Toko 48—Iza no lehibe indrindra ?
Raha
niverina tany Kapernaomy Jesosy dia tsy nankany amin’ ny toerana
fanta-daza izay nampianarany ny vahoaka, fa nandeha mangingina ho any
amin’ ilay trano handalovany Izy sy ny mpianany. Nandritra ny fotoana
sisa hijanonany any Galilia dia niezaka indray ny hampianatra ny
mpianany no nokasainy mihoatra noho ny hiasa ho an’ ny vahoaka maro. (Matio 17 : 22, 27 ; 18 : 1-20 ; Marka 9 : 30-50 ; Lioka 9 : 46-48 )
Teny
an-dalana ho any Galilia, dia niezaka indray Kristy hanomana ny sain’
ny mpianany ny amin’ ny toe-javatra manoloana Azy. Nambarany azy fa
hiakatra any Jerosalema Izy ka hovonoina ary hitsangana indray. Ary
nanampiny izany ny fanambarana hafahafa sy miezinezina milaza fa
atolotra ho eo an-tanan’ ny fahavalony Izy. Tsy azon’ ny mpianatra akory
ny teniny. Na dia nisy aloky ny alahelo mafy aza nianjady taminy, dia
nahita toerana tao am-pony ny toe-tsaina mifandrafy. Niady hevitra izay
ho lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakana izy. Noheveriny hafenina an’ i
Jesosy io fifandirana io, ka tsy nifanery akaiky teo anilany araka ny
fanaony izy, fa nitaredretra tany aoriana, hany ka nialohavan’ i Jesosy
izy ireo raha niditra tao Kapernaomy. Namaky ny tao an-tsainy Jesosy, ka
naniry mafy ny hanoro hevitra sy ny hampianatra azy. Nefa niandry
fotoana tony ho amin’ izany Izy, mba hisokafan’ ny fon’ ireo handray ny
teniny.
Fotoana
fohy taorian’ ny nahatongavany tao an-tanàna, dia nanatona an’ i Petera
ny mpanangona ny volan’ ny tempoly ka nanontany azy hoe : «Moa ny
mpampianatra anareo tsy mba mandoa hetra?» Tsy hetram-panjakana io vola
io, fa fandraisana anjara eo amin’ ny ara-pivavahana, izay nasaina
naloan’ ny Jiosy isan-taona mba hanohanana ny tempoly. Ny fandavana ny
handoa io hetra io dia noheverina ho toetra tsy mahatoky eo anatrehan’
ny tempoly, izay fahotana ratsy indrindra araka ny fanombatombanan’ ny
raby. Ny fihetsiky ny Mpamonjy momba ny lalàn’ ny raby sy ny fanomezany
tsiny mazava izay miaro ny lovan-tsofina, dia noraisina ho antony
hiampangana Azy fa nitady ny handrodana ny fanompoana tao amin’ ny
tempoly Izy. Nahita fotoana mety izao ny fahavalony mba tsy hatokisana
Azy. Nahita mpiray ady aminy vonona izy teo amin’ ny mpanangona vola
hetra.
Hitan’
i Petera fa hevitra misisika mikasika ny toetra mahatoky amin’ ny
tempoly eo amin’ i Kristy ny fanontanian’ ilay mpanangona vola hetra.
Nafana fo izy raha ny momba ny voninahitry ny Tompony, ka namaly
haingana na dia tsy nanontany Azy aza, fa mandoa io hetra io Jesosy.
Ampahany
ihany anefa no azon’ i Petera ny amin’ ny fikasan’ ilay mpanontany azy.
Nisy antokon’ olona sasany izay natao tsy handoa io hetra io. Tamin’ ny
andron’ i Mosesy, rehefa natokana ho amin’ ny asa fanompoana ao amin’
ny fitoerana masina ny levita, dia tsy nomena anjara lova teo amin’ ny
vahoaka izy. Hoy Jehovah hoe : «Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na
lova eo amin’ ny rahalahiny : Jehovah no lovany» (Deo. 10: 9). Tamin’
ny andron’ i Kristy dia mbola noheverina ho voatokana ho amin’ ny asan’
ny tempoly ny mpisorona sy ny levita, ka tsy notakiana taminy ny
fandraisana isan-taona hanohanana ny tempoly. Afaka tamin’ ny fandoavana
an’ izany koa ny mpaminany. Raha nangataka io hetra io tamin’ i Jesosy
ny raby dia nahatany ny filazana an’ i Jesosy ho mpaminany na
mpampianatra, ary tahaka ny olona tsotra no nifandraisany taminy. Ny
fandavany handoa io hetra io dia hampiseho ny toetrany tsy mahatoky
amin’ ny tempoly ; etsy an-daniny kosa anefa, ny fandoavana izany dia
horaisina ho fanamarinana ny fandavana Azy tsy ho mpaminany.
Fotoana
kely talohan’ izao, dia nanaiky an’ i Jesosy ho Zanak’ Andriamanitra i
Petera ; nefa izao dia tsy nohararaotiny ny fotoana mety hanehoana ny
toetra amam-panahin’ ny Tompony. Ny valinteniny tamin’ ilay mpanangona
hetra izay milaza fa mandoa ihany Jesosy, dia manamafy sahady ny
hevi-diso momba Azy, izay niezahan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka
naparitaka. Rehefa niditra ny trano i Petera, dia tsy niteny ny amin’
izay vao nitranga Jesosy, fa nanontany Izy hoe : «Ahoana no hevitrao, ry
Simona ? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany
fadin-tseranana ary vola hetra ? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny
olon-kafa ? Ary hoy Petera taminy : Avy ámin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa
Jesosy : Dia afaka ary ny Zanaka». Ny vahoakan’ ny tany iray dia mandoa
hetra hihazonana ny mpanjakany, fa afaka kosa ny zanaky ny mpanjaka.
Toy izany koa Isiraely, ilay vahoaka misora-tena fa an’ Andriamanitra,
dia nasaina nikarakara ny fanompoana Azy ; fa Jesosy, Zanak’
Andriamanitra kosa, dia tsy nanana. izany adidy izany. Raha afaka ny
mpisorona sy ny Levita noho ny fifandraisany tamin’ ny tempoly, manao
ahoana kosa no tokony hahafaka Ilay nanana ny tempoly ho tranon’ ny
Rainy ?
Raha
naloan’ i Jesosy tsy nisy fandavana ny hetra, dia fanekeny sahady ny
fahamarinan’ ny fitakiana izany, ary amin’ izany dia ho nandà ny
maha Andriamanitra Azy Izy. Nefa kosa ny fanehoany fa mety ny
hanatanterahany ilay fangatahana, dia fandavana ny filazana iorenan’
izany. Nasehony ny porofo mazava ny maha Andriamanitra Azy tamin’ ny
nanomezany izay handoavana ny hetra. Hita miharihary fa Iray Izy sy
Andriamanitra, ary noho izany, tsy voafehin’ ny hetra tahaka ny
olon-tsotra ao amin’ ny fanjakana Izy.
«Mankanesa
ao amin’ ny ranomasina hianao, hoy ny baikony tamin’ i Petera, ka
manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao
ny vavany, dia hahita vola sekely eo hianao, dia raiso izany, ka omeo
azy ho avy amiko sy hianao».
Na
dia notafiany ny maha olombelona aza ny maha Andriamanitra, dia
nasehony tamin’ ity fahagagana ity ny voninahiny. Hita mazava fa Izy no
nilaza tamin’ ny alalan’ i Davida hoe : «Fa Ahy ny biby rehetra any
an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; ary eto
amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Raha mba noana Aho, dia tsy
hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy» (Sal. 50: 10- 12)
Raha
nasehon’ i Jesosy mazava fa tsy voafehy handoa ny hetra Izy, dia tsy
niditra hiady hevitra tamin’ ny Jiosy momba izany Izy : ho diso mantsy
ny fandraisany ny teniny, ka hivadika hamely Azy. Mba tsy ho
fanafintohinana ny fitazonany ny hetra, dia notanterahiny izay notakiana
taminy tsy ara-drariny. Ho sarobidy ho an’ ny mpianany io lesona io.
Hisy fiovana manokana ho hita tsy ho ela eo amin’ ny fifandraisan’ izy
ireo amin’ ny fanompoana ao amin’ ny tempoly, ka hampianatra azy tsy ho
eo amin’ ny toerana izay hanoherany tsy amin’ antony ny rafitra
voalamina Kristy. Araka izay azo atao, dia tokony hialany izay ahazoana
mandiso ny hevitry ny finoany. Tsy tokony hanao sorona ny anankiray
amin’ ny foto-kevitry ny fahamarinana ny kristiana, nefa tokony hialany
koa ny adihevitra raha mbola azo atao koa ny manao izany.
Rehefa
irery tao an-trano Kristy sy ny mpianatra, nony nandeha tany
amoron-dranomasina i Petera, dia niantso ny sasany ho eo Aminy Izy, ka
nanontany azy hoe : «Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?» Ny
fanatrehan’ i Jesosy sy ny fanontaniany dia nametraka ny toe-javatra teo
amin’ ny fahazavana hafa tanteraka noho izay nisehoany tamin’ izy niady
teny an-dalana. Nampangina azy ireo ny fahamenarana sy ny
fanamelohan-tenany. Nilaza taminy Jesosy fa ho faty ho azy ireo Izy, koa
nifanohitra tamin’ ny fomba mahonena tamin’ ny hambompon’ izy ireo feno
fitiavan-tena ny fitiavany tsy mihevitra ny tena.
Rehefa
nilaza taminy Jesosy fa hovonoina Izy ary hitsangana indray, dia
niezaka Izy hitarika ny resaka ho amin’ ny fisedrana lehibe ny finoany.
Raha vonona ny handray izay niriny hampahafantarina azy izy, dia ho
voavonjy ho afaka tamin’ ny ngidin’ ny tebiteby sy ny famoizam-po izy
ireo. Ho nitondra fampiononana teo amin’ ny oran’ ny fisaonana sy ny
fahadisoam-panantenana ny teniny. Nefa na dia niteny mazava indrindra ny
amin’ izay miandry Azy aza Izy, ny filazany fa efa handeha tsy ho ela
any Jerosalema Izy dia namelona indray ny fanantenany, fa efa hatsangana
ny fanjakany. Izany no nahatonga ny fanontaniana ny amin’. izay tokony
handray ny toerana ambony indrindra. Rehefa niverina avy tany
an-dranomasina i Petera dia nolazain’ ny mpianatra taminy ny
fanontanian’ ny Mpamonjy, ary nony farany dia nisy sahy nilaza izay
nanontanian’ i Jesosy : «Iza no lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakan’
ny lanitra ?»
Nangonin’
ny Mpamonjy manodidina Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy : «Raha misy
te ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompon’ izy
rehetra izy». Nambara tamin’ ny fomba manetriketrika sy nanaitra
indrindra ireo teny ireo, nefa lavitra tamin’ ny mpianatra ny hahazo
izany. Tsy hainy ny mahita izay hitan’ i Kristy mazava. Tsy azony ny
toetry ny fanjakan’ i Kristy, ary ny tsy fahalalana izany no toa anton’
ny ady nataony. Lalina noho izany anefa no nisy ny tena antony. Raha
nanazava ny toetry ny fanjakany Kristy, dia nety ho nampangina vetivety
ny adihevitra nataon’ izy ireo Izy ; nefa tsy ho voakasika tamin’ izany
ny antony fototra. Na dia azony aza ny fahalalana feno, dia hamerina ny
korontana hatrany izay rehetra mikasika ny fahamboniana. Avy tamin’
izany no ho nahatonga ao amin’ ny fiangonana ny loza rehefa lasa Kristy.
Ny ady momba ny toerana ambony indrindra dia avy amin’ ilay toe-tsaina
niandohan’ ilay ady lehibe tany amin’ izao tontolo izao tany ambony, ary
nahatonga an’ i Kristy hidina avy any an-danitra mba ho faty.
Nitsangana teo anatrehany ny fahitana an’ i Losifera, ilay «zanaky ny
maraina», nanana voninahitra nihoatra ny anjely rehetra nanodidina ny
seza fiandrianana, ary nifandray tamin’ ny fomba ety indrindra tamin’ ny
Zanak’ Andriamanitra. Hoy i Losifera hoe : «Ho tahaka ny Avo Indrindra
aho» (Isa. 14: 12- 15) ary
nitondra ady tany amin’ ny lapan’ ny lanitra ny faniriany
hanandra-tena, ka nahavoaroaka marobe tamin’ ny tafik’ Andriamanitra.
Raha nanam-paniriana marina tokoa ho tahaka ny Avo Indrindra i Losifera,
dia tsy ho nilaozany mihitsy ny toerana notendrena ho azy tany
an-danitra ; miseho amin’ ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena mantsy ny
toetsain’ ny Avo Indrindra. Naniry ny fahefan’ Andriamanitra i Losifera
fa tsy ny toetra amam-panahiny. Nitady ny toerana ambony indrindra ho
an’ ny tenany izy, ary hanao izany koa izay rehetra hetsehin’ ny
toe-tsainy. Amin’ izay dia tsy ho azo ialana ny fihafahafana, ny
fifandirana sy ny adi-lahy. Manjary eo am-pelatanan’ ny Mahery Indrindra
ny fanapahana. Fanjakan’ ny hery ny fanjakan’ i Satana ; ny tsirairay
dia mihevitra ny hafa rehetra ho sakana eo amin’ ny lalana handrosoany,
ka ho vato hiakarany ahazoany misondrotra amin’ ny toerana ambony kokoa.
Raha
noheverin’ i Losifera ho zavatra tokony nofikirina ny hitovy amin’
Andriamanitra, Kristy, ilay Nasandratra kosa dia «nofoanany ny tenany
tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho
manam-pitoviana amin’ ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona
Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay
fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana» (Fil. 2: 7, 8). Mitsangana
manoloana Azy ankehitriny ny hazo fijaliana; nefa nameno ny mpianany ny
fitadiavana ny tombontsoan’ ny tenany dia ilay tena foto-kevitry ny
fanjakan’ i Satana indrindra, hany ka tsy afaka hiray fo tamin’ ny
Tompony izy, na dia ny hahazo ny teniny aza. ary nilaza taminy ny amin’
ny fietreny ho azy Izy.
Tamim-pitiavana
lehibe, nefa nantitranteriny tamin’ ny fomba manetriketrika, no
niezahan’ i Jesosy nanitsy ny ratsy. Nasehony ny foto-kevitra izay
nifehy ny fanjakan’ ny lanitra, sy ny atao hoe tena fahalehibeazana,
araka izay fanombanana azy amin’ ny tarigetran’ ny lapa any ambony. Izay
hetsehin’ ny avonavona sy ny fitiavana mari-pankasitrahana dia
hihevitra ny tenany sy ny tombontsoa ho azony, mihoatra noho izay fomba
hamerenany amin’ Andriamanitra ny fanomezana efa noraisiny. Tsy
hanan-toerana any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy, satria hita fa
miandany amin’ i Satana.
Mialoha
ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an’ i Jaona
Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan’ Andriamanitra ny
Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan’ ny olona. Ny mpianatra
mitovy amin’ ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin’ ny asa ho an’
Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin’ izay mitady ny hamonjy fanahy, fa
tsy ny hanandratra ny «izaho», ny hery sy ny sain’ ny lanitra rehetra.
Na iza na iza no mahatsapa lalina ny filany ny fanampian’ Andriamanitra
dia hangataka mba hahazo izany ; ary ny Fanahy Masina dia hanome azy
topi-maso momba an’ i Jesosy, izay hampahatanjaka sy hanandratra ny
fanahy. Ny firaisany amin’ i Kristy dia hampandeha azy hiasa ho an’ ireo
izay ho faty ao amin’ ny fahotany. Nohosorana ho amin’ ny asa
nanirahana azy izy, ka hahomby eo amin’ izay tsy nahavitan’ ny
olon-kedry maro manam-pahaizana sy manan-tsaina.
Nefa kosa rehefa manandra-tena ny olona ka mahatsapa fa tena ilaina izy hampanjary ny drafitr’ asa lehiben’ Andriamanitra, dia asain’ ny Tompo esorina izy. Asehony mazava amin’ izany fa tsy miankina aminy Jehovah. Tsy mijanona ny asa noho izy nesorina, fa mandroso hatrany amin’ ny hery lehibe kokoa.
Tsy
ampy ho an’ ny mpianatr’ i Jesosy ny ampianarina momba ny toetry ny
fanjakany. Ny ilainy dia fiovam-po izay hahatonga azy hifandrindra amin’
ny foto-kevitry ny fanjakany. Niantso zazakely teo Aminy Jesosy ka
napetrany teo avofoany ; nofihininy tamim-pitiavana ilay zaza dia hoy Izy
hoe : «Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy
hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra». Ny toetra tsotra, ny manadino ny
tena, ny fitiavana feno fahatokisan’ ny zazakely : izany no misy vidiny
eo anatrehan’ ny Lanitra. Ireo no toetra mampiavaka ny tena
fahalehibeazana marina.
Nohazavain’ i Jesosy indray tamin’ ny mpianatra fa tsy mampiavaka ny fanjakany ny voninahitra sy ny fisehosehoana ara-nofo. Hadino avokoa ireny fahasamihafana rehetra ireny eo an-tongotr’ i Jesosy. Ny manan-karena sy ny mahantra, ny manam-pahaizana sy ny tsy manana dia tafaray, tsy misy eritreritra ny fahamboniana ara-pirazanana na araka izao tontolo izao. Amin’ ny maha fanahy novidina tamin’ ny ra no hihaonan’ ny rehetra, samy miankina mitovy amin’ Ilay nanavotra azy tao amin’ Andriamanitra.
Sarobidy eo imason’ Andriamanitra ny fanahy tsotra sy torotoro. Apetrak’ Andriamanitra eo amin’ ny olona ny tombo-kaseny, tsy noho ny laharany, na ny harenany, na ny fahalehibeazany ara-tsaina, fa noho ny maha-iray azy amin’ i Kristy. Mahafa-po ny Tompon’ ny voninahitra ireo izay malemy fanahy sy tsy miavona am-po. «Omeonao ahy ny ampingan’ ny famonjenao, hoy Davida . . . ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy» (Sal. 18: 35) amin’ ny mahalafin-toetran’ olombelona an’ izany.
«Na zovy na zovy no handray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, hoy Jesosy, dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy» ; «Izao no lazain’ i Jehovah : Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoerantongotro ;. . . nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko» (Isa. 66: 1, 2).
Ny tenin’ ny Mpamonjy dia namohafoha fahatsapana ho tsy matoky tena ao amin’ ny mpianatra. Tsy misy na dia iray aza voatondro manokana teo amin’ ny valinteniny ; voatarika manokana anefa i Jaona hanontany raha nety ny nataony indray mandeha. Nentiny teo anatrehan’ i Jesosy tamin’ ny toe-tsain’ ny zaza izany : «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika».
Noheverin’ i Jakoba sy Jaona fa nitsinjo ny voninahitry ny Tompony izy tamin’ ny nanakanany io olona io : nanjary hitany koa fa saro-piaro tamin’ ny voninahitry ny tenany izy. Nekeny ny fahadisoan-keviný sy ny fanomezan-tsiny nataon’ i Jesosy nanao hoe : «Aza mandrara azy ; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety». Tsy mety ny mitsipaka izay miseho ho sakaizan’ i Kristy na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona. Betsaka no voahetsika lalina tamin’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy sy ny asany, ka nidanadana ho Azy amin’ ny finoana ny fony ; koa tsy maintsy mitandrina ny mpianatra izay tsy afaka hamaky ny antony manosika azy ao am-pony, sao manakivy ireny fanahy ireny. Rehefa tsy teo anivon’ izy ireo intsony ny tenan’ i Jesosy, ka napetraka teo am-pelatanan’ izy ireo ny asa, dia tsy tokony avelany hanaram-po ny toe-tsaina ety sy tsy miray apiin’ ny hafa, fa tsy maintsy io firaisam-po mahataka-davitra io ihany, izay efa hitany teo amin’ ny Tompony, no asehony.
Raha tsy mifanaraka tanteraka amin’ ny hevitra sy ny fisainan’ ny tenantsika ny ataon’ ny olona iray, dia tsy hanamarina ny ataontsika amin’ ny fandrarana azy tsy hiasa ho an’ Andriamanitra izany. Kristy no Mpampianatra lehibe ; tsy tokony hitsara na hibaiko isika, fa samy hipetraka amim-panetren-tena eo an-tongotr’ i Jesosy, ka hianatra Aminy. Ný fanahy rehetra izay nataon’ Andriamanitra hanana finiavana, dia fantsona izay hanehoan’ i Kristy ny fitiavany mamela heloka. Tokony hitandrina fatratra isika sao mahakivy ny anankiray amin’ ny mpitondra fahazavan’ Andriamanitra, ary amin’ izay dia hanakana ny tara-pahazavana izay tian’ Andriamanitra hanazava an’ izao tontolo izao.
Ny fahasiahana na ny fangatsiaham-po asehon’ ny mpianatra amin’ ny olona iray izay tarihin’ i Kristy, dia fihetsika toy ilay nataon’ i Jaona tamin’ ny fanakanany olona iray tsy hanao fahagagana amin’ ny anaran’ i Kristy. Ny mety ho vokatr’ izany dia fiodinany handeha eo amin’ ny lalan’ ny fahavalo, ka hahatonga ny fahaverezany. Na manao ahoana na manao ahoana dia tokony halavirina izany, fa izay mahatonga izany fahaverezana izany, hoy Jesosy, dia aleo «anatonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy». Ary nampiany hoe : «Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy ; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo».
Inona no anton’ io teny mafana io, izay henjana tsy nisy toy izany ? — Satria «tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very» (Lio. 19:10). Moa ve ny fiheveran’ ny mpianany ny mpiara-belona aminy ho latsa-danja noho izay nasehon’ Andriamanitry ny lanitra? Tsy misy fetra ny nividianana ny fanahy tsirairay, koa zava-doza manao ahoana ny fahotana amin’ ny fampidinana fanahy iray hiala amin’ i Kristy, ka ho very maina ho azy ny fitiavan’ ny Mpamonjy sy ny nanetreny tena ary ny ady mihatra aman’ aina natrehiny.
«Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana, fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana». Azo antoka fa hanohitra ny mpanaraka an’ i Kristy izao tontolo izao atosik’ i Satana, ka hitady izay hamonoana ny finoany; nefa loza ho an’ izay nandray ny anaran’ i Kristy sady manao io asa io. Afa-baraka ny Tompo noho ireo izay milaza fa manompo Azy, nefa mandiso ny toetra amam-panahiny ; koa vahoaka be no voafitaka sy voatarika ho amin’ ny lalan-diso.
Na inona na inona fahazarana na fanao mety hitarika amin’ ny fahotana, ka mitondra henatra amin’ i Kristy, dia tsara ny manala azy, na toy inona na toy inona fahafoizan-tena amin’ izany. Tsy afaka hitondra tombon-tsoa ho an’ ny fanahy izay manala baraka an’ Andriamanitra. Tsy azo omena olona na iza na iza amin’ ny fandikany ny foto-kevitry ny marina mandrakizay ny fitahian’ ny lanitra. Ary ny fahotana iray ankafizina dia ampy hiasa hampitotongana ny toetra amam-panahy, ka handiso lalana ny hafa. Raha tokony hotapahina ny tongotra na ny tanana, ary na dia ny maso aza no tokony hoesorina mba hamonjena ny tena amin’ ny fahafatesana, dia tokony ho manao ahoana kokoa ny zotom-po hanalana ny fahotana izay mitondra fahafatesana ho an’ ny fanahy.
Teo amin’ ny fomba fanompoam-pivavahana dia nampiana sira ny fanatitra rehetra. Mampiseho izany, tahaka ny fanolorana ditin-kazo manitra, fa ny fahamarinan’ i Kristy irery ihany no mahatonga ny fanompoana ho ankasitrahan’ Andriamanitra. Nahatsiaro io fomba io Jesosy ka nanao hoe : «Ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin’ ny fanasina». Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo». Izay rehetra hanolo-tena ho «fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra» (Rom. 12: 1), dia tsy maintsy mandray ny fanasina mamonjy, dia ny fahamarinan’ ny Mpamonjy antsika. Amin’ izay dia manjary «fanasin’ ny tany»(Mat. 5: 13) izy, izay mametra ny ratsy eo anivon’ ny olona, toy ny sira miaro amin’ ny fahalovana. Fa raha very ny tsiron’ ny fanasina, raha tsy misy afa-tsy ny filazana ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia tsy misy hery hanaovana ny tsara izany. Tsy afaka hanana hery miasa mangina hamonjy an’ izao tontolo izao ny fiainana. Ny herim-ponareo sy ny fahombiazanareo amin’ ny fananganana ny fanjakako, hoy Jesosy, dia miankina amin’ ny fandraisanareo ny Fanahiko. Tsy maintsy ho mpandray anjara amin’ ny fahasoavako ianareo, mba ho tonga hanitry ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Amin’ izay dia tsy hisy fifaninanana, tsy hisy fitadiavana ny tombon-tsoan’ ny tena, tsy hisy faniriana ny toerana ambony indrindra. Hanana ilay fitiavana izay tsy mitady ny azy ianareo, fa mitady ny hampanankarena ny hafa.
Aoka hampifantoka ny masony amin’ ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao» (Jao. 1: 29) ny mpanota mibebaka; ary amin’ ny fibanjinana Azy, dia manjary vaovao izy. Mivadika ho fifaliana ny tahony ary ho fanantenana ny fisalasalany. Miboiboika ny fankasitrahana. Torotoro ny fo vato. Hisondrotra ao amin’ ny fanahy ny fitiavana ka hanafotra azy. Loharano miboiboika ho amin’ ny fiainana mandrakizay ao aminy Kristy. Rehefa mahita an’ i Jesosy isika, Ilay Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, miasa mba hamonjy ny very, natao tsinontsinona, narabiana, natao fihomehezana, nitety tanàna mandra-pahavitan’ ny asa nanirahana Azy ; rehefa mibanjina Azy ao Getsemane isika, ra vaventy fitete no hatsembohany, sy eo amin’ ny hazo fijaliana maty tao amin’ ny ady mihatra aman’ aina, rehefa mahita izany isika, dia tsy hitaky ny hankasitrahana intsony ny «izaho». Raha mibanjina an’ i Jesosy isika dia ho menatra ny fangatsiahantsika, ny faharendremantsika, ny fitadiavantsika ny tombon-tsoantsika. Ho tiantsika ny ho tonga zava-bitika na ho tsinontsinona, mba hahazoantsika manao ny asa amin’ ny fontsika ho an’ ny Tompo. Hifaly isika hitondra ny hazo fijaliana manaraka an’ i Jesosy, hiaritra ny fitsapana, ny henatra, na ny fanenjehana ho an’ ny asany mamintsika.
«Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany» (Rom. 15: 1). Tsy misy fanahy izay mino an’ i Kristy azo hamaivanina ny fiheverana azy, na dia mety malemy aza ny finoany, ka mangozohozo toy ny an’ ny zazakely ny famindrany. Izay zavatra rehetra manome tombon-tsoa antsika amin’ ny hafa, mety ho fanabeazana izany sy toetra amam-panahy kanto sy mendrika, fitaizana kristiana, fanandramana ara-pivavahana, dia mampanan-trosa antsika amin’ izay kely tombon-tsoa kokoa noho isika, ary araka izay azontsika atao, dia tokony hanompo azy isika. Raha matanjaka isika dia tokony hanohana ny tanan’ ny malemy. Ny anjelin’ ny voninahitra, izay mahita mandrakariva ny tavan’ ny Ray any an-danitra, dia mifaly amin’ ny fanompoana ireny madinika ireny. Ny fanahy mangovitra, izay mety manana lafin-toetra maro azo kianina, no karakarainy manokana. Manatrika mandrakariva eo amin’ izay ilàna azy indrindra ny anjely, dia eo amin’ izay manana ny ady mafy indrindra hatao amin’ ny tenany, ary eo amin’ izay misy toe-javatra mahakivy indrindra manodidina azy. Koa hiara-miasa amin’ io fanompoana io ny tena mpanaraka an’ i Kristy marina.
Raha misy ratsy maharesy ny anankiray amin’ ireny madinika ireny ka hanaovany ny tsy mety aminao, dia anjaranao ny mitady izay hamerenana azy. Aza miandry azy hanao ny ezaka voalohany ho fampihavanana. «Ahoana no hevitrareo ? hoy Jesosy. Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo any an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania ? Ary raha tahiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny».
Mandehana mankany amin’ izay diso, amin’ ny toe-tsaina malemy fanahy, «mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaimpanahy ihany» (Gal. 6: 1), ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany». Aza mampitondra henatra azy amin’ ny famelabelarana ny fahadisoany amin’ ny hafa na manala baraka an’ i Kristy amin’ ny fitondrana ampahibemaso ny fahotana na ny fahadisoan’ ny olona iray mitondra ny anarany. Matetika no tsy maintsy lazaina mazava amin’ ilay diso ny marina ; tsy maintsy tarihina izy hahita ny fahadisoany, mba hahazoany miova. Nefa tsy tokony hitsara na hanameloka ianao. Aza manandrana miezaka hanamarin-tena. Aoka ho amin’ ny fanasitranana ny fiezahanao rehetra. Mila fihetsika malefaka indrindra, fahazoana mahatsapa ny zava-madinika indrindra ny fitsaboana ny ratran’ ny fanahy. Ny fitiavana miboiboika avy amin’ Ilay Lehilahy orin’ i Kalvary ihany no mahomby eto. Fitiavana feno fangorahana no aoka hoentin’ ny rahalahy ifandraisana amin’ ny rahalahy, ka ho fantatrao fa raha mahomby ianao, dia «hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be» (Jak. 5: 20).
Nefa mety tsy hahomby na dia io ezaka io aza. Amin’ izay, hoy Jesosy, «dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa». Ny hery miasa mangina mitambatra avy aminy dia mety handresy eo amin’ izay tsy nahombiazan’ ilay voalohany. Tsy anisan’ ny hisehoan’ ny olana izy ireo ka azo heverina kokoa fa tsy hanao mizana tsindrian’ ila amin’ ny fihetsiny, ary hampavesa-danja kokoa ny toroheviny amin’ ilay nanao diso izany.
Raha tsy mihaino ireo izy, ary amin’ izany ihany, dia hoentina eo anatrehan’ ny fitambaran’ ny mpino rehetra ny toe-javatra. Aoka hiray amin’ ny fivavahana sy ny fitalahoana amim-pitiavana ny mambran’ ny fiangonana, amin’ ny maha-solontenan’ i Kristy azy, mba hotafaverina ilay nandika lalàna. Hiteny amin’ ny alalan’ ny mpanompony ny Fanahy Masina, ka hifona amin’ ilay nania hiverina amin’ Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’ ny alalan’ ny tsindrimandry : «toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo» (2Kor. 5: 20). Izay mandà io fiangaviana iraisana io dia nanapaka ny fatorana izay mampiray azy amin’ i Kristy, ary noho izany dia mampisaraka ny tenany amin’ ny fiarahany amin’ ny fiangonana. Noho izany, hoy Jesosy, «dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy». Nefa tsy azo heverina ho tafasaraka amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra izy. Aoka tsy hamavoin’ ireo rahalahiny taloha izy ka hataony an-tsirambina, fa hokarakaraina amim-pitiavana sy fangorahana, toy ny anankiray amin’ ny ondry very izay mbola tadiavin’ i Kristy hoentina ao amin’ ny valany.
Mamerina amin’ ny endrika manokana ny fampianarana nomena ny Isiraely tamin’ ny alalan’ i Mosesy ny torohevitr’ i Kristy momba izay hatao amin’ izay nanao diso : «Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao, mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy» (Lev. 19: 17). Izany hoe, raha misy manao an-tsirambina ny adidy nasain’ i Kristy nataony, amin’ ny fiezahana hamerina ireo izay ao anatin’ ny fahadisoana sy ny fahotana, dia manjary mpandray anjara amin’ ny fahotany izy. Ny ratsy izay tokony ho voasakantsika, dia ananantsika andraikitra tahaka ny isika mihitsy no nanao izany ka mahameloka antsika.
Nefa ilay nanao ratsy ihany no tokony hanehoantsika ny ratsy nataony. Tsy tokony hataontsika anton-dresaka sy faninitsiniana eo amintsika samy isika izany ; na dia aorian’ ny nilazana izany tamin’ ny fiangonana aza dia tsy azontsika atao ny mamerimberina izany amin’ ny hafa. Ho fanafintohinana fotsiny ho an’ izao tontolo izao tsy mino ny fahalalana ny fahadisoan’ ny kristiana ; ary amin’ ny fijanonana ela amin’ ireny zavatra ireny dia tsy afaka handray afa-tsy ratra ianao ; ny fibanjinana mantsy no manova antsika. Raha miezaka ny hanitsy ny fahadisoan’ ny rahalahy isika, dia hitarika antsika ny Fanahin’ Andriamanitra ka hiaro azy betsaka araka izay azo atao, amin’ ny faninitsiniana, eny, na dia ny avy amin’ ny rahalahin’ ny tenany aza, ary mihoatra lavitra noho izany amin’ ny fanomezan-tsinin’ izao tontolo izao tsy mino. Ny tenantsika koa mba diso, ka mila ny fangorahan’ i Kristy sy ny famelan-kelony, ary tahaka ny haniriantsika Azy hifandray amintsika, no hibaikoany ny fifandraisantsika samy isika.
«Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra». Amin’ ny maha ambasadaoron’ ny lanitra anao, dia ho amin’ ny mandrakizay ny vokatry ny asanao.
Tsy tokony hoentintsika samirery anefa io andraikitra lehibe io. Na aiza na aiza ankatoavana ny teniny amin’ ny fo madio, dia itoeran’ i Kristy. Tsy eo amin’ ny fihaonan’ ny fiangonana fotsiny no manatrika Izy, fa na aiza na aiza no ivorian’ ny mpianany amin’ ny anarany, na vitsy toy inona aza, dia ho ao koa Izy. Ary hoy Izy : «Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany».
Hoy Jesosy : «Ny Raiko Izay any an-danitra», mampahatsiaro ny mpianany Izy amin’ izany fa raha mifamatotra amin’ izy ireo Izy amin’ ny maha olombelona Azy, raha mandray anjara amin’ ny fitsapana mahazo azy Izy, ary miray fo Aminy eo amin’ ny fahoriany, amin’ ny maha Andriamanitra Azy kosa dia mifandray amin’ ny seza fiandrianan’ ny Mandrakizay Izy. Toky mahagaga ! Miray amin’ ny olona ireo anjelin’ ny lanitra eo amin’ ny firaisam-po sy ny asa hamonjena izay very. Koa ny herin’ ny lanitra rehetra no entina mikambana amin’ ny fahaizan’ ny olona hisarika fanahy ho an’ i Kristy.

Commentaires
Enregistrer un commentaire