Toko 51—Ny fahazavan’ aina (tapany 1)

«Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina» (Jao. 8: 12- 59; 9).

Raha nanao izany teny izany Jesosy dia tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly izay nanaovana ny fanompoana teo amin’ ny Fetin’ ny Tabernakely. Nijoalajoala teo afovoan’ io kianja io ireo tongotra fanaovan-jiro roa avobe, izay nihantonan’ ny fitoeran-jiro lehibe dia lehibe. Taorian’ ny fanatitra hariva, dia narehitra ny jiro rehetra, ka nampitosaka ny fahazavany tamin’ i Jerosalema. Natao ho fahatsiarovana ilay andrian’ ny fahazavana izany fanompoam-pivavahana izany sady noheverina koa ho manondro ny fiavian’ ny Mesia. Ny hariva, rehefa narehitra ny jiro, dia tonga toeram-piravoravoana lehibe ny kianja. Ny lehilahy mihafotsy volo, ny mpisorona tao amin’ ny tempoly, sy ny mpanapaka ny vahoaka, dia niray tao amin’ ny dihy feno haravoana narahin’ ny feon-java-maneno sy ny hiran’ ny Levita.

Ny fanazavana an’ i Jerosalema dia nanehoan’ ny vahoaka ny fanantenany ny fiavian’ ny Mesia izay hanaparitaka ny fahazavany amin’ ny Isiraely. Ho an’ i Jesosy anefa dia nalalaka kokoa ny dikany. Toy ny jiro mamirapiratry ny tempoly izay manazava ny manodidina azy rehetra, dia toy izany koa Kristy, loharanon’ ny fahazavana ara-panahy, izay manazava ny haizina eo amin’ izao tontolo izao. Tsy tanteraka anefa ny tandindona. Ilay fahazavana lehibe izay napetraky ny tanany teo amin’ ny lanitra no mampiseho marina kokoa ny voninahitry ny asa nanirahana Azy.

Maraina ny andro ; vao niposaka indrindra teo amin’ ny tendrombohitra Oliva ny masoandro ka namirapiratra sy nanjelanjelatra teo amin’ ireo lapa vatosoa ny tara-pahazavany, ary nampitombo ny fahazavan’ ny rindrina volamenan’ ny tempoly, raha niteny Jesosy, sady nanondro izany ka nanao hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao».

Izay nandre ireo teny ireo dia nampanakoako izany elabe tatỳ aoriana tao amin’ izao lahatsoratra kanto indrindra izao : «Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona, ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina, fa ny maizina tsy nandray azy. Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» (Jao. 1: 4, 5). Taona maro taorian’ ny niakaran’ i Jesosy tany an-danitra, dia nanoratra koa teo ambanin’ ny fahazavana avy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra i Petera, ka nampahatsiaro ny tandindona efa nampiasain’ i Kristy : «Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika : Koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro» (2Pet. 1: 9).

Eo amin’ ny fanehoana an’ Andriamanitra amin’ ny vahoakany, dia tandindon’ ny fanatrehany mandrakariva ny fahazavana. Ny teny izay namoronana tany amin’ ny voalohany, dia nampamirapiratra ny mazava avy ao amin’ ny maizina. Voasarona tao amin’ ny andri-rahona noho ny andro sy tao amin’ ny andri-afo noho ny alina ny fahazavana, ka nitarika ireo tafik’ Isiraely marobe. Fahazavana nanjelanjelatra sy mahatahotra no manodidina ny fahalehibeazan’ ny Tompo teo amin’ ny tendrombohitr’ i Sinay. Nitoetra teo amin’ ny rako-panavotana tao amin’ ny tabernakely ny fahazavana. Nameno ny tempolin’ i Solomona ny fahazavana tamin’ ny fitokanana izany. Namirapiratra teo amin’ ny havoanan’ i Betlehema ny fahazavana fony ny anjely nitondra ny hafatry ny fanavotana ho an’ ireo mpiandry ondry niambina ny andian’ ondriny.

Andriamanitra dia fahazavana; ary tamin’ ny teny nataon’ i Kristy hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao», dia nambarany ny maha iray Azy amin’ Andriamanitra sy ny firaisany amin’ ny fianakavian’ ny olombelona manontolo. Izy tamin’ ny voalohany no nahatonga «ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina»  (2Kor. 4: 6).  Izy no fahazavan’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Izy no fahazavana ara-panahy izay efa namirapiratra teo amin’ Isiraely teo amin’ ny sary sy ny tandindona ary ny faminaniana. Tsy ho an’ ny Jiosy ihany anefa ny fahazavana nomena. Tahaka ny tara-pahazavana tafiditra hatrany amin’ ny faritra lavitra indrindra eto an-tany, dia toy izany koa ny fahazavan’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana izay mamirapiratra amin’ ny fanahy tsirairay.

«Tao ny tena mazava izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao». Nanana mpampianatra ngezalahy izao tontolo izao, olona nanan-tsaina goavana sy nanao fikarohana mahagaga, olona izay nanao fanambarana manaitra ny saina, sy nanokatra saha midadasiky ny fahalalana ary ireny olona ireny dia nomem-boninahitra ho mpitari-dalana sy mpanao soa ny taranaka misy azy. Misy Anankiray mijoro ambony noho ireo anefa. «Izay rehetra nandray Azy, dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra». «Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy»  (Jao. 1: 12, 18). Azontsika atao ny manoritra ny tantaran’ ireo mpampianatra lehibe teto amin’ izao tontolo izao araka izay tantara ela indrindra voarakitry ny olombelona; nefa mbola nialoha azy ireo ihany ny Fahazavana. Toy ny volana sy ny kintana eo amin’ ny rafitra misy ny masoandro izay mamirapiratra noho ny taratry ny fahazavan’ ny masoandro, dia tahaka izany koa ireo mpandalin-tsaina, raha mbola marina koa ny fampianarany, dia mandefa taratry ny Masoandron’ ny Fahamarinana izy. Avy amin’ ny Fahazavan’ izao tontolo izao avokoa ny hevitra sarobidy toy ny vatosoa rehetra, ny faharanitan-tsaina mamiratra rehetra. Amin’ izao fotoana izao, dia betsaka ny zavatra rentsika momba ny atao hoe «fanabeazana ambony». Ny tena fanabeazana ambony dia omen’ Ilay «iafenan ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra». «Izy no nisiampiainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona» (Jao. 1: 4; Kol. 2: 3). Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina». 

Tamin’ ny teny hoe «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao» no nanambaran’ i Jesosy ny tenany ho Mesia. Ingahibe Simeona dia efa nilaza Azy ho «fahazavana hahazava ny firenena rehetra, sady voninahitry ny Isiraely olonao» (Lio. 2: 2), tao amin’ ny tempoly izay nisy an’ i Kristy ankehitriny. Faminaniana nahazatra ny Isiraely manontolo no nampihariny taminy tamin’ ireo teny ireo. Tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia, dia nanambara ny Fanahy Masina hoe : «Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany» (Isa. 49: 6). Fantatry ny besinimaro fa milaza ny Mesia io faminaniana io, koa rehefa niteny Jesosy hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao», dia tsy azo nosakanana ny olona tsy hahita fa Izy no voalazan’ ny tenany ho Ilay Nampanantenaina.

Toa fanandratan-tena feno fireharehana izany filazana izany amin’ ny Fariseo sy ny mpanapaka. Tsy azony noleferina izany olona tahaka azy nefa nihambo toy izany. Nodian’ izy ireo tsy fantatra ny teniny, dia nanontany izy hoe: «Iza moa Hianao ?» Niezaka izy ireo hanery Azy hanambara ny tenany ho Kristy. Ny fisehoany sy ny asany dia hafa indrindra noho izay nanampoizan’ ny vahoaka azy, hany ka, araka ny fiheveran'ireo fahavalony fetsy, dia hahatonga Azy ho lavina toy ny ho mpamitaka ny filazany mivantana ny tenany ho Mesia.

Ny fanontaniany hoe : «Iza moa Hianao ?» dia novalian’ i Jesosy hoe : «Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany». Izay nambaran’ ny teniny, dia nambara teo amin’ ny toetra amampanahiny koa. Fisehoana ara-batana ny fahamarinana nampianariny Izy. «Tsy mba manao na inona na inona ho Ahy Aho, hoy Izy nanohy, fa araka ny nampianarin’ ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka Ahy dia eto Amiko, tsy mandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva». Tsy niezaka ny hanaporofo ny filazan’ ny tenany ho Mesia Izy, fa nasehony kosa ny firaisany amin’ Andriamanitra. Raha nisokatra teo amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ny sainy, dia ho nandray an’ i Jesosy izy.

Teo anivon’ ireo mpihaino Azy dia maro no voatarika teo Aminy tamin’ ny alalan’ ny finoana ary ireo no nilazany hoe : «Raha maharitra amin’ ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo».

Nanafintohina ny Fariseo ireo teny ireo. Tsy nojereny ny nileferan’ ny firenena ela tao ambanin’ ny ziogan’ ny vahiny ; koa niloa-bava tamin-katezerana izy hoe : «Taranak’ i Abrahama izahay fa tsy mba andevon’ olona hatrizay ela izay; koa nahoana no hataonao hoe : «Ho afaka hianareo?» Nijery ireto olona ireto Jesosy, izay andevon’ ny haratsiam-panahy, nanana saina nifantoka tamin’ ny valifaty, ka namaly tamin’ alahelo hoe : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ ny ota». Tao anatin’ ny karazam-panandevozana ratsy indrindra izy, izay fehezin’ ny fanahin’ ny ratsy.

Izay fanahy tsy manolo-tena hotapahin’ Andriamanitra dia ho eo ambany fitarihan’ ny hery hafa. Tsy ho tompon’ ny tenany intsony izy. Mety hiteny fahafahana izy ; nefa raha ny marina dia eo amin’ ny tobin’ ireo mpanompo ambany indrindra no misy azy. Tsy tsinjony ny hasoan’ ny fahamarinana fa i Satana no manapaka azy. Amin’ ny fotoana iheverany fa ny sainy ihany no mibaiko ny fanapahan-keviny no angejan’ ilay andrian’ ny aizina ny sitrapony. Tonga hanapatapaka ny fatoran’ ny fanandevozana izay mangeja ny fanahy Kristy. «Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo». «Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny alalan’ ny fahotana sy ny fahafatesana» (Rom. 8:2).

Tsy misy fanerena eo amin’ ny asa fanavotana. Tsy misy hery avy etỳ ivelany afaka manelanelana. Avela malalaka hisafidy izay ho tompoiny ny olona, eo ambanin’ ny herin’ ny Fanahin’ Andriamanitra miasa mangina aminy. Amin’ ny fiovana hita rehefa milefitra eo amin’ i Kristy ny fanahy, dia mahatsapa fahafahana izany fanahy izany. Asa tanterahin’ ny fanahy mihitsy ny fandroahana ny fahotana. Raha ny marina dia tsy manan-kery isika hanafaka ny tenantsika tsy ho eo ambanin’ ny fanapahan’ i Satana ; nefa rehefa irintsika ny ho afaka amin’ ny fahotana, ary mitaraina isika ao anatin’ ny fahotantsika be, miantso hery ivelan’ ny tenantsika sy ambony noho isika, dia vontosan’ ny herin’ ny Fanahy Masina avy amin’ Andriamanitra ny fanahy, ho afaka mankatò ny baikon’ ny sitrapo izy amin’ ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny fepetra tokana mahatonga ny fahafahan’ ny olona hisy dia ny maha iray azy amin’ i Kristy. «Ny marina hahafaka anareo» ary Kristy no fahamarinana. Tsy afaka mandresy ny fahotana raha tsy mandemy ny saina, sy manapotika ny fahafahan’ ny fanahy. Ny fileferana amin’ Andriamanitra dia famerenana ny maha ny tena, ho amin’ ny tena voninahitra sy fahamendrehan’ ny olona. Ny lalàn’ Andriamanitra izay ampileferana antsika, dia «lalàn’ ny fahafahana» (Jak. 2: 12).

Nilaza ny tenany ho zanak’ i Abrahama ny Fariseo. Nambaran’ i Jesosy taminy fa tsy afaka hitoetra izany filazana izany raha tsy amin’ ny fanaovana ny asan’ i Abrahama. Ny tena zanak’ i Abrahama marina dia ireo izay mivelona toa azy amin’ ny fankatoavana an’ Andriamanitra. Tsy hiezaka ny hamono Ilay niteny ny fahamarinana nomena Azy avy amin’ Andriamanitra izy. Tsy nanao ny asan’ i Abrahama ny raby tamin’ ny fiokoany hamono an’ i Kristy. Tsy misy vidiny ny maha taranak’ i Abrahama fotsiny ara-nofo. Raha tsy misy fifandraisana ara-panahy aminy, izay hiseho amin’ ny fananana toe-tsaina mitovy amin’ ny azy, sy amin’ ny fanaovana ny asa nataony, dia tsy zanany izy. 

Manana lanja toy izany koa io foto-kevitra io eo amin’ ny zavatra izay nampisaritaka ela an’ izao tontolo izao kristiana, dia ny mikasika ny fifandimbiasan’ ny apostoly. Noporofoina ny maha-taranak’ i Abrahama, tsy tamin’ ny anarana sy ny razana nifandimby, fa tamin’ ny fitovian’ ny toetra amam-panahy. Toy izany koa, tsy miankina amin’ ny famindrana ny fahefana ara-pivavahana ny fifandimbiasan’ ny apostoly, fa miankina amin’ ny fifandraisana ara-panahy. Fiainana entanin’ ny toe-tsain’ ny apostoly, ny finoana sy ny fampianarana ny fahamarinana izay notoriany, izany no tena porofo marina ny fandimbiasana ny apostoly. Izany no nahatonga ny olona ho mpandimby ireo mpampianatra voalohany ny filazantsara.

Nolavin’ i Jesosy ny naha-zanak’ i Abrahama ny Jiosy. Hoy Izy : «Hianareo manao ny asan’ ny rainareo». Nentiny naneso ny valin-teniny hoe : «Tsy mba teraka avy tamin’ ny fijangajangana izahay, iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany». Ireo teny ireo, izay mampahatsiahy ny momba ny nahaterahany, dia nataony ho famelezana an’ i Kristy eo anatrehan’ ireo izay vao nanomboka nino Azy. Tsy noraharahain’ i Jesosy ny hevitra mirefarefa nasisiny, fa hoy Izy : «Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin’ Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ».    

Ny asa ataon’ izy ireo kosa dia vavolombelon’ ny fifandraisany amin’ ilay mpandainga sy mpamono olona. «Hianareo avy tamin’ ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. . . Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo !» Jesosy nilaza ny marina, sady feno fahatokiana Izy nilaza izany, izany no antony tsy nandraisan’ ny mpitarika jiosy Azy. Ny marina no nanafintohina ireo olona mpanamarin-tena ireo. Nampiharihary ny tsy fahamarinan’ ny fahadisoan-keviny ny marina ; manameloka ny fampianaran’ izy ireo sy ny fomba fanaony izany, koa tsy noraisiny. Naleony nanakimpy ny masony tsy hijery ny marina toy izay hanetry tena, ka hiaiky fa efa diso izy. Tsy tia ny fahamarinana izy, tsy niriny izany, eny, na dia fahamarinana aza. 

«Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ? Raha ny marina no lazaiko, nahoana hianareo no tsy mino Ahy ?» Isan’ andro, isan’ andro, nandritra ny telo taona dia nanaraka an’ i Kristy ny fahavalony, niezaka ny hahita pentina teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Nilofo handresy Azy i Satana sy ny fikambanan’ ny ratsy rehetra ; nefa tsy nisy hitany teo Aminy izay nahazoany nandresy Azy. Na dia ny devoly aza dia voatery niaiky hoe : «Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra» (Mar. 1: 24). Niainan’ i Jesosy ny lalàna teo ambanin’ ny fijerin’ ny lanitra, teo ambanin’ ny fijerin’ izao tontolo izao tsy lavo, ary teo ambanin’ ny fijerin’ ny olona mpanota. Teo anatrehan’ ny anjely, ny olona sy ny demonia, no nanaovany teny zary fiaikana tsy nisy sahy nisetra, ary ho fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra raha molotra hafa no nanao izany, ka niteny hoe : «Izaho manao izay sitrany mandrakariva».

Ny tsy nandraisan’ ny Jiosy an’ i Kristy na dia tsy nahita fahotana tao Aminy aza izy, no manaporofo fa tsy nifandray tamin’ Andriamanitra izy ireo. Tsy fantany ny feony teo amin’ ny hafatra nentin’ ny Zanany. Nihevitra izy fa namoaka didim-pitsarana hanameloka an’ i Kristy, nefa raha ny marina, tamin’ ny fandavany Azy dia nanameloka ny tenany ihany izy. «Izay avy amin’ Andriamanitra, hoy Jesosy, dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy inoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra hianareo».

Marina amin’ ny fotoan’ andro rehetra io lesona io. Betsaka ny olona no finaritra manao teny betsaka, maninitsiny, mitady izay hisalasalana ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, ka mihevitra izy amin’ izany fa manaporofo ny tsy fiankinan’ ny sainy amin’ ny hafa sy ny faharanitan-tsainy. Mihevitra izy fa afaka mitsara ny Baiboly, nefa raha ny marina dia ny tenany ihany no tsarainy. Asehony ny tsy fahaizany mankasitraka ireo fahamarinana avy any an-danitra izay mahasahana hatrany amin’ ny mandrakizay. Tsy feno fanajana ny fanahiny, eo anatrehan’ ny fahamarinan’ Andriamanitra toy ny tendrombohitra lehibe. Manahiran-tena mitady tapa-kazo sy mololo izy, ary amin’ izany dia maneho toetra ety sy ara-nofo miafina, fo izay mahavery vetivety ny fahazoany mankafy an’ Andriamanitra. Izay, manana fo namaly ny asa nikasihan’ Andriamanitra azy dia hitady izay hampitombo ny fahalalany an’ Andriamanitra, ka hanatsara sy hanandratra ny toetra amam-panahiny. Tahaka ny voninkazo mitodika amin’ ny masoandro, mba hiasan’ ireo tara-pahazavana mamirapiratra izay handoko azy moramora amin’ ny hakantony, dia toy izany koa ny fanahy izay hitodika amin’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana, mba hahazoan’ ny fahazavan’ ny lanitra manainga ny toetra amam-panahy amin’ ireo toetra soa eo amin’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy.      

Notohizan’ i Jesosy ny teniny ka nasehony ny fahasamihafana mazava eo amin’ ny toe-tsain’ ny Jiosy sy ny an’ i Abrahama : «Ravoravo Abrahama rainao, hahita ny androko ; ary nahita izy ka faly». 

Lehibe ny fanirian’ i Abrahama hahita Ilay Mpamonjy nampanantenaina. Fivavahana mafana indrindra no nasandrany talohan’ ny nahafatesany mba hahazoany hahita ny Mesia. Koa nahita an’ i Kristy izy. Nahazo fahazavana manokana avy tany an-danitra izy, ka nahafantatra ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra eo amin’ i Kristy. Ravoravo izy raha nahita ny androny. Naseho azy ny sarin’ ny fanatitra nataon’ Andriamanitra ho an’ ny fahotana. Ny fanandramana nataon’ ny tenany dia sary velona nampiseho io fanatitra io. Tonga taminy ny baiko nanao hoe : «Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao . . . ary atero ... ho fanatitra odorana» (Gen. 22: 2). Napetrany teo amin’ ny alitara fanaovana fanatitra ny zanaky ny teny fikasana, dia ny zanany izay nifantohan’ ny fanantenany rehetra. Rehefa izany, raha niandry teo akaikin’ ny alitara izy, efa nanandratra ny tanany mba hankatò an’ Andriamanitra, dia nandre feo avy tany an-danitra izy nanao hoe : «Aza maninjitra ny tànanao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao ; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao Tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao» (Gen. 22: 12). Nahatra tamin’ i Abrahama io fitsapana mahamay sy mahatsiravina io mba hahazoany mahita ny andron’ i Kristy, sy mahatsapa ny fitiavan-dehibe izay nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao lehibe indrindra ka mba hanandratana azy hiala avy amin’ ny fitotonganany, dia natolony ny Zanani-lahy tokana ho faty amin’ ny fahafatesana mahamenatra indrindra.

Nianaran’ i Abrahama tamin’ Andriamanitra ny lesona lehibe indrindra tsy mbola nomena ny olombelona mety maty. Nahazo valiny ny fivavahany mba hahita an’ i Kristy talohan’ ny nahafatesany. Hitany Kristy ; hitany izay rehetra mety ho hitan’ ny olombelona mety maty ka ho velona. Tamin’ ny fileferany tanteraka no nahatonga azy ho afaka hahafantatra ny fahitana an’ i Kristy, izay efa nomena azy. Naseho azy fa tamin’ ny nanomezan’ Andriamanitra ny Zanany lahy tokana mba hamonjena ny mpanota ho afaka amin’ ny fahafatesana mandrakizay, dia fahafoizan-tena lehibe sy mahagaga mihoatra noho izay mety ho vitan’ ny olona no nataony.


 

< TOKO 50                                                                                                                         TAPANY 2 >

Commentaires

Articles les plus consultés