Toko 56—Nitahy ny zaza
Tia zaza mandrakariva Jesosy. Nekeny ny firaisam-po tamin’ ireo zaza ireo sy ny fitiavany niharihary, tsy amboamboarina. Feon-java-maneno teo an-tsofiny ny fiderana feno fankasitrahana teo amin’ ny molony madio, ka namelombelona ny fanahiny rehefa nampahorian’ ny fifandraisana tamin’ ny olona fetsifetsy sy nihatsaravelatsihy Izy. Na taiza na taiza nalehan’ ny Mpamonjy dia nisarika ny fitiavana sy ny fahatokian’ ny zaza ny endriny tsara fanahy, sy ny fihetsiny malefaka, nitory fahalemem-panahy. (Mat. 19 : 13- 15 ; Mar. 10 : 13- 16 ; Lio. 18 : 15- 17).
Teo amin’ ny Jiosy dia fanao mahazatra ny mitondra ny zaza ho
eo amin’ ny raby iray mba hametrahany tanana ho fitahiana azy ; noheverin’ ny
mpianatra anefa fa lehibe loatra ny asan’ ny Mpamonjy ka tsy tokony hotapahina
amin’ izany fomba izany. Rehefa tonga teo Aminy ny reny nitondra ny zanany kely
dia nampiseho tsy fankasitrahana ny fomba fijerin’ ny mpianatra ireny.
Noheveriny fa kely loatra ireto zaza ireto ka tsy handray tombon-tsoa amin’ ny
fankanesana eo amin’ i Jesosy, koa ho fehin’ izany dia hahasorena Azy ny
fanatrehan’ ireo. Ny mpianatra anefa no nahasorena Azy. Tsapan’ ny Mpamonjy ny
ahiahy sy ny enta-mavesatra entin’ ny reny izay niezaka ny hitaiza ny zanany
araka ny Tenin’ Andriamanitra. Efa nihaino ny fivavahany Izy. Izy mihitsy no
nisarika azy ireo ho eo Aminy.
Nisy reny iray niainga tao
an-tranony niaraka tamin’ ny zanany hitady an’ i Jesosy. Teny an-dalana dia
nambarany tamin’ny nifanolobodi-rindrina
taminy ny diany, ka nirin’ io mpifanolobodi- rindrina aminy io koa ny hitahian’
i Jesosy ny zanany. Noho izany, dia betsaka ny reny no niaraka, nitondra ny
zanany kely. Nisy efa nihoatra ny taona nitrotroana azy ka efa teo amin’ ny
fahazazana sy ny fahatanorana. Rehefa nampahafantarin’ ireo reny ny faniriany,
dia nihaino tamim-pitiavana ny fangatahany matahotra sady nomban-dranomaso
Jesosy. Niandry izay ho fihetsiky ny mpianatra amin’ ireo anefa Izy. Rehefa
hitany fa nalefan’ ireo ny reny ary nihevitra fa nanao soa ho Azy izy tamin’
izany, dia nasehony taminy ny fahadisoany, ka hoy Izy : « Avelao ny zaza
hanatona ahy, ary aza rarana ; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra ».
Noraisiny tany an-trotroany ny zaza, nametrahany tanana, ary nomeny azy ny
fitahiana izay notadiaviny.
Nahazo fampiononana ny reny.
Niverina tany an-tokantranony izy, nahazo hery sy fitahiana tamin’ ny tenin’ i
Kristy. Nahazo fampaherezana izy handray indray ny entany mavesatra tamim-
pifaliana vaovao, sy hiasa ho an’ ny zanany amin’ ny fanantenana feno. Tokony
handray ny teniny amin’ izany finoana izany koa ny reny amin’ izao fotoana
izao. Tena Mpamonjy marina ho an’ ny tena manokana Kristy ankehitriny tahaka ny
fony Izy nivelona teo anivon’ ny olona. Tena mpanampy marina ny reny Izy
ankehitriny tahaka ny fony Izy nanangona ny ankizy madinika teny an-trotroany
tany Jodia. Ny zaza ao an-tokantranontsika koa dia novidin’ ny rany tahaka ny
zaza tamin’ ny andro fahiny.Fantatr’ i Jesosy ny enta-mavesatra eo amin’ ny
fon’ ny reny tsirairay. Ilay nanana reny nitolona tamin’ ny fahantrana sy ny
fihafiana, dia miray fo amin’ ny reny rehetra eo amin’ ny asany. Ilay nanao dia
lavitra mba hanamaivanana ny fon’ ilay vehivavy Kananita feno tebiteby, dia
hanao betsaka toy izany koa amin’ ny reny ankehitriny. Ilay namerina ny
zananilahy tokana tamin’ ilay mpitondratena tany Naina, ary nahatsiaro ny
reniny teo amin’ ny fialan’ ainy teo amin’ ny hazo fijaliana, Izy dia voatohin’
ny fahorian’ ny reny ankehitriny. Hampahery sy hanampy Izy eo amin’ ny alahelo
rehetra sy ny fahasahiranana rehetra.
