Toko 54—Ny Samaritana tsara fanahy
Ny tantaran’ ny Samaritana tsara fanahy (Lio 10 :
25-37) no entin’ i Kristy manazava ny toetry ny tena
fivavahana. Asehony fa tsy rafitra, na fanekem-pinoana, na fombam-pivavahana
izany, fa fanatanterahana asam-pitiavana amin’ ny fitondrana ny soa lehibe
indrindra ho an’ ny hafa, amin’ ny hatsaram-po tena izy.
Raha nampianatra ny vahoaka Kristy, dia « indro, misy mpahay lalàna
anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe : Mpampianatra Ò, inona no
hataoko handovako fiainana mandrakizay ? » Sady nitaintaina no liana dia liana
ny vahoaka nivory marobe niandry ny valiny. Nihevitra ny mpisorona sy ny raby
fa hamandrika an’ i Kristy tamin’ ny namporisihany an’ ilay mpahay lalàna
nametraka an’ io fanontaniana io. Nefa tsy niditra tamin’ ny adi-hevitra ny
Mpamonjy. Ny nametraka ny fanontaniana ihany no nangatahiny ny valiny. « Inona
no voasoratra ao amin’ ny lalàna ? » hoy
Izy ; « Manao ahoana ny famakinao azy ? »
Niampanga an’ i Jesosy koa ny Jiosy ho nanamaivana ny lalàna nomena tao Sinay ;
nefa nahompany teo amin’ ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ny momba ny
famonjena.
Hoy ilay mpahay lalàna : « Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny
fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ; ary tiava. ny
namanao tahaka ny tenanao ». Hoy Jesosy taminy : « Marina ny navalinao ; ataovy
izany, dia ho velona hianao ».
Tsy afa-po tamin’ ny hevitra notanan’ ny Fariseo sy ny asa nataony ilay
mpahay lalàna. Efa nianatra ny Soratra Masina izy sady nanam-paniriana ny
hahalala ny dikany marina. Niankinan’ ny
aina izany zavatra izany ho azy, ka nanontany tamin’ ny fo madio izy hoe : « Inona
no hataoko ? » ; Raha namaly ny momba ny fitakian’ ny lalàna izy, dia
nodinganiny avokoa ireo didy miavosa momba ny fanompoam-pivavahana sy ny
fombam-pivavahana. Nolazainy fa tsy misy tombam-bidiny ireny, fa nasehony kosa
ireo foto-kevitra roa lehibe izay iantonan’ ny lalàna sy ny mpaminany. Io
valinteny io, izay nankasitrahan’ i Kristy, dia nametraka ny Mpamonjy teo amin’
ny toerana tsara teo imason’ ny raby. Tsy afaka nanameloka Azy izy tamin’ ny
nanamafisany izay naroson’ ilay mpanazava ny lalàna.
«
Ataovy izany, dia ho velona hianao», hoy Jesosy. Nasehony ho toy ny
zavatra iray tsy mivaky avy amin’ Andriamanitra ny lalàna, ary tamin’ io lesona
io dia nampianatra Izy fa tsy azo atao ny mitandrina fitsipika iray, ka handika
ny anankiray ; foto-kevitra iray ihany mantsy no manerana azy rehetra. Ny
fankatoavana ny lalana manontolo no hanapaka ny ho avin’ ny olombelona. Ny
fitiavana an’ Andriamanitra ambony indrindra sy ny fitiavana ny olona tsy
miangatra no foto-kevitra tokony hiasa ao amin’ ny fiainana.
Nahita ny tenany ho mpandika lalàna ilay mpahay lalàna. Nandresy lahatra
azy ny tenin’ i Kristy nikaroka ny tao am-pony. Tsy nampihariny ny fahamarinan’
ny lalàna, izay nolazainy fa azony. Tsy naneho fitiavana tamin’ ny
mpiara-belona taminy izy. Notakiana fibebahana izy ; tsy nibebaka anefa izy, fa
niezaka ny hanamarintena. Tsy nanaiky ny marina izy, fa naleony niezaka
hampiseho ny mahasarotra ny hanatanterahana ny lalàna. Tamin’ izany dia
nanantena izy sady hiala amin’ ny faharesen-dahatra no hamerina ny voninahitry
ny tenany eo imason’ ny vahoaka. Nasehon’ ny tenin’ ny Mpamonjy fa tsy nilaina
ny fanontaniana napetrany, satria azony natao ihany ny namaly izany. Koa
nametraka fanontaniana hafa izy, ka nanao hoe : « Iza no namako ? »
Niteraka adi-hevitra tsy nisy farany io fanontaniana io teo amin’ ny
Jiosy. Tsy nisalasalany ny amin’ ny jentilisa sy ny Samaritana, vahiny sy
fahavalo ireo. Nefa tokony hisy fanavahana hatao ve teo anivon’ ny vahoakan’ ny
firenen’ izy ireo, sady teo anivon’ ny saranga samihafa eo amin’ ny fiaraha-monina
? Iza no tokony heverin’ ny mpisorona, ny raby, ny loholona ho namana ? Nandany
ny fiainany teo amin’ ireo fanompoam-pivavahana nifandimbindimby izy mba
hanadiovany ny tenany. Ny fifampikasohana amin’ ireny vahoaka tsy
manam-pahalalana sy tsy miraika ireny, araka ny nampianaran’ izy ireo, dia
hahatonga fahalotoana izay hitaky ezaka mandreraka ny fanadiovana azy. Tokony
heveriny ho namana ve ny «tsy madio» ?
Nolavin’ i Jesosy indray ny hiditra amin’ ny adi-hevitra. Tsy niampanga
ny fitiavam-bavaka diso toerana teo amin’ ireo izay niandry ny hanameloka Azy
Izy. Fa tantara tsotra no nentiny nanangana sary teo anatrehan’ ny mpihaino
Azy, mampiseho ny fitosaky ny fitiavana teraka avy any an-danitra, hany ka
nanohina ny fo rehetra Izy, ka nitarika ilay mpahay lalàna hiaiky marina.
Ny fomba nampisava ny haizina, dia ny fandraisana ny fahazavana. Ny
fomba tsara indrindra ifandraisana amin’ ny hevi-diso dia ny fanehoana ny
marina. Ny fanambarana ny fitiavan’ Andriamanitra no mampiharihary ny
fahasimban’ ny fo mifototra amin’ ny « izaho » sy ny fahotana ao aminy.
« Nisy lehilahy anankiray, hoy Jesosy, nidina avy tany Jerosalema
hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahiny ny lambany, sady nokapohiny
izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. Ary sendra nisy mpisorona anankiray
nidina tamin’ izany lalana izany ; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia
nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo ; dia nahita
azy, nefa nandalo koa
». Tsy zavatra nosaintsainina fotsiny izany, fa tena nitranga tokoa, ary
fantatra araka izay nanehoana azy. Ny mpisorona sy ny levita izay niala ka
nivily lalana dia teo anivon’ ny olona izay nihaino ny tenin’ i Kristy.
Raha mandeha avy any Jerosalema ho any Jeriko ny olona dia tsy maintsy
mandeha mamaky ampahany amin’ ny efitr’ i Jodia. Midina mankao amin’ ny
hantsana mangina, anaty vatolampy ny lalana, izay feno mpangalatra, ary
matetika no ahitana herisetra izany. Teo no nisy namely ilay mpandeha,
norobaina izay rehetra sarobidy teny aminy, noratraina sy nokapohiny izy, ary
navela teo antsisin-dalana teo efa saiky maty. Raha nitsitra teo toy izany izy,
dia tonga teo amin’ izany lalana izany ny mpisorona. Notopazany maso fotsiny
ilay lehilahy maratra. Niseho indray ilay Levita. Liana te-hahalala izay
nitranga, niondrika izy nijery ilay mijaly. Resy lahatra ny amin’ izay tokony
hataony izy ; tsy adidy mahafinaritra anefa izany. Niriny ny tsy nandehanany
tamin’ io lalana io, dia tsy ho nilainy ny hahita ity olona maratra ity.
Nampanaiky ny tenany izy fa tsy mikasika azy izao.
Samy nanana asa masina ireo olona ireo, ary milaza ny tenany ho mpivaofy
ny Soratra Masina. Anisan’ ny antokon’ olona nofidina manokana mba ho
solontenan’ Andriamanitra eo amin’ ny vahoaka izy ireo. Tokony ho olona « mahay
mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania » ( Heb. 5 : 2), izy ireo, mba ahazoany mitarika olona hahazo
ny fitiavan’ Andriamanitra lehibe ho an’ ny taranak’ olombelona. Ny asa izay
nantsoina ataony dia ilay efa nosoratan’ i Jesosy ho asan’ ny tenany raha hoy
Izy hoe : « Ny Fanahin’ i Jehovah no ato Amiko satria nanosotra Ahy hitory teny
soa mahafalý amin’ ny malahelo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana ho an’ ny
mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ ny jamba, hanafaka izay nampahoriana » ( Lio. 4 : 18).
Mijery ny fahorian’ ny fianakavian’ Andriamanitra eto an-tany ny
anjelin’ ny lanitra, ary omanina hiara-miasa amin’ olona izy mba hanamaivana ny
fahoriana sy ny fijaliana. Ny fitondran’ Andriamanitra no nahatonga ilay
mpisorona sy ilay Levita teo amin’ ny lalana nisy ilay maratra mijaly mitsitra,
mba hahitany ny filàny famindrampo sy fanampiana. Ny lanitra manontolo no
niandry hijery raha ho voatohina ny fon’ ireto olona ireto noho ny fangorahana
ny fahorian’ olombelona. Ny Mpamonjy no Ilay nampianatra ny Hebreo tany
an-efitra ; avy teo amin’ ny andri-rahona sy ny andri-afo no efa nampianarany
lesona hafa noho izay efa noraisin’ ny vahoaka ankehitriny avy tamin’ ny
mpisorona sy ny mpampianatra teo aminy. Ny famindrampo nomanin’ ny lalàna dia
nihitatra hatramin’ ny biby ambany dia ambany aza, izay tsy afaka manambara
izay iriny sy ny fijaliany. Nisy baiko nomena an’ i Mosesy ho an’ ny zanak’
Isiraely ny amin’ izany : « Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny
borikiny, dia havereno any aminy mihitsy izany. Raha hitanao ny borikin’ izay
mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy
ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa » ( Eks. 23 : 4, 5). Ilay olona
noratrain’ ny mpangalatra koa, dia nasehon’ i Jesosy ho toy ny manjo amin’ ny
rahalahy ao anaty fahoriana. Tokony ho voahetsika bebe kokoa manao ahoana ny
fony noho ny fangorahana azy mihoatra noho ny biby mpitondra entana ! Nomena
azy tamin’ ny alalan’ i Mosesy ny hafatra milaza fa Jehovah no Andriamaniny, « Andriamanitra lehibe sy mahery ary
mahatahotra, manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny
vahiny ». Noho izany, mibaiko Izy hoe : « Tiava ny vahiny » ho tianao tahaka ny
tenanao « izy » ( Deo. 10 : 17-19. lev. 19 : 34).
Hoy i Joba hoe : « Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano ; fa novohako
ny varavarako manatrika ny lalana ». Ary rehefa tonga tao Sodoma ireo anjely
anankiroa naka ny endrik’ olona, dia niankohoka tamin’ ny tany i Lota ka nanao
hoe : « Mba mivilia ianareo
tompoko ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo,
ka mandria anio alina » ( Joba. 31 :
32 : Gen. 19 : 20). Nahazatra ny mpisorona sy ny Levita ireny lesona
ireny, nefa tsy nampihariny tao amin’ ny fiainany andavanandro. Notezaina tao
amin’ ny sekolin’ ny fivavahana diso toerana teo amin’ ny firenena izy, ka
nanjary tia tena, tery saina, sy mamepetra. Rehefa mijery ilay maratra izy
ireo, dia tsy hainy nolazaina na mpiray firenena taminy izy io na tsia.
Noheveriny fa mety ho anisan’ ny Samaritana izy, ka nilaozany.
Teo amin’ ny fihetsika nataony, araka izay nitantaran’ i Kristy azy, dia
tsy nahita na inona na inona izay nifanohitra tamin’ izay efa nampianarina
mikasika ny fitakian’ ny lalàna ilay mpahay lalàna. Nisy toe-javatra hafa
niseho anefa :
Nisy Samaritana iray, nandritra ny dia izay nataony, tonga teo amin’
izay nisy ilay olona nijaly, ka rehefa nahita azy, dia nalahelo azy. Tsy
nanontany izy na Jiosy na Jentilisa io vahiny io. Raha Jiosy izy, dia fantatr’
ilay Samaritana tsara fa, raha nifanakalo ny toerana, dia ho nororany ny
tavany, ka nilaozany sy nataony tsinontsinona izy. Tsy nisalasala izy anefa na
dia izany aza. Tsy noheveriny ny amin’ ny tenany izay mety ho tandindomin-doza,
ho tratry ny herisetra raha mitaredretra eo amin’ io toerana io. Ampy azy ny
nahita fa nisy olombelona sahirana sy nijaly teo anatrehany. Nalany ny
fitafiany mba handrakofany azy. Ny diloilo sy ny divay nomaniny hoentiny eny
an-dalana no nampiasainy hitsaboana sy hanamaivanana an-dralehilahy naratra.
Nakariny teo amin’ ny bibiny izy, dia nandeha moramora nanao dia miadana, mba
tsy ho voahetsiketsika ilay vahiny, ka hampitombo ny fijaliany izany. Nentiny
tany amin’ ny tranom-bahiny, ka nokarakarainy nandritra ny alina, nambenany
tamim-pitiavana. Nony maraina, rehefa nihatsara ilay marary dia sahy nanohy ny
diany ilay Samaritana. Alohan’ ny nanaovany izany anefa, dia napetrany
hokarakarain’ ilay tompon’ ny tranom-bahiny izy, naloany ny lany ary nametraka
vola ho azy izy, tsy afa-po tamin’ izany ihany izy, fa nanomana izay mbola mety
hilainy ka hoy izy tamin’ ilay tompon-trano hoe : « Tsaboy izy ; ary na
hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra ireto dia honerako, rehefa
miverina aho ».
Vita ny tantara, nampifantoka ny masony tamin’ ilay mpahay lalàna
Jesosy, ary indray mitopi-maso dia toa namakiany izay tao amin’ ny fanahiny, ka
hoy izy hoe : « Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny
jiolahy ? »
Na dia izao aza dia tsy nety niteny hoe Samaritana, ilay mpahay lalàna,
ka hoy ny navaliny » hoe : « Ilay niantra azy». Hoy Jesosy : « Mandehana ka
manaova toy izany koa».
Voavaly araka ny marina izany ilay fanontaniana manao hoe : «Iza no
namako?» Nasehon’ i Kristy fa ny namantsika dia tsy izay iray fiangonana na
iray finoana amintsika ihany. Tsy mikasika firazanana na volon-koditra na
saranga izany. Ny namantsika dia ny olona rehetra izay. mila ny fanampiantsika.
Ny namantsika dia ny fanahy rehetra izay noratraina sy nokapohin’ ilay
fahavalo. Ny namantsika dia izay rehetra fananan’ Andriamanitra.
Ny tantaran’ ilay Samaritana tsara fanahy, dia naneho an-tsary an’ i
Jesosy sy ny asany. Nofitahina, nokapohina, norobaina sy novonoin’ i Satana ny
olona ka navela ho faty ; nangoraka ny toerana mampahantra antsika anefa ny
Mpamonjy. Nilaozany ny voninahiny mba hahatongavany hamonjy antsika. Hitany
isika fa efa ho faty ary noraisiny ho andraikitra ny momba antsika. Nitsabo ny
ferintsika Izy. Notafiany tamin’ ny akanjom-pahamarinany isika. Nanokatra
fialofana azo antoka ho antsika Izy, ka nanomana izay rehetra ilaintsika ho
andraikiny. Maty mba hanavotra antsika Izy. Nanondro ny ohatra nomeny Izy raha
niteny tamin’ ny mpanaraka Azy hoe : « Izany zavatra izany no andidiako anareo,
mba hifankatiavanareo ». « Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba
hifankatiavanareo koa » (
Jao. 15 : 17 ; 13 : 34).
Ny fanontaniana napetrak’ ilay mpahay lalana dia hoe : « Inona no hataoko ? » Ary Jesosy, izay
nanaiky fa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny olona no fitambaran’ ny
fahamarinana, dia namaly hoe : « Ataovy izany, dia ho velona hianao ». Efa
nankatò ny baikon’ ny fo malemy fanahy sy be fitiavana ilay Samaritana tsara
fanahy, ary tamin’ izany dia nasehony fa mpankatò ny lalàna ny tenany. Nibaiko
ilay mpahay lalàna hoe Kristy : « Mandehana, ka mba manaova toy izany koa ».
Manao, fa tsy miteny fotsiny, no antenaina eo amin’ ny zanak’ Andriamanitra. « Izay
milaza fa mitoetra ao Aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany
koa » ( 1 Jao. 2 :
6).
Io lesona io dia tsy latsa-danja ankehitriny, noho ny fony izay
nambaran’ i Jesosy teto amin’ izao tontolo izao. Efa saiky namono ny afon’ ny
fitiavana ny fitiavan-tena sy ny fombafomba mangatsiaka, ka nampanjavona ireo
fahasoavana izay tokony hitondra hanitra eo amin’ ny toetra amam-panahy.
Betsaka amin’ ireo izay mitonona amin’ ny anarany no tsy mahita eo imasony intsony
fa maneho an’ i Kristy ny kristiana. Raha tsy misy fahafoizan-tena iainana
hanasoa ny hafa, eo amin’ ny faritry ny fianakaviana, eo amin’ ny
mpifanolobodirindrina, eo amin’ ny fiangonana, ary na aiza na aiza misy
antsika, ary na toy inona na toy inona filazantsika amin’ izany, dia tsy
kristiana isika.
Namatotra ny tombon-tsoany amin’ ny an’ ny taranak’ olombelona Kristy,
ka mangataka antsika Izy ho tonga iray Aminy ho famonjena ny taranak’
olombelona. « Efa nandray maimaim-poana hianareo, hoy Izy, koa manomeza maimai-mpoana
» ( Mat. 10 :
8). Ny
fahotana no lehibe indrindra amin’ ny ratsy , ary anjarantsika ny mangoraka sy
manampy ny mpanota. Betsaka ny mirenireny ary mahatsiaro ny fahamenarany sy ny
hadalany. Mosarena teny fampaherezana izy. Mijery ny fahadisoany sy ny tsy mety
nataony izy, mandra-pahatonga azy ho saiky voatariky ny fahamoizam-po. Tsy
tokony hataontsika an-tsirambina ireny fanahy ireny. Raha kristiana isika, dia
tsy hivily ho amin’ ny lalan-kafa, na hanalavitra araka izay azo atao ireo izay
mila indrindra ny fanampiantsika. Rehefa mahita olombelona mijaly isika, na
noho ny fahoriana, na noho ny fahotana, tsy hiteny na oviana na oviana isika
hoe : Tsy mikasika ahy izao.
« Atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy » ( Gal. 6 : 1). Atoseho hiverina
amin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fivavahana ny herin’ ny fahavalo. Manaova
teny mitory finoana sy herim-po izay ho balisama manasitrana ho an’ ny
voakapoka sy noratraina. Betsaka, eny betsaka no reraka sy kivy teo amin’ ny tolona
goavana eo amin’ ny fiainana, nefa nisy teny iray nitondra famporisihana
tamim-pahalemem-panahy ho nampahery azy handresy. Tsy tokony handalo fotsiny
mihitsy amin’ ny fanahy mijaly isika, ka tsy hiezaka hizara aminy ny
fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra antsika.
Izany rehetra izany dia tsy inona fa fanatanterahana ny foto-kevitry ny
lalàna, — dia ny foto-kevitra izay hazavaina ao amin’ ny tantaran’ ny
Samaritana tsara fanahy, ka naseho teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy. Manambara ny
tena dikan’ ny lalàna ny toetra amam-panahiny, ary mampiseho antsika ny tena
dikan’ ny hoe tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ary rehefa maneho
famindrampo, fahalemem-panahy sy fitiavana amin’ ny olona rehetra ny zanak’
Andriamanitra, dia vavolombelon’ ny lanitra izy. Mijoro ho vavolombelona izy
mampiseho fa « tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy » ( Sal. 19 : 7). Ary na iza na
iza no diso ka tsy mampiseho io fitiavana io dia mandika ny lalàna izay lazainy
fa hajainy. Ny toe-panahy izay asehontsika amin’ ny rahalahintsika mantsy, dia
manambara ny toe-tsaintsika amin’ Andriamanitra. Ny fitiavan’ Andriamanitra ao
am-po no hany loharanom-pitiavana mankany amin’ ny namantsika : « Raha misy
manao hoe : Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia
mpandainga izy ; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, ataony ahoana no
fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany ? » Ry malala, « raha mifankatia isika,
dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny
fitiavany » ( 1 Jao. 4 :
20; 12).
< TOKO 53 TOKO 55 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire