Toko 21—Betesda sy ny Synedriona (tapany 1)
«Nisy
farihy tany Jerosalema teo akaikin’ ny vavahadin’ Ondry, izay atao
amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, nisy fialofana dimy. Tao no nandrian’
ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina, ny maty ila,
niandry ny fihetsehan’ ny rano» (Jao. 5).
Nisy fotoana izay nampihetsika ny ranon’ io farihy io, ary ninoan’ ny besinimaro fa avy amin’ ny hery ambony noho ny an’ ny olombelona izany, ka na iza na iza tafatsambikina voalohany ao anaty rano rehefa mihetsika izy, dia ho sitrana na inona na inona aretina mahazo azy. An-jatony ny marary tonga teo ; nefa satria be loatra ny vahoaka nifanizina rehefa mihetsika ny rano dia nifanosika handroso izy ireo, ka nanitsakitsaka na lehilahy, na vehivavy sy ankizy izay malemy noho izy ireo. Betsaka no tsy afaka nanatona ny farihy. Betsaka ireo izay tonga teo, no maty teo amorony. Nasiana fialofana teo amin’ io toerana io, mba hiarovana ny marary amin’ ny hafanan’ ny andro sy ny hatsiaka amin’ ny alina. Nisy nijanona teo ambanin’ ireo fialofana ireo tamin’ ny alina, mandadilady ho eo amin’ ny sisin’ ny farihy isan’ andro isan’ andro manantena fanasitranana tsy nisy.
Tonga tao Jerosalema indray Jesosy. Nandeha irery Izy, toa variana nieritreritra sy nivavaka. Tonga teo amin’ ny farihy Izy. Hitany ireto marary mijaly miandry izay noheveriny ho hany fanantenana hahasitrana azy. Naniry mafy hampiasa ny heriny manasitrana Izy, ka hamerina ny marary rehetra ho amin’ ny fahasalamana. Nefa Sabata ny andro. Vahoaka be no nandeha hivavaka any amin’ ny tempoly, ary fantany fa ny fanasitranana toy izany dia hampirongatra ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy ka hampijanona ny asany.
Nefa nahita olona iray tao amin’ ny fahoriana mangidy indrindra ny Mpamonjy. Ilay lehilahy malemy voan’ ny paralysisa nandritra ny valo ambin’ ny telopolo taona io. Vokatry ny fahotany ny betsaka tamin’ ny aretiny, ary noheverina fa fitsarana avy amin’ Andriamanitra izany. Irery izy sady tsy nanana namana, ka nahatsapa fa nihidy ho azy ny famindrampon’ Andriamanitra, ary taona maro no nijalian’ io marary io tao amin’ ny fahoriana. Tamin’ ny fotoana izay noheverina fa fihetsehan’ ny rano, ireo izay nangoraka ny fahalemeny dia nitondra azy teo amin’ ny vavahady. Nefa tamin’ ny fotoana mety dia tsy nisy olona hanampy azy. Hitany ny rano nivalombalona, nefa mbola tsy afaka nandeha na oviana na oviana nihoatra ny sisin’ ny farihy izy. Nisy natanjaka noho izy niroboka tao anatin’ ny rano alohany. Tsy nisy fahombiazana ny fiezahany teo anatrehan’ ny vahoaka tia tena sy nifandrombaka. Saiky naharitra ny hany heriny sisa ny fiezahana mitohy hanatratra tarigetra iray, ny tebitebiny sy ny fahadisoam-panantenany mifanesy.
Dia niondrika ilay paralysisa sitrana handray ny fandriany izay lamba firakotra matevina sy bodofotsy ihany, ary rehefa nitraka izy nahatsiaro fahafinaretana, dia nijery manodidina nitady Ilay nanafaka azy, nefa nanjavona tao anatin’ ny vahoaka Jesosy. Natahotra ilay olona sao tsy fantany Izy raha mahita Azy indray. Raha nilomay izy, kinga sy mailaka namindra, nidera an’ Andriamanitra sy nifaly tamin’ ny heriny vao hitany indray, dia nifanena tamin’ ny Fariseo maro, ka nitantara avy hatrany tamin’ ireo ny fahasitranany. Gaga izy nahita fa nangatsiatsiaka ny fihainoan’ ireo ny tantarany.
Maloka ny endrik’ izy ireo nanapaka ny teniny, sy nanontany ny antony itondrany fandriana amin’ ny andro Sabata. Nampahatsiaroviny azy tamin’ ny fomba hentitra fa tsy mifanaraka amin’ ny lalàna ny mitondra entana amin’ ny andron’ ny Tompo. Noho ny fifaliany dia hadinon-dralehilahy fa Sabata ny andro, nefa tsy nahatsiaro meloka izy raha nankatò ny baikon’ Ilay nanana hery lehibe toy izany avy amin’ Andriamanitra. Novaliany tamin-kasahiana hoe : «Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana». Dia nanontanian’ izy ireo izay nanao izany, fa tsy afaka nilaza izy. Fantatr’ ireo mpifehy ireo tsara fa Anankiray ihany no hany afaka manao io fahagagana io ; nefa nitady porofo mivantana izy ireo fa Jesosy izany, mba hahazoany manameloka Azy ho mpandika ny Sabata. Araka ny fiheviny dia tsy nandika ny lalàna fotsiny tamin’ ny fanasitranana ilay marary tamin’ ny Sabata Izy, fa nanao fahotana be mihitsy tamin’ ny nibaikoany azy hibata ny fandriany.
Nosimban’ ireo Jiosy indrindra ny lalàna ka nanjary zioga fanandevozana izany. Ny fitakiany tsy dia misy antony dia nanjary fihomehezana teo amin’ ny firenena hafa. Ny Sabata dia voafefy tamin’ ny fomba manokana tamin’ ny alalan’ izao fameperana tsy misy dikany rehetra izao. Tsy fahafinaretana ho azy ireo ny andro masina sy henikajan’ ny Tompo. Nataon’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo zioga tsy laitra zakaina ny fitandremana izany. Tsy nahazo nampirehitra jiro na dia labozy aza tamin’ ny andro Sabata. Ho vokatr’ izany dia niankina tamin’ ny jentilisa ny vahoaka momba ny asa fanompoana maro izay tsy navelan’ ny lalana ataony ho an’ ny tenany. Tsy noeritreretiny fa raha fahotana ireo zavatra ireo, dia meloka tahaka ny nanao ny asa ho an’ ny tenany ihany ireo izay mampiasa ny hafa hanao izany. Noheveriny fa voatokana ho azy Jiosy ny famonjena, ka tsy nety ho ratsy kokoa rahateo ny toerana nisy ny hafa rehetra satria efa tsy misy antenaina tsinona. Nefa Andriamanitra tsy nanome didy izay tsy ho azon’ ny rehetra hankatoavina. Tsy manamarina fameperana tsy ara-drariny na feno fitiavan-tena ny lalàny.
Nihaona tamin’ ilay lehilahy nositraniny Jesosy tao amin’ ny Tempoly. Tonga nitondra fanatitra noho ny fahotana sy fanatipisaorana izy noho ny famindrampo lehibe efa noraisiny. Nahita azy tao anatin’ ny vahoaka nivavaka Jesosy, dia nampahafantatra ny tenany tamin’ ny fampitandremana nataony hoe : «Indro, efa sitrana hianao, aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo».
Diboky ny hafaliana ilay lehilahy sitrana raha tafahaona tamin’ Ilay nanafaka azy. Tsy fantany ny fankahalana an’ i Jesosy ka nolazainy tamin’ ireo Fariseo nanontany azy, fa Izy Ilay nahatanteraka ny fanasitranana azy. «Ary noho izany ny jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy».
Nentina teo anatrehan’ ny Synedriona Jesosy mba hamaly ny fanamelohana Azy ho mpandika ny Sabata. Raha firenena afaka ny Jiosy tamin’ izay dia ampy hanamelohana Azy ho faty io fiampangana io. Voasakana izany noho izy ireo teo ambanin’ ny fanapahana Romana. Tsy nanana fahefana hampihatra ny fanamelohana ho faty ny Jiosy, ary ho tsy nisy lanjany eo amin’ ny fitsarana Romana ny fanamelohana natao tamin’ i Kristy. Nisy anton-javatra hafa, na dia izany aza, nantenain’ izy ireo ho azony antoka. Na dia teo aza ny fiezahan’ izy ireo hanohitra ny asan’ i Kristy, dia nitombo nihalehibe noho ny azy ireo ny hery miasa avy Aminy teo amin’ ny vahoaka, na tao Jerosalema aza. Betsaka ireo vahoaka tsy mba liana tamin’ ny kabarin’ ny raby, no voasariky ny fampianarany. Azon’ ireo vahoaka ireo ny teniny, ka nahazo hafanana sy fampaherezana ny fony. Tsy mba lazainy ho toy ny mpitsara mamaly faty Andriamanitra, fa toy ny ray be fitiavana ka nasehony ny endrik’ Andriamanitra nitaratra teo amin’ ny tenany. Tahaka ny balsama ho an’ ny fanahy maratra ny teniny. Tamin’ ny alalan’ ny teniny sy tamin’ ny alalan’ ny asam-pamindram-pony dia nanapaka ny hery mangejan’ ireo lovan-tsofina efa ela sy ireo didy nataon’ olombelona izy ; nasehony taminy ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ ny fahafenoany tsy mety ritra.
Voalaza ao amin’ ny faminaniana voalohany indrindra Kristy hoe : «Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena» (Gen. 49: 10). Nanatona an’ i Kristy ny olona. Ny fon’ ny vahoaka mora mangoraka dia nandray ny lesom-pitiavana sy ny lesom-piantrana ho takalon’ ny fanompoam-pivavahana henjana takian’ ireo mpisorona. Raha tsy nisakana ny mpisorona sy ny raby, dia ho nitondra fanovana lehibe tsy mbola hitan’ izao tontolo izao ny fampianarany. Nefa mba hitazonany ny fahefany, dia nanapakevitra ireo mpitarika ireo fa harodana ny hery nananan’ i Jesosy. Ny nitondrana Azy teo anatrehan’ ny Synedriona, sy ny fanamelohana ampahibemaso ny fampianarany dia hanampy eo amin’ ny fanatanterahana izany ; ny olona mantsy dia mbola feno fanajana an’ ireo mpitarika azy ara-pivavahana. Na iza na iza sahy manameloka ireo fitakian’ ny raby, na manandrana manamaivana ny entana napetrany teo amin’ ny vahoaka dia noheverina ho meloka, tsy hoe niteny ratsy an’ Andriamanitra fotsiny, fa namadika mihitsy. Izany no nantenain’ ny raby fa hamohafoha fiahiahiana an’ i Kristy. Nasehony ho toy ny olona ta-handrodana ny fomba amam-panao efa tafapetraka Izy, ka mampisaraka ny vahoaka ary manomana lalana mba hahafeno tanteraka ny fanandevozan’ ny Romana azy ireo.
Ny drafitra izay notanterahin’ ireo raby tamin-kafanampo anefa dia avy amin’ ny filan-kevitra hafa noho ny Synedriona no niaviany. Rehefa tsy naharesy an’ i Kristy tany an-efitra i Satana, dia navondrony ny heriny rehetra hanoherany Azy teo amin’ ny asa fanompoana ataony, ary raha azo atao aza dia ny hampijanona mihitsy ny asany. Izay tsy azony natao tamin’ ny fiezahana mivantana nataon’ ny tenany, dia notapahiny fa ataony amin’ ny alalan’ ny tetik’ ady. Raha vantany vao niala avy teo amin’ ny ady tany an-efitra izy, dia nila hevitra tamin’ ireo anjely namany mba hamolavola drafitra maty paika hoenti-manamaizina kokoa ny sain’ ny vahoaka jiosy, ka tsy ahafantaran’ izy ireo ny Mpanavotra azy. Nanao drafitra hampiasa olombelona ao amin’ ny sokajin’ olona mpitondra fivavahana izy, ka nofenoiny tamin’ ny fankahalan’ ny tenany Ilay mahery fon’ ny fahamarinana ny sain’ izy ireo. Tiany hotarihina handà an’ i Kristy sy hampangidy ny fiainany araka izay azo atao izy ireo mba hahakivy Azy sy hijanonany tsy hanohy ny asa nanirahana Azy. Koa dia nanjary fiasan’ i Satana ireo mpitarika tao amin’ Isiraely tamin’ ny ady nataony tamin’ ny Mpamonjy.
Tonga «hanandratra ny lalàna sy hahabe voninahitra azy» Jesosy. Tsy hampihena ny hajany Izy, fa hanandratra izany. Hoy ny Soratra Masina : «Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany» (Isa. 42: 21, 4). Tonga Izy hanafaka ny Sabata amin’ ireo fitakiana mahasorisorena izay nahatonga izany ho ozona fa tsy ho fitahiana.
Noho izany no nifidianany ny Sabata hanatanterahany ilay asam-panasitranana tao Betesda. Azony natao ny nanasitrana ilay marary na andro inona na andro inona tao amin’ ny herinandro ; na azony atao ny nanasitrana azy fotsiny ka tsy nibaiko azy hitondra ny fandriany. Nefa tsy ho nahazoany nanao izay tiany atao izany. Nisy fikasana hendry hatrany tao ambadiky ny fihetsik’ i Kristy rehetra teo amin’ ny fiainany teto an-tany. Ny zavatra rehetra izay nataony dia nisy antony lehibe nifanaraka tamin’ ny fampianarany. Nofidiny ilay voa mafy indrindra tamin’ ireo marary teo amin’ ilay farihy mba hampiasany ny heriny manasitrana, ary nobaikoiny ralehilahy hitondra ny fandriany namakivaky ny tanàna mba hanambara ny asa lehibe efa natao taminy. Hahatonga fanontaniana ny momba izay azo atao araka ny lalàna amin’ ny Sabata izany, ka hanokatra lalana ho Azy hiampangany ireo fameperana nataon’ ny Jiosy momba ny andron’ ny Tompo sy hilazana fa tsy misy vidiny ireo lovan-tsofiny.
Nasehon’ i Jesosy mazava tsara fa ny asa manamaivana ny ory dia mifandrindra amin’ ny lalàn’ ny Sabata. Mifandrindra amin’ ny asan’ ny anjelin’ Andriamanitra koa izany, izay miakatra sy midina mandrakariva avy any an-danitra ho eto an-tany hanao fanompoana ho an’ ny olombelona mijaly. Hoy Jesosy : «Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa». An’ Andriamanitra ny andro rehetra, mba hanatanterahana ny drafitra nataony ho an’ ny taranak’ olombelona. Raha marina ny fandikan’ ny Jiosy ny lalàna, dia Jehovah izany no diso, izay nanao asa nampahatanjaka sy nitana ny zava-miaina rehetra hatramin’ ny nanorenany voalohany ny tany ; amin’ izay, Ilay milaza fa tsara ny asany, ka nanangana ny Sabata ho tsangambaton’ ny fahatanterahany, dia tsy maintsy mametra fotoana ho an’ ny asany, ka hampijanona ny fandehan'izao rehetra izao tsy manam-pahataperana.
Moa ve Andriamanitra manakana ny masoandro tsy ahatanteraka ny asany amin’ ny Sabata, ka manapaka ireo tanany tsy hitondra hafaliana amin’ ny tany sy hamelona ny zava-maniry ? Moa ve tsy maintsy hijanona tsy hihetsika izao rehetra izao mandritra io andro masina io ? Moa ve Izy nibaiko ny renirano madinika hijanona tsy handena ny saha sy ny ala, ka nibaiko ny onjan-dranomasina hampijanona ny fihemorany sy ny fandrosoany tsy misy farany ? Moa ve tsy maintsy mijanona tsy hitombo ny vary, ary moa ve ny sampaho efa ho masaka manemotra ny fotoana hahatonga azy ho voaloboka manga ? Moa ve tsy mahazo mamoaka ny tsimokazo na voninkazo ny hazo sy ny voninkazo amin’ ny andro Sabata ?
Raha izany, dia tsy ahazo ny vokatry ny tany sy ireo fitahiana izay mahatonga ny fiainana ho maha-te hanana ny olona. Tsy maintsy manohy tsy miova ny fizotrany ny zavaboary. Tsy afaka mampijanona ny tanany Andriamanitra na dia fotoana kely aza, raha tsy izany dia ho reraka ny olona ka ho faty. Ny olona koa dia manana asa tokony hatao amin’ io andro io. Tsy maintsy atrehina ireo zavatra ilaina amin’ ny fiainana. Tsy maintsy karakaraina ny marary, tsy maintsy homena azy izay ilainy. Tsy ho tsy manan-tsiny izay manao tsirambina ny fanamaivanana ny fahoriana amin’ ny andro Sabata. Ny andro masina fitsaharan’ Andriamanitra dia natao ho an’ ny olona, ka mifandrindra indrindra amin’ ny fikendreny ny asam-pamindrampo. Tsy sitrak’ Andriamanitra ny hampahory ireo izay nohariany na dia fotoana fohy aza, nefa mba azo hamaivanina ihany izany na amin’ ny andro Sabata na amin’ ny andro hafa.
Ny fangatahana atao amin’ Andriamanitra dia lehibe lavitra amin’ ny andro Sabata noho ny amin’ ny andro hafa. Ajanon’ ny olona amin’ izay ny fanaony andavanandro ka mandany ny fotoanany amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny fanompoam-pivavahana izy. Betsaka noho ny amin’ ny andro hafa ny fahasoavana angatahiny amin’ ny andro Sabata. Mitaky fikarakarana manokana izy. Miangavy ireo fitahiana tsara indrindra izy : Tsy handrasan’ Andriamanitra ho lasa ny Sabata vao mamaly ireo fangatahana ireo Izy. Tsy mitsahatra na oviana na oviana ny asan’ ny lanitra, ary ny olona koa tsy tokony hitsahatra na oviana na oviana hanao soa. Tsy notendrena ho fotoana tsy iasana sy tsy ahavitana zavatra mahasoa ny Sabata. Raran’ ny lalàna ny asa ara-nofo amin’ ny andro fialan-tsasatry ny Tompo; ny asa ahazoam-pivelomana dia tsy maintsy ajanona; tsy misy asa itadiavana fahafinaretana araka izao tontolo izao na tombon-tsoa araka ny lalàna azo atao amin’ io andro io ; fa tahaka ny nijanonan’ Andriamanitra tamin’ ny asam-pamoronany, ka nitsahatra Izy tamin’ ny andro Sabata sy nitahy izany andro izany, dia toy izany koa, ny olona dia tokony hamela ny asany andavanandro, ka hanokana ireo ora masina ireo ho amin’ ny fialan-tsasatra mahasoa, hanompoana an’ Andriamanitra sy hanaovana asa fanasoavana. — Ny asan’ i Kristy tamin’ ny fanasitranana ny marary dia mifanaraka tanteraka amin’ ny lalana. Manome voninahitra ny Sabata Izy.
Notakian’ i Jesosy ny zo mitovy amin’ ny an’ Andriamanitra teo amin’ ny fanaovana asa masina mitovy toetra amin’ izay ataon’ ny Ray any an-danitra. Vao mainka nirehitra kosa ny Fariseo. Tsy nandika ny lalana fotsiny Izy, araka ny fahazoany azy, fa tamin’ ny nilazany fa «Rainy Andriamanitra» dia nampitovy ny tenany tamin’ Andriamanitra Izy.
