Toko 51—Ny fahazavan’ aina (tapany 2)

Ny fanandramana nataon’ i Abrahama dia mamaly ny fanontaniana hoe : «Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo ? Hanatona Azy mitondra fanatitra odorana sy ombilahy kely iray taona va aho ? Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina ? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko ?» (Mika. 6: 6, 7). Ny tenin’ i Abrahama hoe : «Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana» (Gen. 22: 8) sy ny nanomanan’ Andriamanitra fanatitra ho solon’ Isaka, dia nanambarana fa tsy misy olona afaka manao fanavotana ho an’ ny tenany. Tsy ankasitrahan’ Andriamanitra na oviana na oviana ny fomba fanaovan’ ny jentilisa fanatitra. Tsy misy ray tokony hanolotra ny zanany lahy na ny zanany vavy ho fanatitra noho ny ota. Ny Zanak’ Andriamanitra irery ihany no afaka mitondra ny helok’ izao tontolo izao. 

Tamin’ ny alalan’ ny fahorian’ ny tenany, dia azon’ i Abrahama atao ny mibanjina ny asa nanirahana ny Mpamonjy ho sorona. Tsy mety ho azon’ ny Isiraely anefa izay tsy nahafaly indrindra ny fony feno avonavona. Tsy nitondra dikany lalina ho an’ ny mpihaino Azy ny tenin’ i Kristy momba an’ i Abrahama. Zava-baovao natao ho fanazimbazimbana fotsiny indray no hitan’ ny Fariseo tamin’ izany. Novaliany henjana sady narahiny hanihany izany hoe : «Tsy mbola ampy dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va ?»    

Novalian’ i Jesosy tamin’ ny fomba mendrika sy manetriketrika izany hoe : «Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia IZY AHO».

Nangina ny mpivory. Ny anaran’ Andriamanitra nampahafantarina an’ i Mosesy mba hanambarana ny fanatrehany mandrakizay, dia nolazain’ ilay raby Galiliana fa anarany. Nilaza tena ho Ilay nisy ho azy Izy, dia Ilay Nampanantenaina an’ Isiraely (Ilay voalaza fa) «hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay» (Mika. 5: 1).

Niantsoantso indray ny mpisorona sy ny raby nanohitra an’ i Jesosy ho mpiteny ratsy an’ Andriamanitra. Ny filazany ho iray amin’ Andriamanitra dia efa nitarika azy ireo talohan’ izao hanala ny ainy, ary volana vitsy tatỳ aoriana dia nambaran’ izy ireo mazava hoe : «Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra» (Jao. 10: 33). Satria efa nisy Izy, ary Zanak’ Andriamanitra, dia niezaka ny hamono Azy izy. Betsaka izao ny olona teo amin’ ny vahoaka izay niandany tamin’ ny mpisorona sy ny raby no nandray vato hatoraka Azy. «Fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky teo afovoan’ ny olona ka lasa». «Ary ny mazava dia namirapiratra tao amin’ ny maizina, fa ny maizina tsy nandray azy» (Jao. 1: 5).

«Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. Ary ny mpianany nanontany Azy hoe : Raby Ò, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy ? Jesosy namaly hoe : Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy. . . Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba. Ary hoy Izy taminy : Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra».     

Ninoan’ ny besinimaro teo amin’ ny Jiosy fa faizina dieny eto amin’ ity fiainana ity ny fahotana. Noheverina ho sazy noho ny ratsy natao, na nataon’ ilay mijaly, na nataon’ ny ray aman-dreniny ny fahoriana rehetra, nefa efa nanjary niova io fahamarinana io. Satana, ilay niavian’ ny fahotana sy ny vokany rehetra, no efa nitarika ny olona hihevitra ny aretina sy ny fahafatesana ho avy amin’ Andriamanitra, ho sazy ankianjoanjo ampiharina araka ny fahotana. Noho izany, izay nasian’ ny fahoriana lehibe na ny antambo, dia mbola nizaka koa, ho fanampin’ izany, enta-mavesatra noho ny fiheverana azy ho mpanota. 

Noho izany dia voaomana ny lalana handavan’ ny Jiosy an’ i Jesosy. «Ilay nitondra ny aretintsika» sy «nivesatra ny fahoriantsika» dia noheverin’ ny Jiosy ho «nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana», «ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy» (Isa. 53: 4, 3).

Efa nanome lesona natao hisorohana an’ izany fiheverana izany Andriamanitra. Nasehon’ ny fahorian’ i Joba fa i Satana no nampihatra ny fijaliana, ary nampiasain’ Andriamanitra izany mba hanehoany famindrampo. Tsy azon’ Isiraely anefa ny lesona. Naverin’ ny Jiosy indray tamin’ ny nandavany an’ i Kristy ilay hevi-diso izay efa nanomezan’ Andriamanitra tsiny ny sakaizan’ i Joba.

Nitana ny finoan’ ny Jiosy mikasika ny fifandraisan’ ny fahotana sy ny fijaliana ny mpianatr’ i Kristy. Rehefa nanitsy ny hevi-disony Jesosy, dia tsy nohazavainy ny antony nahatonga ny fahorian-dralehilahy fa nambarany taminy ny ho vokatr’ izany, satria haseho eo aminy ny asan’ Andriamanitra. «Raha amin’ izao tontolo izao Aho, hoy Izy, dia fahazavan’ izao tontolo izao». Ary rehefa nosorany ny mason’ ilay lehilahy jamba, dia nalefany izy hisasa any amin’ ny farihy Siloama, dia sitrana ny mason’ ilay lehilahy. Toy izany no namalian’ i Jesosy ny fanontanian’ ny mpianatra tamin’ ny fomba azo tsapain-tanana araka ny fomba mahazatra Azy rehefa misy mametraka fanontaniana taminy noho ny fitiavan-kahalala fotsiny. Tsy nantsoina hiady hevitra ny mpianatra ny amin’ izay nanota, na izay tsy nanota, fa nantsoina izy hahafantatra ny hery sy ny famindrampon’ Andriamanitra tamin’ ny nampahiratany ny jamba. Nazava fa tsy nisy hery mahasitrana teo amin’ ny fotaka na teo amin’ ny farihy izay nanirahana an’ ilay jamba hisasa, fa tao amin’ i Kristy ny hery.   

Nahatalanjona ny Fariseo ity fahasitranana ity. Nefa vao mainka feno fankahalana noho ny teo aloha izy, satria natao tamin’ ny andro Sabata ny fahagagana. 

Ny mpifanolobodirindrina tamin’ ilay tovolahy sy izay nahalala azy teo aloha fony izy jamba, dia niteny hoe : «tsy ity va ilay nipetraka nangataka?» Nisalasala izy nijery azy; rehefa nihiratra mantsy ny masony, dia niova ny endriny ka nihanazava ary toa olon-kafa izy. Nifindrafindra ny fanontaniana. Nisy nanao hoe : «Izy ity» ; ny sasany nanao hoe : «Tahaka azy ihany». Namaly ny fanontaniana ilay nandray fitahiana lehibe tamin’ ny nilazany hoe : «Izaho no izy». Dia nambarany azy amin’ izay ny amin’ i Jesosy, sy ny fomba nanasitranany azy, ary nanontany ireo hoe : «Aiza moa Izy ?» dia novaliany hoe : «Tsy fantatro».

Dia nentiny teo anatrehan’ ny filan-kevitry ny Fariseo izy. Nanontaniana an-dralehilahy indray ny fomba nampahiratra ny masony. «Dia hoy izy taminy : Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. Ary hoy ny Fariseo sasany : Tsy avy amin’ Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy». Nanantena ny Fariseo fa hampiharihary ny mahampanota an’ i Jesosy, ary noho izany dia tsy Mesia Izy. Tsy fantatr’ izy ireo fa Ilay nanao ny Sabata ka mahafantatra ny tsy maintsy atao rehetra amin’ izany, no nanasitrana ilay jamba. Niseho ho mafana fo fatratra dia fatratra izy ny amin’ ny fitandremana ny Sabata, nefa namolavola drafitra hamonoana olona izy tamin’ iny andro iny indrindra. Betsaka kosa anefa no voahetsika mafy rehefa nandre ny amin’ ity fahagagana ity, ka resy lahatra fa mihoatra noho ny olon-tsotra Ilay nampahiratra ny mason’ ilay jamba. Ho valin’ ny fiampangana milaza fa mpanota Jesosy noho Izy tsy nitandrina ny Sabata, dia hoy izy hoe: «Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany ?»

Nantsoin’ ny raby indray ilay jamba : «Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy ? Dia hoy izy : Mpaminany Izy». Notoherin’ ny Fariseo tamin’ izay fa tsy teraka jamba izy ka nositranina. Nampanantsoiny ny ray aman-dreniny ka nanontaniany hoe : «Zanakareo moa ity izay lazainareo fa teraka jamba ?»

Ilay olona mihitsy no teo, nilaza fa jamba izy ary efa nahiratra izao ; nefa aleon’ ny Fariseo nandà izay tsapany sy hitan’ ny masony toy izay hanaiky ny fahadisoany. Mahery toy izany ny hevi-diso mibahana ao an-tsaina, ary mamitaka izay tsizy ny fahamarinan’ ny Fariseo.    

Zavatra iray sisa no nantenain’ ny Fariseo, dia ny hampahatahotra ny ray aman-drenin-dralehilahy. Toa nadio fo erỳ izy ireo nanontany hoe : «Koa nahoana ary no nahiratany izao?» Natahotra ny hidi-kizo ny ray aman-dreniny ; efa nambara mantsy fa izay manaiky an’ i Jesosy ho Kristy dia «horoahina hiala amin’ ny Synagoga» ; izany hoe tsy mahazo miditra ny synagoga mandritra ny telopolo andro. Nandritra io fotoana io dia tsy nisy zaza azo noforana na faty azo nitomaniana tao an-tranon’ ilay nanao meloka. Noraisina ho toy ny antambo lehibe izany ; ary raha tsy mitarika ho amin’ ny fibebahana izany, dia hisy sazy mavesatra kokoa manaraka. Naharesy lahatra ny ray aman-dreniny ny asa lehibe natao ho an’ ny zanany, izao anefa no navaliny : «Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; fa tsy fantatray izay nahiratany izao ; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony ; izy ihany no anontanio ; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany». Nialany tamin’ izany fomba izany ny andraikitra rehetra ka nafindrany tamin-janany. satria tsy sahy niaiky an’ i Kristy izy.

Niharihary teo imason’ ny olona marobe, indrindra teo amin’ ny olon-tsotra ny zava-manahirana nisy ny Fariseo, dia ny fanontaniana napetrany sy ny hevitra nibahana tao am-pony, ny tsy finoany ny zava-misy momba io toe-javatra io. Matetika no efa nanao fahagagana niharihary teny an-dalambe Jesosy, ary fanamaivanana ny fahoriana mandrakariva no asa nataony. Ny fanontaniana tao an-tsain’ ny maro dia ny hoe : Andriamanitra ve hampanao asa mahery toy izao amin’ ny alalan’ ny mpisandoka, araka izay antitranterin’ ny Fariseo fa toetran’ i Jesosy ? Nafana dia nafana ny adihevitra teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany.  

Hitan’ ny Fariseo fa nampahoraka ny asa nataon’ i Jesosy izy. Tsy azony nolavina ny fahagagana. Feno hafaliana sy fankasitrahana ilay lehilahy jamba; nibanjina ny zava-mahagaga eo amin’ ny voary izy, ka feno fahafinaretana nahita ny hankaton’ ny tany sy ny lanitra. Notantarainy tamin-kahalalahana ny fanandramany, ka niezaka ny hampangina azy indray ny Fariseo nanao hoe : «Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany». Izany hoe : aza averina intsony fa io Lehilahy io no nampahiratra anao ; Andriamanitra no nanao izany.

Namaly ilay jamba ka nanao hoe : «Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia, zavatra iray loha ihany no fantatro : jamba aho teo aloha, fa nahiratra aho izao».

Dia nanontany indray ireo hoe : «Inona no nataony taminao ? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?» Niezaka ny hampikorontana azy tamin’ ny alalan’ ny teny maro izy, mba hahazoany milaza fa very saina izy. Niandany tamin’ ny Fariseo i Satana sy ny anjeliny ratsy, ka nampiraisiny tamin-kafetsena tamin’ ny fomba fisainan’ olombelona ny heriny mba hoenti-manohitra ny hery miasa mangina avy amin’ i Kristy. Nangeja ny finoana izay latsaka lalina tao amin’ ny saina maro izy ireo. Teo koa ny anjelin’ Andriamanitra nampahery an-dralehilahy izay nampahiratina ny masony.   

Tsy tsapan’ ny Fariseo fa misy hafa noho ilay lehilahy teraka jamba tsy nahita fianarana no nifampikasoka taminy ; tsy fantany Ilay niadiany. Namirapiratra teo amin’ ireo efitrefitry ny fanahin’ ilay lehilahy jamba ny fahazavana. Raha niezaka ny hahatonga azy tsy hino ireto mpihatsaravelatsihy ireto, dia nanampy Azy Andriamanitra mba hanehoany, tamin’ ny fomba mahery vaika sy ny valin-teniny mivantana, fa tsy voafandrika izy tsy akory. Namaly izy hoe : «Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino hianareo, nahoana no te-hihaino indray hianareo ? Moa te ho mpianany koa va hianareo ? Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe : Ialahy no mpianany, fa izahay mpianatr’ i Mosesy. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra, fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay niaviany».  

Fantatry ny Tompo Jesosy ny fitsapana mahamay izay nolalovan-dralehilahy ka nomeny fahasoavana sy fahafahana hiteny izy, hany ka nanjary vavolombelon’ i Kristy. Namaly ny Fariseo tamin’ ny teny izay fanomezan-tsiny mandratra an’ ireo mpanontany azy izy. Nilaza ny tenany ho mpanazava ny Soratra Masina izy ireo, ho mpitarika ara-pivavahana ny firenena; ity anefa misy Anankiray nanao fahagagana nefa dia manaiky ry zareo fa tsy mahalala ny loharanon’ ny heriny, sy ny momba ny toetra amam-panahiny ary ny momba izay lazainy ny amin’ ny tenany. «Mba mahagaga tokoa lahy izany ! hoy ralehilahy. Fa tsy fantatrareo izay niaviany nefa nampahiratra ny masoko Izy. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa misy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona». 

Ny toerana nisy ireo namotopototra azy ihany no nisetran-dralehilahy azy. Tsy nisy iadian-kevitra ny fomba fisainany. Gaga ny Fariseo ka tsy nihetsika, finaritra tamin’ ny teny mivantana sy hentitra nataony. Nandritra ny fotoana fohy dia nisy fanginana. 

Dia niketrona noho ny hatezerana ny handrin’ ny mpisorona sy ny raby ka nafintiny manodidina azy ny akanjony, toy ny matahotra sao haloto raha mikasika azy; nahintsany ny vovoka tamin’ ny tongony, ka nanao teny mafy niampanga azy : «Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va no mampianatra anay?» Dia noroahiny tsy ho an’ isan’ ny fiangonana izy.

Fantatr’ i Jesosy izay rehetra niseho; ary rehefa nahita azy Izy tao aoriana kely, dia hoy Izy : «Mino ny Zanak’ Andriamanitra va hianao ?»

Izao no voalohany nibanjinan’ ilay lehilahy jamba ny tavan’ ny Mpanavotra azy. Raha teo anoloan’ ny filan-kevitra izy dia nahita ny ray aman-dreniny sahiran-tsaina sy very hevitra; efa nahita koa ny endriky ny raby niketrona noho ny hatezerana izy ; izao ny Fijeriny dia nipetraka teo amin’ ny endrik’ i Jesosy nitory fitiavana sy fiadanana. Efa nanao vy very izy tamin’ ny nanekeny Azy ho solontenan’ ny fahefan’ Andriamanitra, ary ankehitriny dia nomena fanambarana ambony kokoa izy. 

Raha nanontany azy ny Mpamonjy hoe : «Mino ny Zanak’ Andriamanitra va hianao ?» dia namaly ralehilahy jamba tamin’ ny alalan’ ny fanontaniana hoe : «Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?» Ary hoy Jesosy taminy : «Efa nahita Azy hianao sady Izay miresaka aminao no Izy». Niankohoka teo an-tongotry ny Mpamonjy ralehilahy. Tsy ny masony ara-nofo ihany no sitrana, fa ny mason’ ny sainy koa nisokatra. Naseho tamin’ ny fanahiny Kristy, ka nandray Azy ho Ilay Irak’ Andriamanitra izy.  

Nisy Fariseo vitsivitsy nivory teo akaiky teo, koa ny fahitan’ i Jesosy azy ireo dia niteraka tao an-tsainy ny fahasamihafana hita lalandava eo amin’ ny vokatry ny teniny sy ny asany. Hoy Izy : «Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra». Efa tonga Kristy hampahiratra ny mason’ ny jamba, hanome fahazavana ho an’ izay mipetraka ao amin’ ny haizina. Nanambara ny tenany ho fahazavan’ izao tontolo izao Izy, ary ny fahagagana vao nataony dia fanamarinana ny asa nanirahana Azy. Ny olona izay nahita ny Mpamonjy tamin’ ny fiaviany voalohany, dia nomena tombon-tsoa tamin’ ny fanehoana feno kokoa ny amin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, mihoatra noho izay tsy mbola niainan’ izao tontolo izao hatramin’ izay. Naseho tamin’ ny fomba feno kokoa ny fahalalana an’ Andriamanitra. Nefa teo amin’ io fanambarana io indrindra no nandalo teo amin’ ny olona ny fitsarana. Nosedraina ny toetra amam-panahiny, tapaka ny ho anjarany. 

Ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra izay nanome fahiratana ara-nofo sy ara-panahy ilay jamba, dia namela ny Fariseo tao anatin’ ny haizina mikitroka kokoa. Nisy mpihaino an’ i Kristy nahatsapa fa nampiharina taminy ny tenin’ i Kristy, ka nanontany izy hoe : «Izahay koa va mba jamba ?» Namaly Jesosy hoe: «Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka». Raha nataon’ Andriamanitra ho tsy azonareo natao ny mahita ny fahamarinana, dia tsy hisy heloka ho anareo ny tsy fahalalanareo. «Nefa hoy hianareo ankehitriny : Mahiratra izahay». Mino ianareo fa afaka mahita, ka lavinareo ny hany fomba izay mety ahazoanareo mahita. Ho an’ izay rehetra mahatsapa ny fahantrany, dia tonga Kristy mitondra fanampiana tsy misy fetra. Tsy hiaiky ny fahantrany anefa ny Fariseo; nandà ny ho eo amin’ i Kristy izy ireo, ary hatreo dia navela tao amin’ ny fahajambany izy, fahajambana izay mahameloka ny tenany ihany. Hoy Jesosy : «Dia tsy afaka ny helokareo».  

< TAPANY 1                                                                                                                        TOKO 52 >

Commentaires

Articles les plus consultés