raisintsika avy Aminy.
Commentaires
Enregistrer un commentaire