Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao (tapany 1)
Ny
habokana no aretina mahatsiravina indrindra tamin’ izay rehetra
fantatra tany atsinanana. Tsy azo nositranina sady nifindra izany, ary
nameno tahotra ny be herim-po indrindra ny vokany mahatsiravina teo
amin’ izay voany. Teo amin’ ny Jiosy dia noheverina ho fitsarana noho ny
fahotana izany ary noho izany dia nantsoina hoe «kapoka» na
«rantsan-tanan’ Andriamanitra". Lalim-paka, tsy voahongotra sady mahafaty
izy ka noheverina ho tandindon’ ny fahafatesana. Ny lalàna teo amin’ ny
fanompoam-pivavahana, dia nilaza ny boka ho maloto. Tahaka ny olona efa
maty izy, ka nosakanana tsy hiditra ny trano itoeran’ ny olona. Naloto
izay rehetra nokasihiny. Voaloton’ ny fofon’ ainy ny rivotra. Ny olona
izay nahiana ho voan’ ny aretina dia tsy maintsy niseho teo amin’ ny
mpisorona izay nandinika sy nanao fanapahan-kevitra ny momba azy. Raha
nolazaina fa boka izy, dia natokana tsy ho eo amin’ ny fianakaviana,
nosarihiny tamin’ ny fiangonan’ Isiraely, ary nohelohina tsy hiaraka afa
tsy amin’ ireo izay tra-pahoriana tahaka azy. Tsy azo nalefitra ny
fitakian’ ny lalàna. Tsy afaka tamin’ izany na ny mpanjaka na ny
mpanapaka. Nisy mpanjaka iray voan’ io aretina mahatsiravina io, ka tsy
maintsy nametraka ny tehim-panjakana ary nandositra ny tany ama-monina.
Lavitry ny sakaizany sy ny havany no tsy maintsy itondran’ ny boka ny ozona avy amin’ ny aretiny. Voatery nanambara ampahibemaso ny antambo nanjo azy izy, mandrovitra ny fitafiany ary mampaneno famantarana, mampitandrina ny olona rehetra mba handositra tsy hanatrika azy, fa mamindra aretina izy. Ny antsoantso hoe : «Maloto ! Maloto !» re avy tamin’ ny feo malahelo tany an-tsesi-tany manirery, no fanambarana mahatahotra sy maharikoriko. Tao amin’ ny faritra niasan’ i Kristy dia nisy maro tamin’ ireny olona nijaly ireny, ary nahatratra azy ireo ny vaovao momba ny asany ka namelona tselatry ny fanantenana tao aminy. Nefa hatramin’ ny andron’ i Elia mpaminany, dia tsy mbola nisy mihitsy zavatra toy izany fantatra, dia ny fanadiovana olona izay tratry ny aretina efa nihombo. Tsy sahy namantana teo amin’ i Jesosy izy hiangavy Azy hanao izay tsy mbola natao mihitsy ho an’ olona. Nisy anankiray, na dia izany aza, izay nanana finoana nitsiry tao am-pony. Tsy fantatr’ io olona io anefa izay fomba hahatrarany an’ i Jesosy. Norarana tsy hifandray amin’ ny mpiara-belona aminy izy, koa ataony ahoana no fiseho eo amin’ Ilay Mpanasitrana ? Nanontany koa izy raha te-hanasitrana azy Kristy. Hijanona ve Izy ka hijery olona iray izay ninoana fa teo ambanin’ ny fitsaran’ Andriamanitra ? Tsy hanao tahaka ny Fariseo ve Izy, ary na dia tahaka ireo mpitsabo aza, ka hanozona azy, ary hibaiko azy handositra ny toerana falehan’ ny olona. Noeritreretiny izay rehetra nolazaina momba an’ i Jesosy. Tsy nisy na dia iray aza nitady fanampiana avy Aminy ka nolaviny. Tapa-kevitra ilay lehilahy mahantra fa hitady ny Mpamonjy. Na dia voasakana tsy ho any amin’ ny tanàn-dehibe aza izy, dia afaka mandray lalana manapaka na eny amin’ ny sisin-dalana na koa any an-tendrombohitra. Any no mety hahitany Azy rehefa mampianatra any ivelan’ ny tanàna Izy. Lehibe ny zava-tsarotra nibahana teo anatrehany, nefa io no hany fanantenana ho azy.
Dia tonga teo amin’ ny Mpamonjy ilay boka. Mampianatra eo amoron’ ny farihy Jesosy ary manodidina Azy ny vahoaka. Nijoro tery lavidavitra aloha ilay boka nisambotra ny teny avy eo amin’ ny molotry ny Mpamonjy. Hitany Izy nametra-tanana tamin’ ny marary. Hitany ny mandringa, ny jamba, ny voan’ ny paralysisa, sy ireo efa niala aina aza noho ny aretina samihafa, mitsangana salama, midera an’ Andriamanitra noho ny fahafahana azony. Nihanahery ny finoana tao am-pony. Nanatona akaikikaiky kokoa izy ary nanakaiky ireo vahoaka nitangorona. Hadinony ny fandrarana natao taminy, ho fiarovana ny vahoaka, tsy nahoany ny tahotr’ izay rehetra nijery azy. Tsy nihevitra afa-tsy ny fanantenana mahafinaritra ny ho sitrana izy.
Maharikoriko ny fijery azy. Efa nandoaka ny nofony tamin’ ny fomba nahatahotra ny aretina ary mahatsiravina ny fijery ny tenany efa mihalò. Raha nahita azy ny olona dia nihemotra noho ny horohoro. Nifanitsakitsaka izy ireo noho ny fahamaizany handositra tsy hifampikasoka aminy. Nisy aza niezaka ny hanakana azy tsy hanatona an’ i Jesosy, nefa tsy nisy hevitra. Sady tsy hitany izany no tsy reny akory. Tsy nanan-kery taminy ny fisehoan’ ny rikoriko teo amin’ ny endrik’ izy ireo. Ny Zanak’ Andriamanitra ihany no tazany. Ny feony ihany izay milaza fiainana amin’ izay ho faty no reny. Nihazakazaka teo amin’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo an-tongony sady niantsoantso hoe : «Tompoko, raha mety Ianao dia mahay manadio ahy».
Namaly Jesosy hoe : «Mety Aho ; madiova Ianao», dia nametraka ny tanany taminy Izy.
Avy hatrany dia nisy fiovana nanerana ny tenan’ ilay boka. Nanjary salama izy, nitambelona ny hozatra, vory ny nofony. Afaka ilay hoditra maraorao sy marokoroko vokatry ny habokana, ka hoditra velon-drà, malefaka tahaka ny an’ ny zazakely salama, no nisolo toerana izany.
Nohafatrafaran’ i Jesosy ralehilahy tsy hampahafantatra ny asa vao notanterahana teo aminy, fa nasainy nandeha avy hatrany hiseho any amin’ ny tempoly nitondra fanatitra izy. Ny fanatitra toy izany dia tsy azo nekena raha tsy efa nandinika azy ny mpisorona ka nanambara fa afaka tanteraka tamin’ ny aretina ralehilahy. Na dia tsy tian’ ny mpisorona aza ny hanao io asa fanompoana io, dia tsy azony ialana ny fandinihana sy ny fanapahan-kevitra momba izany.
Ny tenin’ ny Soratra Masina dia mampiseho ny fahamaizan’ i Kristy tamin’ Izy nametra azy ny amin’ ny tsy maintsy hanginany sy hialany haingana. «Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe :Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana miseho amin’ ny mpisorona ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo». Raha fantatry ny mpisorona ny zavatra momba ny fanasitranana ilay boka, dia ho nitarika azy hanao fitsarana tsy marina ny fankahalany an’ i Kristy izany. Tian’ i Jesosy ny hisehoany eo amin’ ny tempoly alohan’ ny hahatongavan’ ny feo momba ny fahagagana any amin’ ny mpisorona. Amin’ izay dia mety ho azo antoka ny fanapahan-kevitra tsy misy fiangarana ka havela hiverina indray eo amin’ ny fianakaviany sy ny sakaizany ilay boka sitrana.
Nisy zavatra hafa koa notsinjovin’ i Jesosy tamin’ Izy namepetra an-dralehilahy hangina. Fantatry ny Mpamonjy fa nitady mandrakariva izay hamerana ny asany ny fahavalony, ka hampiodina ny olona tsy eo Aminy. Fantany fa nahoraka any ivelany ny nanasitranana ilay boka, dia hisy olona hafa mijaly noho io aretina mahatsiravina io hitangorona manodidina Azy, ka hiakatra ny antsoantso hilaza fa mety hifindrany ny olona mifampikasoka amin’ izy ireo. Betsaka ireo boka no tsy hampiasa ny fanomezana fahasalamana ho azy ka hahatonga izany ho fitahiana ho an’ ny tenany na ho an’ ny hafa. Ary ny fisarihany ny boka hanodidina Azy, dia hanomezany fomba hahazoana miampanga Azy ho nandika ny fameperana ataon’ ny lalàna momba ny fanompoam-pivavahana. Amin’ izay dia hovoasakana ny asa fitoriana ny filazantsara. Nanamarina ny fampitandremana nataon’ i Kristy ny toe-javatra nitranga. Vahoaka marobe no nanatri-maso ny nanasitranana ilay boka, ary nahamay azy ireo ny hahafantatra ny fanapahan-kevitry ny mpisorona. Rehefa niverina teo amin’ ny sakaizany ralehilahy, dia nisy hotakotaka be ihany. Na dia teo aza ny fandrarana nataon’ i Jesosy, dia tsy nitady hanafina ny maha-zava-misy ny fahasitranany intsony izy. Tsy azo atao rahateo intsony koa ny manafina izany, satria nambaran’ ilay boka tany ivelany ihany. Noheveriny fa fanetrentenan’ i Jesosy fotsiny no nahatonga Azy hamepetra azy, ka lasa izy nitory teny amin’ ny manodidina ny amin’ ny herin’ Ilay Mpanasitrana lehibe. Tsy takatry ny sainy fa ny fisehoana rehetra tahaka izany, dia mahatonga ny mpisorona sy ny loholona ho tapa-kevitra hamono an’ i Jesosy. Tsapan-dralehilahy sitrana, fa sarobidy indrindra ny fahasalamana natolotra azy. Niriaria teo amin’ ny herin’. ny maha-lehilahy lehibe azy izy, sy ny nahatafaverina azy teo amin’ ny fianakaviany sy ny tany ama-monina, koa tsapany fa tsy azo atao ny manakana azy tsy hanome voninahitra Ilay Dokotera Izay nanasitrana azy. Nefa ny vokatry ny hafanam-pony miredareda nanaparitaka izany tany ivelany, dia nahatonga fanakanana ny asan’ ny Mpamonjy. Nahatonga ny olona hanao andiany hanatona Azy ho vahoaka be dia be izany, hany ka nisy fotoana nahavoatery Azy hampijanona ny asany.
Mahataka-davitra eo amin’ ny fikasany ny asa tsirairay teo amin’ ny fanompoana nataon’ i Kristy. Mahafaoka mihoatra noho izay miseho eo amin’ io asa io izany. Toy izany ny momba ilay boka. Nanompo izay rehetra nanatona Azy Jesosy, nefa niriny indrindra koa ny hitahy izay rehetra tsy nanatona. Rehefa nitarika ny mpamory hetra sy ny jentilisa ary ny Samaritana Izy, dia niriny koa raha niriny ny hahatratra ny mpisorona sy ny mpampianatra izay voahidin’ ny hevitra nibahana tao am-pony sy ny lovan-tsofina namatotra azy. Tsy nisy navelany tsy handramana ny fomba rehetra hahazoany mahatratra azy ireo. Ny nandefasany ilay boka sitrana tany amin’ ny mpisorona, dia ny hanomezany azy ireo vavolombelona nokendrena hanala ny hevitra nibahana tao an-tsainy.
Efa nanantitrantitra ny Fariseo fa nifanohitra tamin’ ny lalàna nomen’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ Mosesy ny fampianaran’ i Kristy ; nasehon’ i Kristy kosa fa diso io fiampangana io, tamin’ ny nibaikoany ilay boka voadio hitondra fanatitra araka ny lalàna. Ampy izany vavolombelona izany ho an’ izay rehetra te-ho resy lahatra.
Efa naniraka mpitsikilo ireo mpitarika tany Jerosalema mba hitady anton-javatra hamonoana an’ i Kristy. Novaliany izany tamin’ ny nanomezany azy porofo mazava ny amin’ ny fitiavany ny taranak’ olombelona, ny amin’ ny fanajany ny lalàna, sy amin’ ny heriny hanafaka amin’ ny fahotana sy ny fahafatesana. Toy izao ny teny vavolombelona nataony momba azy ireo : «Ny soa nataoko novaliany fankahalana» (Sal. 109: 5). Ilay nanome ny didy tao an-tendrombohitra nanao hoe:«Tiava ny fahavalonao», dia Izy mihitsy no nanome ohatra ny amin’ io foto-kevitra io ka «tsy namaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana, fa nisaotra kosa»(Mat. 5: 44; 1Pet. 3: 9).
Ireo mpisorona izay nanameloka ilay boka nitoka-monina ihany no nanamarina ny fahasitranany. Io didy io, izay navoaka ampahibemaso sy nosoratana teo amin’ ny boky, dia nijoro ho vavolombelona ho an’ i Kristy. Koa raha naverina indray ho ao amin’ ny fiangonan’ Isiraely ralehilahy sitrana, noho ny fahazoan’ ny mpisorona antoka tanteraka fa tsy misy pentin’ ny aretina intsony teo aminy, dia ralehilahy io mihitsy no vavolombelona velona ho an’ Ilay nanasoa azy. Tamim-pifaliana no nanolorany ny fanatitra nentiny, sy nankalazany ny anaran’ i Jesosy. Resy lahatra ny mpisorona ny amin’ ny herin’ Andriamanitra teo amin’ ny Mpamonjy. Nomena fotoana mety izy hahafantatra ny fahamarinana sy ny handray tombon-tsoa ny amin’ ny fahazavana. Raha laviny izany, dia ho lasa ka tsy hiverina intsony. Betsaka no nitsipaka ny fahazavana ; tsy very maina anefa ny nanomezana izany : betsaka ny fo voahetsika izay nisy fotoana tsy nanehoany izany. Nandritra ny fiainan’ ny Mpamonjy, dia toa valintenim-pitiavana vitsy no azony avy tamin’ ny mpisorona sy ny mpampianatra teo amin’ ny asa nanirahana Azy ;nefa taorian’ ny niakarany tany an-danitra, dia «maro be ny mpisorona nanaiky ny finoana (Asa. 6: 7).
Ny asa nataon’ i Kristy tamin’ ny nanadiovany ilay boka ho afaka amin’ ny aretiny mahatsiravina, no enti-manazava ny asany eo amin’ ny fanadiovana ny fanahy amin’ ny fahotana. «Heniky ny habokana» ilay lehilahy nanatona an’ i Jesosy. Nanenika ny tenany manontolo ny poizina mahafaty. Niezaka ny mpianatra hanakana ny Tompony tsy hikasika azy ;izay mikasika boka mantsy dia manjary maloto koa. Fa raha nametraka ny tanany teo amin’ ilay boka Jesosy, dia tsy nifindran’ ny fahalotoana. Mizara hery mitondra aina ny fikasihany. Voadio ny habokana. Toy izany koa amin’ ny habokan’ ny fahotana, — lalim-paka, mahafaty ary tsy sitran’ ny herin’ olombelona. «Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha, dia tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao» (Isa. 1: 5, 6). Fa Jesosy kosa tonga niaina teo amin’ ny maha-olombelona, dia tsy mandray loto. Manana hery mahasitrana ny mpanota ny fanatrehany. Na iza na iza miankohoka eo amin’ ny tongony ka miteny amin’ ny finoana hoe:«Tompoko ò, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy», dia handre valin-teny hoe:«Mety Aho, madiova ianao».
Tamin’ ny fitsaboana sasany nataony, dia tsy namaly avy hatrany ny fitahiana notadiaviny Jesosy. Fa tamin’ ity boka ity kosa, raha vantany vao nangataka izy, dia voavaly. Rehefa mivavaka isika ka mangataka fitahiana ara-nofo, dia mety hitaredretra ny valin’ ny fivavahantsika, na mety hanome antsika zavatra hafa noho izay angatahintsika Andriamanitra, fa tsy mba toy izany kosa rehefa mangataka fahafahana amin’ ny fahotana isika. Sitrapony ny hanadio antsika amin’ ny fahotana, ny hanao antsika ho zanany, sy ny hahatonga antsika ho afaka hiaina amin’ ny fiainana masina. «Nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika Kristy», «fanafahana antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika». «Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy». «Raha miaiky ny fahotantsika isika dia matoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsy fahamarinana rehetra» ( (Gal. 1: 4; 1Jao. 5: 14, 15; 1: 9).
Nampianarin’ i Kristy indray io fahamarinana io tamin’ ny nanasitranany ilay mararin’ ny paralysisa tany Kapernaomy. Mba hanehoany ny fahefany hamela heloka no nanaovany ilay fahagagana. Ary ho enti-manazava fahamarinana sarobidy hafa koa ny nanasitranana ilay mararin’ ny paralysisa. Feno fampanantenana sy fanpaherezana io fanasitranana io, ary ny fifandraisan’ izany amin’ ny Fariseo nanana fihevitra diso, dia mirakitra lesona sy fampitandremana koa.
Tahaka ilay boka, dia efa very avokoa ny fanantenan’ ity mararin’ ny paralysisa ity ho sitrana. Vokatry ny fiainam-pahotana ny aretiny, ary vao mainka nampangidy ny fahoriany ny nenina. Efa ela talohan’ izao no nanatonany ny Fariseo sy ny dokotera, nanantena ny hahazo fanamaivanana amin’ ny fahoriana ara-tsaina sy ny fangirifiriana ara-nofo nahazo azy. Tamin’ ny fomba mangatsiaka anefa no nanambaran’ ireo fa tsy mety ho sitrana izy, ka navelany hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. Noraisin’ ny Fariseo ho porofo mazava ny amin’ ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fahoriana, koa nihatakataka lavitry ny marary sy ny sahirana izy. Matetika anefa ireo nanandra-tena ho masina ireo indrindra no meloka noho ny mijaly izay nomelohiny.
< TOKO 26 TAPANY 2 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire