Toko 21—Betesda sy ny Synedriona (tapany 2)

Rehefa andeha hanorina ny tabernakely i Mosesy ho toy ny trano itoeran’ Andriamanitra, dia nobaikoina izy hanao ny zavatra rehetra araka ny ohatra naseho azy teny an-tendrombohitra. Feno hafanam-po hanao ny asan’ Andriamanitra i Mosesy. Nisy olona be talenta sy havanana indrindra teo am-pelatanany hanatanteraka ny hevitra haposany. Nefa tsy nanao lakolosy izy na ampongaben- danitra na somotr’ aviavy na sisin-damba, na lambam-baravarana, na inona na inona fanaka teo amin’ ny tabernakely, afa-tsy izay nifanaraka tamin’ ny ohatra izay naseho azy. Nantsoin’ Andriamanitra teo amin’ ny tendrombohitra izy, ka nasehony azy ny zavatra any an-danitra. Nasaron’ Andriamanitra azy ny voninahitry ny tenany, mba hahazoany mahita ny ohatra ka hifanaraka amin’ izany ny hanaovana ny zavatra rehetra. Toy izany koa no nanehoany an’ Isiraely izay niriny ho tonga trano itoerany, ny tarigetra be voninahitra eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Naseho azy ireo ny ohatra teo an-tendrombohitra raha nomena tao Sinay ny lalàna, ary rehefa nandalo teo anatrehan’ i Mosesy Jehovah ka nilaza hoe : «Jehovah, Jehovah Andriamanitra, mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana» (Eks. : 6, 7).

Nifidy lalana ho azy Isiraely. Tsy nanangana araka ny ohatra nomena azy izy ; fa Kristy kosa, Ilay tena tempoly itoeran’ Andriamanitra, dia nanao lasitra ny antsipirian’ ny fiainany teto an-tany hifandrindra amin’ ny tarigetran’ Andriamanitra. Hoy Izy : «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra Ò, no sitrako ; ary ny lalànao no ato anatiko» (Sal. 40: 8). Toy izany koa, ny toetra amam-panahintsika dia tokony haorina ho «fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy» (Efes. 2: 22). Ary tokony «hanao ny zavatra rehetra isika araka ny endrika» dia Ilay «efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany» (Heb. 8: 5; 1Pet. 2: 21).

Ny tenin’ i Kristy dia mampianatra fa tokony hihevitra ny tenantsika ho voafatotra amin’ ny Ray any an-danitra amin’ ny fatorana tsy azo vahana isika. Na inona na inona toerana misy antsika. dia miankina amin’ Andriamanitra isika. izay mitana eo am-pelatanany ny fiainana rehetra. Nanendry asa ho antsika Izy, ka nanome antsika fahaizana sy harena hanaovana izany asa izany. Raha mbola milefitra eo ambanin’ ny sitrapon’ Andriamanitra isika, ka matoky ny heriny sy ny fahendreny, dia ho voatarika amin’ ny lalana azo antoka isika mba hahatanterahantsika ny anjara notendrena ho antsika ao amin’ ny drafitra lehibe nataony. Fa izay miankina amin’ ny fahendrena sy ny herin’ ny tenany kosa, dia misaraka amin’ Andriamanitra. Tsy miara-miasa amin’ i Kristy izy, fa manatanteraka ny fikasan’ ny fahavalon’ Andriamanitra sy ny olona. 

Notohizan’ ny Mpamonjy hoe: «Fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka. . . Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany». Nolazain’ ny Sadoseo fa tsy hisy fananganana ny nofo amin’ ny maty ; nefa nolazain’ i Jesosy taminy fa ny anankiray amin’ ny asa lehibe indrindra ataon’ ny Rainy dia ny manangana ny maty, ary Izy tenany koa dia manan-kery hanao asa toy izany. «Avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy». Ny Fariseo dia nino ny fitsanganana amin’ ny maty. Nambaran’ i Kristy fa na dia ankehitriny aza dia efa eo anivony ny hery izay manome aina ny maty, ary hahita ny fanehoana an’ izany izy. Io hery manangana amin’ ny maty io no manome aina koa ny fanahy «izay maty amin’ ny fahadisoana sy ny fahotana». Io fanahin’ aina ao amin’ i Jesosy Kristy io, «ny herin’ ny fananganana amin’ ny maty», dia «nahafaka ahy tamin’ ny lalan’ ny fahotana sy ny fahafatesana» (Efes. 2: 1; Fil.3: 10; Rom. 8: 2). Tapaka ny fanapahan’ ny ratsy, ary amin’ ny alalan’ ny finoana dia voaro amin’ ny fahotana ny fanahy. Izay manokatra ny fony hiasan’ ny Fanahin’ i Kristy dia manjary mpiray amin’ io hery lehibe io izay hamoaka ny tena avy ao am-pasana. 

Nanantitrantitra ny tena maha andriana Azy ilay Nazareana feno fanetren-tena. Nisandratra ambonin’ ny olombelona Izy, nesoriny ny fitafian’ ny fahotana sy ny henatra, ka nijoro Izy amin’ ny mahaIlay nohajain’ ny anjely, Ilay Zanak’ Andriamanitra, Ilay Iray amin’ ny Mpamorona an’ izao rehetra izao Azy. Sina ireo mpihaino Azy. Tsy mbola nisy olona nanao teny tahaka izany, na niseho tamin’ ny fahamboniana mendrika andriana toy izany. Mazava sady tsotra ny teny nataony, manambara amin’ ny fomba feno ny asa nanirahana Azy, sy ny adidin’ izao tontolo izao. «Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. . . Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy, ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona». 

Nanendry ny tenany ho mpitsara ireo mpisorona sy mpanapaka, mba hanameloka ny asan’ i Kristy, nefa Izy indray no manambara fa mpitsara azy ireo, ary mpitsara ny tany manontolo. Nankinina tamin’ i Kristy izao tontolo izao, ary avy Aminy no nahatongavan’ ny fitahiana rehetra avy amin’ Andriamanitra ho an’ ny taranaka lavo. Izy no Mpanavotra taloha ny naha-nofo Azy sy tao aorian’ izany. Raha vao nisy ny fahotana dia nisy ny Mpamonjy. Nanome fahazavana sy fiainana ho an’ ny rehetra Izy, ary arakaraka ny fatran’ ny fahazavana nomeny, no hitsarana ny tsirairay. Ary Ilay nanome ny Fahazavana, Ilay nanaraka ny fanahy tamin’ ny fikarakarana feno fitiavana indrindra, Ilay mitady hahazo azy hiala amin’ ny fahotana ho amin’ ny fahamasinana. Izy ihany no sady Mpisolovava no Mpitsara koa. Hatramin’ ny niandohan’ ny ady lehibe tany an-danitra, dia fitaka no nitazonan’ i Satana ny fiezahana nataony ; ary Kristy dia niasa mba hanala sarona ny tetika nataony sy hanapaka ny fahefany. Ilay nifanehatra tamin’ Ilay mpamitaka sy niezaka handrombaka ny babony avy eo am-pelatanany mandritra ny andro nifandimby rehetra, Izy no hampihatra fitsarana amin’ ny fanahy tsirairay.   

Ary Andriamanitra dia nanome Azy fahefana hanao fitsarana koa, satria Zanak’ olona Izy. Satria Izy efa nanandrana ny tena faikany tamin’ ny fahorian’ olombelona sy ny fakam-panahy mahazo Azy, sady mahazo ny fahosan’ ny olona sy ny fahotana ataony, satria nijoro tamim-pandresena ho antsika Izy sy tsy lávon’ ny fakampanahin’ i Satana, ary hifandray amim-pahamarinana sy amim-pitiavana amin’ ireo fanahy izay nahararaka ny rany mba hamonjeny azy - noho izany ny Zanak’ olona no voatendry hanao fitsarana.        

Nefa tsy ny fitsarana no asa nanirahana an’ i Kristy, fa ny famonjena : «Tsy naniraka ny Zanany ho amin’ izao tontolo izao Andriamanitra mba hanameloka an’ izao tontolo izao, fa mba hahavoavonjy an’ izao tontolo izao» (Jao. : 17). Ary hoy Jesosy teo anatrehan’ ny Synedriona : «Izay mandre ny teniko, ka mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina, fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana».

Nibaiko ny mpihaino Azy tsy ho gaga Kristy raha novelariny teo anatrehan’ izy ireo, tamin’ ny fomba fijery midadasika kokoa, ny zava-miafin’ ny ho avy. «Avy ny ora, hoy Izy, izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy, izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fahamelohana».

Io toky nomeny momba ny fiainana ho avy io anefa no efa nandrasan’ ny Isiraely hatramin’ izay, ary izany no efa nantenainy ho azo tamin’ ny fiavian’ ny Mesia. Ny hany fahazavana afaka hanazava ny haizin’ ny fasana dia namirapiratra teo aminy. Nefa jamban’ ny fanarahana izay sitrapon’ ny tena fotsiny izy. Nandika ireo lovan-tsofina notazonin’ ny Raby Jesosy, ka tsy nihevitra ny fahefan’ izy ireo, noho izany dia tsy afaka hino izy ireo.

Ny fotoana, ny toerana, ny anton-javatra, ny fihetseham-po nahery vaika izay nameno ny mpivory, dia samy nitambatra mba hahatonga ny tenin’ i Kristy teo anatrehan’ ny Synedriona handaitra bebe kokoa. Nitady ny ain’ Ilay nanambara ny tenany ho mpamerina an’ Isiraely tamin’ ny laoniny ireo manam-pahefana ara-pivavahana ambony indrindra tao amin’ ny firenena. Nentina teo anatrehan’ ny fitsaran’ ny tany ny Tompon’ ny Sabata mba hamaly ny fiampangana Azy ho nandika ny lalàna momba ny Sabata. Rehefa tsy natahotra toy izany nanambara ny asa nanirahana Azy Izy, dia gaga sady romotra ny mpitsara nijery Azy; nefa tsy hita izay hamaliana ny teniny. Tsy azony melohina Izy. Nolaviny ny zon’ ny mpisorona sy ny Raby hanadina Azy na hanakantsakana ny asany. Tsy tonga hatramin’ izany ny fahefana ananany. Nifototra tamin’ ny avonavony sy ny fireherehany ny fitakiana nataony. Tsy nanaiky ho diso na ho ampianarin’ izy ireo Jesosy.

Tsy niala tsiny ny amin’ ny fihetsika niavian’ ny fitarainana Jesosy, na nanazava ny antony nanaovany izany, fa nifototra tamin’ ny mpitsara Izy, ka ny mpiampanga indray no nanjary voampanga. Nomeny tsiny izy ireo noho ny hamafin’ ny fony, sy ny tsy fahalalany ny Soratra Masina. Nambarany fa efa nolaviny ny tenin’ Andriamanitra, satria efa nanda Azy Izay nirahin’ Andriamanitra izy ireo. «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara Ahy».

Ny takila tsirairay, na ny tantara, na ny foto-kevitra, na ny faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha dia mamirapiratry ny voninahitry ny Zanak’ Andriamanitra. Raha mbola naorin’ Andriamanitra koa ny fanompoam-pivavahana jiosy manontolo dia faminaniana voatambatra manondro ny Filazantsaran’ i Kristy no «ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka» (Asa. 1, 43). Hatramin’ ny teny fikasana nomena an’ i Adama, ka hatramin’ ireo patriarka nifandimby sy ireo fomba fitondrana teo ambanin’ ny lalàna dia nampahazava ny dian-tongotry ny Mpanavotra ny fahazavana be voninahitra avy any an-danitra. Nibanjina Ilay Kintan’ i Betlehema ireo mpahita, ilay Siloa ho tonga toy ny zavatra ho avy nampandalovina teo anatrehany tamin’ ny fomba miafina. Naseho tamin’ ny fanatitra tsirairay ny fahafatesan’ i Kristy. Nasandratra teo amin’ ny setroky ny zava-manitra rehetra ny fahamarinany. Nanakoako ny anarany tamin’ ny feon’ ny trompetra isaky ny jobily. Nitoetra tao amin’ ny zava-miafina mahatahotry ny masina indrindra ny voninahiny. Teo am-pelatanan’ ny Jiosy ny Soratra Masina, ary nihevitra izy ireo fa ny fahalalany ivelambelany fotsiny ny teniny, dia nananany ny fiainana mandrakizay. Nefa hoy Jesosy : «Tsy manana ny teniny mitoetra ao aminareo hianareo». Rehefa nandà an’ i Kristy tao amin’ ny teniny izy ireo, dia nandà ny tenany koa. «Nefa hianareo, tsy manatona Ahy, hoy Izy, mba hanananareo fiainana». 

Efa nandinika ny fampianaran’ ny mpaminany momba ny fanjakan’ ny Mesia ireo mpitarika jiosy ; nefa nataony izany, tsy tamin’ ny faniriana marina hahalala ny fahamarinana, fa mba hahitany porofo hoenti-manohana ny fanantenany feno hambom-po. Rehefa tonga Kristy tamin’ ny fomba mifanohitra tamin’ izay noheveriny dia tsy noraisiny ; ary mba hanamarina ny tenany, dia niezaka izy ireo haneho marimarina fa mpamitaka Kristy. Rehefa nametraka ny tongony indray mandeha ho amin’ izany lalana izany izy ireo, dia mora ho an’ i Satana ny hanamafy ny fanoherany an’ i Kristy. Ny teny izay tokony ho noraisina indrindra fa maneho mazava ny maha-Andriamanitra Azy, dia nodisoiny hanohitra Azy. Tamin’ izany fomba izany dia nahodiny ho lainga ny fahamarinan’ Andriamanitra, ary arakaraka ny nitenenan’ ny Mpamonjy nivantana taminy tamin’ ny asam-pamindrampo, arakaraka izany no vao mainka nahatapa-kevitra azy ireo hanohitra ny fahazavana.

Hoy Jesosy : «Tsy mandray laza avy amin’ olona Aho». Tsy ny hery miasa avy amin’ ny Synedriona, tsy ny faneken’ izy ireo ny asany no niriny. Tsy afaka mandray dera avy amin’ ny fankasitrahan’ izy ireo Izy. Nandray voninahitra sy fahefana avy any an-danitra Izy. Raha niriny izany, dia ho tonga ny anjely hidera Azy ; azon’ ny Ray atao ny hanambara indray ny maha-Andriamanitra Azy. Nefa ho azy ireo sy ho an’ ny firenena izay tarihin’ izy ireo, dia niriny ny hahitan’ ireo mpitarika jiosy ny toetra amam-panahiny, ka handraisan’ izy ireo ny fitahiana izay nentiny ho azy. 

«Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo, raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia ho raisinareo ihany izy».

Tonga tamin’ ny fahefan’ Andriamanitra Jesosy nitondra ny endriny, nanatanteraka ny teniny, ary nitady ny voninahiny, nefa tsy neken’ ireo mpitarika an’ Isiraely Izy ; fa rehefa hisy hafa ho avy, mampiseho ny toetra amam-panahin’ i Kristy, nefa atosiky ny sitrapon’ ny tenany sy mitady ny voninahitry ny tenany, dia horaisiny. Nahoana kosa ary ? Satria izay mitady ny voninahitry ny tenany, dia mifanaraka amin’ ny faniriana hanandra-tena ao amin’ ny hafa. Ny antso toy izany no azon’ ny Jiosy novaliana. Handray mpampianatra sandoka izy ireo satria manasohaso ny avonavony izany amin’ ny fanekeny ny hevitra sy ny lovantsofina nankamamiany. Tsy mifanandrify amin’ ny heviny kosa ny fampianaran’ i Kristy. Ara-panahy izany, ary mitaky fahafoizana ny tena ; noho izany dia tsy noraisiny izany. Tsy nifandray tamin’ Andriamanitra izy ireo, ary feon’ olon-kafa ny feon’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ i Kristy.         

Moa ve tsy izany koa no miverina amin’ ny androntsika ? Moa ve tsy maro, na dia ireo mpitarika ara-pivavahana aza, no manamafy ny fony hanohitra ny Fanahy Masina, ka manjary tsy azony atao ny mahalala ny feon’ Andriamanitra ? Moa ve tsy mandà ny tenin’ Andriamanitra izy mba ahazoany mitana ny lovan-tsofiny ?

«Raha mba nino an’ i Mosesy hianareo dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko ?»  

Kristy, no niteny tamin’ Isiraely tamin’ ny alalan’ i Mosesy. Raha nihaino ny feon’ Andriamanitra niteny tamin’ ny alalan’ io mpitarika lehibe io ireo, dia ho fantany izany feo izany tao amin’ ireo fampianaran’ i Kristy. Raha nino an’ i Mosesy izy, dia ho nino koa Ilay nosoratan’ i Mosesy.

Fantatr’ i Jesosy fa tapa-kevitra ny hanala ny ainy ireo mpisorona sy Raby ; nefa dia nohazavainy mazava tsara taminy ny maha-iray Azy amin’ ny Ray, sy ny fifandraisany tamin’ izao tontolo izao. Hitany fa tsy nisy fialan-tsiny ny fanoherany Azy, nefa dia tsy tony ny fankahalany sy ny faniriany hamono Azy. Natahotra izy ireo raha hitany maso ny hery maharesy lahatra teo amin’ ny asa fanompoany ; notoheriny anefa ny antsony, ka nanidi-tena tao amin’ ny haizina izy.

 Nivandravandra ny tsy nahombiazany tamin’ ny nanodinany ny fahefan’ i Kristy, na tamin’ ny nanimbany ny sain’ ny vahoaka ta-hahalala ; betsaka tamin’ izy ireo no resy lahatra tamin’ ny teniny. Na dia ireo mpifehy aza dia nahatsapa fanamelohana lalina, raha nafototr’ i Kristy teo amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ izy ireo ny fahadisoany ; nefa vao mainka naharomotra azy ireo taminy izany. Tapa-kevitra izy ireo hanala ny ainy. Nandefa mpitondra hafatra eran’ ny faritany rehetra izy ireo hampitandrina ny vahoaka fa mpisoloky Jesosy. Nalefa ny mpitsikilo hitsongo dia Azy, sy hitatitra izay lazainy sy ataony. Ankehitriny Ilay Mpamonjy sarobidy dia azo antoka sahady fa nijoro teo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana.


< TAPANY 1                                                                                                                         TOKO 22 >

Commentaires

Articles les plus consultés