Toko 53—Ny dia farany avy tany Galilia
Rehefa akaiky hifarana
ny asa nanirahana an’ Kristy, dia nisy fiovana teo amin’ ny fomba fiasany.
(Lioka 9 : 51-56 ; 10 : 1-24). Hatramin’ izay dia niezaka Izy hiala amin’ ny
fihetsiketsehana sy ny fampielezan-kevitra. Nolaviny ny fideran’ ny vahoaka
Azy, ary nandalo haingana niala amin’ ny toerana iray Izy ho amin’ ny toerana
iray rehefa toa nirehitra tsy ho azo fehezina ny hafanam-pon’ ny vahoaka ho
Azy. Impiry impiry Izy no nanafatrafatra ny tsy hanambarana Azy ho Kristy.
Tamin’ ny fotoanan’ ny Fetin’ ny Tabernakely dia haingana sady
mangingina no nanaovany ny diany ho any Jerosalema. Rehefa namporisihin’ ny
rahalahiny Izy hiseho ampahibemaso amin’ ny maha-Mesia Azy dia izao no valin-teniny
: « Tsy mbola tonga ny fotoako » Jao. 7 : 6). Tsy nisy nahita
Izy raha nanao ny diany ho any Jerosalema, ka tsy nisy nanambara mialoha ny
fidirany tao an-tanàna, ary tsy nanome voninahitra Azy ny vahoaka marobe. Tsy
toy izany anefa tamin’ ny diany farany. Niala tao Jerosalema fotoana fohy aloha
Izy noho ny haratsiam-panahin’ ny mpisorona sy ny raby. Izao anefa dia
nanomboka ny diany hiverina any Izy, ka tamin’ ny fomba hitan’ ny besinimaro
indrindra no nanaovany izany ; lalana manokana manodidina no nalehany ka nisy
fanambarana nialoha Azy ny amin’ ny fiaviany, dia araka izay tsy mbola nataony
mihitsy talohan’ izao. Handeha eo amin’ ny sehatry ny sorona lehibe nataony
Izy, ary tsy maintsy tarihina ho amin’ izany ny sain’ ny vahoaka.
« Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy
maintsy hanandratana ny Zanak’ olona »( Jao. 3 : 14). Tahaka ny mason’
ny Isiraely natodika teo amin’ ilay menarana nasandratra, izay tandindona
nokendrena ho fanasitranana azy, dia toy izany koa, fa tsy maintsy hotarihina
ho amin’ i Kristy ny maso rehetra, ho eo amin’ ny sorona izay hitondra
famonjena ho an’ izao tontolo izao very.
Fiheveran-diso ny amin’
ny asan’ ny Mesia, sy tsy fananana
finoana ny amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra teo amin’ i Jesosy, no
nitarika ny rahalahiny hamporisika Azy hiseho ampahibemaso amin’ ny vahoaka
tamin’ ny Fetin’ ny Tabernakely. Izao indray, noho ny toe-tsaina nifanahaka amin’ izany
ihany, dia tian’ ny mpianatra ho sakanana Izy tsy handeha ho any Jerosalema.
Tsaroany ny teniny mikasika izay hanjo Azy any, fantany ny fankahalan’ ireo
mpitarika fivavahana Azy hatramin’ ny fahafatesana. Koa sitrany. ny hampiova
hevitra ny Tompony handeha any.
Adidy nangidy teo amin’ ny fon’ i Kristy ny handroso ihany na dia teo
aza ny tahotra, ny fahadisoam-panantenana, sy ny tsy finoan’ ireo mpianany
malala. Mafy taminy ny hitarika azy hitsena ny tebiteby sy ny famoizam-po izay
niandry azy ireo tany Jerosalema. Ary i Satana koa teo akaiky teo nanindry ny
Zanak’ olona tamin’ ny fakam-panahiny. Nahoana Izy izao no tokony ho any
Jerosalema, ho amin’ ny fahafatesana azo antoka. Manodidina Azy hatraiza
hatraiza dia nisy fanahy noana ny mofon’ aina. Hatraiza hatraiza dia nisy
niandry ny Teniny nitondra fanasitranana. Vao nanomboka izao ny asa hotanterahin’
ny Filazantsaran’ ny fahasoavana. Izy koa mbola ao anatin’ ny taona
mampatanjaka Azy rahateo. Nahoana Izy no tsy handroso ho any amin’ ny saha
midadasika eo amin’ izao tontolo izao mitondra ny Tenin’ ny fahasoavany, ny
heriny mahasitrana rehefa mikasika Azy ? Nahoana no tsy raisiny ho an’ ny
tenany ny fifaliana amin’ ny fanomezana ny fahazavana sy ny fifaliana ho an’
ireo an-tapitrisany ao anatin’ ny haizina sy ny fahoriana ? Nahoana no avela ho
an’ ny mpianany ny fiotazana ny vokatra, ireo izay malemy tokoa amin’ ny
finoana, votsa saina, miadam-pihetsika kokoa ? Nahoana no hiatrika ny
fahafatesana Izy izao, ka hilaozana eo am-pahazazany ny asa ? Ilay fahavalo
izay nifanehatra tamin’ i Kristy tany an-efitra no manafika Azy ankehitriny
amin’ ny fakam-panahy masiaka sy fetsy. Raha nilefitra indray mandeha Jesosy,
raha nanova ny fihetsiny Izy teo amin’ izay antsipiriany kely indrindra mba
hamonjena ny tenany, dia ho nandresy ny fitaovana nampiasain’ i Satana, ary ho
very izao tontolo izao
Nefa Jesosy « niatrika hankany Jerosalema ». Ny lalàna tokana teo amin’
ny fiainany dia ny sitrapon’ ny Ray. Raha nitsidika ny tempoly Izy, fony vao
zaza, dia hoy Izy tamin’ i Maria : « Tsy
fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho? »( lio. 2 : 49). Tany Kana,
rehefa nirin’ i Maria ny hanehoany ny heriny mahagaga, dia izao no navaliny : «
Tsy mbola tonga ny fotoako »( Jao.4). Ireo teny ireo ihany no navaliny ny rahalahiny rehefa
nampirisika Azy ho any amin’ ny fety izy. Nefa tao amin’ ny drafitra lehibe
nataon’ Andriamanitra dia efa voatendry ny ora izay hanolorany ny tenany ho an’
ny fahotan’ ny olona, ary efa akaiky hipaika izao ny ora. Tsy ho diso na
hangozohozo Izy. Nitodika ho any Jerosalema ny diany, any amin’ izay efa ela no
niokoan’ ireo fahavalony handatsahany ny ainy ; izao dia hanolotra izany Izy.
Nandroso amin-kasahiana ho any amin’ ny fanenjehana Izy, ho amin’ ny fandavana
Azy, ny fitsipahana, ny fanamelohana sy ny fahafatesana.
Ary « nandefa iraka hialoha Azy Izy » dia nandeha ireo ka niditra tao
amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra trano itoerany ».
Nandà ny handray Azy anefa ny olona, satria teo an-dalana ho any Jerosalema
Izy. Noraisin’ ny Samaritana ho fanehoan’ i Kristy ny fitiavany kokoa ny Jiosy
izany, izay nankahalainy tamin’ ny fomba mangidy indrindra. Raha tonga
hanamboatra ny tempoly sy hamerina ny fivavahana eo amin’ ny Tendrombohitra
Gerizima Izy, dia noraisiny tamim-pifaliana; ho any Jerosalema anefa Izy, ka
tsy handray Azy mihitsy izy. Tsy tsapany firy fa nailiny tsy ho eo
am-baravarany ny fanomezan’ ny lanitra tsara indrindra. Niantso ny olona handray Azy Jesosy, nangataka
mari-pitiavana taminy Izy mba hahazoany manatona Azy akaiky ka handrotsahany
fitahiana sarobidy indrindra aminy. Ny mari-pitiavana tsirairay aseho Azy, dia
hovaliany fahasoavana sorobidy indrindra. Fa very ny zavatra rehetra ho an’ ny
Samaritana noho ny hevitra nibahana tao an-tsainy sy ny fitiavam-bavaka diso
toerana teo aminy.
Tohina mafy tamin’ ny
fanevatevana natao tamin’ ny Tompony i Jakoba sy Jaona. Feno hatezerana izy
satria nanevateva Azy loatra ny Samaritana, kanefa te- hanome voninahitra azy
ireo tamin’ ny fanatrehany Izy. Vao haingana izy mirahalahy no niaraka Taminy
teo amin’ ny tendrombohitra fiovan-tarehy, ary nahita Azy nankalazain’
Andriamanitra, ary nomen’ i Mosesy sy Elia voninahitra. Izao fanaovan’ ny
Samaritana tsinontsinona Azy ankarihary izao, hoy ny fiheviny, dia tsy tokony
havela handalo amin’ izao tsy misy famaizana mazava.
Nanatona an’ i Kristy izy, dia nambarany ny tenin’ ny olona ka nolazainy
Azy fa na dia izay hatoriany indray alina aza tsy nomeny Azy. Nihevitra izy fa
tsy ara-drariny sy ratsy loatra no natao tamin’ i Jesosy, ka raha
nahatazan-davitra ny tendrombohitra Karmela izay namonoan’ i Elia ireo
mpaminany sandoka izy, dia hoy izy hoe : « Tianao va raha hiteny izahay mba
hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy, toy ny nataon’ i Elia ? »
Gaga izy nahita fa nampalahelo an’ i Jesosy ny teniny, ary vao mainka zendana
izy rehefa tonga tao an-tsofiny ny fanomezan-tsiny nataony hoe : « Tsy
fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak’ olona tsy tonga
hahavery ny ain’ olona fa hamonjy azy» ( Lio.9 : 56). Dia nankany amin’ ny vohitra hafa Izy.
Tsy anisan’ ny asa
nanirahana an’ i Kristy ny manery olona handray Azy. Satana sy ny olona
hetsehin’ ny fanahiny no mitady hanery
ny feon’ ny fieritreretana. Misy olona mihambo ho mafana fo amin’ ny
fahamarinana, nefa miara-miasa amin’ ny anjely ratsy mba hampitondra fahoriana
ny mpiara-belona aminy, mba hanovany azy hanaraka ny fiheverany momba ny
fivavahana. Kristy anefa mampiseho famindrampo
mandrakariva, mitady hatrany ny handresy Izy amin’ ny fanambarana ny fitiavany.
Tsy azony ekena ny hanana rafy ao amin’ ny fanahy iray, tsy raisiny koa ny
fanompoana tapatapany ; fa ny iriny fotsiny dia fanompoana an-tsitrapo, ny
fileferana iniana ataon’ ny fo eo ambanin’ ny faneren’ ny fitiavana. Tsy mety
hisy porofo mazava kokoa fa manana ny fanahin’ i Satana isika mihoatra noho ny
fironantsika handratra sy hanimba izay tsy mankasitraka ny asantsika, na manao
asa mifanohitra amin’ ny hevitsika.
Fananan’ Andriamanitra
ny olombelona rehetra, ny vatany, ny saina amam-panahiny. Maty mba hanavotra ny
rehetra Kristy. Tsy misy mety maharikoriko kokoa an’ Andriamanitra noho ny
olona mampitondra fahoriana izay voavidin’ ny ran’ ny Mpamonjy, amin’ ny
alalan’ ny fitiavam-bavaka diso toerana eo aminy.
« Ary niainga niala teo
Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisintanin’ i Jodia sy ny tany an-dafin’ i
Jordana, ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo Aminy ; koa araka ny
fanaony dia nampianatra azy indray Izy »( Mar. 10: 11).
Tao Perea, ilay faritra
teo « amin’ ny sisin-tanin’ i Jordana », no nandanian’ i Kristy ny ampahany
betsaka tamin’ ireo volana farany tamin’ ny asa fanompoana nataony. Nifanizina
nanaraka ny diany ny vahoaka marobe tao, tahaka ny tamin’ ny asany voalohany
tany Galilia, ary betsaka tamin’ ny fampianarany voalohany no naverina.
Tahaka ny nanirahany ny
roa ambin’ ny folo lahy, no nanendreny koa « fitopolo lahy, ka naniraka azy
tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany »
Izy. Efa nisy fotoana niarahan’ ireo mpianatra ireo Taminy, tamin’ ny
fanazarana azy ho amin’ ny asany. Rehefa naniraka ny roa ambin’ ny folo lahy
Izy ho amin’ ny asa voalohany nanirahany azy samirery, dia nisy mpianatra hafa
niaraka tamin’ i Jesosy tamin’ ny diany nanerana an’ i Galilia. Tamin’ izany
dia nanana tombon-tsoa tamin’ ny fifandraisana ety taminy ireo sy tamin’ ny
fitarihana mivantana nataon’ ny tenany. Ankehitriny ireto marobe kokoa ireto
koa dia hirahina samirery.
Ny baiko nomena ny
fitopolo lahy dia mitovy amin’ izay efa nomena ny roa ambin’ ny folo lahý ;
saingy ny baiko nomena ny roa ambin’ ny folo lahy tsy hiditra ny tanànan’ ny
jentilisa na ny Samaritana, dia tsy natao tamin’ ny fitopolo lahy. Na dia vao
avy nolavin’ ny Samaritana aza Kristy, dia tsy niova tsy akory ny fitiavany azy
ireo. Rehefa nandeha tamin’ ny Anarany ny fitopolo lahy, dia ireo tanànan’ i
Samaria no novangiany talohan’ ny sisa rehetra.
Ny namangian’ ny Mpamonjy mihitsy an’ i Samaria, ary tatỳ aoriana, ny
fiderany an’ ilay. Samaritana tsara fanahy, sy ny fifaliana feno fankasitrahan’
ilay boka izay Samaritana hany niverina nisaotra an’ i Kristy, izany dia nisy
dikany betsaka tamin’ ny mpianatra. Latsaka lalina tao am-pony ny lesona. Raha
naniraka azy ireo Jesosy taloha indrindra ny niakarany ho any an-danitra, dia
nolazainy i Samaria niaraka tamin’ i Jerosalema sy Jodia, ho toerana izay
hitoriany voalohany ny Filazantsara. Ny fampianarany no efa nanomana azy ireo
hanatanteraka io iraka io. Rehefa nankany Samaria tamin’ ny anaran’ ny Tompony
izy, dia nahita olona vonona handray azy. Efa nandre ny teny fiderana nataon’ i
Kristy sy ny asam-pamindrampo ho an’ ny mpiray firenena aminy izy ireo. Hitany
fa na teo aza ny fihetsika henjana nataony taminy, dia hevitra feno fitiavana
ihany no nananany taminy, koa azo ny fony. Rehefa niakatra ho any an-danitra ny
Mpamonjy, dia noraisiny tsara ny iraka nalefany ka nioty vokatra sarobidy teo
aminy ny mpianatra, dia teo amin’ ireo izay efa fahavalony mangidy indrindra. «
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona ;
hamoaka izay tena rariny tokoa Izy ». « Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa
» ( Isa. 42 : 3
; Mat. 12 : 21).
Tamin’ ny naniraka ny fitopolo lahy Jesosy, dia nibaiko azy Izy, tahaka
ny nibaikoany azy roa ambin’ ny folo lahy koa, tsy hisisika ho eo amin’ izay
tsy mandray azy tsara. « Izay tanàna hiakaranareo, hoy Izy, ka tsy mandray
anareo ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe : Ny vovoky ny
tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafanay hiampanga
anareo ; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’
Andriamanitra ». Tsy tokony hatao izany noho ny fahatezerana, na noho ny hajany
voahosihosy, fa tokony hasehony ny maha zava-dratsy loatra ny fandavana ny
hafatry ny Tompo na ny mpitondra hafatra nalefany. Ny fandavana ny mpanompon’ i
Jehovah dia fandavana an’ i Kristy mihitsy. « Lazaiko aminareo, hoy Jesosy
namaly, fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho
ny amin’ izany tanàna izany ». Dia nitodika tany amin’ ireo tanàna Galiliana
indray ny sainy, izay niasany be tokoa tamin’ ny asa fanompoana nataony.
Niloa-bava tamin’ ny feo nitory alahelo lalina Izy hoe : « Lozanao, ry Korazina ! lozanao ry
Betsaida ! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao
teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka
amin’ ny lavenona. Fa ho moramora
kokoa ny amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao ? Haetry
hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita hianao ».
Efa natoiotra maimaimpoana ho an’ ireo tanàna maresaka
manodidina ny Ranomasin’ i Galilia ny fitahian’ ny lanitra sarobidy indrindra.
Isan’ andro isan’ andro ny Andrianan’ ny fiainana no niditra sy nivoaka teo
anivon’ izy ireo. Ny voninahitr’ Andriamanitra izay nirin’ ny mpaminany sy ny
mpanjaka fatratra ho hita, dia efa namirapiratra tamin’ ny vahoaka marobe izay
nifanizina nanaraka ny dian’ ny Mpamonjy. Nefa nandà Ilay Fanomezana avy tany
an-danitra izy.
Hoatry ny nampiseho
fahamalinana be ny raby nampitandrina ny vahoaka tsy handray ny fampianarana
vaovao nampianarin’ ity mpampianatra vaovao ; nifanohitra tamin’ ny
fampianaran’ ny razana ny laha-kevitra sy ny fampiharana narosony. Natoky izay
nampianarin’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny vahoaka, fa tsy mitady izay hahazoany
ny tenin’ Andriamanitra ary notsipahiny ny fahamarinana hahazoany mitana ny
lovan-tsofin’ ny tenany. Betsaka no voahetsika lalina ary saiky resy lahatra ;
nefa tsy niasa araka izay hevitra notanany izy, koa tsy nisaina ho anisan’ ireo
izay niandany tamin’ i Kristy izy ireo. Naneho ny fakam-panahiny i Satana,
mandra-pahatonga ny mazava ho tahaka ny maizina. Tamin’ izany dia maro no
nitsipaka ny fahamarinana izay nety ho famonjena ny fanahiny.
Hoy Ilay Vavolombelona Marina: « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana
Aho ka mandondona »(
Apokalypsy 3 : 20). Ny
fampitandremana tsirairay, ny fanomezan-tsiny sy ny fiangaviana ao amin’ ny
tenin’ Andriamanitra natao amin’ ny alalan’ ny mpitondra hafatra nalefany, dia
dona eo am-baravaran’ ny fo. Feon’ i Jesosy mangataka ny hiditra izany.
Arakaraka ny hanoherana ny antso no hihenan’ ny farisihana hamoha ny
varavarana. Raha odian-tsy hita androany ny asan’ ny Fanahy Masina miasa lalina
ao am-po, dia tsy hahery intsony izy rahampitso. Manjary tsy mora
andairan-javatra ny fo, ary mirona moramora ho amin’ ny tsy fahatsapana
mampidi-doza ny fahafohizan’ ny androm-piainana, sy ny fahalehibeazan’ ny
mandrakizay any an-koatra. Ny fanamelohana antsika any amin’ ny Fitsarana dia
tsy ho vokatry ny naha-tao amin’ ny hevi-diso antsika, fa noho ny nanaovantsika
an-tsirambina ny fotoana mety nomen’ ny lanitra mba hianarana ny fahamarinana.
Tahaka ny apostoly, dia
nandray fahaizana ambony noho ny an’ ny olombelona ny fitopolo lahy ho
tombo-kasen’ ny nanirahany azy. Rehefa vita ny asany dia niverina
tamin-kafaliana izy, nanao hoe : « Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky
anay noho ny Anaranao ». Hoy ny navalin’ i Jesosy : « Izaho nahita an’ i Satana
latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra ».
Naseho tao an-tsain’ i Jesosy ny toe-javatra tamin’ ny lasa sy ny ho
avy. Nibanjina an’ i Losifera Izy raha vao noroahina avy tany an-danitra.
Notazaniny ireo toe-javatra mikasika ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny rehefa
halàna sarona eo anatrehan’ izao tontolo izao rehetra ny toetra amam-panahin’
ilay mpamitaka. Reny ny feo mafy hoe: « Vita » (Jao. 19 : 3), izay manambara
fa azo antoka mandrakizay ny fanavotana ny taranaka very, ary voaaro mandrakizay amin’ ny fiampangana ny
lanitra, amin’ ny fitaka. amin’ ny fihamboana izay mety hasosok’ i Satana.
Nibanjina izay ho ao
ankoatry ny hazo fijalian’ i Kalvary, miaraka amin’ ny ady mihatra aman’ aina
sy ny henatra eo amin’ izany Jesosy, dia ilay andro lehibe farany, rehefa
hiatrika ny fandevonana azy eto amin’ ity tany ity izay nosimbany ela tamin’ ny
fikomiany ilay andrianan’ ny hery eny amin’ ny rivotra. Nibanjina ny asan’ ny
ratsy hifarana mandrakizay Jesosy, sy ny fiadanan’ Andriamanitra izay mameno ny
lanitra sy ny tany.
Hatramin’ izao ny
mpanaraka an’ i Kristy dia hijery an’ i Satana ho toy ny fahavalo efa resy. Teo
ambonin’ ny hazo fijaliana Jesosy no nahazo ny fandresena ho azy ireo, dia ilay
fandresena izay tiany ho eken’ izy ireo ho azy. « Indro, hoy Izy, efa nomeko
fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny
fahavalo hianareo; ka tsy hisy hampaninona anareo akory».
Ny hery tsy voafetran’
ny Fanahy Masina no fiarovan’ ny fanahy torotoro rehetra. Tsy misy na dia iray
aza izay nitaky ny fiarovan’ i Kristy tamin’ ny fibebahana sy ny finoana, no
havelany handalo eo ambanin’ ny herin’ ny fahavalo. Eo anilan’ izay
alaim-panahy sy sedraina ny Mpamonjy. Raha miaraka Aminy dia tsy mety hisy ny
tsi- fahombiazana, ny fatiantoka, ny zavatra tsy azo atao na ny faharesena;
azontsika atao ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ Ilay mampahery antsika.
Rehefa tonga ny fakam-panahy sy ny fitsapana, aza miezaka ny handrindra ny
zava-tsarotra rehetra, fa mijere an’ i Jesosy mpanampy anao.
Misy kristiana izay mieritreritra be loatra sy miresaka be loatra koa ny
amin’ ny herin’ i Satana. Mieritreritra an’ ilay fahavalony izy, ataony
antom-bavaka sy anton-dresaka izy, ka manangasanga mihangeza hatrany ao
an-tsainy ao . Marina fa feno
hery i Satana ; nefa isaorana Andriamanitra fa manana Mpamonjy mahery isika,
izay efa nandroaka ilay ratsy avy tany an-danitra. Finaritra i Satana rehefa
manandratra ny heriny isika. Nahoana no tsy miresaka ny amin’ i Jesosy isika ?
Nahoana no tsy manandratra ny heriny sy ny fitiavany isika ?
Ny avan’ ny teny
fikasana izay manodidina ny seza fiandrianana avy amin’ ny avo dia
vavolombelona mandrakizay fa « Toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an’ izao
tontolo izao; nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino
Azy, fa hanana fiainana mandrakizay » ( Jao.3 : 16). Vavolombelona eo amin’ izao rehetra izao izany fa
tsy handao na oviana na oviana ny vahoakany eo amin’ ny tolona ataony amin’ ny
ratsy Andriamanitra. Toky hananantsika hery sy fiarovana izany raha mbola
maharitra koa ny seza fiandrianana.
Hoy Jesosy nanampy izany : « Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky
anareo ny fanahy ; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo ».
Aza mifaly amin’ ny fanananareo hery, sao very tsy ho eo imasonareo ny
fiankinanareo amin’ Andriamanitra. Mitandrema sao tafiditra ny fiheveran-tena
ho ampy, ka miasa amin’ ny herin’ ny tenanareo hianareo, fa tsy amin’ ny fanahy
sy ny herin’ ny Tomponareo. Vonona mandrakariva ny « izaho », handray ny laza
ho an’ ny tenany raha azo lazaina fa misy fahombiazana ny asa. Dokafana sy
asandratra ny « izaho », ka tsy latsaka ao amin’ ny sain’ ny hafa fa
Andriamanitra no zavatra rehetra sy ao amin’ ny zavatra rehetra. Hoy ny
apostoly Paoly : « Fa ny fahalemeko no fahatanjahako »( 2 Kor. 12: 10). Rehefa tsapantsika ny fahalementsika, dia mianatra ny
miankina amin’ ny hery tsy ao amintsika isika. Tsy misy famikirana mafy ao
am-pontsika tahaka ny fahatsapana mitoetra ao anaty ao ny andraikitsika amin’
Andriamanitra. Tsy misy mahatratra amin’ ny fomba feno sy lalina ny
fihetsitsika toy ny fahatsapana ny fitiavan’ i Kristy mamela heloka. Tokony
hifampikasoka amin’ Andriamanitra isika, amin’ izay dia ho feno ny Fanahiny
Masina isika, izay mahatonga antsika ho afaka mifampikasoka amin’ ny
mpiara-belona amintsika. Dia mifalia fa nanjary nifandray tamin’ Andriamanitra
ianao tamin’ ny alalan’ i Kristy ary nanjary mambra ao amin’ ny fianakavian’ ny
lanitra. Raha mijery ambony noho ny tenanao ianao, dia ho tsapanao mandrakariva
ny fahalemen’ ny maha-olombelona. Arakaraka ny maha-kely ny fankamamianao ny « izaho
» no hampahazava kokoa sy hahafeno kokoa ny fahalalanao ny mahatsara indrindra
ny Mpamonjinao. Arakaraka ny hifandraisanao akaiky kokoa amin’ ny loharanon’ ny
fahazavana sy ny hery, no hitosahan’ ny fahazavana lehibe kokoa aminao, ary
hitomboan’ ny herinao hiasa ho an’ Andriamanitra. Mifalia fa iray amin’
Andriamanitra ianao, iray amin’ i Kristy ary iray amin’ ny fianakavian’ ny
lanitra manontolo.
Raha nihaino ny tenin’
i Kristy ny fitopolo lahy, dia nandatsaka lalina zava-misy velona tao an-tsainy
ny Fanahy Masina, ka nanoratra ny fahamarinana teo amin’ ny vato fisaky ny
fanahy. Na dia nanodidina azy ireo aza ny vahoaka be, dia tahaka ny voahidy tao
amin’ Andriamanitra izy.
Tsapan’ i Jesosy fa efa
voarain’ ireo koa izay nanainga Azy tamin’ io fotoana io ka « ravoravo tamin’
ny Fanahy Masina Izy nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko ò, Tompon’ ny lanitra
sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany, ka
nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. Ny zavatra
rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy ; ary tsy misy mahalala ny Zanaka
afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana
Azy ».
Ny manan-kaja eo amin’
izao tontolo izao, ireo lazaina fa lehibe sy hendry, dia tsy afaka mahafantatra
ny toetra amam-panahin’ i Kristy amin’ ny fahendrena rehetra ireharehany. Ny
fisehoany ety ivelany, ny fahafaham-baraka nihatra taminy amin’ ny
maha-olombelona Azy no nitsarany Azy. Ny mpanarato sy ny mpamory hetra anefa dia efa nomena
hahita Ilay tsy hita. Na dia ny mpianatra aza dia tsy nahazo izay rehetra
nirin’ i Jesosy nambara taminy; indraindray anefa, rehefa nilefitra teo amin’
ny herin’ ny Fanahy Masina izy, dia nohazavaina ny sainy. Tsapany fa Ilay
Andriamanitra mahery mitafy ny endriky ny maha-olombelona, dia teo anivon’ izy
ireo. Ravoravo Jesosy fa na dia tsy nananan’ ny hendry sy ny manan-tsaina aza
io fahalalana io, dia efa naseho tamin’ ireto olon-tsotra ireto. Matetika
rehefa nanazava ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha Izy, ka nasehony
ny fampiharana izany tamin’ ny tenany sy ny asa fanavotana nataony, dia efa
nampifoha azy ireo ny Fanahiny, ka nisandratra ho amin’ ny rivo-piainan’ ny
lanitra izy. Ny amin’ ny fahamarinana ara-panahy nolazain’ ny mpaminany dia
nananany fahalalana mazava kokoa noho ireo nanoratra izany tany am-boalohany
aza. Hatramin’ izao dia hamaky ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha
izy, tsy amin’ ny maha-fampianaran’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo an’ izany,
tsy amin’ ny maha-tenin’ olon-kendry efa maty azy, fa amin’ ny maha-fanambarana
vaovao avy amin’ Andriamanitra an’ izany. « Nibanjina Azy izy, Izay tsy azon’
izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany na fantany ; fa hianareo no
mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ao anatinareo » ( Jao. 14 : 17).
Ny hany lalana izay
mety hahazoantsika fahatakarana feno kokoa ny amin’ ny fahamarinana dia ny
fitazonana ny fo ho feno fitiavana sy ho voafehin’ ny Fanahin’ i Kristy. Tsy
maintsy diovina amin’ ny fieboeboana sy ny avonavona ny fanahy, ary foanana tsy
ho ao izay rehetra notazoniny ho fananany, ka Kristy no tsy maintsy hanjaka ao.
Voafetra loatra ny siansan’ ny olombelona ahazoana fanavotana. Mahataka-davitra
loatra ny drafitry ny fanavotana ka tsy azon’ ny filozofia hazavaina. Hijanona hatrany
ho zava-miafina izay tsy takatry ny saina mandanjalanja lalina indrindra izany.
Tsy azo azavaina ny siansan’ ny famonjena ; nefa mety ho fantatra amin’ ny
alalan’ ny fanandramana izany. Izay mahita ny toetram-pahotan’ ny tenany ihany
no afaka hahalala ny hasarobidin’ ny Mpamonjy.
Feno fampianarana ny
lesona nataon’ i Kristy raha nanohy ny diany moramora avy any Galilia ho any
Jerosalema Izy. Nazoto fatratra nihaino ny Teniny ny vahoaka. Tany Perea tahaka
ny tany Galilia, dia tsy teo ambanin’ ny fifehezan’ ny fitiavam-bavaka diso
toeran’ ny Jiosy tahaka ny tany Jodia ny olona, ka nisy akony tao am-pon’ ireo
ny fampianaran’ i Jesosy.
Nandritra ireo volana farany tamin’ ny fanompoan’ i Kristy, no nilazany
ny sasany tamin’ ny fanoharana nataony. Nanenjika azy tamin’ ny fangidiam-po
nitombo hatrany ny mpisorona sy ny raby, ka nosaronany tao amin’ ny ohatra ny
fampitandremana nataony ho azy ireo. Tsy azony natao ny tsy hahazo ny tiany
holazaina, nefa tsy nahita na inona na inona teo amin’ ny Teniny izy hoentiny
mampitoetra fiampangana Azy. Ao amin’ ny fanoharana momba ny Fariseo sy ny
mpamory hetra, dia miavaka sy miharihary tanteraka amin’ ny fitalahoan’ ilay
mpanota mibebaka hoe : « Mamindrà fo amiko, mpanota », ny vavaka mitory
fiheveran-tena ho ampy hoe : « Andriamanitra Ò, misaotra Anao aho, fa tsy mba
tahaka ny olona sasany . . .» (
Lio. 18:13, 11). Tamin’ izany no
nanomezan’ i Kristy tsiny ny fihatsarambelatsihin’ ny Jiosy. Ary ny sarin’ ilay
aviavy tsy mamoa sy ilay fanasana lehibe no nanambarany mialoha ny loza izay
efa hianjady amin’ ny firenena tsy mibebaka. Izay nanevateva ka nandà ny
fiantsoana ho amin’ ny fanasan’ ny Filazantsara dia nandre ny teny
fampitandremana hoe : « Fa lazaiko aminareo : tsy hisy hanandrana ny nahandroko
ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza » ( Lio. 14:24).
Sarobidy indrindra ny fampianarana nomena ny mpianatra. Ny fanoharana
momba ilay mpitondratena nahery nangataka mofo tamin’ ny misasak’ alina, dia
nanome hery vaovao ny Teniny manao hoe: « Mangataha, dia homena hianareo;
mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo » ( Lio 11:9). Ary matetika dia
nahazo hery ny finoany mihozongozona rehefa tsaroany fa niteny Kristy hoe : « Fa
Andriamanitra tsy hanome rariny ny olomboafidiny va, izay mitaraina aminy andro
aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy ? Lazaiko aminareo, fa homeny rariny
faingana izy » (
Lioka 18 : 7, 8).
Naverin’ i Jesosy ilay fanoharana kanto momba ilay ondry very. Ary
notarihiny lavidavitra kokoa ny lesona voarakitra ao, raha nilaza ny amin’ ny
farantsa kely volafotsy very sy ny amin’ ny zanaka adala Izy. Tsy mbola azon’
ny mpianatra nankafizina feno ny herin’ ireo lesona ireo tamin’ izay fotoana
izay ; fa rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, ka nanatrika ny fidiran’ ny Jentilisa
tao amin’ ny Fiangonana izy, ary nahita ny hatezeran’ ny Jiosy feno fialonana,
dia nazava taminy kokoa ny lesona momba ny zanaka adala, ka afaka niditra tao
amin’ ny fifalian’ ny tenin’ i Kristy hoe : « Fa mety ny mifaly sy miravoravo »
; « Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray »
( Lio. 15 :
32, 24). Koa
raha nandeha tamin’ ny anaran’ ny Tompony izy, niatrika ny fanomezan-tsiny sy
ny fahantrana ary ny fanenjehana, dia matetika izy no nahazo hery tamin’ ny
famerenana ny baiko nataony tamin’ iny diany farany iny hoe : « Aza matahotra,
ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho
tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny
mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia
ho any koa ny fonareo »(
Lio. 12 : 32-34).
Commentaires
Enregistrer un commentaire