Toko 58—Ry Lazarosy, mivoaha!
Anisan’ ny mpianatr’ i Kristy nifahatra indrindra Taminy
i Lazarosy avy any Betania ( Lio 10 :
38-42 ; Jao. 11 : 1-44). Hatramin’ ny nihaonany voalohany dia efa natanjaka ny
finoany an’ i Kristy ; lalina ny fitiavany Azy, ary tian’ ny Mpamonjy betsaka
koa izy. Ho an’ i Lazarosy no nanaovan’ i Kristy ny lehibe indrindra tamin’ ny
fahagagana. Nitahy izay rehetra nitady ny fanampiany ny Mpamonjy ; tia ny
fianakavian’ ny olombelona rehetra Izy ; ny sasany anefa dia nifamatotra taminy
teo amin’ ny fikambanana mamy tamin’ ny fomba manokana. Nifaningotra tamin’ ny
fianakaviana tany Betania ny fony tamin’ ny alalan’ ny mahazakan’ ny fitiavana,
ka notanterahiny ho an’ ny anankiray tamin’ ireo ny anankiray amin’ ny asa
mahagaga indrindra.
Nahita fialan-tsasatra matetika Jesosy tao
an-tokantranon’ i Lazarosy. Tsy nanana trano ho an’ ny tenany ny Mpamonjy ;
niankina tamin’ ny fampiantranoan’ ny namana aman-tsakaizany sy ny mpianany Izy
; koa matetika, rehefa sasatra Izy, nangetaheta ny firaisam-pon’ olombelona,
dia nahafaly Azy ny nandositra ao amin’ izany tokantrano feno fiadanana izany,
lavitry ny fiahiahiana sy ny fialonan’ ny Fariseo feno hatezerana. Tao Izy
nahita fandraisana tsara tamin’ ny fo madio, sy fisakaizana madio sy masina. Tao
Izy afaka niteny tamim-pahatsorana sy tamim-pahalalahana tanteraka ; fantany fa
ho azo ny teniny, sady hotehirizina toy ny zava-tsarobidy.
Nankasitrahan’
ny Mpamonjintsika ny tokantrano feno fiadanana sy ny mpihaino liana. Niriny mafy ny
fahalemem-panahin’olombelona, ny fanajany sy ny fitiavany. Izay mandray ny
toro-mariky ny lanitra, izay mahavonona mandrakariva ny hizara azy, dia mahazo
fitahiana be dia be. Raha nanaraka an’ i Kristy namakivaky ny saha eny
ankalamanjana ny vahoaka marobe, dia novelariny taminy ny hakanton’ ny
zavaboary eo amin’ izao tontolo izao. Tiany ny hanokatra ny mason’ ny sainy,
mba hahazoany mahita ny fanohanan’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao. Mba
hampisongadinany ny fahatsapana ny fahatsaran’ Andriamanitra sy ny fiantrany,
dia nanintona ny sain’ ny mpihaino Azy tamin’ ny ranonando milatsaka
tsimoramora Izy, tamin’ ny ranonorana malefaka sy ny tanamasoandro
mamirapiratra, izay nomena mitovy ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy. Tiany ho
tsapan’ ny olona amin’ ny fomba feno kokoa ny fikarakarana ataon’ Andriamanitra
amin’ olombelona , fitaovana izay noforoniny. Votsa anefa ny vahoaka nihaino Azy, ka tao amin’ ny tokantrano tao
Betania i Kristy no nahita fialantsasatra tamin’ ny ady mandreraka natrehiny
teo amin’ ny fiainana teo anivon’ ny vahoaka. Tao no nanokafany ny bokin’ ny
Fitondran’ Andriamanitra teo amin’ ny mpihaino mahay mankasitraka. Nandritra
ireo resaka manokana nataony ireo, dia novelariny teo amin’ ny mpihaino Azy
izay tsy nandramany nolazaina tamin’ ny vahoaka marobe nifangaro. Tsy nilainy
ny niteny tamin’ ny sakaizany tamin’ ny alalan’ ny fanoharana.
Raha nanao ireo lesona mahagaga ireo Kristy, dia
nipetraka teo an-tongony i Maria, mpihaino feno fanajana sy fitiavana. Indray
mandeha, sahiran-kevitra i Marta tamin’ ny fikarakarana sy ny fanomanana ny
sakafo, ka nankeo amin’ i Kristy izy nanao hoe : «Tompoko moa tsy mampaninona
Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery ? koa mba asaovy manampy ahy
izy ». Tamin’ ny fotoana namangian’ i Kristy voalohany an’ i Betania izany. Vao
avy nanao ilay dia mandreraka an-tongotra avy tany Jeriko indrindra ny Mpamonjy
sy ny mpianany. Feno ahiahy i Marta ny hanomana izay hampiadana azy ireo, ka
hadinony ny fanajana tokony ho an’ Ilay Vahiny noho izany ahiahy izany. Novalian’
i Jesosy tamin’ ny teny malefaka sy tamim-paharetana izy : « Marta, Marta, maro
ahina sy maro herehina hianao ; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara izay tsy
halaina aminy ». Nanangona tao an-tsainy ireo teny sarobidy avy tamin’ ny
molotry ny Mpamonjy i Maria, teny izay sarobidy ho azy mihoatra noho ny vatosoa
sarobidy indrindra teto an-tany.
Ny « zavatra iray loha » izay nilain’ i Marta, dia
fanahy tony, feno fitiavana, fiahiana lalina kokoa ny amin’ ny fahalalana ny
mikasika ny fiainana ho avy, maharitra mandrakizay, sy ny fahasoavana ilaina eo
amin’ ny fandrosoana ara-panahy. Nilainy ho kely kokoa ny fiahiahiany ny
zavatra maharitra mandrakizay. Tian’ i Jesosy hampianarina ny zanany ny
manararaotra ny fotoana mety rehetra mba hahazoana ny fahalalana izay hahendry
azy ho amin’ ny famonjena. Mila mpiasa mitandrina tsara, mavitrika ny asan’ i
Kristy. Misy saha midadasika ho an’ i Marta, ilàna ny hafanam-pony ny asa
marisika eo amin’ ny fivavahana. Nefa aoka izy aloha hiara-mipetraka amin’ i
Maria eo an-tongotr’ i Jesosy. Aoka hohamasinina amin’ ny fahasoavan’ i Kristy
ny fahakingana, ny fahamailahana sy ny fahavitrihana ; amin’ izay ny fiainana
dia ho hery tsy hita horesena hanao ny tsara.
Niditra tao amin’ ilay trano feno fiadanana efa
nialan’ i Jesosy sasatra ny fahoriana. Tratry ny ‘aretina tampoka i Lazarosy,
ka naniraka ho any amin’ ny Mpamonjy ny anabaviny, nampilaza hoe : « Tompoko,
indro marary ilay tianao ». Hitany ny hamafin’ ny aretina izay nanjo ny
anadahiny, nefa fantany fa efa nasehon’ i Kristy fa afaka manasitrana ny
karazan’ aretina rehetra Izy. Nino izy fa hiray fo aminy Izy ao amin’ ny
fahoriany ; noho izany dia tsy nisy antso maika nataony ahatongavany avy
hatrany, fa hafatra feno fahatokiana fotsiny no nalefany manao hoe : « Marary ilay tianao ». Noheveriny fa
hamaly avy hatrany ny hafatra nalefany Izy, ka ho tonga eo aminy raha vantany
vao mety ho tody ao Betania.
Nitebiteby izy niandry teny avy amin’ i Jesosy. Raha
mbola nisy aina kely ihany velona tao amin’ ny anadahiny, dia nivavaka izy sady
niandry an’ i Jesosy ho avy. Niverina tsy niaraka taminy ny mpitondra hafatra
nilaza izao hafatra izao : Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany,
koa nofikiriny ny fanantenana fa ho velona i Lazarosy. Niezaka Izy
tamim-pitiavana nilaza teny fanantenana sy fampaherezana tamin’ ilay nijaly efa
saiky tsy nahatsiaro tena. Rehefa maty i Lazarosy, dia nangidy ny
fahadisoam-panantenany, tsapany anefa fa ny fahasoavan’ i Kristy manohana azy,
ary niaro azy tsy hieritreritra ny hanamelohana ny Mpamonjy izany.
Rehefa ren’ i Kristy ny hafatra, dia noheverin’ ny
mpianatra fa noraisiny tamin’ ny fomba mangatsiaka izany. Tsy naneho ny alahelo
nampoizin’ izy ireo fa hasehony Izy. Nijery azy ireo Izy ka nanao hoe : « Tsy
ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny
voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra » Nijanona teo amin’ ny toerana nisy Azy Izy
nandritra ny roa andro. Zava-miafina ho an’ ny mpianatra io fotoana nahemotra
io. Ho fampaherezana ho an’ ilay ankohonana tra-pahoriana ny fanatrehany, hoy’
ny fiheviny. Ny fitiavana mafana ho an’ ilay mpianakavy tao Betania, dia
fantatry ny mpianatra tsara, ka gaga izy fa tsy namaly ilay hafatra mampalahelo
hoe : « Marary ilay tianao ».
Nandritra ny roa andro Kristy toa nanala ilay hafatra
tsy ho ao an-tsainy ; tsy niteny momba an’ i Lazarosy Izy mantsy. Nahatsiaro
an’ i Jaona Mpanao batisa ilay mpialoha lalana an’ i Jesosy ny mpianatra.
Nahagaga azy ny antony namelan’ i Jesosy an’ i Jaona hiaritra fahoriana any
an-tranomaizina, sy ho fatin’ ny herisetra, nefa Izy manana hery hoenti-manao
fahagagana italanjonana. Raha manana hery toy izany Izy, nahoana Kristy no tsy
namonjy ny ain’ i Jaona ? Napetraky ny
Fariseo matetika io fanontaniana io, izay nampiseho izany ho fonjan-kevitra tsy
azo valiana manohitra ny filazan’ i Kristy ny Tenany ho Zanak’ Andriamanitra.
Efa nampitandrina ny mpianatra ny Mpamonjy ny amin’ ny fisedrana, ny fatiantoka
sy ny fanenjehana. Handao azy ve Izy rehefa ao anatin’ ny fitsapana. Nisy
nanontany raha diso ny fiheveran’ izy ireo ny asa nanirahana Azy: Samy
sahiran-kevitra lalina izy rehetra.
Rehefa niandry roa andro Jesosy, dia niteny tamin’ ny
mpianatra hoe : « Andeha isika ho any Jodia indray ». Nanontany ny mpianatra ny
antony niandrasany roa andro, raha ho any Jodia ihany Jesosy. Ny fiahiahiana
momba an’ i Kristy sy ny tenany izao no mavesatra indrindra tao an-tsainy. Tsy
nisy afa-tsy loza mananontanona no hitany teo amin’ ny dia izay handeha
hataony. « Raby ò, hoy izy, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy
hitora-bato Anao, ka hankany va Hianao ? » Jesosy namaly hoe : « Tsy roa ambin’
ny folo va ny ora amin’ ny indray andro ? » Eo ambanin’ ny fitarihan’ ny Raiko
Aho, raha mbola manao ny sitrapony Aho, dia azo antoka ny fiainako. Tsy mbola
nifarana ny ora roa ambin’ ny folo amin’ ny indray andro ho Ahy. Niditra teo
amin’ ny sisa farany amin’ ny Androko Aho ; nefa raha mbola misy tafajanona ny
amin’ izany, dia azo antoka ny Amiko.
« Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, hoy Izy nanohy,
dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao ». Izay
manao ny sitrapon’ Andriamanitra, izay mandeha amin’ ny lalana nosoritan’
Andriamanitra, dia tsy mety hotafintohina sy ho lavo. Ny fahazavan’ ny Fanahin’
Andriamanitra mitarika, dia manome azy fahalalana mazava ny amin’ ny
andraikiny, ka mitarika azy tsara hatramin’ ny fiafaran’ ny asany. « Fa raha
nisy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy
mazava ao aminy». Izay mandeha amin’ ny lalana nofidin’ ny tenany amin’ izay
tsy niantsoan’ Andriamanitra azy, dia ho tafintohina. Mivadika ho alina mantsy
ny andro ho azy, ary na aiza na aiza alehany, dia tsy azo antoka ny aminy.
« Izany no nolazainy ; ary rehefa afaka izany, dia hoy
Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika ; fa handeha hamoha azy Aho». «Matory
Lazarosy sakaizantsika». Manohina tokoa ireo teny ireo ! Feno firaisam-po tokoa
! Raha nieritreritra ny loza mananontanona izay hihatra Aminy raha mankany
Jerosalema ny mpianatra, dia saiky hadinon’ izy ireo ilay fianakaviana misaona
any Betania. Tsy toy izany anefa Kristy. Nahatsapa ny mpianatra fa nomen-tsiny.
Efa diso fanantenana izy satria tsy namaly haingakaingana kokoa ny hafatra
Kristy. Nalaim-panahy hihevitra izy fa tsy nanana fitiavana mamy ho an’ i
Lazarosy sy ny anabaviny araka izay niheverany azy Izy, raha tsy izany dia
niverina haingana niaraka tamin’ ny mpitondra hafatra Izy. Ny teny hoe : « Matory Lazarosy sakaizantsika »
anefa, dia nampifoha ny fihetseham-po araka izay izy tao an-tsainy. Resy
lahatra izy fa tsy nanadino ny sakaizany nijaly Izy tsy akory.
« Dia hoy ny mpianatra taminy : Tompoko, raha matory
izy, dia ho tsara ihany. Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany ; fa nataon’ izy
ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy. Asehon’ i Kristy
ho toy ny torimaso ny fahafatesana amin’ ny zanany izay mino. Miara-miafina
amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra ny fiainany, ary mandra-panenon’ ny
trompetra farany, dia hatory ao Aminy izay maty.
« Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe
: Maty Lazarosy ; ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba
hinoanareo ; fa andeha isika hankany aminy ». Tsy afaka nahita afa-tsy
fahafatesana voaomana ho an’ ny Tompony i Tomasy raha mankany Jodia Izy ;
nankahery saina anefa izy, ary hoy izy tamin’ ny mpianatra hafa : « Andeha koa isika mba hiara-maty Aminy
». Fantany ny fankahalan’ ny Jiosy an’ i Kristy. Fikasan’ izy ireo ny hanao
drafitra hahafaty Azy. Tsy nahomby anefa io fikasana io, satria mbola nisy tafajanona
ny fotoana natokana ho Azy. Nandritra o fotoana io dia nisy fiarovan’ ny
anjelin’ ny lanitra teo amin’ i Jesosy ; ary na dia teo amin’ ny faritr’ i
Jodia aza, izay niokoan’ ny raby amin’ izany fomba izany handraisana Azy sy
hamonoana Azy, dia tsy mety hisy loza hanjo Azy.
Gaga ny mpianatra tamin’ ny tenin’ i Kristy hoe : « Maty
Lazarosy. Ary faly Aho ... satria tsy teo Aho ». Moa ve safidin’ ny Mpamonjy ny
tsy ho ao amin’ ny tokantranon’ ny sakaizany tao anatin’ ny fahoriana ? Toa
havela ho irery Maria sy Marta ary Lazarosy teo am-pialan’ aina. Tsy irery
anefa izy. Nahita ny toe-javatra manontolo Kristy, ary taorian’ ny nahafatesan’
i Lazarosy dia notohanan’ ny fahasoavany izy mirahavavy nisaona. Vavolombelon’
ny fahoriana mandrotika ny fony Jesosy, raha niady tamin’ ilay fahavalo mahery,
dia ny fahafatesan’ ny anadahiny.Tsapany ny fanaintainana sy ny tebiteby
rehetra, raha niteny tamin’ ny mpianany Izy hoe : « Maty Lazarosy ». Nefa tsy
ireo malalany tany Betania ihany no eritreretin’ i Jesosy ; ny fitaizana ny
mpianany koa tokony hoheveriny. Ho solontenany eo amin’ izao tontolo izao ireo,
mba hahatratra ny rehetra ny fitahian’ ny Ray. Ho azy ireo dia navelany ho faty
Lazarosy. Raha nanafaka azy tamin’ ny aretina Izy ka namerina azy tamin’ ny
fahasalamana, dia tsy ho vita ny fahagagana izay porofo mazava indrindra ny
toetra amam-panahy maha-Andriamanitra Azy.
Raha tao amin’ ny efitra nisy ny marary Kristy, dia
tsy maty i Lazarosy. satria tsy ho nanan-kery taminy i Satana. Tsy ho azon’ ny
fahafatesana natao ny nandefa ny zana-tsipikany tamin’ i Lazarosy eo anatrehan’
Ilay Mpanome aina. Noho izany dia nijanona lavidavitra Kristy. Navelany
hampiasa ny heriny ny fahavalo, mba hahazoany mandroaka azy, ho fahavalo efa
resy. Nekeny handalo eo amin’ ny fanjakan’ ny fahafatesana i Lazarosy ; koa
nahita ny anadahiny napetraka tao am-pasana izy mirahavavy tra-pahoriana.
Fantatr’ i Kristy fa raha mijery ny endriky ny fahafatesana eo amin’ ny
anadahiny izy dia hosedraina mafy ny finoany an’ Ilay Mpanavotra azy. Fantany
anefa fa noho ny tolona izay atrehiny ankehitriny, dia hamirapiratra amin-kery
be lavitra ny finoany. Nampahory Azy ny fanaintainana sy ny fijaliana rehetra
niaretany. Raha nitaredretra Izy dia tsy nampihena ny fitiavany azy izany, nefa
fantany fa hisy fandresena ho azo, ho azy mirahavavy, ho an’ i Lazarosy, ho an’
ny tenany, ary ho an’ ny mpianany.
« Noho ny aminareo », « mba hinoanareo ». Ho an’ izay
rehetra miezaka hahatsapa ny tanan’ Andriamanitra mitarika, ny fotoana
maha-akaiky indrindra ny fanampian’ Andriamanitra no misy ny fahakiviana lehibe
indrindra. Hitodika hijery ny lasa izy ka ho feno fisaorana ny amin’ ny faritra
maizina indrindra teo amin’ ny lalana nodiaviny. «
Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy »( 1 Pet.2 :
9). Hitondra
azy hivoaka avy amin’ ny fakam-panahy rehetra sy ny fitsapana rehetra Izy,
manana finoana matanjaka kokoa sy fanandramana sarobidy kokoa.
Raha nampihemotra fotoana Kristy hankany amin’ i
Lazarosy, dia nanam-pikasana feno famindrampo Izy ho an’ ireo izay tsy nandray
Azy. Nitaredretra Izy, mba hahazoany manome porofo hafa indray ho an’ ny
vahoakany mafy hatoka, sy tsy mino, amin’ ny alalan’ ny fananganany an’ i
Lazarosy tamin’ ny maty, fa Izy tokoa no « fananganan’ ny maty sy fiainana ».
Tsy nekeny izany hahafoy ny fanantenana rehetra momba ny vahoakany, ho an’ ilay
ondry mahantra, mirenireny ao amin’ ny ankohonan’ Isiraely. Nahavaky ny fony ny
tsy fetezany hibebaka. Noho ny famindrampony, dia nikasa ny hanome azy porofo
iray indray Izy, fa Izy no Mpamboatra ny rava. Ilay hany afaka mitondra ny
fiainana sy ny tsy fahafatesana eo amin’ ny mazava. Porofo tsy ho azon’ ny
mpisorona disoana izany. Izany no antony nampitaredretra Azy ho any Betania. Io
fahagagana fara-tampony io, dia ny nananganana an’ i Lazarsoy no nametraka ny
tombo-kasen’ Andriamanitra teo amin’ ny asany sy teo amin’ ny filazany ny
maha-Andriamanitra Azy.
Raha teny an-dalana ho any Betania Jesosy, araka ny
fanaony, dia nanao asa fanompoana ho an’ ny marary sy ny sahirana. Rehefa tonga
tao an-tanàna Izy dia nandefa iraka ho azy mirahavavy hilaza ny fahatongavany.
Tsy niditra avy hatrany tao an-trano i Kristy, fa nijanona tamin’ ny toerana
mangingina teo amoron-dalana. Tsy nifandrindra tamin’ ny toe-tsain’ i Kristy ny
fisehosehoana be, ivelambelany fanaon’ ny Jiosy amin’ ny fahafatesan’ ny havana
aman-tsakaiza. Reny ny feon’ ny fitarainan’ ireo mpitomany nokaramaina, ka tsy
naniry ny hahita azy mirahavavy eo amin’ izany toe-javatra mikorontana izany
Izy. Teo anivon’ ireo sakaiza nitomany, dia nisy ny havana ao amin’ ny
fianakaviana, nisy nanana toerana sy andraikitra ambony tao Jerosalema. Anisan’
ireny dia nisy ny fahavalon’ i Kristy masiaka indrindra. Fantatr’ i Kristy ny
fikasan’ izy ireo, ary noho izany dia tsy nampahafantatra ny tenany avy hatrany
Izy.
Nentina mangingina teo amin’ i Marta ny hafatra, hany
ka tsy nandre ny olon-kafa tao amin’ ny efitra nisy azy. Rendrika tao amin’ ny
fahoriany i Maria ka tsy nandre ny teny. Nitsangana avy hatrany i Marta ka
nandeha nitsena ny Tompony ; noheverin’ i Maria anefa fa lasa nankany amin’ ny
toerana nandevenana an’ i Lazarosy izy, ka mbola nipetraka ihany i Maria, tao
anatin’ ny alahelony, tsy niloa-peo.
Niolomay i Marta hitsena an’ i Jesosy, ny fony
nidobodoboky ny fihetseham-po nifanohitra. Hitany soritra teo amin’ ny endriny
ny fihetseham-po mitory ihany ilay fahalemem-panahy sy ilay fitiavana nasehony
azy ireo mandrakariva. Tsy nihozongozona ny fahatokiany Azy, fa nahatsiaro an’
ilay anadahiny malala izy, ilay tian’ i Jesosy indrindra koa. Tamin’ alahelo
nipololotra avy ao ampony noho Jesosy tsy tonga talohan’ izao, nefa tamin’ ny
fanantenana fa na dia ankehitriny aza dia hisy hataony hampionona azy ireo, no
nitenany hoe : « Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko ». Efa
naverimberin’ izy mirahavavy imbetsaka ireo teny ireo tao anatin’ ny kotaba
nataon’ ny mpitomany.
Tamin’ ny fangorahan’ ny maha-olombelona sy
maha-Andriamanitra no nijeren’ i Jesosy ny endriny feno alahelo sy ahiahy. Tsy
te-hitantara mihitsy ny zavatra efa lasa i Marta ; voambara tao amin’ ireto
teny mampangorakoraka ireto avokoa ny zavatra rehetra : « Tompoko, raha teto
Hianao, dia tsy maty ny anadahiko ». Nefa raha nibanjina ity endrika feno
fitiavana izy dia nampiany hoe : « Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza
na inona na inona hangatahinao amin’ Andriamanitra, dia homen’ Andriamanitra
Anao ».
Nampaherezin’ i Jesosy ny finoany ka hoy Izy hoe : « Hitsangana ny anadahinao ». Tsy
natao hiteraka fanantenana fa hisy fiovana eo no eo ny valin-teniny. Nitarika
ny fisainan’ i Marta ho any ankoatry ny fananganana ny anadahiny amin’ izao
andro izao Izy, ka nafantony amin’ ny fitsanganan’ ny marina izany. Izany no
nataony mba ahazoany mahita ny fitsanganan’ i Lazarosy, ho antoky ny
fitsanganan’ ny marina rehetra, sy toky fa ho tanterahin’ ny herin’ ny Mpamonjy
izany.
Namaly i Marta hoe : « Fantatro ihany fa hitsangana
izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany ».
Mbola
niezaka ihany Jesosy hampitodika ny finoany ho eo amin’ ny lalana tsara, ka nambarany
hoe : « Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ». Ao amin’ i
Kristy no misy fiainana, araka izay niandohany, tsy nindramina, tsy noraisiny
avy tamin’ ny hafa. « Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana »( 1 Jao. 5 :
12). Ny
maha-Andriamanitra an’ i Kristy no antoky ny fiainana mandrakizay ho an’ ny
mpino. « Izay mino Ahy, hoy Jesosy, na dia maty aza, dia ho velona indray, ary
izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va
hianao ? » ; Eto Kristy dia mibanjina ny fotoana hiaviany fanindroany.
Amin’ izay dia hitsangana tsy ho lo intsony ny marina, ary ny marina velona dia
hafindra ho any an-danitra táy hahita fahafatesana. Ny fahagagana izay efa
hataon’ i Kristy, amin’ ny fananganana an’ i Lazarosy amin’ ny maty, dia hampiseho
ny fitsanganan’ ny marina rehetra amin’ ny maty. Ny Teniny sy ny asany no
nambaran’ ny Tenany ho Mpanao ny fananganana amin’ ny maty. Ilay efa ho faty
tsy ho ela eo amin’ ny hazo fijaliana, dia nijoro teo nanana ny fanalahidin’ ny
fahafatesana mpandresy ny fasana, ary nanantitrantitra ny zony sy ny fahefany
hanome fiainana mandrakizay.
Ny tenin’ ny Mpamonjy hoe: « Mino izany va hianao? »
dia novalian’ i Marta hoe : « Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’
Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao ». Tsy azony feno ny teny
nataon’ i Kristy, nefa niaiky ny finoany ny maha Andriamanitra Azy Izy, sy ny
fahatokiany fa afaka mahatanteraka na inona na inona tiany hatao Izy.
Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka
niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe : « Tonga ny mpampianatra
ka miantso anao ». Nolazainy mangingina araka izay azony natao ny hafatra
nentiny ; niomana ny hisambotra an’ i Jesosy mantsy ny mpisorona sy ny
mpanapaka raha vantany vao misy fotoana mety amin’ izany. Nanakana ny teniny
tsy ho re ny kiakiakan’ ny mpitomany.
Raha nandre ny antso i Maria, dia nitsangana haingana
izy, ary nisoritra teny amin’ ny endriny ny hafanam-po raha nivoaka ny trano
izy. Noheverin’ ny mpitomany fa lasa nankany amin’ ny fasana izy hitomany, ka
narahiny. Rehefa tonga teo amin’ ny toerana niandrasan’ i Jesosy izy, dia
nandohalika teo an-tongony, ka niteny tamin’ ny molotra nipararetra hoe : « Tompoko,
raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko ». Nampahory azy ny kiakiakan’ ny mpitomany
; naniry mafy hilaza teny fohy mangingina tamin’ i Jesosy izy. Fantany anefa ny
faharatsiana sy ny fialonana nankafizin’ ny sasany nanatrika teo tao am-pony,
nenti-namely an’ i Kristy ka voasakana tsy hampiseho tanteraka ny alahelony
izy.
«
Ary Jesosy, nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany
koa. dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy ». Novakiany ny tao am-pon’
izay rehetra nivory teo. Hitany fa fisehosehoana fotsiny teo amin’ ny olona
maro izay natao ho fanehoana alahelo izany. Fantany fa nisy tamin’ ireo olona
ireo, izay manao ranomaso mihatsaravelatsihy ankehitriny, no hamolavola tsy ho
ela ny hahafaty, tsy an’ Ilay mpanao fahagagana mahery fotsiny, fa an’ ilay
natsangana tamin’ ny maty koa. Azon’ i Kristy natao ny nanendaka teny aminy ny
fitafiana nilazany fa malahelo izy. Nosakanany anefa ny hatezerany ara-drariny.
Ny teny izay azony nolazaina amin’ ny fahamarinana rehetra, dia tsy nolazainy,
noho ilay tiany nandohalika tamin’ alaleho teo an-tongony, izay tena nino Azy
marina.
« Aiza moa no nandevenanareo azy » hoy ny
fanontaniany. Dia hoy ireo Taminy : « Tompoko, andeha hizaha ». Niara-niainga
ho any amin’ ny fasana izy. Toe-javatra mampahonena izany. Notiavina tokoa i
Lazarosy, ary vaky ny fon’ ny anabaviny nitomany azy, ary ny sakaizany dia
nampifangaro ny ranomasony tamin’ ny azy mirahavavy misaona. Raha nahita ity
fahorian’ ny olombelona Jesosy, sy nahita fa mitomany ny maty ny sakaizany ory
dia ory nefa teo anilany ny Mpamonjy an’ izao tontolo izao, — dia « nitomany Jesosy ». Na dia Zanak’
Andriamanitra aza Izy, dia naka ny endriky ny maha-olombelona teo aminy ,ary
voahetsiky ny alahelon’ ny olombelona Izy. Ny fony be fitiavana sy mangoraka
dia voatohin’ ny fahoriana mandrakariva haneho firaisam-po. Miara-mitomany
amin’ izay mitomany Izy, ary miara-mifaly amin’ izay mifaly.
Tsy ny firaisam-pony amin’ ny maha-olombelona Azy
tamin’ i Maria sy Marta ihany no nitomanian’ i Jesosy. Tao amin’ ny ranomasony
dia nisy alahelo mihoatra noho ny alahelon’ olombelona tahaka ny haavon’ ny
lanitra ambonin’ ny tany. Tsy nitomany an’ i Lazarosy Kristy, satria efa
hiantso azy hivoaka ny fasana Izy. Nitomany Izy satria maro amin’ ireo izay
mitomany an’ i Lazarosy ankehitriny no hamolavola drafitra tsy ho ela hamonoana
an’ Ilay fananganana ny maty sy fiainana. Nefa manao ahoana no tsy fahaizan’ ny
Jiosy tsy mino mandray ny dikan’ ny ranomasony ! Nisy izay tsy afaka nahita
mihoatra noho ny toe-javatra ivelambelany amin’ izay nitranga teo anatrehany ho
anton’ ny alahelony, ka nanao hoe : « Akory ity haben’ ny fitiavany azy ! » Ny hafa kosa niezaka ny handatsaka ny voan’ ny
tsy finoana tao am-pon’ izay nanatrika teo, niteny sady nanesoeso hoe : « Moa
tsy hain’ Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy
ho nahafaty an-dralehilahy ity ? » Raha nanana hery hamonjy an’ i Lazarosy
Kristy, nahoana ary no navelany ho faty izy ?
Ny mason’ ny finoana no nahitan’ i Kristy ny
fandrafian’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. Fantany fa nanomana mialoha izay
hamonoana Azy izy. Fantany fa nisy tamin’ ireo izay toa mampiseho firaisam-po
erý ankehitriny no hanakatona tsy ho ela ny varavaran’ ny fanantenana sy ny
vavahadin’ ny tanànan’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Hisy zavatra hitranga
amin’ ny fanetrena Azy sy ny fanomboana Azy amin’ ny hazo fijaliana, ary ny ho
vokatr’ izany dia ny fandravana an’ i Jerosalema, ary amin’ izany fotoana izany
tsy hisy fitomaniana ny maty. Naseho mazava teo anatrehany ny valin-keloka
hihatra amin’ i Jerosalema. Hitany i Jerosalema hodidinin’ ny legiona Romana.
Fantany fa betsaka amin’ ireo izay mitomany an’ i Lazarosy ankehitriny no ho
faty amin’ ny fahiranon’ ny tanàna, ary tsy hisy fanantenana amin’ ny
fahafatesan ireo.
Tsy noho ny toe-javatra teo anatrehany ihany no
nitomanian’ i Kristy. Teo Aminy ny vesatry ny fahorian’ ny taonjato nifandimby.
Hitany ny vokatra mahatsiravin’ ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Hitany fa
eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao nanomboka teo amin’ ny nahafatesan’ i
Abela, dia tsy nitsahatra ny adin’ ny tsara sy ny ratsy. Nibanjina ny taona ho
avy Izy, dia hitany ny fahoriana sy ny alahelo, ny ranomaso sy ny fahafatesana,
izay ho anjaran’ ny olombelona. Voatsindrona ny fony noho ny fahorian’ ny
fianakavian’ ny olombelona amin’ ny taonjato rehetra sy eo amin’ ny tany
rehetra. Navesatra teo amin’ ny fanahiny ny fahorian’ ny taranaka mpanota, ka
vaky ny loharanon’ ny ranomasony raha naniry ny hanamaivana ny fijaliany
rehetra Izy.
« Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo
amin’ ny fasana Izy ». Napetraka tao amin’ ny zohy tao anatin’ ny vatolampy i
Lazarosy, ary nisy vato lehibe natao teo anoloan’ ny fidirana. « Esory ny vato »,
hoy Kristy. Noheverin’ i Marta fa ta-hahita ny maty fotsiny Izy ka nitsivalana
izy nilaza fa efa efarana no nandevenana ny maty, ka efa nanomboka ny asan’ ny
fahalovana. Io fanambarana io, izay
natao talohan’ ny nananganana an’ i Lazarosy, dia tsy nisy nahazoan’ ny
fahavalon’ i Kristy nilaza fa nisy fitaka natao tao. Teo aloha ny Fariseo dia
nampiely filazana sandoka mikasika ny fanehoana mahagaga indrindra ny herin’
Andriamanitra. Rehefa nanangana ny zanakavavin’ i Jairo Kristy, dia hoy Izy : «
Tsy maty razazavavy, fa matory » (Mar. 5 : 39). Satria vao haingana izy no narary, ary natsangana
taorian’ ny nahafatesany avy hatrany, dia nilaza ny Fariseo fa tsy maty akory
ilay zaza ; fa Kristy mihitsy no nilaza fa matory fotsiny izy. Niezahany naseho
fa tsy afaka manasitrana ny aretina Kristy, fa nisy fihetsiketsehana fetsifetsy
teo amin’ ny fahagagana nataony. Tamin’ ity kosa anefa, tsy nisy afaka nandà fa
maty i Lazarosy.
Rehefa handeha hanao asa Jehovah, dia misy atosik’ i
Satana hanohitra izany. « Esory ny vato », hoy Kristy. Amboary araka izay azo
atao ny lalana ho amin’ ny asako. Nivoitra anefa teto ny toetran’ i Marta
mahery sitrapo sy be hambom-po. Tsy tiany ho hitan’ ny maso ilay vatana fa efa
miha-lo. Votsa ny fon’ ny olombelona tsy hahazo ny tenin’ i Kristy, ka tsy
namikitra ny tena dikan’ ny teny fikasan’ i Kristy ny finoan’ i Marta.
Nanome tsiny an’ i Marta Kristy, nefa nataony tamim-pahalemem-panahy
fatratra ny teniny. « Tsy voalazako va fa raha mino hianao, dia ho hitanao ny
voninahitr’ Andriamanitra ?» Nahoana janao no tokony hisalasala ny amin’ ny
heriko ? Nahoana no manana fisainana manohitra ny fangatahako ? Manana ny
teniko ianao. Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra. Tsy
afaka manakana ny asan’ Ilay Manana ny hery rehetra ireo zavatra tsy hain’ ny
nofo. Tsy fanetren-tena tsy akory ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Ny finoana
ny tenin’ i Kristy amin’ izao no fanetren-tena marina sy tena fampileferana
marina ny « izaho ».
« Esory ny vato ». Azon’ i Kristy natao ny nibaiko ny
vato hiala, ary ho nankatò ny feony izany. Azony natao ny nibaiko ny anjely
izay teo akaiky teo hanao izany. Raha nibaiko Izy, dia ho nisy tanana tsy hita
maso nanaisotra ny vato. Tanan’ olombelona anefa no tsy maintsy nanala izany.
Tian’ i Kristy naseho tamin’ izany fa tokony hiara-miasa ny maha-olombelona sy
ny maha-Andriamanitra. Izay azon’ ny herin’ olombelona atao, dia tsy asaina
ataon’ ny herin’ Andriamanitra. Tsy miala amin’ ny fanampian’ ny olona
Andriamanitra. Mampahery azy Izy, miara-miasa aminy rehefa mampiasa ny hery sy
ny fahaizana nomena azy izy.
Narahina ny baiko. Nakodia ny vato. Natao ampahibemaso
sy tamin’ ny fomba malina ny zavatra rehetra. Navela hahita ny rehetra fa tsy
nisy fitaka natao. Mitsitra ao amin’ ny fasany anaty vatolampy ny vatan’ i
Lazarosy, mangatsiaka sy mangina ao amin’ ny fahafatesana. Nangina tampoka ny
fikiakiakan’ ny mpitomany. Zendana sy nanampo zavatra ny olona ka nijoro
nanodidina ny fasana, niandry ny hahita izay hiseho manaraka.
Tony dia tony Kristy nijoro teo anoloan’ ny fasana.
Nahatsapa fahamasinana manetriketrika ny nanatrika rehetra teo. Nandroso akaiky
ny fasana kokoa Kristy. Nanandratra ny masony tamin’ ny lanitra Izy ka nanao
hoe : « Raiko Ò, misaotra Anao Aho fa efa nihaino Ahy Hianao ». Tsy ela
talohan’ izao, dia nampangain’ ny fahavalony ho niteny ratsy an’ Andriamanitra
Kristy, ka nandray vato hitora-bato Azy izy, noho Izy nilaza ny Tenany ho
Zanak’ Andriamanitra. Nampangainy ho nanao fahagagana tamin’ ny alalan’ ny
herin’ i Satana Izy. Eto anefa Kristy dia milaza an’ Andriamanitra ho Rainy, ka
nambarany tamin’ ny fahatokiana tanteraka fa Zanak’ Andriamanitra Izy.
Tamin’ izay rehetra nataony, dia niara-niasa tamin’ ny
Rainy Kristy. Nimasoany mandrakariva ny mampiseho mazava fa tsy niasa samirery
Izy ; tamin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fivavahana no nanaovany fahagagana.
Tian’ i Kristy ho fantatry ny rehetra ny fifandraisany amin’ ny Rainy : « Ray,
hoy Izy, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao, fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no
ilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy ». Eto ny mpianatra sy ny
vahoaka dia homena ny porofo mandresy lahatra indrindra mikasika ny
fifandraisana misy amin’ i Kristy sy Andriamanitra. Aseho azy fa tsy fitaka tsy
akory ny filazana nataon’ i Kristy momba ny Tenany.
« Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’
ny feo mahery hoe : Ry Lazarosy, mivoaha
». Mazava ny feony, ka nanagorobaka sy nandoaka ny sofin’ ny maty. Raha
niteny Izy dia namirapiratra teo amin’ ny maha-Andriamanitra ny maha olombelona.
Hitan’ ny olona teo amin’ ny endriny izay nohazavain’ ny voninahitr’
Andriamanitra, ny fahatokiana ny heriny. Nifantoka tamin’ ny varavaran’ ilay
zohy ny maso rehetra. Nanongilan-tsofina ny rehetra hihaino ny feo malefaka
indrindra. Liana dia liana sady nitaintaina ny rehetra niandry ny nisedrana ny
maha-Andriamanitra an’ i Kristy, ny porofo mazava izay hampivaingana ny
fitakiany ho Zanak’ Andriamanitra, na handrava ny fanantenana ho mandrakizay.
Nisy nihetsika tao amin’ ny fasana mangina, dia nijoro
teo amin’ ny varavaram-pasana ilay efa maty. Voasakan’ ny lambam-paty izay
nametrahana azy ny fihetsiny ka hoy Kristy tamin’ ireo mpijery zendan’ ny
hagagana : « Vahao izy, ka avelao handeha ». Naseho azy indray fa tokony
hiara-miasa amin’ Andriamanitra ny olombelona mpiasa. Tokony hiasa ho an’ ny
olombelona ny maha olombelona. Novahàna i Lazarosy, dia nijoro teo anatrehan’
ny olona, tsy toy izay nahian’ ny aretina ka nalemy sy nangozohozo ny tongotr’
aman-tanany, fa toy ny olona ao anatin’ ny ainy tsara indrindra, sy ao anatin’
ny heriny maha-lehilahy mendrik’ andriana azy. Namirapiratry ny saina matsilo
sy ny fitiavan’ ny Mpamonjy azy ny masony. Niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy
izy nidera Azy.
Sinan’ ny hagagana aloha ny mpitazana. Nanaraka izany
dia nisy fanehoam-pifaliana sy fankasitrahana tsy hay lazaina. Noraisin’ izy
mirahavavy toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny anadahiny tafaverina ho
velona, ka naneho ny fisaorany ny Mpamonjy tamin’ ny feo tapatapaky ny
ranomasom-pifaliana izy. Raha mbola nifaly tamin’ izany fihaonana izany izy
mianadahy sy ny sakaizany, dia nisintona tsy ho eo Jesosy. Rehefa nitady Ilay
Mpanome aina izy ireo, dia tsy hita Izy.
< TOKO 57 TOKO 59 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire