Toko 26—Tao kapernaomy (tapany 2)

Diso aoriana loatra ny nenina. Rehefa te-hanao sorona ny harenany sy ny fahafinaretana izy mba hahazoany indray ny maha olona azy éfa veriny, dia efa nanjary malemy teo ambanin’ ny vahoan’ ilay ratsy izy. Nametraka ny tenany teo amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, ka noraisin’ i Satana ho fananany ny fahaizany rehetra. Efa nitaona azy tamin’ ny fisehoan-javatra maro mahasondriana ilay mpaka fanahy ; nefa raha vantany vao teo ambanin’ ny fahefany ilay olona mahantra, dia nanjary tsy nitsahatra ny fahasiahan’ ny demonia, ary nahatsiravina ny fitsidihany feno fahatezerana. Ho tahaka izany koa amin’ izay rehetra milefitra amin’ ny ratsy ; ny fahafinaretana mambabo ny fo amin’ ny dingana voalohany, dia miafara amin’ ny haizin’ ny famoizam-po, na amin’ ny fahadalan’ ny fanahy efa simba.      

Ilay fanahy ratsy izay naka fanahy an’ i Kristy tany an-efitra sy izay niditra tao amin’ ilay demoniaka tany Kapernaomy ihany no nifehy ireo Jiosy tsy nino. Tamin’ izao anefa dia endriky ny fitiavam-bavaka no nentiny ; niezaka izy hamitaka azy mba hahitany antony hitsipahany ny Mpamonjy. Tsy nisy fanantenana noho ny an’ ilay demoniaka ny toerana nisy azy ; satria tsy nahatsapa intsony teo aminy ny filany an’ i Kristy izy, ka noho izany dia voatana mafy tao ambanin’ ny fahefan’ i Satana.

Ny vanim-potoana nanaovan’ i Kristy fanompoana teo amin’ ny olona dia fotoana niasan’ ny herin’ ny fanjakan’ ny maizina be indrindra. Nandritra ny taona maro Satana sy ny anjely ratsy no nitady hifehy ny tena sy ny fanahin’ ny olona, ka hitondra fahotana sy fahoriana eo aminy ; ary amin’ izay dia hazerany amin’ Andriamanitra ny antony nahatonga ireny. Jesosy no naneho tamin’ ny olona ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Nanorotoro ny herin’ i Satana Izy, ka nahafaka ny babony. Fiainana vaovao sy fitiavana ary hery avy any an-danitra no nampihetsika ny fon’ ny olona, ka voatery nitsangana ilay andrianan’ ny ratsy hiaro ny fiandrianany eo amin’ ny fanjakany. Navondron’ i Satana ny heriny rehetra, ka isaka ny indray mandingana dia nanohitra ny asan’ i Kristy izy. 

Ho toy izany koa amin’ ny ady lehibe farany hifanatrehan’ ny fahamarinana sy ny fahotana. Raha midina avy any ambony ny aina vaovao sy ny fahazavana ary ny hery ho eo amin’ ny mpianatr’ i Kristy, dia misy koa hery mipoitra avy any ambany, izay mampahery ny anjelin’ i Satana. Tratran’ ny fitomboana tafahoatra ireo tsirairay hita eo amin’ ny zavaboary. Hafetsena azony noho ny ady nandritra ny taon-jato maro no iasan’ ny andrianan’ ny ratsy ka hanovany ny endriny. Miseho mitafy toy ny anjelin’ ny mazava izy, ka marobe no «manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia» (1Tim. 4: 1).

Tamin’ ny andron’ i Kristy dia tsy nanan-kery hanoherana ny asan’ i Satana ny mpitarika sy ny mpampianatra teo amin’ ny Isiraely. Nataony an-tsirambina ny hany hery azony hijoroana hanohitra ny fanahy ratsy. Tamin’ ny. alalan’ ny Tenin’ Andriamanitra no naharesen’ i Kristy ilay ratsy. Nilaza ny tenany ho mpamelabelatra ny tenin’ Andriamanitra ireo mpitarika teo amin’ ny Isiraely, nefa nianarany izany mba hanohanany ny lovan-tsofiny sy hanamafy orina ireo didididy nataon’ olombelona. Amin’ ny fanazavana ataony dia mamorona fihetseham-po izay tsy nananan’ Andriamanitra na oviana na oviana izy. Ny hevi-dalina arafidrafiny eo dia mifonofono zava-miafina ary mampanjavozavo izay efa nasehon’ Andriamanitra mazava tsara. Niady hevitra mikasika ny fomban-javatra tsy dia misy heviny loatra izy, nefa raha ny tena izy dia mandà ireo fahamarinana lehibe indrindra izy ireo. Tamin’ izany no namafazana betsaka ny tsy finoana an’ Andriamanitra. Norobaina ny herin’ ny tenin’ Andriamanitra, ary miasa manao ny sitrapony ireo fanahy ratsy.  

Miverina ny tantara. Maro ireo mpitondra fivavahana amin’ izao androntsika izao no manokatra ny Baiboly eo anatrehany, ary milaza fa feno fanajana ny fampianarany, nefa mandrava ny finoana amin’ ny maha tenin’ Andriamanitra azy. Sahirana dia sahirana izy mandrasarasa ny teny, ary mametraka ny hevitry ny tenany ambonin’ ny fanambarana tsotra ataon’ ny Soratra Masina. Eo am-pelatanan’ izy ireo dia very ny hery manavao ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ny tsy finoana ny fisian’ Andriamanitra hiroborobo fatratra ary hihabetsahan’ ny faharatsiana. 

Rehefa voafongotr’ i Satana ny finoana ny Baiboly, dia tarihiny ho eo amin’ ny loharanom-pahazavana sy hery hafa ny olona. Amin’ izany dia ny tenany no asosony. Ireo izay miala amin’ ny fampianarana tsotran’ ny Soratra Masina sy ny hery afaka hampiaiky ao amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia miantso ny fifehezan’ ny demonia azy. Ny fanakianana sy ny fanombatombanana diso momba ny Soratra Masina dia mampidanadana lalana ho an’ ny fivavahana amin’ ny maty sy ny fivavahana manandratra ny tena ho Andriamanitra - izay endrika ankehitriny isehoan’ ny fivavahana amin’ ny sampy fahiny - ka nahazo vahana na dia eo amin’ ireo fiangonana misora-tena ho fiangonan’ i Jesosy Kristy Tompontsika aza.

Miara-dalana amin’ ny fitoriana ny filazantsara dia misy mpiasa izay miasa koa, nefa tsy inona fa mpanelanelana amin’ ny fanahy mandainga. Betsaka ny olona misangisangy ireny noho ny fitiavan-kahalala zavatra fotsiny, nefa eo am-pahitana ny asa mihoatra ny herin’ ny olombelona dia voafitaka, mandra-pahatongan’ ny sitrapony ho voafehin’ ny sitrapo mahery noho ny azy. Tsy afaka mandositra izany hery mifono zava-miafina izany izy.
Mirarakompana ireo fiarovan’ ny fanahy. Tsy manana fefy hisakanana ny fahotana izy. Rehefa lavina indray mandeha ireo fifehezan’ ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny, dia tsy fantatry ny olona ny halalin’ ny fahalavoana mety hilentehany. Ny fahotana miafina na ny filàna manjaka iray dia mety hitana azy ho babo tsy manan-kery toy ilay demoniaka tany Kapernaomy. Nefa ny fisehoan-javatra iray toy izany dia tsy hoe tsy misy fanantenana tsy akory.

Ny fomba hahazoantsika mandresy ilay ratsy dia ireo fomba nentin’ i Kristy : ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy mifehy ny saintsika Andriamanitra raha tsy manaiky isika; nefa raha irintsika ny hahalala sy hanao ny sitrapony, dia ho antsika ny teny fikasana «ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo». «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy» (Jao. 8: 32; Isa. 24: 5). Noho ny finoana ireo teny fikasana ireo, dia mety ho afaka amin’ ny fandriky ny fahadisoan-kevitra sy ny fanapahan’ ny fahotana ny olona tsirairay. Mahazo mifidy malalaka izay hery tiany hanjaka aminy ny olona tsirairay. Tsy misy lavo ambany loatra, tsy misy ratsy loatra, ka tsy hahita fahafahana ao amin’ i Kristy. Rehefa nikasa hivavaka ilay demoniaka dia tsy nisy afa-tsy ny tenin’ i Satana ihany no notononiny, nefa re ilay antson’ ny fo tsy niloaka. Tsy misy antso avy amin’ ny fanahy sahirana iray, na dia tsy tafavoaka ho teny aza, ka tsy hohenoina. Izay hanaiky ny hiditra ao amin’ ny fifanarahana amin’ ny Andriamanitry ny lanitra dia tsy avela ho eo ambanin’ ny herin’ i Satana na eo amin’ ny fahalemen’ ny nofony. Miantso azy ny Mpamonjy hoe : «Aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana Amiko ; eny, aoka hihavana Amiko izy» (Jaoo. 8: 32; Isa. 24: 5). Ny fanahin’ ny fahamaizinana dia hiady mba hihazona ny fanahy iray ao ambanin’ ny fanapahany, fa ny anjelin’ Andriamanitra kosa hampiasa ny hery mandresy hamonjy azy. Hoy Jehovah : «Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra ? na ho afaka va ny babo marina ? Nefa izao no lazain’ i Jehovah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandroba; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao» (Isa. 49: 24, 25).

Raha mbola tsy nahateny noho ny tahotra sy ny fanajana ny mpiangona tao amin’ ny synagoga, dia niala Jesosy ka nankany an-tokantranon’ i Petera hiala sasatra kely. Nisy rahona koa anefa tao. Narary ny rafozambavin’ i Petera ka nandry, «azon ’ ny tazo mafy». Notenenin’ i Jesosy ny aretina ka nitsangana ny marary ary nanompo ny Tompo sy ny mpianany.

Niparitaka haingana nanerana an’ i Kapernaomy ny vaovao mahafaly momba ny asan’ i Kristy. Tsy sahy nanatona hositranina tamin’ ny Sabata ny olona noho ny fahatahorany ny raby ; nefa raha vantany vao nilentika teny amin’ ny faravodilanitra ny masoandro dia nisy fihetsiketsehana be. Avy tany amin’ ny tokan-trano, avy tany amin’ ny toeram-pivarotana, avy teny an-tsena ny mponin’ ny tanàna nidodododo ho any amin’ ilay trano tsotsotra nialofan’ i Jesosy. Nentina tamin’ ny fandriana ny marary, nisy nitondra tehina na notohanan’ ny sakaizany, nijaikojaiko moramora sady nangozohozo ho eo anatrehan’ ny Mpamonjy. 

Nifamoivoy teo Aminy isan’ ora isan’ ora ireo ; tsy misy mahalala mantsy raha mbola ho eo aminy ihany Ilay Mpanasitrana ny ampitso. Tsy mbola nahita toe-javatra toy izao mihitsy Kapernaomy hatramin’ izay. Feno hiram-pandresena sy antsoantsom-pahafahana ny habakabaka. Ravoravo ny Mpamonjy noho ny fifaliana nafafiny manodidina Azy. Raha nahita maso ny fahorian’ ireo izay nanatona Azy Izy, dia onena ny fony, ary naharavo Azy ny nahazoany namerina ny fahasalamana sy ny fahasambarana ho azy ireo.

 Tsy najanon’ i Jesosy ny asany raha tsy sitrana ny marary rehetra. Efa alim-be vao lasa ny vahoaka ary nanjaka tao an-tokantranon’ i Simona ny fahanginana. Lasa ilay andro lava nahatrotraka ka nitady fialan-tsasatra Jesosy. Raha mbola renoky ny torimaso ny tanàna dia «nifoha maraina alina koa ny Mpamonjy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany».   

Toy izany no nandanian’ i Jesosy ny androny tamin’ ny fiainany teto an-tany. Matetika no nalefany hamangy ny tokan-tranony sy hiala sasatra ny mpianatra; fa notoheriny tamim-pitiavana kosa ny fiezahan’ izy ireo hisarika Azy hiala amin’ ny asa nataony. Niasa mafy Izy nandritra ny andro, nampianatra ny kely fahalalana, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary namahana ny vahoaka; ary amin’ ny hariva na amin’ ny maraina be, dia lasa mankany an-tendrombohitra Izy, toy ny fanao any amin’ ny fitoerana masina, hitady firaisana amin’ ny Rainy. Matetika Izy no nandany ny alina manontolo tamin’ ny fivavahana sy ny fandinihana lalina ka niverina rehefa niposaka ny masoandro, mba hanao ny asany eo amin’ ny vahoaka. Raha vao maraina koa, dia nankeo amin’ i Jesosy Petera sy ny namany nilaza fa efa nitady Azy sahady ny vahoakan’ i Kapernaomy. Nangidy ny fahadisoam-panantenan’ ny mpianatra tamin’ ny fomba nandraisana an’ i Kristy hatramin’ izao. Nitady izay hamonoana Azy ho faty ireo manam-pahefana tany Jerosalema ; na dia ny iray tanàna Aminy aza dia nitady handatsaka ny ainy ; fa tao Kapernaomy kosa dia noraisina tamim-pifaliana sy tamin-kafanam-po Izy, ka nitsiry indray ny fanantenan’ ny mpianatra. Mety ao amin’ ireo Galiliana tia fahafahana ireo no ahitana ny mpanohana ny fanjakana vaovao. Nefa gaga ny mpianatra nandre ny tenin’ i Kristy hoe : «Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy» 

Tao anivon’ ny fihetsiketsehana nanenika an’ i Kapernaomy tamin’ izay dia nisy loza nananontanona mety hahavery tsy ho eo imaso ny anton’ ny asa nanirahana an’ i Kristy. Tsy nahafa-po an’ i Jesosy ny nanintona ny saina tamin’ ny tenany fotsiny amin’ ny maha-mpanao fahagagana na mpanasitrana ny aretina ara-nofo Azy. Niezaka ny hitarika ny olona ho eo Aminy Izy amin’ ny maha Mpamonjy Azy. Raha nafana fo ny olona, hino fa tonga amin’ ny maha Mpanjaka Azy Izy, hanorina fanjakana ara-nofo, dia niriny ny hanodina ny sainy hiala amin’ ny ara-nofo ho eo amin’ ny ara-panahy. Mety hanakana ny asany ny fahombiazana araka izao tontolo izao fotsiny. 

Nanorisory ny sain’ i Jesosy koa ny fitalanjonan’ ny vahoaka tsy miraika. Tsy nisy fizahozahoana mihitsy nifangaro tamin’ ny fiainany. Zavatra tsy fantatry ny Zanak’ olona izany voninahitra omen’ izao tontolo izao ny toerana ambony, na ny harena, na ny talenta. Tsy nisy nampiasain’ i Jesosy ireo fomba fanaon’ ny olombelona hitarihana ny olona hankatò sy hanaja ary hanaiky ny hevitra asehony. An-jatony taona talohan’ ny nahaterahany dia izao no voalazan’ ny faminaniana momba Azy : «Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony any an-dàlana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy, Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany» (Isa. 42: 2- 4).

Nitady hanava-tena ny Fariseo tamin’ ny fanarahany ny fanompoam-pivavahana amin’ ny antsipiriany sy ny Fisehosehoany tao amin’ ny fivavahany sy ny asa soa nataony. Nasehony ny hafanam-pony ho amin’ ny fivavahana tamin’ ny fanaovany izany ho lohateny iadian-kevitra. Nahery vaika sy naharitra ny adi-hevitra tamin’ ireo antoko mifanohitra, ary zava-nahazatra ny nandre teny amin’ ny arabe, feo tezitry ny adi-hevitra teo amin’ ireo mpahay lalàna ngezalahy.

Nifanohitra tanteraka tamin’ izany rehetra izany ny fiainan’ i Jesosy. Tsy mba nisy tabataba sy fifandirana, tsy nisy fivavahana nisehoseho, tsy nisy fihetsika natao ahazoan-dera hita mihitsy teo Aminy. Niafina tao amin’ Andriamanitra Kristy, ary Andriamanitra dia naseho tao amin’ ny toe-panahin’ ny Zanany. Io fanambarana io no tian’ i Jesosy hitarihana ny sain’ ny vahoaka sy homena ny voninahitra entiny.

Tsy miparasaka amin’ izao tontolo izao eo amin’ ny famirapiratany ny Masoandron’ ny Fahamarinana mba hahajambena ny maso noho ny voninahiny. Izao no voasoratra momba an’ i Kristy : «Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany» (Hos. 6: 3). Amin’ ny fomba mangina sy moramora no ahatongavan’ ny fahazavan’ ny andro eo amin’ ny tany, ka mampisava ny aloky ny haizina ary mamoha an’ izao tontolo izao ho eo amin’ ny fiainana. Toy izany koa no fiposahan’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana, «manana fanasitranana eo amin’ ny tanany» (Mal. 3: 20).


< TAPANY 1                                                                                                                        TOKO 27 > 

Commentaires

Articles les plus consultés