Aoka hanatona an’ i Jesosy ny
reny miaraka amin’ izay mahavery hevitra azy. Hahita fahasoavana ampy izy ho
fanampiana azy amin’ ny fitondrana ny zanany. Midanadana ny varavarana ho an’
ny reny rehetra izay ta-hametraka ny entany mavesatra eo an-tongotry ny
Mpamonjy. Ilay nanao hoe : « Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana », dia
mbola miantso ny reny hitarika ny zanany kely mba hotahiany. Na dia menavava
eny an-trotroan-dreniny aza dia afaka mitoetra toy ny eo ambanin’ ny aloky ny
Tsitoha amin’ ny alalan’ ny finoan’ ny reny eo am-pivavahana. Feno ny Fanahy
Masina hatramin’ ny nahaterahany i Jaona Mpanao batisa. Raha mivelona amin’ ny
firaisana amin’ Andriamanitra isika, dia mahazo manantena koa isika fa
hamolavola ny zanatsika madinika ny Fanahin’ Andriamanitra, eny, fa na dia
hatramin’ ny fotoana maha-kely azy indrindra aza.Ny zaza izay nentina nifandray
Taminy dia nahitan’ i Jesosy ny lehilahy sy ny vehivavy izay handova ny
fahasoavany sy ho anisan’ ny fanjakany, ary hisy koa sasany amin’ ireo hanjary
maritiora noho ny Aminy. Fantany fa hihaino sy hanaiky Azy ho Mpanavotra ireo
zaza ireo, ary ho vonona kokoa amin’ izany, mihoatra lavitra noho ny
olon-dehibe izay nisy maro, hendry araka izao tontolo izao sy mafy fo. Nidina
teo amin’ izay nisy azy ireo Izy tamin’ ny fampianarany. Ilay Andrianan’ ny
lanitra dia tsy nanao ho zavatra tsinontsinona ny hamaly ny fanontaniany, ka
namorainy ny lesona lehibe nataony mba hifanaraka amin’ ny sain’ izy ireo mbola
zaza. Novoleny tao an-tsain’ izy ireo ny voan’ ny fahamarinana, izay hitsimoka
amin’ ny taona manaraka, ka hitondra vokatra ho amin’ ny fiainana
mandrakizay.Mbola marina ihany fa ny zaza no mora andairan’ ny fampianaran’ ny
Filazantsara ; midanadana hiasan’ ny herin’ Andriamanitra mangina ny fony, ary
mitana mafy ny lesona noraisiny. Mety ho kristiana ny ankizy madinika, mba
hanana fanandramana mifanaraka amin’ ny taonany. Ilainy ny ho beazina eo amin’
ny zavatra ara-panahy, ka tokony homen’ ny ray aman-dreny azy ny tombontsoa
rehetra izay ahazoany mamolavola toetra amam-panahy araka ny toetra
amam-panahin’ i Kristy.Ny ray sy ny reny dia tokony hihevitra ny zanany ho toy
ny mambra zandriny eo amin’ ny fianakavian’ ny Tompo, izay nankinina taminy mba
hobeaziny ho any an-danitra. Ny lesona izay nianarantsika avy amin’ i Kristy
dia tokony homentsika ny zanatsika. araka izay ahazoan’ ny saina mbola tanora
mandray izany, ka hovelariny tsikelikely eo aminy ny hakanton’ ireo
foto-kevitry ny lanitra. Amin’ izay dia manjary sekoly ny tokantrano kristiana,
ka ny ray aman-dreny no mpampianatra mpanampy, fa Kristy mihitsy no
mpampianatra lehibe.Eo amin’ ny asa ataontsika ho amin’ ny fiovam-pon’ ny
zanatsika, dia tsy tokony hanampo fihetseham-po mahery vaika isika ho porofo
tsy maintsy ho hita ho faharesen-dahatra ny amin’ ny fahotana. Tsy ilaina koa
ny hahalala ny fotoana marina niovany fo. Tokony hampianarintsika izy hitondra
ny fahotany eo amin’ i Jesosy, mangataka famelan-keloka avy Aminy, sady mino fa
mamela sy mandray azy Izy tahaka ny nandraisany ny zaza fony Izy nitafy nofo
teto an-tany.
Rehefa mampianatra ny zanany
hankatò azy ny reny noho ny fitiavany ny reniny, dia mampianatra azy ireo
lesona voalohany amin’ ny fiainana kristiana izy. Ny fitiavan’ ny reny dia
mampiseho amin’ ny zaza ny fitiavan’ i Kristy, koa ireo zaza madinika izay
matoky sy mankatò ny reniny, dia mianatra ny matoky sy mankatò ny
Mpamonjy.Jesosy no modely ho an’ ny zaza, ary Izy koa no ohatra ho an’ ny ray.
Niteny toy izay nanana fahefana Izy, ary nanankery ny teniny ; nefa teo amin’
ny fifaneraserany rehetra tamin’ ny olona tsy mahay manaja sy be herisetra dia
tsy nampiasa teny tsy nisy fitiavana na tsy manaja Izy na dia iray aza. Ny
fahasoavan’ i Kristy ao am-po no hizara ny fahamendrehana avy any an-danitra sy
ny fahatsapana ny fahalalam-pomba. Hanalefaka izay rehetra mivatravatra izany,
sy hampilefitra izay rehetra maraorao sy tsy misy fitiavana. Hitarika ny ray sy
ny reny handray ny zanany ho toy ny manan-tsaina izany, tahaka ny itiavan’ izy
ireo koa itondrana azy.
Ry ray aman-dreny, amin’ ny
fitaizana ny zanakareo, ianaro ny lesona izay nomen’ Andriamanitra eo amin’ ny
zavaboary. Raha mikarakara pika, na raozy, na lisy ianao, dia ahoana no
hanaovanao izany ? Anontanio ny mpanao zaridaina ny amin’ ny fomba ataony mba
hampivelatra ho kanto dia kanto ny sampany sy ny raviny rehetra, ka hampitombo
sy hampirindra ny endriny mahate ho tia. Hambarany aminao fa tsy amin’ ny
fihetsika mivatravatra, na amin’ ny ezaka mahery vaika no anaovany izany ;
hahatapaka fotsiny ny taho marefo mantsy izany. Fikarakarana madinidinika,
miverimberina matetika no atao. Manamando ny tany izy, ary miaro ny zava-maniry
mitombo amin’ ny rivotra masiaka mifofofofo sy amin’ ny hainandro mandoro, ary
Andriamanitra no mampivelatra sy mampamelana azy hisy endrika mahate ho tia.
Amin’ ny fifandraisanao amin’ ny zanakao, dia araho ny fomba fiasan’ ny mpanao
zaridaina. Amin’ ny alalan’ ny fanamboarana moramora sy ny fikarakarana feno
fitiavana, dia miezaha mamolavola ny toetra amam-panahiny araka ny ohatry ny
toetra amam-panahin’ i Kristy.Ampianaro ny fanehoam-pitiavana an’ Andriamanitra
sy izy samy izy. Ny antony mahatonga lehilahy sy vehivavy mafy fo betsaka toy
izao eto amin’ izao tontolo izao, dia ny fiheverana ny fitiavana marina ho
fahalemena, ka nokiviana sy nosakanana. Maty ankaranany teo amin’ ny fahazazany
ny toetra tsara indrindra teo amin’ ireo olona ireo, ary raha tsy mampiempo ny
fitiavan-tenany mangatsiaka ny fahazavan’ ny fitiavan’ Andriamanitra, dia ho
levona mandrakizay ny fahasambarany. Raha tiantsika hanana ny toe-tsaina
malefaka teo amin’ i Jesosy, sy ny firaisam-po izay asehon’ ny anjely amintsika
ny zanatsika, dia tsy maintsy hampaherezintsika ny fironana malala-tanana sy be
fitiavana eo amin’ ny fahazazana.Mampianara ny zaza hahita an’ i Kristy eo
amin’ ny zavaboary. Ento eny ankalamanjana izy, eny ambanin’ ny hazo
mijoalajoala, eny an-jaridaina ; ary ampianaro izy hahita ny fanehoana ny
fitiavan’ i Kristy eny amin’ ny asa mahagaga rehetran’ ny famoronana. Ampianaro
azy fa Izy no nanao ny lalàna mifehy ny zava-manan’ aina rehetra, fa nanao
lalàna ho antsika Izy, ary ireny lalàna ireny dia natao ho fahasambarana sy
fifaliana ho antsika. Aza mamizana azy amin’ ny vavaka lavareny sy ny
fampirisihana mandreraka, fa ampianaro azy ny fankatoavana ny lalàn’
Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny lesona azo tsapain-tanana eo amin’ ny
zavaboary.Rehefa azonao hatoky anao ho mpanaraka an’ i Kristy izy, dia ho mora
ny hampianatra azy ny fitiavana lehibe izay nitiavany antsika. Raha miezaka ny
hampahazava ny fahamarinan’ ny famonjena ianao, ka manondro an’ i Kristy ho
Mpamonjin’ ny tena manokana amin’ ny zaza, dia ho eo anilanao ny anjely. Hanome
fahasoavana ny ray sy ny reny hampahaliana ny zanany kely amin’ ny tantara
sarobidin’ ilay Zaza tao Betlehema ny Tompo, dia Ilay tena fanantenan’ izao
tontolo izao marina tokoa.Fony niteny ny mpianatra Jesosy tsy hanakana ny zaza
hanatona Azy, dia niteny amin’ ny mpanaraka Azy amin’ ny taonjato rehetra Izy ,
dia ireo tompon’ andraikitra ao amin’ ny fiangonana, ny mpitandrina. ny
mpanampy, sy ny kristiana rehetra. Mitarika ny zaza Jesosy, eny, mibaiko
antsika Izy hoe : « Avelao ny zaza hanatona Ahy » ; toy ny manao hoe Izy :
Hanatona izy raha tsy sakananareo.
Aoka tsy handiso ny fanehoana
an’ i Jesosy ny toetra amam-panahinao tsy mitovy amin’ i Kristy. Aza azonina ho
lavitra Azy ireo madinika ireo noho ny fangatsiahanao sy ny fahasiahanao. Aoka
tsy ho tsapany mihitsy fa tsy ho toerana mahafinaritra ny lanitra raha any
ianao. Aza resahina toy ny zavatra tsy mety ho azon’ ny ankizy ny fivavahana,
na manao fihetsika izay toa mitory fa tsy horaisin’ i Kristy amin’ ny
fahazazany izy. Aza atao tsapany ny fiheveran-diso fa fivavahana
manjoninjonitra ny fivavahan’ i Kristy, ary raha manatona ny Mpamonjy izy dia
tsy maintsy hafoiny izay rehetra mampahafalifaly ny fiainana.Rehefa miasa eo
amin’ ny fon’ ny zaza ny Fanahy Masina, dia miaraha-miasa aminy. Ampianaro ny
zaza fa miantso azy ny Mpamonjy, fa tsy misy hanome fifaliana lehibe kokoa ho
azy toy ny manolotra ny tenany ho Azy eo amin’ ireo taonany vao mivelatra
ireo.Mijery ny fanahy izay novidiny tamin’ ny rany amin’ ny fitiavana tsy
voafetra ny Mpamonjy. Ireo no takian’ ny fitiavany. Mijery azy amin’ ny
faniriana mafy tsy hay lazaina Izy. Tsy ny zaza tsara taiza ihany no takarin’
ny fony, fa ireo manana lafin-toetra nolovainy azo kianina koa. Betsaka ny ray
aman-dreny no tsy mahatsapa ny halehiben’ ny andraikiny amin’ ireo lafin-toetra
eo amin’ ny zanany ireo. Tsy manana ny fitiavana sy ny fahendrena hifandraisana
amin’ izay diso lalàna izy izay nataony ho araka izay toetran’ ny tenany
rahateo. Mangoraka ireo zaza ireo koa Jesosy. Manamarika ny antony nahatonga
izao toe-javatra izao Izy.
Mety ho tonga fiasana ho an’ i
Kristy ny mpiasa kristiana amin’ ny fitarihana ireo zaza ireo eo amin’ ny
Mpamonjy. Amin’ ny fahendrena sy ny fahaizana mifandray Aminy dia azony atao ny
mamatotra azy amin’ ny fony, ny manome azy faherezana sy fanantenana, ary amin’
ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy dia mety hahita fiovana amin’ ny toetra
amam-panahiny, hany ka ho azo atao ny hiteny hoe : « An’ ny toa azy ny
fanjakan’ ny lanitra ».
< TOKO 55 TOKO 57 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire