Fetin'ny lainga

Ny tenin'Andriamanitra ihany koa dia manameloka ny fampiasana ireo andian-teny ireo sy ny teny tsy misy dikany izay misy ifandraisany amin'ny fitenenan-dratsy. Manameloka ny fitaintainana mamitaka, mandositra ny fahamarinana, manitatra, manome hevitra diso amin'ny varotra, izay fahita eo amin'ny fiaraha-monina sy eo amin'ny tontolon'ny orinasa. "Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy." Matio 5: 37. "Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko? " Ohabolana 26: 18, 19

Ny tsiambaratelo miafina, ny fitenenana miharo hafetsena ratsy, izay mifandraika amin'ny fifosana. Isaky ny mahita ireo fomba fanao ratsy ireo ny tanora dia tokony handositra tahaka ny rehefa mahita boka.

Commentaires