Toko 57—Diso zavatra iray loha hianao
« Ary nony vao nivoaka
nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka
nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe : Mpampianatra tsara Ò, inona
no hataoko handovako fiainana mandrakizay ? » (Mat. 19: 16-22; Mar. 10: 17- 22;
Lio. 18: 18- 23).
Mpanapaka ilay tovolahy
nametraka io fanontaniana io, nanana fananana be izy, ary nitana toerana be
andraikitra. Nahita ny fitiavana izay nasehon’ i Kristy tamin’ ny zaza nentina
teo Aminy izy ; hitany ny fomba feno fitiavana nandraisany azy ireo sy ny
nitrotroany azy, ka nifoha tao am-pony ny fitiavana ny Mpamonjy. Nahatsapa
faniriana ny ho mpianany izy. Voatohina lalina izy raha nandeha nanohy ny diany
Jesosy, ka nihazakazaka nanaraka Azy, nandohalika teo an-tongony ary nametraka
tamin’ ny fony tokoa sy tamin-kafanam-po ilay fanontaniana lehibe indrindra ho
an’ ny fanahin’ ny olombelona rehetra manao hoe : « Mpampianatra tsara Ò, inona
no hataoko handovako fiainana mandrakizay ? »
« Nahoana aho no ataonao
hoe tsara? hoy Kristy. Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra ».
Naniry ny hisedra ny tena fahatsoram-pony Jesosy, ka hisarika azy hiala amin’
ny fomba fiheverany Azy ho tsara. Tsapany ve fa Zanak’ Andriamanitra Ilay
nitenenany ? Inona no tena zavatra tsapany tao am-pony ?
Nanombana ambony dia
ambony ny fahamarinan’ ny tenany ity mpanapaka ity. Tsy nihevitra marina tokoa
izy fa nisy banga teo aminy na tamin’ ny lafiny inona, na tamin’ ny lafiny
inona, nefa mbola tsy afa-po koa izy. Tsapany fa misy zavatra tsy ananany izay
iriny. Moa ve tsy afaka hitahy azy Jesosy, tahaka ny nitahiany ny zaza
madinika, ka hanome fahafaham-po izay irin’ ny fanahiny ?
Ho valin’ izany
fanontaniana izany dia nambaran’ i Jesosy azy fa ilaina ny fankatoavana ny
didin’ Andriamanitra raha-te hahazo fiainana mandrakizay izy ; dia nilaza didy
maro Izy izay nampiseho ny adidin’ ny olona amin’ ny namany. Eny no valintenin’
ilay mpanapaka : « Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony mbola
kely. Fa inona no tsy mahatanteraka ahy ? »
Nijery ny endrik’ ilay
tovolahy Jesosy, tahaka ny namaky ny tao amin’ ny fiainany sy nandinika ny
toetra amam-panahiny. Tia azy Izy, ary hetaheta tao Aminy ny hanome azy ilay
fiadanana sy fahasoavana ary fifaliana izay hanova marina tokoa ny toetra
amam-panahiny. « Diso zavatra ilay loha hianao, hoy Izy ; mandehana amidio izay
rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao,
ary avia hanaraka Ahy » (Marka. 10 :
21).
Voasarika ho eo amin’ io
tovolahy io Kristy. Fantany fa tamin’ ny fony tokoa no nanantitranterany ny hoe :
« izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola zaza ». Nirin’
ny Mpanavotra mafy ny hamorona ao am-pony ny fahazavan-tsaina izay ahazoany
mahita ny ilain’ ny fo ny fitiavam-bavaka marina sy toe-panahy araka an’
Andriamanitra. Niriny mafy ny hahita azy manana fo torotoro sy manetry tena,
mahatsapa marina ny fitiavana ambony indrindra tokony homena an’ Andriamanitra,
ka hanafina ny banga ao aminy ao amin’ ny fahatanterahan’ i Kristy.
Hitan’ i Jesosy teo amin’
io mpanapaka io ny fanampiana nilainy indrindra raha nety ho tonga mpiara-miasa
Aminy eo amin’ ny asa famonjena ilay tovolahy. Raha nametraka ny tenany ho eo ambanin’ ny fitarihan’ i Kristy izy, dia
ho tonga hery ho an’ ny tsara. Nety ho nampiseho an’ i Kristy tamin’ ny fomba
manokana ilay mpanapaka; manana fahaizana izy, izay raha nampiraisina tamin’ ny
Mpamonjy, dia ho nahatonga azy ho herin’ Andriamanitra teo anivon’ ny olona.
Raha nahita ny tao amin’ ny toetra amam-panahiny Kristy, dia tia azy. Nifoha
tao am-pon’ ilay mpanapaka ny fitiavana. Nirin’ i Jesosy mafy ny hahita azy ho
mpiara-miasa Aminy. Niriny tokoa ny hahatonga azy ho tahaka ny tenany, ho
fitaratra izay hitarafana ny fitoviana amin’ Andriamanitra. Niriny mafy ny
hampivelatra ny hatsarana ambony indrindra eo amin’ ny toetra amam-panahiny, ka
hanamasina izany mba hampiasain’ ny Tompo. Raha nanolotra ny tenany ho an’ i
Kristy ilay mpanapaka, dia ho nitombo teo amin’ ny rivo-piainan’ ny fanatrehany
izy. Raha nisafidy izany izy, dia ho samihafa manao ahoana ny ho aviny.
« Diso zavatra iray
loha hianao », hoy Jesosy. « Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana amidio ny
fanananao, ka omeo ny malahelo — dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia
hanaraka Ahy». Novakian’ i Jesosy ny tao am-pon’ ilay mpanapaka. Diso zavatra
iray loha fotsiny izy, nefa foto-kevitra iankinan’ ny aina izany. Nila ny
fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ ny fanahy izy. Io banga io, raha tsy fenoina,
dia hitera-doza ho azy ; ho simba ny tenany manontolo. Hahazo hery ny
fitiavan-tena amin’ ny alalan’ ny fampanaranam-po ny tena. Mba handraisany ny
fitiavana an’ Andriamanitra, dia tsy maintsy hampileferina ny fitiavany ny
izaho.
Nisedra io olona io
Kristy. Niantso azy Izy hisafidy amin’ ny harenan’ ny lanitra sy ny
fahalehibeazana araka izao tontolo izao. Azo antoka ho azy ny harenan’ ny
lanitra raha nanaraka an’ i Jesosy izy. Tsy maintsy milefitra anefa ny « izaho »
; tsy maintsy homena hofehezin’ i Kristy ny sitrapony. Ny fahamarinan’
Andriamanitra mihitsy no natolotra ilay tovolahy mpanapaka. Nanana ny
tombontsoa ho tonga zanak’ Andriamanitra izy, sy ho mpiray lova amin’ i Kristy
ny amin’ ny harenan’ ny lanitra. Nefa tsy maintsy mandray ny hazo fijaliana
izy, ka manaraka ny Mpamonjy eo amin’ ny lalan’ ny fahafoizan-tena.
Ny tenin’ i Kristy tamin’
ilay mpanapaka dia tena ilay fiantsoana manao hoe tokoa : « Fidionareo anio
izay hotompoinareo »(Jos. 24: 15). Navela ho azy ny safidy. Naniry mafy ny
fiovam-pony Jesosy. Efa nasehony azy ny faritra marary eo amin’ ny toetra
amam-panahiny, ka liana dia liana izy nanara-maso izay ho vokany raha
mandanjalanja ny fanontaniana ilay tovolahy. Raha nanapa-kevitra ny hanaraka
an’ i Kristy izy, dia tsy maintsy mankatò ny Teniny amin’ ny zavatra rehetra. Tsy maintsy miala amin’ ny fikasany feno hambom-po izy. Faniriana mafana
sy feno tebiteby manao ahoana, hetahetam-panahy manao ahoana no teo amin’ ny
fijerin’ ny Mpamonjy ilay tovolahy nantenaina fa hanaiky ny antson’ ny Fanahin’
Andriamanitra. Ny fepetra nataon’ i Kristy no hany nilaina mba hametrahana ilay
mpanapaka eo amin’ izay ahazoany manantanteraka toetra amam-panahy kristiana.
Tenim-pahendrena ny Teniny, na dia toa henjana sy tafahoatra aza. Ny fanekena
sy ny fankatoavana izany no hany fanantenam-pamonjena ho an’ ilay mpanapaka. Ny
toerana ambony nisy azy sy ny fananany dia samy nanao asa mangina sy miafina
mitarika ho eo amin’ ny ratsy teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Raha
ankafiziny izany, dia haka ny toeran’ Andriamanitra ao amin’ ny fitiavany. Ny
fandavana ny kely na ny betsaka izay avy amin’ Andriamanitra, dia fihazonana
izay mety hampihena ny heriny sy ny fahombiazany eo amin’ ny fitondran-tena ;
raha ankafizina ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao, na dia tsy azo antoka
sy tsy mendrika aza izany, dia haharevo tanteraka.
Takatr’ ilay
mpanapaka haingana izay rehetra voafono tao amin’ ny tenin’ i Kristy, ka
nalahelo izy. Raha tsapany ny tombambidin’ ny fanomezana natolotr’ azy, dia ho
niditra haingana ho anankiray amin’ ny mpanaraka an’ i Kristy izy. Anisan’ ny
Synedriona manan-kaja teo amin’ ny Jiosy izy, ary naka fanahy azy i Satana
tamin’ ny fanehoana ny ho avy mandokadoka azy. Niriny ny harenan’ ny lanitra,
nefa niriny koa ny tombon-tsoa ara-nofo izay mety hoentin’ ny harenany ho azy. Nampalahelo azy ny fisian’
izany fepetra izany ; naniry ny fiainana mandrakizay izy, nefa tsy vonona ny
hanao ny fandavan-tena takian’ izany . Toa lehibe loatra ho azy ny vidin’ ny
fiainana mandrakizay, ka niala tamin’ alahelo izy, « satria nanana fananana be ».
Ny fihamboany fa nitandrina ny lalàn’ Andriamanitra
izy dia famitahan-tena. Nasehony fa ny harenany no sampiny. Tsy afaka
nitandrina ny didin’ Andriamanitra izy raha mbola izao tontolo izao no
voalohan-daharana eo amin’ ny fitiavany.
Tiany noho Ilay Mpanome ny fanomezana avy amin’
Andriamanitra. Efa natolotr’ i Kristy an’ ilay tovolahy ny ho mpiara-dia Aminy.
« Manaraha Ahy » hoy Izy. Nefa ho azy ny Mpamonjy dia tsy sarobidy toy ny
voninahiny teo anivon’ ny olona, na ny fananany. Fanaovana vy very be loatra
izany hahafoy ny harena eto an-tany, harena izay hita, mba hahazoana ny harena
any an-danitra izay tsy hita. Nolaviny ny fanomezana ny fiainana mandrakizay,
ka niala izy, ary hatramin’ izay dia izao tontolo izao ihany no nivavahany.
An’ arivony no mandalo io fitsapana mahamay io,
misalasala na hifidy an’ i Kristy na izao tontolo izao ; maro no mifidy an’
izao tontolo izao. Tahaka ilay tovolahy mpanapaka, dia miala amin’ ny Mpamonjy
izy ka milaza ao am-pony hoe tsy ho mpitarika ahy io olona io.
Ny fifandraisan’ i Kristy amin’ ilay tovolahy dia
aseho toy ny lesona azo tsapain-tanana. Nomen’ Andriamanitra antsika ny
fitsipi-pitondrantena izay tsy maintsy harahin’ ny mpanompony tsirairay.
Fankatoavana ny lalàny izany. Tsy fankatoavana amin’ ny maha-lalàna azy
fotsiny, fa fankatoavana izay miditra ao amin’ ny fiainana, ary hiainana sy
haseho eo amin’ ny toetra amam-panahy. Napetrak’ Andriamanitra
ny tarigetran’ ny toetra amam-panahiny ho an’ izay rehetra te-ho anisan’ ny
fanjakany. Izay ho tonga mpiara-miasa amin’ i Kristy ihany, izay hiteny ihany
hoe : Tompo ò, izay rehetra ahy, izay rehetra maha-izy ahy dia Anao, ireo ihany
no hoekena ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Tokony hoheverin’ ny
rehetra ny dikan’ ny hoe : maniry ny lanitra, ary nefa miodina miala noho ny
fepetra mipetraka. Hevero ny dikan’ ny hoe manao « tsia » amin’ i Kristy. Hoy
ilay mpanapaka: Tsia, tsy afaka hanome ny zavatra rehetra Anao aho. Milaza
izany koa ve isika ? Manolotra ny hizara amintsika ny asa efa nomen’
Andriamanitra hataontsika ny Mpamonjy. Manolotra antsika ny hampiasa ny
fitaovana nomen’ Andriamanitra antsika Izy, hampandroso ny asany eo amin’ izao
tontolo izao. Amin’ izany fomba izany ihany no mahavonjy antsika.
Ny fananan’ ilay
mpanapaka dia nankinina taminy mba hahazoany maneho ny tenany ho mpitandrina
fananana mahatoky ; tokony handany ireo harena ireo mba ho fitahiana ny sahirana
izy. Toy izany koa ankehitriny, nanankinan’ Andriamanitra fitaovana ny olona,
talenta sy fotoana mety, mba hahazoany ho tonga fiasana ho Azy amin’ ny
fanampiana ny mahantra sy ny mijaly. Izay mampiasa ny fanomezana nankinina
taminy araka izay notendren’ Andriamanitra, dia manjary mpiara-miasa amin’ ny
Mpamonjy. Mahazo fanahy ho an’ i Kristy izy, satria maneho ny toetra amam-panahiny.
Izay tahaka ilay tovolahy
mpanapaka manana toerana ambony nametrahana fitokisana. sy manana fananana be,
dia mety mahita fa lehibe loatra ny fandavan-tena amin’ ny fahafoizana ny
zavatra rehetra mba hanarahana an’ i Kristy. Izany anefa no
fitsipi-pitondrantena ho an’ izay rehetra te-ho mpianany. Tsy misy mahasolo
mihitsy ny fankatoavana. Ny fampileferana ny « izaho » no votoatin’ ny
fampianaran’ i Kristy. Matetika izany no aseho sy baikoina amin’ ny teny toa
henjana, satria tsy misy fomba hamonjena ny olona afa-tsy ny fanapahana ny
zavatra izay hampitotongana ny tenany manontolo raha kolokoloina.
Rehefa averin’ ny
mpanaraka an’ i Kristy amin’ ny Tompo izay azy, dia manangona harena izay
homena ho an’ ny tenany izy rehefa handre ny teny hoe : «
Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky . . . midira amin’ ny fifalian’ ny
Tomponao ». Izay niaritra ny hazo fijaliana mba hahazoany ny fifaliana
mipetraka eo anoloany, dia efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza
fiandrianan’ Andriamanitra » (Mat. 25 : 23; Heb. 12 : 2). Ny
fifaliana mahita fanahy voavotra, fanahy voavonjy mandrakizay, no valisoa ho
an’ izay rehetra mametraka ny tongony eo amin’ ny dia- tongotr’ Ilay nilaza hoe
: « Manaraha Ahy ».
< TOKO 56 TOKO 58 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire