Toko 59—Ny fiokoan’ ny mpisorona
Akaiky dia akaiky an’ i Jerosalema i Betania, ka
vetivety dia tonga tany an-tanàna ny vaovao momba ny nananganana an’ i Lazarosy
tamin’ ny maty.(Jao. 11 : 47-54). Tamin’ ny alalan’ ny mpitsikilo izay nanatri-maso ny
fahagagana, dia ren’ ny mpifehy Jiosy haingana dia haingana ny toe-javatra.
Novoriana avy hatrany ny Synedriona hanapahana izay tokony hatao. Nasehon’ i
Kristy tamin’ ny fomba feno izao ny fanapahany ny fahafatesana sy ny fasana. Io
fahagagana mahery io no porofo fara-tampony nomen’ Andriamanitra ny olona fa
naniraka ny Zanany teto amin’ izao tontolo izao Izy, ho famonjena azy. Io
fanehoana ny herin’ Andriamanitra io dia ampy hampiaiky ny olona manan-tsaina
izay fehezin’ ny saina mandanjalanja sy ny feon’ ny fieritreretana voazava.
Betsaka ireo nanatrimaso ny fitsanganan’ i Lazarosy tamin’ ny maty no voatarika
hino an’ i Jesosy. Nitombo anefa ny fankahalan’ ny mpisorona Azy. Efa nitsipaka
ny porofo kelikely kokoa amin’ ny maha-Andriamanitra Azy izy, ka naharomotra
azy fotsiny ity fahagagana vaovao ity. Natsangana tamin’ ny antoandrobe
nanahary ny maty, ary teo anatrehan’ ny vavolombelona marobe. Tsy nisy
fitapitaka azo nanazavana ny porofo toy izany ka hampanjavona azy. Noho io
antony io indrindra no nahatonga ny fandrafian’ ny Mpisorona hikendry bebe
kokoa ny hahafaty Azy. Mihoatra noho ny hatramin’ izay dia tapa-kevitra izy
hampijanona ny asan’ i Kristy.
Na dia tsy nankasitraka an’ i Kristy aza ny Sadoseo,
dia tsy feno haratsiam-panahy Taminy toy ny Fariseo izy. Tsy nangidy toy izany
ny fankahalany. Izao anefa dia tena taitra marina tokoa izy. Tsy nino ny
fitsanganan’ ny maty izy ireo. Niantehitra tamin’ izay nataony hoe « siansa »
izy ireo, ka araka ny fandanjalanjany, dia zavatra tsy mety hisy izany tena efa
maty ka haverina ho velona izany. Teny vitsy avy Tamin’ i Kristy anefa dia efa
nampirodana ny hevitra notanany. Niharihary ny tsy fahalalany ny Soratra Masina
sy ny herin’ Andriamanitra. Tsy hitany izay ahazoany mikosoka izay latsaka tao
am-pon’ ny vahoaka tamin’ ny alalan’ ny fahagagana. Ahoana no ahazoana mampiodina
ny sain’ ny olona hiala am’ Ilay efa nandresy ka nandrombaka ny maty tsy ho eo
am-pelatanan’ ny fasana ? Nisy tatitra nandainga naely ; tsy azo nolavina anefa
ny fahagagana, ary tsy fantany hoe atao ahoana no fanoherana ny vokatr’ izany.
Hatramin’ izao dia tsy namporisika ny drafitra natao hamonoana an’ i Kristy ny
Sadoseo. Taorian’ ny nanangànana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty kosa dia
tapa-kevitra izy fa ny fahafatesan’ i Kristy ihany no ahazoana mampijanona ny
fiampangana tsy amin-tahotra nataon’ i Kristy.
Nino ny fitsanganana amin’ ny maty ny Fariseo, ary tsy
afaka ny tsy hahita izy fa porofon’ ny maha-eo anivon’ izy ireo ny Mesia io
fahagagana io. Nanohitra mandrakariva ny asan’ i Kristy anefa izy. Hatramin’ ny
voalohany dia efa nankahala Azy izy satria naharihariny ny fihamboany feno
fihatsarambelatsihy. Efa norovitiny ny fitafiana nisalorany, tamin’ ny
fanarahana hentitra ny fombam-pivavahana izay nanafenany ny haratsiam-bikany
teo amin’ ny ara-pitondrantena. Ny fivavahana madio izay nampianarin’ i Kristy
dia nanameloka ny fanambarany poak’ aty ho tia vavaka. Nampangetaheta azy ny
hamaly faty Azy noho ny amin’ ny fanomezan-tsiny manindrona nataony. Efa
niezaka izy nihantsy Azy hiteny na hanao zavatra izay ahazoany manameloka Azy,
nefa niala mangingina Izy ka tsy hitany izay nalehany.
Ny fahagagana izay nataony tamin’ ny Sabata dia samy
fanamaivanana ny tra-pahoriana avokoa, nefa nitady izay hanamelohana Azy ho
mpandika lalàna ny Fariseo. Efa nanandrana ny hampirisika ny Herodiana hiady
Aminy izy izao. Nasehony fa nitady ny hanangana fanjakana nandrafy ny azy ireo
Izy, ary nila hevitra tamin’ izy ireo izy ny amin’ ny fomba hamonoana Azy. Mba
hamporisihana ny Romana hanohitra Azy, dia naseho ho miezaka handrodana ny
fahefany Izy. Efa nandramany ny anton-javatra rehetra hanapahana ny heriny
miasa mangina amin’ ny vahoaka. Nefa hatramin’ izay dia tsy nahomby ny
fiezahany. Ny vahoaka marobe izay nahita maso ny asa famindrampony sy nandre ny
fampianarany madio sy masina, dia nahafantatra fa tsy asa sy tenin’ ny mpandika
Sabata na mpiteny ratsy an’ Andriamanitra izany. Na dia ny mpiandry raharaha
nalefan’ ny Fariseo aza dia niasan’ ny herin’ ny Teniny mangina ka tsy afaka
naninjitra ny tanany Taminy. Noho ny famoizam-pony, ny Jiosy dia namoaka didy
nony farany fa izay olona milaza fa mino an’ i Jesosy dia ho roahina tsy ho
anisan’ ny Synagoga.
Koa raha nivory nifampila hevitra ny Mpisorona sy ny Mpanapaka
ary ny Loholona, dia fanapahan-kevitra hentitra ny hampangina an’ Ilay nanao
zava-mahagaga ka nampitolagaga ny olona rehetra no noraisina. Niray hina tsy
mbola nisy toy izany ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nisaraka izy hatramin’ izay, fa nanjary
niray izy hoenti-manohitra an’ i Kristy. Teo amin’ ny fivoriana teo aloha, dia
nosakanan’ i Nikodemosy sy Josefa ny fanamelohana an’ i Jesosy ho faty, ary
noho io antony io dia tsy nantsoina hivory izy ireo tamin’ izao. Nisy olon-kafa
nino an’ i Jesosy nanan-kery miasa mangina koa tao amin’ ny fivoriana, nefa tsy
nahahovoka na inona na inona izany heriny miasa mangina izany teo anatrehan’ ny
faharatsian’ ny Fariseo.
Tsy niray feo avokoa anefa ny mambra tao amin’ ny
filankevitra. Tamin’ izany dia tsy fikambanana ara-dalàna tsy akory ny
Synedriona. Noleferina fotsiny ny fisiany. Nisy tamin’ izy ireo nanontany raha
fahendrena ny mamono an’ i Kristy. Natahotra izy ireo sao hiteraka fikomiana eo
amin’ ny vahoaka izany ka hahatonga ny Romana hihazona tombon-tsoa hafa tsy ho
an’ny Mpisorona indray, ka hanala ny fahefana mbola tazoniny. Na dia niray hina
aza ny Sadoseo hankahala an’ i Kristy dia nanana fironana ho malina kokoa izy
eo amin’ ny fihetsiny, satria natahotra izy sao halain’ ny Romana aminy ny toerana
ambony nisy azy.
Teo amin’ io filan-kevitra io, izay nivory mba hanao
drafitra hamonoana an’ i Kristy, dia nanatrika Ilay Vavolombelona izay nandre
ny tenim-pireharehana nataon’ i Nebokadnezara, izay nanatri-maso ny fanasana
fanompoan-tsampy nataon’ i Belsazara, ary nanatrika raha nilaza ny tenany ho
Ilay Voahosotra Kristy tany Nazareta. Io vavolombelona io ankehitriny no
nandatsaka tao ampon’ ny mpanapaka ny asa izay nataony. Ireo toe-javatra tamin’
ny andron’ i Kristy dia niseho teo anatrehany tamin’ ny fomba mazava izay
nampahatahotra azy. Tsaroany ny toe-javatra tao amin’ ny Tempoly, fony Jesosy
zaza roa ambin’ ny folo taona tamin’ izay, nijoro teo anatrehan’ ireo
mpampiana-dalàna tapi-pahaizana, ka nametraka ny fanontaniana izay nahagaga azy
ireo.
Ny fahagagana vao natao teo dia vavolombelona fa tsy
iza akory Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra. Ireo tenin’ ny Soratra Masina ao
amin’ ny Testamenta Taloha mikasika an’ i Kristy dia namirapiratra teo amin’ ny
sainy, teo amin’ ny tena dikany marina. Very saina sy very hevitra ny mpanapaka
tao amin’ ny filan-kevitra. Noho ny Fanahy Masina niasa taminy, dia tsy azon’
ny Mpisorona sy ny Mpanapaka natao ny handroaka tao an-tsainy ny
fandresen-dahatra fa niady tamin’ Andriamanitra izy
Raha teo amin’ ny fara-tampon’ ny fahaverezan-kevitra
iny indrindra ny mpivory dia nitsangana Kaiafa Mpisoronabe. Lehilahy mirehareha
sy loza be izy, nanjakazaka sady tsy nahay nandefitra. Tao amin’ ny
fianakaviany dia nisy Sadoseo, niavonavona, sahisahy ratsy, mpihantsy loza,
feno hambom-po sy halozana, izay nanafina izany tao anatin’ ny fitafian’ ny
fahamarinana nihamboany. Efa nianatra ny faminaniana i Kaiafa, ary na dia tsy
nahalala ny tena dikan’ izany aza izy, dia tamim-pahefana sy tamim-pahatokiana
no nitenenany hoe : « Hianareo tsy mahalala na inona na inona, na misaina akory
fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba
tsy ho rava avokoa ity firenena ity ». Na dia tsy nanan-tsiny aza Jesosy, hoy
ny fanantiranteran’ ny Mpisoronabe, dia tsy maintsy hahilika Izy. Nanorisory
Izy, nitarika ny vahoaka ho eo amin’ ny tenany, ka hampihena ny fahefan’ ny mpanapaka.
Olona tokana ihany Izy ; tsara kokoa raha maty Izy, toy izay ny fahefan’ ny mpanapaka
no ahena. Raha ho very ny fitokisan’ ny vahoaka ny mpanapaka azy, dia ho rava
ny fahefan’ ny firenena. Nanantitrantitra i Kaiafa fa aorian’ io fahagagana io
dia mety hitarika fikomiana ny mpanaraka an’ i Kristy. Ho avy ny Romana, hoy
izy, ka hanakatona ny Tempolintsika, ary hanafoana ny lalàntsika, ka hanapotika
antsika amin’ ny maha-firenena antsika. Inona moa ny ain’ ity Galiliana ity
raha hampitahaina amin’ ny ain’ ny firenena ? Raha mijoro eo amin’ ny lalana
hahasoa ny Isiraely izy ka manakana izany, moa ve tsy fanaovan-tsoa amin’
Andriamanitra ny manala Azy ? Tsara kokoa raha olona iray no maty toy izay ny
firenena manontolo no rava.
Tamin’ ny nanambarany fa tokony ho faty ho an’ ny
firenena ny olona anankiray, dia nasehon’ i Kaiafa fa nanana fahalalana ny
amin’ ny faminaniana izy, na dia voafetra dia voafetra aza izany. Raha
mitantara io toe-javatra io kosa i Jaona, dia mandray io faminaniana io izy ka
hasehony ny fidadasika sy ny halalin’ ny dikany. Hoy izy : « Ary tsy hamonjy io
firenena io ihany fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitro izay efa niely, ho antoko
iray.» Manao ahoana ny fahajamban’ i Kaiafa be avonavona momba ny fahalalana ny
asa nanirahana ny Mpamonjy !
Nanjary lainga io fahamarinana sarobidy indrindra io
teo amin’ ny molotr’ i Kaiafa. Nifototra tamin’ ny foto-kevitra nindramina
tamin’ ny fivavahana jentilisa ny fihetsika nolazainy fa mety. Teo amin’ ny
jentilisa, ny fahatsapana manjavozavo fa tokony ho faty ho an’ ny taranak’
olombelona ny olona anankiray dia nitarika azy hanao fanatitra olombelona. Noho
izany ny hevitra naposak’ i Kaiafa amin’ ny alalan’ ny fanaovana sorona an’ i
Jesosy dia ny hamonjy ny firenena meloka, tsy ho afaka amin’ ny fahadisoany, fa
ho ao amin’ ny fahadisoany ihany, mba hahazoany manohy manota hatrany. Ary
nihevitra izy fa amin’ ny alalan’ izany dia hangina ny fanomezan-tsinin’ ireo
izay sahy nilaza fa tsy misy na inona na inona hita eo amin’ i Jesosy hahazoana
manameloka Azy.
Resy lahatra lalina ny fahavalon’ i Kristy tamin’ io
fivoriana io. Niasa fatratra tao an-tsainy ny Fanahy Masina. Niezaka anefa i
Satana hifehy azy. Nataony izay hanamarihana ny fahoriana izay efa nozakainy
noho ny amin’ i Kristy. Ary manao ahoana ny hakelin’ ny nanomezany voninahitra
ny fahamarinan’ izy ireo. Fahamarinana lehibe lavitra no nasehon’ i Jesosy,
izay tsy maintsy hananan’ izay rehetra te-ho zanak’ Andriamanitra. Tsy
noraharahainy ny fomba sy ny fanompoam-pivavahan’ izy ireo, fa nampirisika ny
mpanota Izy amin’ ny maha-Ray be famindrampo Azy mba hanatona Azy mivantana ka
hampahafantatra Azy izay hilainy. Noho izany, araka ny heviny dia nanilikilika
ny fisoronana Izy. Nolaviny ny hanaiky ny fampianaran’ ny sekolin’ ny Raby. Naharihariny
ny fomba ratsin’ ny Mpisorona ary narodany tsy ho azo arahina intsony ny hery
mangina avy aminy. Nofoanany ny asan’ ny ohabolany sy ny lovan-tsofiny teo aminy,
ka nambarany fa na dia hamafisin’ ny lalàna mikasika ny fombam-pivavahana aza
ireo, dia manao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra. Izany rehetra izany
ankehitriny no ataon’ i Satana ao an-tsainy.
Nambaran’ i Satana azy fa mba hihazonan’ izy ireo ny
fahefan’ ny tenany, dia tsy maintsy mamono mahafaty an’ i Jesosy izy. Narahiny
io toro-hevitra io. Ny fahatahorany fa sao very ny fahefana eo am-pelatanany no
antony ampy iheverany ny tokony handraisany fanapahan-kevitra. Afa-tsy ny
olom-bitsy izay tsy sahy nilaza ny heviny, dia noraisin’ ny Synedriona ho
tenin’ Andriamanitra ny tenin’ i Kaiafa. Maivamaivana ny mpivory. Nijanona ny
tsy fifanarahan-kevitra. Tapaka fa hovonoina ho faty Kristy raha vantany vao
misy fotoana mety. Tamin’ ny nandavan’ ireo Mpisorona sy ireo Mpanapaka ny
porofon’ ny maha Andriamanitra an’ i Jesosy, dia nanidy ny tenany tao amin’ ny
haizina tsy azo nogorobahana izy. Nitoetra tanteraka tao ambanin’ ny fanjakan’
i Satana izy, ary hatosiny ho eo amoron-tevan’ ny fahafatesana mandrakizay.
Nefa hain’ i Satana fatratra ny namitaka azy ireo ka afa-po tamin’ ny tenany
izy. Nihevitra ny tenany ho tia tanindrazana mitady izay hamonjena ny firenena
izy.
Na dia izany
aza, dia natahotra ny Synedriona, ny haka haingana fepetra henjana hanamelohana
an’ i Jesosy, sao mirehitra ny fahatezeran’ ny vahoaka, ka hianjera amin’ izy
ireo indray ny herisetra novinavinainy hatao Aminy. Noho izany dia nahemotry ny filan-kevitra ny
fanatanterahana ny didim-pitsarana efa navoakany. Tsy niafina tamin’ ny Mpamonjy
ny fiokoana nataon’ ny Mpisorona. Fantany fa nirin’ izy ireo mafy ny hanala
Azy, ary ho tanteraka haingana ny fikasany. Tsy anjarany anefa ny hanafaingana
ny zava-tsarotra, koa niala teo amin’ io faritra io Izy, ka nentiny niaraka Taminy
ny mpianatra. Araka izany dia nohamafisin’ i Jesosy tamin’ ny ohatra nataony ny
ohatra efa nomeny ny mpianany : « Raha manenjika anareo amin’ ny tanàna
anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin’ ny hafa »( Mat. 10 : 23). Nisy saha midadasika izay nahazoan’ izy ireo niasa ho
famonjem-panahy, ary tsy tokony hanao sorona ny ainy izy raha tsy notakian’ ny
fijoroany ho vavolombelona mahatoky izany.
Telo taona izao ny asa ampahibemaso efa nomen’ i
Jesosy an’ izao tontolo izao. Ny ohatry ny fahafoizan-tena sy ny fiantrana tsy
mihevitra ny Tenany dia teo anatrehan’ izy ireo. Ny fiainany feno fahadiovana,
fijaliana sy fitiavam-bavaka marina, dia fantatry ny rehetra. Nefa io fotoana
fohy telo taona io no faran’ izay zakan’ izao tontolo izao tamin’ ny
fanatrehan’ ny Mpanavotra azy.
Feno fanenjehana sy fanevatevana ny fiainan’ i Jesosy.
Nentina nivoaka avy tao Jerosalema Izy noho ny mpanjaka be fialonana,
notsipahin’ ny vahoaky ny fireneny Izy tany Nazareta, nohelohina ho faty tsy
tamin’ antony Izy tany Jerosalema, ka nahita toeran-kialofana vetivety tao
amin’ ny tanàna tany ivelany Izy sy ireo mpianatra vitsivitsy mahatoky. Ilay
voatohin’ ny fahorian’ ny olombelona mandrakariva, nanasitrana ny marary,
nampahiratra indray ny jamba, nampalady ny marenina, sy nampiteny ny moana,
Ilay namahana ny noana sy nampionona ny mahaleho, dia nentina niala tamin’ ny
vahoaka izay nikelezany aina mafy ny hamonjy azy. Ilay nandeha teo amin’ ny
onjan-drano nisamboaravoava, ary nampangina ny fisafoakany tamin’ ny teny
indraim-bava, Ilay namoaka ny demonia sady nandidy hanaiky Azy ho Zanak’
Andriamanitra rehefa nandeha, Ilay nanapaka ny torimason’ ny maty, Ilay nitana
olona an’ arivony ravoravo noho ny Tenin’ ny fahendreny, dia tsy afaka nanohina
ny fon’ ireo nohamaizinin’ ny hevitra nibahana tao an-tsainy sy ny fankahalana,
ary izay nanamafy hatoka ka nandà ny fahazavana.
< TOKO 58 TOKO 60 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire