Toko 60—Ny lalàn’ ny fanjakana vaovao
Efa akaiky ny fotoan’ ny Paska ka nitodi-doha ho any
Jerosalema indray Jesosy ( Lioka 19 : 1-10). Tao am-pony ny fiadanana vokatry ny firaisana amin’ ny sitrapon’ ny Ray,
ka maivamaivana ny diany raha nandroso tsy niato ho any amin’ ny toerana
hanaovana sorona Azy Izy. Nisy zava-miafina nieloelo anefa, dia fisalasalana sy
tahotra teo amin’ ny mpianatra. « Nandeha teo alohany Jesosy, ary gaga ny
mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra ».
Nantsoin’ i Kristy teo Aminy indray izy roa ambin’ ny
folo lahy, ary novelabelariny taminy tamin’ ny fomba voafaritra tsara mihoatra
noho ny hatramin’ izay ny hamadihana Azy sy ny fijaliany. «Indro, hoy Izy,
miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay
voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona. Fa hatolotra ho amin’ ny
jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana, sy hisetrasetrany sy hororany ary
hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy. Nefa
tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izany fanambarana
izany, ka dia tsy fantany izay nolazainy ».
Moa ve tsy talohan’ izao indrindra izy ireo no nitory
hatraiza hatraiza hoe : « Akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ? » Tsy Kristy mihitsy
ve no nampanantena fa maro no tokony hiara-mipetraka amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra
? Moa ve Izy tsy nampanantena tamin’ izay rehetra nahafoy ny zavatra rehetra
noho ny Aminy, zato heny eto amin’ ity fiainana ity, ary anjara ao amin’ ny
fanjakany ? Ary moa ve tsy nomeny ny roa ambin’ ny folo lahy ny fampanantenana
manokana ny amin’ ny toerana ambony sy be voninahitra ao amin’ ny fanjakany, —
dia ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana ka hitsara ny fokon’ Isiraely
roa ambin’ ny folo ? Na dia ankehitriny
aza dia nilaza Izy fa ho tanteraka izay rehetra voasoratry ny mpaminany momba Azy.
Ary moa ve ny mpaminany tsy nanambara mialoha ny voninahitry ny fanjakan’ ny
Mesia ? Eo amin’ ny fahazavan’ ireo eritreritra ireo, dia toa manjavozavo sy
malomaloka ny Teniny mikasika ny
hamadihana Azy, ny fanenjehana Azy sy ny fahafatesany. Na toy inona na toy
inona zava-tsarotra mety hitranga, dia nino izy ireo fa efa akaiky ny
fananganana ny fanjakana.
Jaona, zanak’ i Zebedio no anankiray amin’ ny
mpianatra roa voalohany izay nanaraka an’ i Jesosy. Izy sy Jakoba rahalahiny no
anisan’ ilay antoko voalohany nandao ny zavatra rehetra mba hanompo Azy.
Tamim-pifaliana no nandaozany ny tokantranony sy ny havana aman-tsakaizany mba
hahazoany miaraka Aminy; efa niara-nandeha sy niara-niresaka taminy Izy ; efa
niaraka taminy tao amin’ ny fiainan’ izy samy izy tao an-tokantrano izy, sy teo
amin’ ny fivoriana ampahibemaso. Efa nampitony ny tahony Izy, nanafaka azy
tamin’ ny loza nananontanona azy, nanamaivana ny fahoriany, nampionona azy teo
amin’ ny alahelony, ary nampianatra azy tamim-paharetana sy tamim-pitiavana,
mandra-pahatonga ny fony ho toa voafatotra tamin’ ny Azy, ary naniriany mafy ho
akaiky Azy indrindra amin’ ny fanjakany noho ny firedaredan’ ny fitiavany Azy.
Isaky ny misy fotoana anaovany izany, dia maka toerana eo akaikin’ ny Mpamonjy
i Jaona, ary i Jakoba kosa dia naniry mafy ny homem-boninahitra amin’ ny
fifandraisana ety Aminy.
Mpanaraka an’ i Kristy ny renin’ izy ireo, ary efa
nanao asa fanompoana ho Azy tamin-kahalalahana avy tamin’ ny fananany. Tamin’
ny fitiavan-dreny sy ny hambom-pon’ ny reny ho an-janany tao aminy, no
nitsiriritany mba ho azy ireo ny toerana be voninahitra indrindra ao amin’ ilay
fanjakana vaovao. Nampirisihiny izy ireo hanao fangatahana ny amin’ izany.
Niaraka nankeo amin’ i Jesosy ny reny sy ny zanany, ka
niangavy Azy mba hanaiky ny fangatahana izay nametrahany ny fony. « Inona moa no tianareo
hataoko aminareo? » hoy ny fanontaniany.
Namaly reniny hoe : « Mandidia mba hipetrahan’ ireto
zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny
anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao ».
Nentin’ i Jesosy tamim-pitiavana izy, tsy nanome tsiny
azy ireo noho ny fitiavan-tenany Izy amin’ izy nitady hiangarana mihoatra noho
ny rahalahiny. Namaky ny tao am-pony Izy, fantany ny halalin’ ny firaiketany
taminy. Tsy fitiavan’ olombelona tsotra ny fitiavany ; na dia voaloton’ ny
toetra ara-nofo eo amin’ ny fantsona maha-olombelona aza, dia mitosaka avy
tamin’ ny loharanon’ ny fitiavany manavotra izany. Tsy nanome tsiny Izy, fa
handalina sy hanadio kosa. Hoy Izy : « Hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka
izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay hanaovana Ahy batisa ? ».Tadidiny
ny Teniny nifono zava-miafina, izay nanondro fitsapana sy fahoriana, nefa
namaly tamim-pahatokiana izy hoe : « Hainay ihany ». Tiany horaisina ho
voninahitra ambony indrindra ny hanaporofo ny toetrany mahatoky amin’ ny
fandraisana anjara amin’ izay rehetra hianjady amin’ ny Tompony.
« Raha ny kapoaka izay sotroiko dia hosotroinareo
ihany, ary ny batisa izay hanaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany »,
hoy Izy ; — nanoloana Azy ny hazo fijaliana ho solon’ ny seza fiandrianana,
jiolahy roa no namany eo amin’ ny ankavanana sy eo amin’ ny ankaviany. Nandray
anjara amin’ ny fahorian’ ny Tompony i Jaona sy Jakoba, ny anankiray no
voalohany tamin’ ny rahalahiny matin’ ny sabatra; ny anankiray no hiaritra ela
indrindra amin’ izy rehetra ny asa mafy sy ny fanomezan-tsiny, ary ny
fanenjehana.
« Fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana na eo
an-tànako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanomana izany, fa izay nanamboarana
izany no homena ». Tsy amin’ ny alalan’ ny fizahan-tavan’ olona tsy akory no
ahazoana toerana ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy vidina na raisina
amin’ ny alalan’ ny fanomezana tsy ara-drariny izany. Vokatry ny toetra
amam-panahy izany. Ny satroboninahitra sy ny seza fiandrianana dia famantarana
ny fepetra efa tratra; famantarana ny fandresena ny « izaho » amin’ ny alalan’
i Jesosy Kristy Tompontsika izany.
Ela tatý aoriana, rehefa nanjary niray fo tamin’ i
Kristy tamin’ ny alalan’ ny firaisana tamin’ ny fahoriany io mpianatra io, dia
nasehon’ ny Tompo tamin’ i Jaona ny fepetra akaiky Azy ao amin’ ny fanjakany. «
Izay mandresy, hoy Kristy, dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ ny
seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy hiarahako mipetraka amin’
ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako . « Izay maharesy no hataoko andry eo
amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy ; ary hosoratako
eo aminy ny anaran’ Andriamanitra, ary ilay Anarako vaovao » (Apok. 3:21,12). Koa nanoratra i Paoly hoe : « Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa
mby akaiky ny andro fialako. Efa niady ny ady tsara aho : nahatanteraka ny
fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny
satroboninahitry ny fahamarinana, izay nomen’ ny Tompo Mpitsara marina ho ahy,
amin’ izay andro izay » (2 Tim. 4 : 6-8).
Izay mijoro akaiky indrindra an’ i Kristy dia izay
nisotro be indrindra eto an-tany ny amin’ ny toe-tsainy entanin’ ny fitiavana
manao sorona ny « izaho », — dia fitiavana izay « tsy mirehareha, tsy mieboebo, ... tsy
mitady ny azy ; tsy mora sosotra, tsy manao otri-po »(IKor. 13:4, 5), dia fitiavana izay manetsika ny mpianatra, tahaka ny nanetsehany ny
Tompontsika, hanome ny zavatra rehetra, hivelona sy hiasa mafy ary hahafoy
tena, eny, na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny taranak’
olombelona. Io toe-tsaina io dia niseho mazava teo amin’ ny fiainan’ i Paoly.
Hoy izy : « Fa Kristy no anton’ ny
ahavelomako » ; naneho an’ i Kristy tamin’ ny olona mantsy ny fiainany; « ary
ny fahafatesana no ahazoako tombony », tombony ho an’ i Kristy ; ny fahafatesana
mihitsy no haneho ny herin’ ny fahasoavany, ka hanangona fanahy ho Azy.
Hankalazaina « ao amin’ ny tenako Kristy, hoy izy, na ao amin’ ny fiainana na
ao amin’ ny fahafatesana » (Fil. 1:21,20).
Rehefa ren’ izy folo mirahalahy ny fangatahan’ i
Jakoba sy Jaona, dia sorena be izy. Ny toerana ambony indrindra ao amin’ ny
fanjakana no nokatsahin’ ny tsirairay ho an’ ny tenany avy, koa tezitra izy
nahita fa toa efa nahazo tombon-dalana taminy ireo mpianatra mirahalahy.
Toa mila hiverina indray ny ady ny amin’ izay ho
lehibe indrindra, rehefa niantso azy ho eo Aminy Jesosy, ka niteny tamin’ ireo
mpianatra tafintohina Izy hoe : « Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho
mpanapaka dia mampanompo azy. Fa tsy mba toy izany aminareo ».
Eo amin’ ny fanjakan’ izao tontolo izao. dia midika ho
fisondrotan’ ny « izaho » ny toerana. Noheverina fa raha misy ny vahoaka dia ny
ho tombon-tsoan’ ny saranga mifehy. Ny hery miasa mangina, ny harena, ny
fanabeazana, dia fitaovana maro dia maro natao mba ampiasan’ ny mpitarika
hahazoana mifehy ny sarambabem-bahoaka. Ny saranga ambony no mihevitra,
manapa-kevitra, mitaona sy mifehy ; ny ambany kosa mankatò sy manompo. Ny
fivavahana, tahaka ny zavatra hafa rehetra koa, dia resaka momba ny fahefana.
Nantenaina ny hino sy hanaraka araka izay hibaikon’ ny lehibe ny vahoaka. Tsy
nekena manontolo ny zon’ ny olona amin’ ny maha-olona azy, dia ny hisaina sy ny
hiasa ho an’ ny tenany.
Fanjakana miorina amin’ ny foto-kevitra hafa no
natsangan’ i Kristy. Niantso ny olona Izy, tsy handray fahefana, fa hanompo, ka
ny mahery hitondra ny fahosan’ ny malemy. Ny hery, ny toerana, ny talenta, ny
fanabeazana, dia nametraka izay manana izany eo amin’ ny adidy lehibe kokoa
hoenti-manompo ny namany. Na dia ny ambany indrindra amin’ ny mpianatr’ i Krity
aza dia ilazana hoe : « Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo »(2 Kor. 4 : 15).
« Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba
hanompo, ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro ». Azo lazaina amin’ ny
lafiny rehetra fa mpiahy sy mpitondra enta-mavesatra Kristy teo anivon’ ny
mpianany. Niara-nizaka ny fahantrana Izy, nanao fandavan-tena ho azy ireo Izy,
nandeha nialoha azy Izy mba hanamora ny toerana sarotra indrindra, ary vetivery
dia hanatanteraka ny asany eto an-tany Izy amin’ ny fametrahana ny ainy. Ny
foto-kevitra izay niasan’ i Kristy dia tokony hanainga ny mambra ao amin’ ny
fiangonana izay tenany. Ny drafitry ny famonjena sy ny fototr’ izany dia
fitiavana. Ao amin’ ny fanjakan’ i Kristy, ny lehibe indrindra dia izay manaraka
ny ohatra nomeny ary miasa amin’ ny maha-mpiandry ondry azy eo amin’ ny andian’
ondriny.
Maneho ny tena fahamendrehana sy ny voninahitry ny
fiainana kristiana ny tenin’ i Paoly hoe : « Fa na dia afaka amin’ ny olona
rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ ny olona rehetra ihany ny
tenako », « tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba
hovonjena »(1 Kor. 9 : 19 ; 10 : 33).
Raha ny feon’ ny fieritreretana, dia tsy tokony havela
tsy ho voafehy ny fanahy. Tsy misy tokony hifehy ny sain’ ny hafa, hitsara ho
an’ ny hafa, na hamaritra izay adidiny. Nomen’ Andriamanitra fahafahana
hihevitra ny fanahy tsirairay, ka hanaraka izay maharesy lahatra ny tenany. « Koa
amin’ izany samy hampamoahan’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika
rehetra ». Tsy nisy nanana zo ampifangaro ny maha-izy azy amin’ ny an’ ny hafa.
Raha mikasika ny zavatra rehetra ijoroan’ ny foto-kevitra, « aoka samy hatoky
tsara amin’ ny sainy avy » (Rom. 14 : 12,5). Ao amin’ ny fanjakan’ i Kristy dia tsy misy fanjakazakan’
ny tompo, tsy misy fanerena na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona.
Tsy tonga teto an-tany mba hifehy ny anjelin’ ny lanitra, na hitaky fanajana Azy,
fa mba ho mpitondra hafatry ny famindrampo, hiara-miasa amin’ ny olona eo amin’
ny fanandratana ny taranak’ olombelona.
Nitoetra tao amin’ ny fitadidian’ ilay mpianatra
malala ny foto-kevitra sy ireo Teniny mirakitra ny hatsaran’ Andriamanitra
nentin’ ny Mpamonjy nampianatra. Tamin’ ny androny faramparany dia izao no
ventin’ ny teny vavolombelona nataon’ i Jaona ho an’ ny fiangonana : « Fa izao
no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany : tsy maintsy
mifankatia isika. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no
nanolotra ny ainy hamonjy antsika, ary isika kosa mba tokony hanolotra ny
aintsika hamonjy ny rahalahy » (1 Jao. 3 :
11,16).
Izany no toe-tsaina nanenika ny fiangonana voalohany.
Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, dia niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay
nino, ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany
avokoa ny zavatra rehetra nananany ». « Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy ».
« Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy
Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra » (Asa. 4:32, 34, 33).
< TOKO 59 TOKO 61 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire