Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra (tapany 1)

«Izaho no Mpiandry tsara ; ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry». «Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry» (Jao 10 : 1-30).

Nahita lalana indray Jesosy ahatrarany ny sain’ ny mpihaino Azy tamin’ ny fanarahana ny zavatra mifandray nahazatra azy ireo. Nampitahainy tamin’ ny rano mangatsiaka mamelombelona. ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy. Efa nasehony ho toy ny fahazavana ny tenany, dia loharanon’ aina sy fifaliana ho an’ ny zavaboary sy ho an’ ny olona. Izao indray dia asehony amin’ ny alalan’ ny sary kanton’ ny any an-tsaha, ny fifandraisany amin’ izay mino Azy. Tsy nisy sary nahazatra kokoa ny mpihaino Azy noho izany, ary ny tenin’ i Kristy dia mamatotra izany ho mandrakizay amin’ ny tenany. Na oviana na oviana ny mpianatra no mijery mpiandry ondry mikarakara ny andian’ ondriny, dia mahatsiaro ny lesona nataon’ ny Mpamonjy izy. Hahitany an’ i Kristy ny mpiandry ondry mahatoky rehetra. Hahitany ny tenany ny ondry tsirairay tsy manan-kery sady tsy mahavita tena.

Io sary io dia efa nampiharin’ ny mpaminany Isaia tamin’ ny asa nanirahana ny Mesia, tao amin’ ny teny fampiononana hoe : «Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ò, miakara any antendrombohitra avo ; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra ; lazao amin’ ny tanànan’ i Joda hoe : Indro Andriamanitrareo. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy ; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny» (Isa. 40: 9- 11). Hoy ny hiran’ i Davida : «Jehovah no Mpiandry ahy ; tsy hanan-java-mahory aho». Ary izao no nambaran’ ny Fanahy Masina tamin’ ny alalan’ i Ezekiela : «Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy ; ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hatanjahiko». «Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho». «Ary tsy ho babon’ ny jentilisa intsony izy . . . fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy» (Ezek. 34:23, 16, 25, 28).


< TOKO 51                                                                                                                      TAPANY 2 >

Commentaires

Articles les plus consultés