Toko 26—Tao kapernaomy (tapany 1)

Tao Kapernaomy no nijanonan’ i Jesosy teny anelanelan’ ny diany nivezivezy, ka nanjary fantatra hoe «tanànanany izany». Teo amoron’ ny ranomasin’ i Galilia no falehany, teo akaikin’ ny sisin’ ny tany lemaka kanton’ i Genesareta, ary angamba teo mihitsy aza. Lempona lalina ny farihy ka nahatonga ny toe-tany teny amin’ ny lemaka teo an-tsisiny ho mafanafana antonontonona toy ny any atsimo.

Tamin’ ny andron’ i Kristy dia nandrobona tao ny hazo rofia sy ny hazo oliva ; nisy saha feno hazo fihinam-boa tao sy tanim-boaloboka, saha maitso, ary voninkazo namelana kanto dia kanto sady tsara loko, izany rehetra izany dia notondrahin’ ny renirano velona nibosesika avy tany amin’ ny havoana misy hantsana. Ny moron’ ny farihy sy ny havoana teo amin’ ny toerana akaiky manodidina dia nisy tanàna sy vohitra miparitadritaka. Rakotry ny sambokelin’ ny mpanjono ny farihy. Hatraiza hatraiza dia nahitana fiainana mihetsiketsika sy be raharaha.

Antonona tsara ho foiben’ ny asan’ ny Mpamonjy i Kapernaomy. Teo amin’ ny lalambe avy any Damaskosy ho any Jerosalema sy Egypta ary ny Ranomasina Mediteranea no nisy azy, sady toerana midadasika nifamezivezena fatratra. Olona avy tamin’ ny faritany maro no nandalo tao an-tanàna, na nijanona kely tamin’ ny diany mba hiala sasatra tao. Tao no nahazoan’ i Jesosy nihaona tamin’ ny firenena rehetra sy ny sarangan’ olona rehetra, ny manankarena sy ny olona ambony, ny mahantra sy ny ambany, ary avy ao dia niparitaka tany amin’ ny tany hafa sy tany amin’ ny ankohonana maro ny fampianarany. Voahetsika tamin’ izany fomba izany hamotopototra ny faminaniana ny olona, voatarika ho eo amin’ ny Mpamonjy ny saina, ary ho nahafantatra ny asa nanirahana Azy izao tontolo izao.

Na dia teo aza ny asan’ ny Synedriona nanohitra an’ i Jesosy, dia naniry mafy sy niandry ny fitomboan’ ny asany ny vahoaka. Taitra sy voahetsika avokoa ny lanitra. Nanomana ny lalana ho an’ ny asa nanirahana an’ i Jesosy ny anjely, ka nampihetsika ny fon’ ny olona sy nitarika azy ho eo amin’ ny Mpamonjy.

Tao Kapernaomy dia vavolombelon’ ny herin’ i Kristy ny zanak’ ilay tandapa izay nositraniny. Ary ny mpanaraka ilay manam-boninahitra sy ny ankohonany dia nijoro tamim-pifaliana ho vavolombelon’ ny finoany. Rehefa fantatra fa Ilay Mpampianatra mihitsy no tonga teo anivon’ izy ireo, dia nifoha ny tanàna manontolo. Vahoaka marobe no nanao andiany ho eo anatrehany. Tamin’ ny Sabata dia nifanizina tao amin’ ny Synedriona ny olona, hany ka marobe no niverin-dalana, fa tsy nahita izay hidirany.

Izay rehetra nandre ny Mpamonjy dia «talanjona tamin’ ny fampianarany satria nisy fahefana ny teniny». «Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna sy ny loholona» (Lio. : 32; Mat. 7: 29). Nangatsiaka sady ivelambelany fotsiny ny fampianaran’ ny mpanora-dalàna, tahaka ny lesona miverimberina foana no nianarany azy. Tsy nanana hery hitondra aina ho azy ireo ny Tenin’ Andriamanitra. Nosoloiny ny fampianarana ny hevitry ny tenany sy ny lovan-tsofina notanany izany. Nilaza ny tenany ho mpanazava ny lalàna izy teo amin’ ny fanompoana nifandimby nahazatra azy, nefa tsy nisy ainga avy tamin’ Andriamanitra nanetsika ny fony na ny fon’ ny mpihaino.    

Tsy noheverin’ i Jesosy na oviana na oviana ireo anton-javatra samihafa niadian-kevitra teo amin’ ny Jiosy. Ny asany dia ny mampiseho ny fahamarinana. Nampitosaka fahazavana be dia be teo amin’ ny fampianaran’ ny patriarka sy ny mpaminany ny teniny, ary toy ny fanambarana vaovao tamin’ ny olona ny Soratra Masina. Tsy mbola nahatsapa ny halalin’ ny dikan’ ny tenin’ Andriamanitra toy izao mihitsy ny mpihaino talohan’ izao.

Nihaona tamin’ ny vahoaka teo amin’ ny toerana nisy azy Jesosy ary nifankazatra tamin’ ny tebitebin-tsainy. Nasehony ny hankaton’ ny fahamarinana tamin’ ny fanehoany azy tamin’ ny fomba mivantana sy tsotra. Madio ny fiteniny, voafantina, ary mangarangarana tahaka ny kristaly. Toy ny feon-java-maneno ny feony ho an’ ireo izay efa zatra ny feo dridralavan’ ny raby. Na dia tsotra aza ny fampianarany dia niteny toy izay manana fahefana Izy. Io no toetra nampiavaka ny fampianarany sy tsy nampitovy azy tamin’ ny hafa. Nisalasala sy niahotrahotra kosa ny raby raha niteny, tahaka ny hoe sao mifanohitra amin’ ny tokony ho izy izay voalazan’ ny Soratra Masina. Isan’ andro dia voatarika ho amin’ ny fisalasalana hatrany hatrany ny mpihaino. Jesosy anefa dia nampianatra tamin’ ny fahefana tsy azo iadian-kevitra. Na inona na inona lohahevitra noraisiny, dia nasehony tamin-kery izany, ka tsy azo notoherina ny teniny.

Nafana fo Izy, nefa tsy nirehidrehitra foana. Niteny tahaka izay nanan-javatra nokendrena voafaritra tsara Izy. Nentiny teo ambanin’ ny maso ny zava-misy mandrakizay. Nasehony ao amin’ ny laha-kevitra rehetra Andriamanitra. Niezahan’ i Jesosy ny nanapaka ny fitompoan-teny fantatra teto an-tany. Napetrany teo amin’ izay tena tokony hisy azy ny zavatra momba ity fiainana ity, ka nabaribariny fa latsa-danja noho ny zavatra misy tombany maharitra mandrakizay ; tsy hoe tsy fantany anefa ny maha-zava-dehibe izany. Nampianariny fa mifamatotra ny lanitra sy ny tany ; ary ny fahalalana ný fahamarinan’ Andriamanitra dia manomana ny olona hahay manatanteraka kokoa ny adidy eo amin’ ny fiainana andavanandro. Niteny toy ny olona izay efa nifanerasera tamin’ ny lanitra Izy, nahafantatra tsara ny fifandraisany tamin’ Andriamanitra, nefa koa nahatsapa ny maha-iray Azy amin’ ny tsirairay ao amin’ ny fianakavian’ ny olombelona.  

Niovaova ary nifanaraka tamin’ ny mpihaino Azy ireo hafatry ny famindrampo nentiny. Hainy ny «nanao teny hampahatanjaka» izay «reraka» (Isa. 50: 4); fahasoavana no nitosaka avy teo amin’ ny molony mba hahazoany manolotra amin’ ny olona ny haren-tsarobidin’ ny fahamarinana amin’ ny fomba mahasarika indrindra. Nanana fahaizana miresaka tamin’ ireo olona nanana hevitra nibahana tao am-pony Izy ary gaga ireo noho ny fanazavana nataony izay nahásarika ny sainy. Nahatratra hatrany amin’ ny fo Izy tamin’ ny alalan’ ny sary an’ eritreritra. Ny zavatra teo amin’ ny fiainana andavanandro no nakany ohatra hoenti-manazava ny lesony ; ary na dia tsotra aza ireny, dia nisy heviny lalina mahagaga. Ny vorona eny amin’ ny habakabaka, ny lilia eny an-tsaha, ny voa, ny mpiandry ondry sy ny ondry, — ireny zavatra ireny no nanazavan’ i Kristy ny fahamarinana mandrakizay ; ary tatỳ aoriana, isaka ny sendra mahita ireny zavatra ireny eo amin’ ny zavaboary ny mpihaino Azy, dia mahatsiaro ny teniny, ary namerina hatrany tao an-tsainy ny lesona nataony tamin’ ny zavatra nentiny nanazava izany.

Tsy nandokadoka ny olombelona mihitsy Kristy. Tsy nanao teny mety hanandratra ny hevi-dravina foroniny na ny eritreriny Izy, na nidera azy noho ny fahakingany teo amin’ ny zavatra noforoniny ; nandray ny fampianarany anefa ireo nisaina lalina sady tsy nanana hevitra nibahana tao ám-pony ary hitan’ izy ireo fa nisedra ny fahendreny izany. Nampitolagaga azy ny fahamarinana ara-panahy izay nambara tamin’ ny fomba fiteny tsotra indrindra. Voasariky ny teniny ireo olona nandray fanabeazana ambony indrindra, ary izay tsy nobeazina kosa samy nandray tombon-tsoa mandrakariva. Nanana hafatra ho an’ ny tsy mahay mamaky teny Izy ; ary na dia ny jentilisa aza dia nataony izay ahatsapany fa nanana hafatra ho azy ireo koa Izy. 

Ny fitiavany sy ny fangorahany no nentiny nanendry sy nanasitrana ny fo reraka sy sahirana. Na dia teo anivon’ ny tabataban’ ny fahavalo tezitra aza Izy, dia nohodidinin’ ny rivo-piainana feno fiadanana, ny endrika soa, ny toetra amam-panahiny mahate-ho tia, ary ambonin’ izany rehetra izany, ny fitiavana niseho teo amin’ ny fijeriny sy ny feony dia nitarika ho eo Aminy, izay rehetra tsy nohamafisin’ ny tsy finoana. Raha tsy noho ny toe-tsainy mamy sy nanam-pitiavana izay namirapiratra teo amin’ ny fijeriny sy ny teniny rehetra, dia ho tsy nahasarika olona marobe nivory mba hivavaka tahaka ny nataony Izy. Ny tra-pahoriana izay nanatona Azy dia nahatsapa fa nampifamatorany tamin’ ny tombon-tsoany ny azy ireo amin’ ny maha-sakaiza mahatoky sy mamy Azy, ary koa nirin’ izy ireo ny hahalala bebe kokoa ny amin’ ny fahamarinana izay nampianariny. Nanjary nanakaiky ny lanitra. Nirin’ ny olona tokoa ny hitoetra eo anatrehany, mba ho eo aminy mandrakariva ny fampiononana avy amin’ ny fitiavany.

Narahin’ i Jesosy maso sady nahaliana Azy fatratra ny fiovan’ ny tarehin’ ny mpihaino Azy. Nitondra fahafaham-po lehibe ho Azy ny endrika izay nampiseho fahalianana sy fahafinaretana. Rehefa manindrona ny fanahy ny zana-tsipikan’ ny fahamarinana, ka managorobaka ny fefin’ ny fitiavan-tena, mahatonga alahelo ary farany fankasitrahana, dia faly ny Mpamonjy. Rehefa manao indray mijery ny vahoaka mihaino Azy Izy, ka hitany ao ireo endrika efa hitany teo aloha, dia hazavain’ ny fifaliana ny endriny. Olona nahabe fanantenana Azy ho ao amin’ ny fanjakany no hitany teo amin’ ireo. Rehefa nanohina sampy nankamamiana ny fahamarinana nolazaina tamin’ ny fomba tsotra, dia voamariny ny fiovan’ ny endrika, teo amin’ ny fijery mangatsiaka ; ilay endrika kitokitonina dia manambara fa tsy noraisina tsara ny fahazavana. Rehefa mahita olona mandà ny hafatry ny fahazavana Izy, dia voantsindrona hatrany anatiny indrindra ny fony.   

 Tao amin’ ny synagoga Jesosy no niteny ny amin’ ny fanjakana izay haoriny, sy ny amin’ ny asa nanirahana Azy hanafaka ny babon’ i Satana. Nanapaka ny teniny ny kiakiakan’ ny olona raiki-tahotra iray. Nisy olona adala nihazakazaka nankeo amin’ ny vahoaka sady niantsoantso hoe: «Avelao izahay ; moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta ? Avy handringana anay va Hianao ? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao».

Samy nikorontana sy taitra avokoa ny olona. Niala teo amin’ i Kristy ny sain’ ny vahoaka ka tsy nohenoina intsony ny teniny. Izany no fikasan’ i Satana tamin’ ny nitarihany io hazany io tao amin’ ny Synagoga. Notenenin’ i Jesosy ary ilay demonia hoe : «Mangina hianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy».

Nohamaizinin’ i Satana ny sain’ ity olona mahantra sy mijaly ity, nefa teo anatrehan’ ny Mpamonjy dia nisy tara-pahazavana iray nahagorobaka ny haizina somambisamby. Tafatsangana izy ka naniry mafy ho afaka amin’ ny fifehezan’ i Satana; nanohitra ny herin’ i Kristy anefa ny demonia. Rehefa niezaka ilay lehilahy hiantso vonjy tamin’ i Jesosy, dia nasian’ ny fanahy ratsy teny tao am-bavany ka niantsoantso izy tao amin’ ny ady mihatra aman’ aina sy mahatahotra natrehiny. Nisy nahatsapan’ ilay demoniaka fa teo anatrehan’ Ilay mahay manafaka azy izy ; nefa rehefa niezaka ho tonga eo amin’ izay hahatraran’ ilay tana-mahery azy izy, dia nisy tanana hafa nitana azy, ary teny hafa tsy araka izay tao an-tsainy no nivoaka avy teo aminy. Nahatsiravina ny ady nifanaovan’ ny herin’ i Satana sy ny fanirian’ ny tenany ho afaka.

Ilay efa naharesy an’ i Satana tany an-efitry ny fakam-panahy no indro mifanatrika indray tamin’ ny fahavalony. Nampiasa ny heriny rehetra ilay demonia hitana ao ambany fifehezany ilay hazany. Ny mitsoak’ ady eto dia fanomezana ny fandresena an’ i Jesosy. Toa tsy maintsy ho afak’ aina mihitsy ilay olona mijaly mafy teo amin’ ny ady natao tamin’ ilay fahavalo izay efa nahatonga fahasimbana teo amin’ ny maha-olona azy. Niteny tamim-pahefana anefa ny Mpamonjy ka nahafaka ny babo. Nijoro teo anoloan’ ny vahoaka nitolagaga ilay lehilahy nisy demonia teo aloha, sambatra noho ny fahafahany teo amin’ ny fahazoany mifehy ny tenany. Na dia ny demonia aza dia vavolombelon’ ny herin’ Andriamanitra niseho tao amin’ ny Mpamonjy.

Nidera an’ Andriamanitra noho ny fanafahana azy ilay lehilahy. Ilay maso izay nandefa taratry ny hadalana fahiny izao, dia nanjary mamirapiratry ny saina hendry, ary diboky ny ranomasom-pankasitrahana. Sina noho ny hagagana ny vahoaka. Raha vantany vao afaka niteny izy, dia niloa-bava samy nifampilaza hoe : «Manao ahoana re izao ? Fampianarana vaovao misy fahefana izao ! fa ny fanahy maloto aza dia didiany, ka manaiky Azy».

Ny toetra miafina nananan’ ity lehilahy ity ihany no anton’ izao fahoriana izao izay nahatonga azy ho mahatahotra ny sakaizany ny mijery azy sy enta-mavesatra ho an’ ny tenany. Nambabo ny fony ny fahafinaretan’ ny fahotana, ary nihevitra ny hanao ny fiainany ho lanonam-be tsy miato izy. Tsy mba nonofinofisiny izany ho tonga fampitahorana an’ izao tontolo izao sy henatra ho an’ ny fianakaviany izany. Nihevitra izy fa azony atao ny mandany ny androny amin’ ny hadalana tsy mahadiso. Nefa raha vantany vao nitsontsorika ny diany, dia vetivety dia nidina ny tongony. Nanimba ireo toetra mendrika voajanahary tao aminy ny tsy fahalalana onony sy ny toetra maivamaivana, koa dia lasan-ko babon’ i Satana tanteraka izy.


    

< TOKO 25                                                                                                                 TAPANY 2 > 

Commentaires

Articles les plus consultés