Tonga lafatra ny fotoan'Andriamanitra
Izao fotoana izao dia fitsapana ny finoantsika an'Andriamanitra,
Nifoha isa-maraina aho, ary nanontany tena tahaka an'izao tontolo izao hoe rahoviana vao ho tapitra ny zava-drehetra. Hafiriana no hiaretan'ny olona fahoriana? Firy ny olona mbola handalo amin'izany fanaintainana izany? Iza avy no ho tratra?
Nahita mitovy tahaka an'izany lazaiko izany aho tamin'ny tambazotran-tserasera hafa ary nampatsiahy ahy ny nizara izany tamin'ny fianakaviako.
Covid-19 no nandringana fiainana maro, kanefa raha tsy tonga teo amin'ny fiainantsika izany, dia ho maro amintsika no tsy hivavaka araka ny vavaka ataontsika amin'izao fotoana izao.
Betsaka no tsy nitodika tamin'ny Soratra Masina mba hamaky izany ho an'ny tenany manokana. Afa-po amin'ny famakiana ny Baiboly isika.
Betsaka amintsika no mbola tsy mamela heloka, tsy manam-pitiavana ary mbola miavona am-po. Na ao am-piangonana aza ! Ankehitriny, mino kokoa aho fa tsy ny vola no valin'ny olana rehetra mahazo antsika. Tsy afaka sandaintsika ny vidin'ny ain'olombelona. Maro amintsika no nila nihidy mba hahatadidy ny maha zava-dehibe ny fananana fifandraisana manokana sy tsy miovaova amin'i Kristy satria tsy nanavakavaka io aretina io. Satria tratrany avokoa na ny matanjaka na ny marefo. Ny antitra sy ny tanora, ireo olo-malaza sy ny olona tsotra, ny manankarena sy ny mahantra, ary ireo olona manam-pinoana sy ny tsy manana.
Tsy mpitory teny aho fa fantatro fa tsy nandao antsika Andriamanitra, ary ny fotoanany tsy fotoanantiska. Hatrizay, tonga lafatra foana ny fotoanany. Izy no mamela izany rehetra izany hitranga amin'ny antony iray. Mety tsy fatantsika ny valiny fa mino aho fa mila maka fotoana hananantsika fifandraisana manokana amin'Andriamanitra sy hivavaka ary hibebaka izao.
Mifankatiava, mifamelà heloka ary matokia fa ny drafitr'Andriamanitra ho antsika rehetra sy ho an'izao tontolo izao dia lehibe lavitra noho ny eritreretintsika manokana.
Tsy mino aho fa miteny zavatra izay mbola tsy fantatrareo, niteny izany aho mba ho fampatsiahivana fotsiny.
Manàna Sabata sambatra sy mahafaly! Mitomoera tsara, ary meteza ho voatahy.

Commentaires
Enregistrer un commentaire