ILAY FITIAVANA MANDRESY
Na
toy inona na toy inona firazanana na toeram-boninahitra misy ny olona
anankiray, dia voasintona amin’ ny fomba tsy hay tohaina izy hikatsaka
ny metimety kokoa hatrany. Ilay Andriamanitra feno hatsarana mihitsy no
nametraka izany hetaheta izany tao am-pontsika mba tsy ho mora mionona
isika, ka tsy hisy amin’ ireo zavatra mety ho azontsika, na ratsy na
tsara na tena tsara mihitsy aza, hitondra fahafaham-po tanteraka ho
antsika. Irin’ Andriamanitra mantsy ny hikatsahantsika ny harena
tsaratsara kokoa ary ao amin’ izany no hahitantsika ny fahasambarana
mandrakizay.
Ny
zava-kendren’ ity boky ity dia ny hampiseho fa tsy misy afa-tsy Jesosy
Kristy ihany Ilay tena Ilain’ ny firenena no afaka hanome vahaolana ny
amin’ ny faniriantsika rehetra. Efa maro dia maro tokoa ireo boky
navoaka mirakitra ny «Fiainan’ i Kristy». Kanto dia kanto tokoa izy
ireny ary tsara tohana avy amin’ ireo fanaporofoana matanjaka
isan-karazany. Mirindra sy lalina aok’ izany ny lahatsoratra hita ao,
mamelabelatra ny fizotran’ ny tantaran’ i Jesosy araka ny fotoana
nisehoany avy, ny zava-niseho sy ny fomba amam-panao tumin’ izany
fotoana izany, ny toerana nisehoan’ ny tantara sy ny fampianarany ary ny
lafiny maro isankarazany hita teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy avy any
Nazareta. Na dia izany aza anefa dia tsy maintsy miaiky isika, fa tsy
voalaza avokoa izay tokony holazaina ary mbola maro ny zavatra tokony
hianarantsika.
Aoka
holazaintsika koa anefa manarakaraka izany, fa tsy ny hanolotra antsika
ny firindran’ ny filazantsara na hametraka eo amin’ izay tena fotoana
marina nisehoan’ ireo zava-dehibe nitranga, sy ny lesona mahafinaritra
azo tsoahina avy amin’ ny fiainan’ i Kristy no zava-kendren ‘ ity boky
ity. Haneho ny fitiavan ‘ Andriamanitra naseho tao amin’ ny Zanany sy ny
hatsaran’ ny fiainan’ ny lanitra niainan’ i Kristy, izay ahazoan’ ny
rehetra mandray anjara no marika kendrena, fa
tsy fanomezana fahafahampo fotsiny ny fahalianana te hahalala zavatra
na famaliana ihany koa ireo fanoherana avy amin’ ny fanakianana. Tamin’
ny alalan’ ny halemem-panahiny, dia nitarika ny mpianany ho eo Aminy
Jesosy; tamin’ ny alalan’ ny fanatrehany sy ny fiarahany miory taminy
noho ny kilema sy ny fahantrana nianjady tamin’ izy ireo, dia
nosintoniny hiala teto an-tany ny toetrany mba hanatratra ny mariky ny
lanitra. Ka avy eo amin’ ny fitiavan-tena dia hifindra hankeo amin’ ny
fandavan-tena, avy eo amin’ ny fahateren’ ny fo izay vokatry ny tsy
fahalalana sy ny fitsaratsarana ivelany, ho eo amin’ ny fisokafana sy ny
fihavanana izay manosika azy ireo hahalala sy ho tia bebe kokoa ny
olondrehetra, na avy aiza na avy aiza tany niaviany ary na toy inona na
toy inona firazanany. Noho izany fomba fijery izany,dia kendren’ ity
boky ity ny hanorina fifandraisana mivantana amin’ Ilay Andriamanitra
Mpamonjy sy ny mpamaky. Vitan’ i Jesosy, Ilay mahery, ny mamonjy sy
manova ireo izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany ho araka ny
endriny. Kanefa sarotra dia sarotra ny mitantara ny fiainan ‘ i Kristy !
Toy ny manandrana handoko ny avana eo amin’ ny lamba fanaovana hosodoko
iray. ny fanandramana hanao izany, na manandrana hamerina eo amin’ ny
taratasy feon-java-maneno manga mahafinaritra iray.
Habaribarin’
ny mpanoratra, izay vehivavy nahatsapa fanandramana lalina ny amin’ ny
zavatry ny lanitra, amin’ireo takelaka maromaro amin’ ity boky ity, ny
hatsarana izay mbola tsy nisy toy izany raketin’ ny fiainan’ i Jesosy.
Vatosoa sarobidy vitsivitsy ihany no avoakan’ ny mpanoratra avy ao amin’
ny vata fitehirizana azy. Avy ao amin’ io fitehirizana tsy hita fetra
io no anovozany ho an’ ny mpamaky, haren-tsarobidy azo antoka tokoa.
Maro ireo andininy izay toa efa nahazatra antsika ny hevitra ambarany no
mbola nampitosaka tara-pahazavana be voninahitra. Aseho ao amin’ ity
boky ity ho toy ny fahatanterahan’ ny faniriana sy ny fanantenana ho an’
ny taonjato rehetra mifandimby Jesosy Kristy Ilay Mpamonjy be indrafo,
Ilay Zanaky ny Fahamarinana, Ilay Mpisoronabe miantra sy mamindra fo,
Ilay manasitrana ny aretin’ ny taranak’ olombelona, Ilay Namana
mangora-po sy vonona hanampy amin ‘ ny fotoana rehetra.
Enga
anie ka ho tonga teny fiainana ho an’ ireo mpamaky marobe izay mbola
tsy nahazo valim-bavaka teo amin’ ny faniriany sy ny hetahetam-pony ity
boky ity.
Toko 1—Amintsika Andriamanitra
Toko 2—Ilay vahoaka voafidy
Toko 3—Tonga ny fotoan’andro
Toko 4—Mpamonjy no teraka ho anareo
Toko 5—Ny nanolorana Azy
Toko 6—Nahita ny kintana izahay
Toko 7—Jesosy Zaza
Toko 8—Ny nandalovany tamin’ny andro Paska
Toko 9—Adim-piainana teo amin’ny fahazazana
Toko 10—Ilay feo tany an-efitra
Toko 11—Ny Batisa
Toko 12—Ny fakam-panahy
Toko 13—Ny fandresena
Toko 14—Efa nahita ny Mesia izahay
Toko 15—Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady
Toko 16—Tao amin’ny tempoliny
Toko 17—Nikodemosy
Toko 18—Izy tsy maintsy mitombo
Toko 19—Teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba
Toko 20—Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo
Toko 21—Betesda sy ny Synedriona
Toko 22—Ny nanagadrana an’ i Jaona sy ny nahafatesany
Toko 23—Akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra
Toko 24—Tsy Ilehity va Ilay Zanaky ny mpandrafitra ?
Toko 25—Ny antso teo amoron’ ny ranomasina
Toko 26—Tao kapernaomy
Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao
Toko 28—Levy Matio
Toko 29—Ny Sabata
Toko 30—Nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy
Toko 31—Ny toriteny teo an-tendrombohitra
Toko 32—Ilay Kapiteny
Toko 33—Iza no rahalahiko ?
Toko 34—Ny fiantsoana
Toko 35—Mangina, mitsahara !
Toko 36—Ny finoana mitarika hanendry
Toko 37—Ireo evanjelista voalohany
Toko 38—Avia , miala sasatra kely
Toko 39—Omeonareo hanina izy
Toko 40—Indray alina teo amin’ ny farihy
Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia
Toko 42—Lovan-tsofina
Toko 43—Fefy narodana
Toko 44—Ny tena famantarana
Toko 45—Ny aloky ny hazo fijaliana
Toko 46—Niova tarehy Izy
Toko 47—Asa fanompoana
Toko 48—Iza no lehibe indrindra ?
Toko 49—Tamin’ ny andro firavoravoana
Toko 50—Tao anatin’ ny fandrika
Toko 51—Ny fahazavan’ aina
Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra
Toko 53—Ny dia farany avy tany Galilia
Toko 54—Ny Samaritana tsara fanahy
Toko 55—Tsy misehoseho
Toko 56—Nitahy ny zaza
Toko 57—Diso zavatra iray loha hianao
Toko 58—Ry Lazarosy, mivoaha!
Toko 59—Ny fiokoan’ ny mpisorona
Toko 60—Ny lalàn’ ny fanjakana vaovao
Toko 61—Zakaiosy
Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona
Toko 63—Avy ny mpanjakanao
Toko 64—Vahoaka tandindomin-doza
Toko 65—Ny tempoly nodiovina indray
Toko 66—Adihevitra
Toko 67—Lozanareo Fariseo !
Toko 68—Tao amin’ ny kianja ivelany
Toko 69—Teo amin’ ny tendrombohitra Oliva
Toko 70—Ny kely indrindra amin’ ny rahalahiko
Toko 71—Mpanompon ‘ ny mpanompo
Toko 72—Ho fahatsiarovana Ahy
Toko 73—Aza malahelo ny fonareo
Toko 74—Getsemane
Toko 75—Teo anatrehan’ i Anasy sy teo amin ‘ ny lapan’ i Kaiafa
Toko 76—Jodasy
Toko 77—Tao amin’ ny fitsaran’ i Pilato
Toko 78—Kalvary
Toko 79—Vita
Toko 80—Tao amin’ ny fasan’ i Josefa
Toko 81—Nitsangana ny Tompo
Toko 82—Nahoana hianao no mitomany ?
Toko 83—Ny dia ho any Emaosy
Toko 84—Fiadanana ho anareo
Toko 85—Teo amoron-dranomasina indray
Toko 86—Mandehana any amin’ ny firenena rehetra
Toko 87—Ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo
Toko 1—Amintsika Andriamanitra
Toko 2—Ilay vahoaka voafidy
Toko 3—Tonga ny fotoan’andro
Toko 4—Mpamonjy no teraka ho anareo
Toko 5—Ny nanolorana Azy
Toko 6—Nahita ny kintana izahay
Toko 7—Jesosy Zaza
Toko 8—Ny nandalovany tamin’ny andro Paska
Toko 9—Adim-piainana teo amin’ny fahazazana
Toko 10—Ilay feo tany an-efitra
Toko 11—Ny Batisa
Toko 12—Ny fakam-panahy
Toko 13—Ny fandresena
Toko 14—Efa nahita ny Mesia izahay
Toko 15—Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady
Toko 16—Tao amin’ny tempoliny
Toko 17—Nikodemosy
Toko 18—Izy tsy maintsy mitombo
Toko 19—Teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba
Toko 20—Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo
Toko 21—Betesda sy ny Synedriona
Toko 22—Ny nanagadrana an’ i Jaona sy ny nahafatesany
Toko 23—Akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra
Toko 24—Tsy Ilehity va Ilay Zanaky ny mpandrafitra ?
Toko 25—Ny antso teo amoron’ ny ranomasina
Toko 26—Tao kapernaomy
Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao
Toko 28—Levy Matio
Toko 29—Ny Sabata
Toko 30—Nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy
Toko 31—Ny toriteny teo an-tendrombohitra
Toko 32—Ilay Kapiteny
Toko 33—Iza no rahalahiko ?
Toko 34—Ny fiantsoana
Toko 35—Mangina, mitsahara !
Toko 36—Ny finoana mitarika hanendry
Toko 37—Ireo evanjelista voalohany
Toko 38—Avia , miala sasatra kely
Toko 39—Omeonareo hanina izy
Toko 40—Indray alina teo amin’ ny farihy
Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia
Toko 42—Lovan-tsofina
Toko 43—Fefy narodana
Toko 44—Ny tena famantarana
Toko 45—Ny aloky ny hazo fijaliana
Toko 46—Niova tarehy Izy
Toko 47—Asa fanompoana
Toko 48—Iza no lehibe indrindra ?
Toko 49—Tamin’ ny andro firavoravoana
Toko 50—Tao anatin’ ny fandrika
Toko 51—Ny fahazavan’ aina
Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra
Toko 53—Ny dia farany avy tany Galilia
Toko 54—Ny Samaritana tsara fanahy
Toko 55—Tsy misehoseho
Toko 56—Nitahy ny zaza
Toko 57—Diso zavatra iray loha hianao
Toko 58—Ry Lazarosy, mivoaha!
Toko 59—Ny fiokoan’ ny mpisorona
Toko 60—Ny lalàn’ ny fanjakana vaovao
Toko 61—Zakaiosy
Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona
Toko 63—Avy ny mpanjakanao
Toko 64—Vahoaka tandindomin-doza
Toko 65—Ny tempoly nodiovina indray
Toko 66—Adihevitra
Toko 67—Lozanareo Fariseo !
Toko 68—Tao amin’ ny kianja ivelany
Toko 69—Teo amin’ ny tendrombohitra Oliva
Toko 70—Ny kely indrindra amin’ ny rahalahiko
Toko 71—Mpanompon ‘ ny mpanompo
Toko 72—Ho fahatsiarovana Ahy
Toko 73—Aza malahelo ny fonareo
Toko 74—Getsemane
Toko 75—Teo anatrehan’ i Anasy sy teo amin ‘ ny lapan’ i Kaiafa
Toko 76—Jodasy
Toko 77—Tao amin’ ny fitsaran’ i Pilato
Toko 78—Kalvary
Toko 79—Vita
Toko 80—Tao amin’ ny fasan’ i Josefa
Toko 81—Nitsangana ny Tompo
Toko 82—Nahoana hianao no mitomany ?
Toko 83—Ny dia ho any Emaosy
Toko 84—Fiadanana ho anareo
Toko 85—Teo amoron-dranomasina indray
Toko 86—Mandehana any amin’ ny firenena rehetra
Toko 87—Ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo
Commentaires
Enregistrer un commentaire