Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra (tapany 2)
Rehefa
mitarika ny ondriny ny mpiandry ondry eny amin’ ny havoana sy ny
vatolampy, mitety ny ala sy ny vatolampy, mitety ny tevana any an-tany
lao, mba ahatongavana eny amin’ ny toerana be ahitra amoron’ ny rano ;
rehefa miandry azy eny an-tendrombohitra izy mandritra ny alina mangina,
miaro azy amin’ ny mpangalatra, mikarakara amim-pitiavana ny marary sy
ny osa, amin’ izay dia manjary iray aina aminy izy. Misy fatorana mafy
sy mamy mampiray azy amin’ ireo karakarainy ireo. Na dia betsaka aza ny
ondry, dia fantatry ny mpiandry ny ondry tsirairay. Samy manana ny
anarany avy izy, ka mamaly rehefa antsoin’ ny mpiandry amin’ ny anarany.
Tahaka
ny ahafantaran’ ny mpiandry ondry ny ondriny, no ahafantaran’ Ilay
Andriamanitra mpiandry ondry koa ny ondry izay miparitaka manerana an’
izao tontolo izao. «Ary ny aminareo ondriko, ondry fiandriko, olona
hianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo». Hoy Jesosy:
«Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao». «Efa vitako tombo-kavatsa eo
ampelatanako hianao» (Ezek. 34: 31).
Fantatr’
i Jesosy tsirairay isika, ary manohina Azy ny fahatsapany ny
fahalementsika. Fantany amin’ ny anarantsika isika rehetra. Fantany na
dia ny trano ipetrahantsika aza, ny anaran’ ny mponina ao tsirairay.
Nisy fotoana nanomezany baiko ny mpanompony handeha ho amin’ ny lalana
iray, ho amin’ ny tanàna iray, ho amin’ ny trano toy izao, mba hitady ny
anankiray amin’ ny ondriny.
Ny
fanahy tsirairay dia fantatr’ i Jesosy amin’ ny fomba feno tahaka ny
tsy misy afa-tsy iny ihany no nahafatesan’ ny Mpamonjy. Manohina ny fony
ny fahorian’ ny tsirairay. Tonga any an-tsofina ny antsoantso mitady
fanampiana. Tonga Izy mba hitarika ny olona rehetra ho eo Aminy. Mibaiko
azy izy hoe : «Manaraha Ahy» ary miasa amin’ ny fony ny Fanahiny mba
hitarika azy ho eo Aminy. Betsaka no mandà ny hotarihiny, fantatr’ i
Jesosy izy ireo. Fantany koa izay mihaino ny antsony amim-pifaliana, ary
vonona ny ho eo ambanin’ ny fikarakarany amin’ ny maha-mpiandry ondry
Azy. Hoy Izy : «Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary
izy manaraka ahy». Mikarakara ny tsirairay Izy tahaka ny tsy nisy hafa
eran’ ny tany.
«Izay
ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka». Tsy
miroaka ny ondriny ny mpiandry ondry any Atsinanana. Tsy miankina amin’
ny hery fa mandeha eo aloha izy ka miantso azy. Fantatry ny ondry ny
feony, ka mankato ny antsony izy. Toy izany koa no ataon’ Ilay Mpamonjy
Mpiandry ondry amin’ ny ondriny. Hoy ny Soratra Masina : «Ny tanan’ i
Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry». Hoy ny nambaran’
i Jesosy tamin’ ny alalan’ ny mpaminany. «Tany lavitra any no nisehoan’
i Jehovah tamiko ka nanao hoe : Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
; koa izany no nampaharetako ny famindrampo ho anao. «Tsy misy tereny
hanaraka Azy. «Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia
tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana» (Sal. 77: 20; Jer. 31: 3; Hos. 11: 4).
Tsy
tahotry ny famaizana, na fanantenana ny famalian-tsoa mandrakizay no
mitarika ny mpianatr’ i Jesosy hanaraka Azy. Mibanjina ny fitiavan’ ny
Mpamonjy tsy misy toa azy izy, izay nambara nandritra ny nivahinianany
teto an-tany, hatrany amin’ ny fihinanam-bilon’ i Betlehema ka hatrany
amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary, ka ny fahitana Azy dia misintona ny
fanahy, manalefaka sy mampilefitra azy. Mitsiry ao am-po ny fitiavana
mibanjina fitiavana. Reny ny feony, ka manaraka Azy izy.
Tahaka
ny mpiandry ondry mandeha eo anoloan’ ny ondry, ka ny tenany no misetra
ny loza eny an-dalana, dia toy izany koa Jesosy amin’ ny vahoakany.
«Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy».
Nohamasinin’ ny dia-tongotry ny Mpamonjy ny lalana mankany an-danitra.
Mety mideza sy mikintoantoana ny lalana, nefa nandeha tamin’ io lalana
io Jesosy ; nanitsakitsaka ny tsilo maranitra ny tongony, mba hahamora
kokoa ny lalana ho antsika. Ny entana mavesatra rehetra izay iantsoana
antsika hoentina, dia efa nentin’ ny tenany.
Na dia niakatra eo anatrehan’ Andriamanitra aza Jesosy ankehitriny, ka manana anjara amin’ ny seza fiandrianan’ izao rehetra izao dia tsy nisy veriny ny toetrany mamindrafo. Ankehitriny io fo be fitiavana sy mangoraka io ihany no midanadana ho amin’ ny fahorian’ ny taranak’ olombelona rehetra. Ankehitriny Ilay tanana izay nofantsihina dia mitsotra mba hitahy be dia be ny vahoakany izay teo amin’ izao tontolo izao «ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako». Ny fanahy izay nanolo-tena ho an’ i Kristy dia sarobidy eo imasony mihoatra noho izao tontolo izao. Nandalo tamin’ ny ady mihatra aman’ aina tao Kalvary ny Mpamonjy, mba ahazoany mamonjy olona iray ao amin’ ny fanjakany. Tsy handao na oviana na oviana ny anankiray izay antony nahafatesany Izy. Raha ohatra ka tsy mifidy ny handao Azy ny mpanaraka Azy, dia hihazona azy mafy Izy.
Manana mpanampy tsy mety diso na oviana na oviana isika mandritra ny fitsapana mianjady amintsika rehetra. Tsy avelany hitolona irery amin’ ny fakam-panahy isika, hiady amin’ ny ratsy ary amin’ ny farany dia ho toron’ ny enta-mavesatry ny fahoriana. Na dia miafina tsy eo imason’ ny olombelona mety maty aza Izy, dia afaka mandre ny feony kosa ny sofin’ ny finoana manao hoe : «Aza matahotra ; miaraka aminao Aho». Izaho «Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay» (Apok. 1: 18). Nizaka ny fahorianao aho, niainako ny tolona natrehinao, nosetraiko ny fakam-panahy mianjady aminao. Fantatro ny ranomasonao, efa nitomany koa Aho. Fantatro ny fahoriana miafina izay mbola tsy nambara na oviana na oviana tamin’ ny sofin’ olombelona. Aza mihevitra fa irery sy nafoy ianao. Na dia tsy misy fo voahetsika aza eto an-tany noho ny fahorianao, banjino Aho, ka aoka ho velona ianao. «Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao» (Isa. 54: 10), dia ny firaisana Aminy sy Andriamanitra mandrakizay no natao hanehoana ny firaisana misy amin’ i Kristy sy ny zanany eto an-tany !
Tia antsika Jesosy satria fanomezan’ ny Rainy sy valisoan’ ny asany isika. Tia antsika tahaka ny zanany Izy. Ry Mpamaky malala, tia anao Izy. Na ny lanitra aza tsy afaka hanome zavatra lehibe kokoa, tsara kokoa. Noho izany, matokia.
Mihevitra ny fanahy rehetra manerana ny tany izay voatariky ny mpiandry sandoka ho amin’ ny lalan-diso Jesosy. Izay iriny mafy hangonina ho ondriny andrasany dia niparitaka eo anivon’ ny amboadia, ka hoy Izy : «Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho, ary ireny koa dia tsy maintsy hoentiko ka hihaino ny feoko ; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry».
«Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray». Izany hoe, tia anareo indrindra ny Raiko, hany ka nitombo ny fìtiavany Ahy noho Izaho nanome ny aiko hanavotra anareo. Satria nanjary solonareo sy antoka ho anareo Aho, satria nampilefitra ny fiainako Aho tamin’ ny nakako ny andraikitrareo noho ny fahavoazanareo, ny fandikanareo ny lalàna, dia malalan’ ny Raiko kokoa Aho.
«Manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray». Mety maty Izy amin’ ny maha-anisan’ ny fianakavian’ olombelona Azy, fa amin’ ny maha-Andriamanitra Azy dia loharanon’ aina ho an’ izao tontolo izao Izy. Azony natao ny nanohitra ny fahafatesana nanatona Azy, ka nandà ny ho eo ambanin’ ny fanapahany nefa an-tsitrapo no nanolorany ny ainy mba hahazoany mitondra ny aina sy ny fiainana mandrakizay ho amin’ ny mazava. Nitondra ny fahotan’ izao tontolo izao Izy, niaritra ny ozon’ izany, nanolotra ny ainy ho sorona mba tsy ho faty mandrakizay ny olona. «Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika... Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika ; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra, ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra» (
< TAPANY 1 TOKO 53 >

Isa. 53: 4-6)
< TAPANY 1 TOKO 53 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire