Toko 55—Tsy misehoseho
Nisy Fariseo nanatona an’ i Jesosy nanontany hoe : « Rahoviana no ho
tonga ny fanjakan’ Andriamanitra »(Lio 17 :
20-22). Telo
taona mahery lasa izay no nanomezan’ i Jaona mpanao batisa ny hafatra tahaka ny
antson’ ny trompetra izay nanakoako nanerana ny tany hoe : « Akaiky ny
fanjakan’ ny lanitra » (Mat. 3 : 2). Nefa tsy nahita
famantarana ny amin’ ny fanorenana ny fanjakana ihany ireto Fariseo ireto.
Betsaka tamin’ izy ireo no nandà an’ i Jaona, ary nanohitra an’ i Jesosy isaky
ny mandingana, ka nanisika ny hevitra fa tsy nahomby ny asa nanirahana Azy.
Namaly Jesosy ka nanao
hoe : « Tsy misehoseho ny fiavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra ; ary ny olona
tsy hanao hoe : Indro ety na ery ! fa indro, ny fanjakan’ Andriamanitra, dia ao
anatinareo ». Manomboka ao amin’ ny fo ny fanjakan’ Andriamanitra. Aza mijery
etsy na eroa hahita fanehoana ny hery ara-nofo mba hanamarihana ny fiaviany.
« Ho avy ny andro »,
hoy Izy, nitodika tany amin’ ny mpianany,« hanirianareo hahita ny
anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona nefa tsy hahita hianareo ». Satria
tsy arahin’ ny rendrarendra araka izao tontolo izao izany, dia tandindomin-doza
ianareo tsy hahafantatra Ahy. Tsy tsapanareo ny maha lehibe ny tombotsoanareo
ankehitriny, manana Ahy eo anivonareo, na dia saronan’ ny maha-olombelona aza,
dia ilay fiainana sy fahazavan’ ny olona. Ho avy ny andro izay hitazananareo ny
lasa sady hanirianareo mafy ireo fotoana mety hifalianareo ankehitriny
miara-mandeha sy miara-mitafa amin’ ny Zanak’ Andriamanitra.
Noho ny fitiavan-tenany
sy ny toetrany ara-nofo anefa, na dia ny mpianatr’ i Kristy aza tsy afaka
nahazo ny voninahitra arapanahy izay niezahany naseho azy ireo. Raha tsy
niakatra ho any amin’ ny Rainy i Kristy, ka nirotsaka tamin’ ny mpino ny Fanahy
Masina, vao afaka nankasitraka feno ny toetra amam-panahin’ ny Mpamonjy sy ny
asa nanirahana Azy izy. Rehefa nandray ny batisan’ ny Fanahy izy, dia nanomboka
nahatsapa fa efa nanatrika mihitsy Ilay Tompon’ ny voninahitra. Rehefa
nampahatsiahivina azy ny teny nataon’ i Kristy, dia nisokatra ny sainy nahazo
ny faminaniana ary nahazo ny fahagagana izay efa nataony. Nandalo teo
anatrehany ny zava-mahazendana teo amin’ ny fiainana, ka toy ny olona nifoha
ary nanonofy izy. Tsapany fa « ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ;
ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy
tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana » (Jao.1 : 14). Efa tonga avy tamin’ Andriamanitra tokoa Kristy ka
nankeo amin’ izao tontolo izao feno fahotana mba hamonjy ny zanakalahy sy ny
zanakavavin’ i Adama amin’ ny fahalavoany. Toa tsy dia
lehibe teo imason’ ny mpianatra tahaka ny talohan’ ny nahatsapany izany intsony
ny tenany. Tsy sasatra mihitsy izy nihaino indray ny teniny sy ny asa nataony.
Ny lesony, izay nanjavozavo fotsiny ny nahazoany azy, ankehitriny, dia tonga
taminy tahaka ny fanambarana vaovao. Nanjary boky vaovao ho azy ny Soratra
Masina.
Raha nikaroka ny faminaniana izay vavolombelon’ i Kristy ny mpianatra,
dia nifankazatra tamin’ Andriamanitra izy, ka nianatra tamin’ Ilay efa niakatra
any an-danitra hameno ny asa natombony teto an-tany. Nekeny fa ao Aminy no
itoeran’ ny fahalalana izay tsy mety ho takatry ny olombelona, raha tsy ampian’
ny herin’ ny lanitra. Nila ny fanampian’ Ilay nambaran’ ny mpanjaka, sy ny
mpaminany ary ny olona marina mialoha izy. Gaga izy namaky sy niverina namaky
ireo famaritana ara-paminaniana momba ny toetra amampanahiny sy ny asany.
Nanjavozavo nanao ahoana ny nahazoany ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina
; votsa manao ahoana izy nandray ireo fahamarinana lehibe izay vavolombelon’ i
Kristy. Fony nibanjina Azy teo amin’ ny fanetren-tenany izy ireo, raha nandeha
toy ny olona teo anivon’ ny olona Izy, dia tsy azony ny zava-miafina momba ny
nahatonga nofo Azy, ny toetra roa teo amin’ ny maha-izy Azy. Voatana ny masony,
hany ka tsy hitany tanteraka ny maha-Andriamanitra ao amin’ ny maha-olombelona.
Nefa rehefa nohazavain’ ny Fanahy Masina izy, nanao ahoana ny faniriany
hahita Azy indray, sy hipetraka eo an-tongony. Niriny ny ho afaka mankeo Aminy
mba hangataka Azy hanazava aminy ny Soratra Masina, izay tsy nety takany ny
heviny. Ho liana manao ahoana izy hihaino ny teniny. Inona no tian’ i Jesosy
hambara fony Izy niteny hoe : « Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo
Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny » (1 Jao. 16 :
12). Akory
izany hetahetany te-hahalala izany rehetra izany. . . Nalahelo mafy izy noho ny
hakelin’ ny finoany, hany ka lasa lavitra ny fetra nokendrena ny heviny, tsy
takany ny dikan’ ny zava-misy.
Nisy mpitondra hafatra nalefan’ Andriamanitra hitory ny fiavian’ i
Kristy, sy hampifantoka ny sain’ ny firenena Jiosy sy ny an’ izao tontolo izao
ho amin’ ity asa nanirahana Azy, mba ho voaomana ny olona handray Azy. Ilay
olona nahagaga, manana ny maha-izy Azy izay nambaran’ i Jaona, dia teo anivon’
izy ireo nandritra ny telo taona mahery, nefa tsy fantany marina fa Izy no Ilay
nirahin’ Andriamanitra. Tratry ny nenina mafy ny mpianatra satria, tamin’ izay
fotoana izay dia navelany hanjaka ny tsy finoana hiasa tamin’ ny heviny ary
hanamaizina ny sainy. Ilay fahazavan’ ity izao tontolo izao maizina ity dia efa
namirapiratra tao amin’ ny somambisamby ary tsy fantany izay niavian’ ny
tara-pahazavana. Nanontany tena izy hoe nahoana no nanao fihetsika izay tsy
maintsy nanomezan’ i Kristy tsiny azy Izy ? Naverimberin’ izy ireo matetika ny
resaka nataony, ka hoy izy ireo hoe : Nahoana re no navelantsika hampifanjevo
ny saintsika ny fiheverana ara-nofo sy ny fanoheran’ ny mpisorona sy ny raby,
hany ka tsy azontsika fa nisy lehibe noho i Mosesy teo anivontsika, fa
nampianatra antsika Ilay hendry noho i Solomona ? Donto ve izany sofintsika
izany ? Osa ve izany saintsika izany ?
Tsy nety nino i Tomasy
raha tsy nametraka ny tanany teo amin’ ny fery izay nataon’ ny miaramila
Romana. Petera nandà Azy raha nalaim-baraka sy notsipahana Izy. Tonga tamin’ ny
fomba mazava tsara teo aminy ireo fahatsiarovana mangirifiry ireo. Efa niaraka
taminy izy nefa tsy nahafantatra na nankasitraka Azy. Nanetsika ny fony manao
ahoana anefa ireny zavatra ireny rehefa nekeny ny tsy finoany !
Rehefa niray hina
hanohitra Azy ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka nentiny teo anatrehan’ ny
Synedriona sy nataony tany an-tranomaizina ny mpanaraka an’ i Kristy, dia
niravoravo izy satria « natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho
voninahitr’ izany anarana izany » (Asa. 5 : 41). Ravoravo
izy nampiseho teo anatrehan’ ny olona sy ny anjely fa nekeny ny voninahitr’ i
Kristy ary nifidy ny hanaraka Azy izy na ho veriny aza ny zavatra rehetra.
Ankehitriny, tahaka ny
tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia marina fa raha tsy ny fanazavan’ ny Fanahin’
Andriamanitra, dia tsy afaka hahafantatra ny voninahitr’ i Kristy ny
maha-olombelona. Ny fahamarinana sy ny asan’ Andriamanitra dia tsy
ankasitrahan’ ny fivavahana kristiana tia an’ izao tontolo izao sy sadasada.
Tsy eo amin’ ny fomba hampiadanan-tena ahitana voninahitra ara-nofo na
fitoviana amin’ izao tontolo izao, no tokony hahitana ny mpanaraka ny Tompo.
Mialoha lavitra izy eo amin’ ny lalana ahitana asa mafy, ahitana
fahafaham-baraka, ahitana fanomezan-tsiny, any amin’ ny vava-ady izy eo amin’
ny tolona ifanaovana « amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny
mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny
rivotra » (
Efes.6 : 12). Ary ankehitriny koa, tahaka ny tamin’ ny andron’ i
Kristy, dia diso ny fandraisana azy ka mahazo fanakianana avy amin’ ny
mpisorona sy ny Fariseo amin’ ny androny izy ary ampahoriany.
Tsy misehoseho ny
fanjakan’ Andriamanitra. Ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, sy ny
toe-tsaina mahafoy tena eo aminy, dia tsy afaka hifandrindra mihitsy amin’ ny
toe-tsain’ izao tontolo izao. Mifanohitra ireo foto-kevitra roa ireo : « Fa ny
olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’
Andriamanitra, fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy
no amantarana izany »( 1 Kor. 2 : 14).
Ankehitriny anefa, eo
amin’ izao tontolo izao mivavaka, dia marobe ny olona izay miasa amin’ ny
fanorenana ny fanjakan’ i Kristy, araka ny finoany azy, ho fanjakana eto
an-tany sy ara-nofo. Iriny ny hanao ny Tompontsika ho mpanapaka ny fanjakana
eto amin’ izao tontolo izao, ho mpanapaka any amin’ ny trano fitsarana sy ny
toby miaramila, any amin’ ny antenimieram-pirenena, any amin’ ny lapan’
andriana sy ny toeram-pivarotana. Manantena Azy hifehy izy amin’ ny fanaovana
didy aman-dalàna, hamafisin’ ny fahefan’ olombelona. Koa satria tsy eto
ara-batana Kristy ankehitriny, dia ny tenany no handray andraikitra eo amin’ ny
asa hisolo Azy, hampihatra ny lalàn’ ny fanjakany. Ny fanorenana fanjakana toy
izany no nirin’ ny jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy. Ho nandray an’ i Jesosy
izy, raha nekeny ny hanangana fanjakana ara-nofo, ny hanamafy izay noheveriny
ho lalàn’ Andriamanitra, ary ny hanendry azy ireo ho mpamelabelatra ny
sitrapony sy mpanatanteraka ny fahefany. Hoy izy anefa : « Ny fanjakako tsy avy
amin’ izao tontolo izao »( Jao.18 : 36). Tsy hanaiky seza fiandrianana eto an-tany Izy.
Ratsy toetra sady
nampahory ny fanjakana tamin’ ny fahavelon’ i Jesosy ; nisy fanaovan-dratsy
nihoampampana hatraiza hatraiza, — fanaovana an-keriny, tsy fandeferana, ary
fahasiahana sy fanosihosena. Tsy niezaka ny hanao fanavaozana ara-panjakana
anefa ny Mpamonjy. Tsy namely izay fanaovan-dratsy teo amin’ ny firenena Izy,
na nanameloka ny fahavalom-pirenena. Tsy nisalovana tamin’ ny fahefana na ny
fitondran’ ireo teo amin’ ny fanjakana Izy. Ilay ohatra ho antsika dia
nihatakataka tamin’ ny fanjakana eto an-tany. Tsy hoe satria tsy nampiraika Azy
ny fahorian’ ny olona, fa satria tsy eo amin’ izay mety ho vitan’ ny olombelona
ivelambelany fotsiny ny fanafody. Mba hahombiazan’ ny fanafody, dia tsy maintsy
mahatratra ny olombelona tsirairay izany, ka manavao ny fo.
Tsy ny
fanapahan-kevitry ny fitsarana na ny filan-kevitra na ny antenimieram-pirenena,
na ny fiarovana ny olona ambony eto amin’ izao tontolo izao, no anorenanao ny
fanjakan’ i Kristy, fa ny toetran’ i Kristy volena ao amin’ ny maha-olombelona
amin’ ny alalan’ ny asan’ ny Fanahy Masina no hananganana izany. « Fa izay
rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay
mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ ny nofo, na
ny sitrapon’ ny olona fa naterak’ Andria-manitra »(
Jao. 1 : 12, 13). Io no hany hery izay afaka hiasa hanandratra ny
taranak’ olombelona. Ary ny fitaovana amin’ ny maha-olombelona hanatanterahana
io asa io dia ny fampianarana sy ny fampiharana ny tenin’ Andriamanitra.
Raha nanomboka ny asany
tany Korinto ny apostoly Paoly, ilay tanàna be mponina sy manan-karena, tanàna
ratsy fanahy, izay voaloton’ ny fahavetavetana tsy voatonona teo amin’ ny
fanompoan-tsampy, dia hoy izy : « Fa ninia tsy nahafantatra zavatra hafa teo
aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo
fijaliana »( 1 Kor. 2 : 2). Tatý
aoriana, raha nanoratra tamin’ ireo izay efa voaloton’ ny fahotana maharikoriko
indrindra izy, dia afaka niteny hoe : « Saingy efa voasasa hianareo, efa
nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy
Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ». « Misaotra an’
Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra
izay nomeny anareo ao amin’ i Kristy Jesosy »(
1 Kor. 6 : 11; 1 : 4).
Ankehitriny koa, tahaka
ny tamin’ ny andron’ i Kristy, dia tsy miankina amin’ izay mitaky ny fanekena
sy ny fanoavan’ ny mpanapaka eto amin’ izao tontolo izao, sy ny lalàn’ ny
olombelona ny asan’ ny fanjakan’ Andriamanitra, fa miankina amin’ ireo izay
manambara amin’ ny olona amin’ ny anarany ireo fahamarinana ara-panahy izay
hiasa hanatanteraka ao amin’ izay mandray izany ny fanandramana nataon’ ny
apostoly Paoly hoe : « Voahombo miaraka amin’ i Kristy eo amin’ ny hazo
fijaliana aho ; ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato
anatiko » (Gal.
2 : 20). Amin’ izay dia hiasa
tahaka an’ i Paoly izy hanasoa ny olombelona. Hoy izy : « Koa dia iraka solon’
i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i
Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’
Andriamanitra anie hianareo » (
2 Kor. 5 : 20).
< TOKO 54 TOKO 56 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire