Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao (tapany 2)
Tsy
nanan-kery mihitsy ilay mararin’ ny paralysisa, ary rehefa tsy hitany
izay hanantenany fanampiana na avy taiza na avy taiza, dia rendrika tao
amin’ ny famoizam-po izy. Reny anefa ny asa mahagaga nataon’ i Jesosy.
Nolazaina taminy fa sitrana ny hafa, dia mpanota sy tsy nanan-kery
tahaka azy ; na dia ny boka aza voadio. Ary ireo sakaizany izay
nitatitra izany zavatra izany, dia nampirisika azy hino fa mety ho
sitrana koa izy raha entina eo amin’ i Jesosy. Nihena anefa ny
fanantenany rehefa nahatsiaro ny antony nahatonga ny aretina teo aminy
izy. Natahotra izy sao tsy ho tantin’ Ilay Mpitsabo madio ny
fanatrehany.
Nefa tsy ny famerenana ny fahasalamana ara-nofo no niriny mihoatra noho ny fanamaivanana azy tamin’ ny enta-mavesatry ny fahotana. Raha mba mahita an’ i Jesosy izy ka mandray ny toky fa ho voavela heloka, sy ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra. dia hahafaly azy izany, na ho velona izy na ho faty araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Izao no antsoantson’ ilay lehilahy efa teo ambavahoana : Raha mba tonga eo anatrehany aho ! Tsy misy fotoana azo ariana foana ; efa miseho ny famantarana ny fahalovana teo amin’ ny nofony simba. Niangavy ny sakaizany izy hitondra azy amin’ ny fandriany ho eo amin’ i Jesosy, ary nataon’ izy ireo tamim-pifaliana izany. Nefa nifanizina loatra ny olona izay nivory tao anatin’ ny trano nisy ny Mpamonjy sy nanodidina Azy, ka tsy azon’ ilay marary sy ny sakaizany natao ny ho tonga teo Aminy, na dia ny nanatona handre ny feony aza.
Nampianatra tao an-tranon’ i Petera Jesosy. Araka ny fomba nahazatra Azy, dia nipetraka teo akaikiny nanodidina Azy ny mpianatra, ary «nipetraka teo koa ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema». Hitsikilo no nahatongavan’ ireo, nitady izay hiampangana an’ i Jesosy. Afa-tsy ireo manampahefana ireo, dia nifanizina tao ny vahoaka marobe nifangaro, tao ny mafana fo, ny tia jerijery sy ny tsy mino. Nanana solon-tena tao ny firenena samihafa sy ny saranga rehetra teo amin’ ny tany ama-monina. «Ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany». Nanomba teo amin' ny fivoriana ny Fanahin’ aina, nefa tsy tsapan’ ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna ny fanatrehany. Tsy niriny ny hanana izany, ka dia tsy sitrana izy.«Ny noana novokisany soa ; fa ny manan-karena nampialany maina» (Lio. 1: 53).
Niverimberina ireo nitondra ilay mararin’ ny paralysisa niezaka hanavatsava lalana tao anaty vahoaka, nefa tsy nisy vokany izany. Ady mihatra aman’ aina tsy hay lazaina no nentin’ ilay lehilahy marary nijery manodidina azy. Efa akaiky toy izao ilay fanampiana efa niriny ela, ka ataony ahoana no fandao ny fanantenany ? Araka ny hevitra naposany, dia nentin’ ny sakaizany ho eny amin’ ny tampon’ ny trano izy, ary rehefa namahana ny tafo, dia nampidininy teo an-tongotr’ i Jesosy izy. Tapaka ny lahateny. Nijery ilay endrika malahelo ny Mpamonjy ary hitany ireto maso mitalaho mifikitra Aminy. Fantany ny momba azy; Izy no nitarika ho eo Aminy ity fanahy very hevitra sy nisalasala ity. Raha mbola tany an-tranony ilay mararin’ ny paralysisa, dia efa nitondra faharesen-dahatra teo amin’ ny feon’ ny fieritreretany ny Mpamonjy. Rehefa nibebaka ny amin ny fahotany izy ka nino ny herin’ i Jesosy hanasitrana azy, dia nitahy ny fony feno faniriana sahady ny famindrampo mitondra aina. Nitsinjo ny taratra mitsilopilopin’ ny finoana Jesosy, ary hitany fa nihamatanjaka izany isaky ny fiezahany rehetra ho tonga eo anatrehany.
Izao ary dia injao fa niteny toa feon-java-maneno tao amin’ ny sofin’ ilay mijaly ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Matokia, anaka, voavela ny helokao».
Nisinda niala tamin’ ny fanahin’ ilay marary ny enta-mavesatry ny famoizam-po, nirotsaka tao amin’ ny fanahiny ny fiadanana avy amin’ ny famelan-keloka, ka namirapiratra teo amin’ ny endriny. Lasa ny fangirifiriana ara-nofo, ary voaova ny tenany manontolo. Sitrana ilay paralysisa tsy nanan-kery ! Voavela ny nipanota meloka.
Nekeny tamin’ ny finoana tsotra ny tenin’ i Jesosy izay nanolotra aina vaovao natao fanomezana ho azy. Tsy naniry zavatra hafa intsony izy, fa nitoetra teo tamim-pahanginana sady tretrika, sambatra loatra ka tsy afaka niteny. Nampamirapiratra ny endriny ny fahazavan’ ny lanitra, ary feno tahotra sy fanajana ny vahoaka nanatrika izany.
Nangitakitaka ny raby niandry ny hahita izay zavatra hataon’ i Kristy momba io toe-javatra io. Tadidiny ny efa nangatahin’ io lehilahy io fanampiana taminy, ary nolaviny ny hanome fanantenana azy na ny hiray fo taminy. Tsy afa-po tamin’ izany izy, fa nambarany fa ny fanozonan’ Andriamanitra noho ny fahotany no nampijaly azy. Niverina tao an-tsainy ireny zavatra ireny, rehefa hitany teo anatrehany ilay marary. Hitany ny fahalianan’ ny rehetra hanaramaso ny zava-niseho, ary nahatsapa tahotra mafy izy sao very ny heriny hiasa mangina amin’ ny vahoaka.
Tsy nifampiteny ireo olo-manan-kaja ireo, ka rehefa nifampijery izy dia hitany teo amin’ ny endriny avy ny eritreritra mitovy, fa nisy zavatra tsy maintsy hatao mba hampijanonana ny fisamontan’ ny fihetseham-po. Nambaran’ i Jesosy fa voavela ny helok’ ilay mararin’ ny paralysisa. Noraisin’ ny Fariseo ho fitenenan-dratsy ireo teny ireo, ka noheveriny fa azony haseho ho fahotana mendrika ny fahafatesana izany. Hoy izy anakampony hoe : «Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany ?»
Nafantok’ i Jesosy taminy ny Fijeriny ka niondrika izy ireo sady niala tamin’ ny toerany, ary hoy Jesosy: «Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo ? Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va : Voavela ny helokao sa ny manao hoe : Mitsangana, ka mandehana, fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka — dia hoy Izy, nitodika tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: «Mitsangana, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao».
Tamin’ izay dia nitsangana tamin’ ny tongony ilay nentina teo amin’ i Jesosy tamin’ ny filanjana, nitsipitsipika sy natanjaka tahaka ny tanora. Nitosaka nanerana ny lalan-drany ny rà nanome aina. Niaina ny taova rehetra tao amin’ ny tenany, ka nihetsika tampoka. Nisolo toerana ny hodi-tava hatsatry ny fahafatesana nanandindona azy ny hodi-tava mena nitory fahasalamana. «Dia nitsangana izy ka nibata ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra ; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe:Tsy mbola nahita izay toy izao izahay».
Endrey izany fitiavana mahagagan’ i Kristy, manetry tena hanasitrana ny meloka sy ny trà-pahoriana ! Araka ny maha-Andriamanitra Azy dia nalahelo noho ny aretin’ ny taranak’ olombelona mijaly Izy ka mampitony izany ! Endrey ! izany hery mahagaga naseho tamin’ ny zanaky ny olona ! Iza no afaka hisalasala ny amin’ ny hafatry ny famonjena ? Iza no hanao tsinontsinona ny famindrampon’ Ilay Mpanavotra feno fangorahana ?
Tsy misy afa-tsy ny hery mamorona no afaka hamerina ny fahasalamana amin’ ity tena mihalò ity. Ilay feo izay niteny fiainana tamin’ ny olona ara-nofo noforoniny tamin’ ny vovoky ny tany no niteny fiainana koa tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa teo am-bavahoana. Ilay «niteny, dia ary izany», Ilay «nandidy dia nitoetra mafy izany» (Sal. 33: 9), no niteny fiainana tamin’ ilay fanahy matin’ ny fahadisoana sy ny fahotana. Ny fanasitranana ny tena no porofon’ ny hery izay efa nanavao ny fo. Nibaiko ilay mararin’ ny paralysisa hitsangana sy handeha Kristy, «mba ho fantatrareo hoy Izy, fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka».
Nahita fanasitranana ho an’ ny fanahy sy ny vatana tao amin’ i Kristy ilay mararin’ ny paralysisa. Narahin’ ny fiverenan’ ny ara-batana amin’ ny laoniny ny fanasitranana ara-panahy. Tsy tokony hodian-tsy hita io lesona io. Ankehitriny dia misy an’ arivony ny olona mijaly noho ny aretina ara-batana izay maniry mafy tahaka ilay mararin’ ny paralysisa, handre ny hafatra manao hoe : «Voavela ny helokao». Ny enta-mavesatry ny fahotana, miaraka amin’ ny faniriany tsy mety sasatra sy tsy mety afa-po, no fototry ny aretiny. Tsy mety mahita fanamaivanana izy raha tsy tonga eo amin’ Ilay Mpanasitrana ny fanahy. Ny fiadanana izay Izy irery no afaka hanome izany, no omeny hery ho an’ ny saina, sy fahasalamana ho an’ ny tena.
Tonga Jesosy «handrava ny asan’ ny devoly». «Izy no nisiampiainana», ary hoy Izy «Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be». «Fanahy mahavelona» Izy (
Noho ny nanasitranana ilay mararin’ ny paralysisa teo amin’ ny vahoaka, dia toa nisokatra ny lanitra ka nanambara ny voninahitry ny izao ‘tontolo izao tsara kokoa. Rehefa nandeha teo afovoan’ ny vahoaka marobe ilay lehilahy nositranina, nidera an’ Andriamanitra isaky ny mandingana, dia nihatakataka ny vahoaka hanome lalana azy, ary nijery azy tamin’ ny endrika feno fanajana sy tahotra sady nifampibitsibitsika hoe «Efa nahita zavatra mahagaga isika androany»
Sina ny Fariseo noho ny hagagany sady safotry ny fahareseny. Hitany fa tsy fotoana mety izao hisehoan’ ny fialonany, ka hampirehitra ny vahoaka marobe. Latsaka lalina loatra tao am-pon’ ny olona ny asa mahagaga notanterahina tamin’ ilay olona izay efa navelany ho amin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, hany ka adinony aloha ny raby. Hitany fa nanan-kery tokoa Andriamanitra ary nasehony tamin’ ny alalan’ i Kristy izany ; nefa nifanohitra mazava tsara tamin’ ny fitondratenany miavonavona ny fahamendrehan’ i Kristy sy ny fihetsiny malefaka. Sanganehana sady menatra izy nahafantatra fa niaiky teo anatrehan’ Ilay ambony noho izy. Arakaraka ny nampahazava ny porofo fa manan-kery hamela heloka eto an-tany Jesosy, dia arakaraka izany no nifikirany mafimafy kokoa tao amin’ ny tsy finoana. Rehefa avy tao an-tranon’ i Petera izay nahitany ilay mararin’ ny paralysisa nositranina izy ireo, dia nandeha nitady drafitra vaovao indray mba hampanginana ny Zanak’ Andriamanitra.
Ny aretina ara-nofo, na dia mafy sy lalim-paka aza, dia nositranin’ ny herin’ i Kristy; fa mamikitra mafimafy kokoa amin’ ireo izay manakimpy ny masony tsy hahita ny fahazavana ny aretin’ ny fanahy. Ny habokana sy ny paralysisa, dia zava-doza tahaka ny fitiavambavaka diso lalana sy ny tsy finoana.
Nisy fifaliam-be tao amin’ ny tokantranon’ ilay mararin’ ny paralysisa sitrana rehefa niverina tao amin’ ny fianakaviany izy, tsy sahirana intsony nitondra ilay filanjana fitondrana marary izay nitondrana azy moramora niala teo anatrehany fotoana fohy talohan’ izao. Nitangorona hanodidina azy tamin-dranomasom-pifaliana ireo, ary mila tsy hino izay hitan’ ny masony. Nijoro teo anatrehany izy, manana ny hery feno maha-lehilahy lehibe azy. Mailaka hankatò ny sitrapony ireto sandry tsy nisy aina teo. Ny nofo izay efa nikainkona sy naka ny volon’ ny firaka, dia nanjary vaovao sy salama izao. Matotra sy mailaka ny famindrany. Fifaliana sy fanantenana no hita nisoritra teo amin’ ny salovan-tavany manontolo ; fahadiovana sy fiadanana no hita naka ny toeran’ ny fahotana sy ny fijaliana. Fisaoram-pifaliana no niakatra avy tao amin’ ilay tokantrano, ary nomem-boninahitra tamin’ ny alalan’ ny Zanany, Andriamanitra, Izay namerina fanantenana tamin’ ny very fanantenana, sy hery ho an’ izay tratry ny voina. Vonona ny hahafoy ny fiainany ho an’ i Jesosy io lehilahy io sy ny fianakaviany. Tsy misy intsony ny fisalasalana hampihena ny finoany ; tsy misy tsy finoana mandoto ny fahatokiany an’ Ilay nitondra fahazavana tao amin’ ny tokantranony tratry ny haizina.
< TAPANY 1 TOKO 28 >

1 Jao. 3 : 8; Jao. 1 : 4;10 : 10; 1 kor. 15 : 45

Commentaires
Enregistrer un commentaire