Ny firenena Jiosy manontolo dia niantso an’ Andriamanitra ho Rainy, noho izany, dia tsy tokony ho romotra toy izany izy ireo raha nampiseho ny tenany teo amin’ izany toerana izany koa Kristy. Nefa dia nampangainy ho niteny ratsy an’ Andriamanitra Izy, ary nasehony tamin’ izany fa noraisin’ izy ireo amin’ ny dikany hoe tsy mitovy aman’ olona ny nilazan’ ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.
Ireo fahavalon’ i Kristy dia tsy nanana fonjan-kevitra ho entimanohitra ny fahamarinana izay nampidirin’ i Jesosy tao amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ izy ireo mihitsy. Ny mitanisa ny fomba amampanaony sy ny lovan-tsofiny ihany no azony natao, ka toa kely sy maivana izany rehefa hampitahaina amin’ ny fonjan-kevitra raisin’ i Jesosy avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fizotry ny zavaboary tsy miato. Raha nanana faniriana handray ny fahazavana ireo Raby, dia ho resy lahatra izy ireo fa miteny ny fahamarinana Jesosy. Nefa nidifiny ireo foto-kevitra nasehony momba ny Sabata, ka notadiaviny izay hampirongatra fahatezerana amin’ Ilay milaza fa manam-pitoviana amin’ Andriamanitra. Tsy nisy fetrany intsony ny haromotan’ ireo mpanapaka. Raha tsy natahotra ny vahoaka ny mpisorona sy ny raby dia ho novonoiny teo ihany Jesosy. Nefa nahery ny fankasitrahan’ ny vahoaka Azy. Betsaka no nanaiky fa Jesosy no sakaiza Izay nanasitrana ny aretiny sy nampahery azy teo amin’ ny alahelony, ka nohamarininy ny fanasitranany ilay marary tao Betesda. Koa noho izany dia voatery ireo mpitarika hametra ny fankahalany aloha tamin’ izany fotoana izany.
Nolavin'i Jesosy ny fiampangana Azy ho niteny ratsy an’ Andriamanitra. Ny fahefako, hoy Izy, hanao ny asa izay iampanganareo Ahy, dia satria Izaho no Zanak’ Andriamanitra, iray toetra Aminy, ao amin’ ny sitrapo sy eo amin’ ny fikasana. Niara-niasa tamin’ Andriamanitra Aho teo amin’ ny asany rehetra famoronana sy ny fitantanany. «Ny Zanaka tsy manao na inona na inona, afa-tsy izay hitany fa ataon ny Ray». Nitana ny Zanak’ Andriamanitra ireo mpisorona sy Raby noho ny fanaovany izay nanirahana Azy indrindra hatao eo amin’ izao tontolo izao. Nefa nampisaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra ny fahotany, ka noho ny avonavony dia niasa tsy niankina taminy izy ireo. Nahatsapa fa afa-po tamin’ ny tenany izy ireo amin’ ny zavatra rehetra ka tsy nila fahendrena ambony kokoa hitarika azy. Ny Zanak’ Andriamanitra kosa dia nilefitra teo ambanin’ ny sitrapon’ ny Ray, ka niankina tamin’ ny heriny. Nanafoana tanteraka indrindra ny amin’ ny tenany Kristy ka tsy nanao drafitra ho Azy Izy. Nanaiky ny drafitra nataon’ Andriamanitra ho Azy Izy, ary isan’ andro isan’ andro dia novelarin’ ny Ray teo anatrehany ny drafitra nataony ho Azy. Toy izany koa no tokony hiankinantsika amin’ Andriamanitra, mba hahatonga ny fiainantsika ho fanehoana fotsiny ny sitrapony.
< TOKO 20 TAPANY 2 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire