LESONA 3: NY TAVY FISASANA
Ny adidin'ny Levita dia ny mameno rano mandrakariva io tavy io.
Ny heviny ara-panahy
Izany rano misy tsy tapaka izany dia fanehoana fa misy mandrakariva ny fanadiovana omena maimainpoana avy eo amin'i Kristy Mpamonjy antsika.
Raha tsy misasa ny mpisorona alohan'ny hidirany eo anatrahan'Andriamanitra dia fahafatesana no tsy maintsy hihatra aminy, ary izany koa dia fampahatsiarovana antsika fa amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy ihany no hahazoantsika manatona an'Andriamanitra ka handova ny fiainana mandrakizay.
Nisy fitaratra teo amin'ny fisasana, izay maneho ny didin'Andriamanitra mampibaribary ny maha-panota ny olona, ka ankanesany eo amin'ny rano, dia ny Ran'i Kristy, ho fanadiovana sy fanamarinana azy.
Fampiharana amin'ny fiainana kristiana
Misy fombam-pivavahana kristiana anankiroa izay mampiseho ny fahamarinana raketin'ny tavy fisasana. Ny voalohany dia ny batisa. Rehefa manaiky ny fahafatesan'i Kristy ho an'ny tenantsika isika, ka miaiky ny fahotantsika, dia manatona hatao batisa amin'ny rano. Ny fanatonana ny batisa toy izany no fanehoana fa mino ny fahafatesana sy ny filevenana ary ny fitsanganan'i Kristy isika, ary tanterahina eo amin'ny fiainantsika koa izany fahafatesana amin'ny ota izany, sy ny fandevenana ny fiainana tamin'ny lasa, ary ny fitsanganana ao amin'ny fiainam-baovao. Amin'izany lafiny izany ihany no hampisy heviny amintsika ny batisa, ho fanadiovana amin'ny fahotantsika rehetra.
Ny faharoa dia ny fifanasan-tongotra alohan'ny hanatonantsika ny latabatra masina. Ho fanesorana ny fahotantsika koa no hevitry ny fanasan-tongotra. Tsaroantsika fa nanasa ny tongotry ny mpianany Jesosy tamin'ilay alina farany niarahany taminy. Ny fahamendrehan'i Kristy ihany no afaka hanadio antsika amin'ny fahotantsika rehetra.
Commentaires
Enregistrer un commentaire