Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia (tapany 1)
Raha
nandrara ny vahoaka tsy hanangana Azy ho Mpanjaka Kristy, dia fantany
fa tonga teo amin’ ny fiolahan-dalana iray ny fizotry ny tantarany. Ny
vahoaka marobe izay naniry ny hanandratra Azy ho eo amin’ ny seza
fiandrianana tamin’ izay, dia nivadika niala taminy ny ampitson’ iny. Ny
fahadisoam-panantenan’ ny hambompony feno fitiavan-tena no hampivadika
ny fitiavany ho fankahalana, ary ny fiderana ho fanozonana. Na dia
fantatr’ i Kristy aza izany, dia tsy nisy fepetra noraisiny mba hialana
amin’ ny zava-tsarotra (Jao. 6: 22- 71). Hatramin’
ny voalohany dia tsy notoheriny ny fanantenana valisoa ara-nofo teo
amin’ ny mpanaraka Azy. Hoy Izy tamin’ ny olona iray izay naniry ho
tonga mpianany : «Ny amboahaolo manandavaka; ary ny voro-manidina manana
fialofana ; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny
lohany»(Mat. 8: 20).
Raha azon’ ny olona natao ny nahazo an’ izao tontolo izao sady hiaraka amin’ i Kristy, dia vahoaka be no ho nilaza ny firaiketany Aminy. Tsy azony ekena anefa ny fanompoana toy izany. Tamin’ ireo izay nifandray taminy tamin’ izay fotoana izay, dia betsaka no efa voatariky ny fanantenana hiorenan’ ny fanjakana araka izao tontolo izao. Tsy maintsy hafahana amin’ ny fitaka ireny. Tsy azony ny dikan’ ny fampianarana arapanahy teo amin’ ny fahagagana momba ny mofo. Tsy maintsy hazavaina aminy izany. Koa hitondra fisedrana akaiky kokoa io fanambarana vaovao io.
Notantaraina tamin’ ny lavitra sy ny akaiky ny fahagagana momba ny mofo, koa vao maraina be dia nitangorona tao Betesda ny vahoaka hahita an’ i Jesosy. Tonga maro tokoa izy, nandeha an-dranomasina sy an-tanety. Izay nisaraka taminy ny alin’ iny dia niverina, nanantena ny mbola hahita Azy teo, satria tsy misy sambokely nahazoany niampita. Sasa-poana anefa izy nitady Azy, ka betsaka no niainga ho any Kapernaomy, mbola hitady Azy ihany.
Nandritra izany fotoana izany dia tonga tany Genesareta Izy, rehefa tsy tao indray andro monja. Raha vantany vao re fa nidina an-tanety Izy, dia «nihazakazaka tamin’ izany tany rehetra izany ny olona ary nitondra ny marary tamin’ ny fandriana ho any amin’ izay reny fa nitoerany»(Mar. 6: 55).
Rehefa afaka kelikely dia nankany amin’ ny synagoga Izy, ary tao no nahitan’ ireo avy tany Betesda Azy. Reny tamin’ ny mpianany ny fomba niampitany ny ranomasina. Samy notantaraina tsara tamin’ ny vahoaka izay talanjona fatratra, ny fisafoakan’ ny tafiodrivotra, sy ireo ora maro nivoizana foana mba hanoherana ny rivotra, ny nisehoan’ i Kristy nandeha teo amin’ ny rano, ny tahotra vokatr’ izany, ny teny feno toky nataony, ny zavatra nanjo an’ i Petera sy ny vokatr’ izany, ary ny nampitsaharana tampoka ny tafiodrivotra sy ny niantsonan’ ny sambo. Tsy afa-po tamin’ izany izy anefa, fa betsaka no nitangorona teo amin’ i Jesosy, nanontany hoe : «Raby ô, oviana no tonga teto hianao ?» Nanantena ny handre fitantarana fanampiny momba ny fahagagana avy tamin’ ny molony izy.
Tsy nomen’ i Jesosy fahafaham-po ny fitiavany hahalala zavatra fotsiny. Nalahelo Izy nilaza hoe : «Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky». Tsy nitady Azy noho ny antony mendrika izy ireo, fa rehefa voky mofo izy, dia nanantena ny mbola handray tombontsoa ara-nofo amin’ ny firaiketana Aminy. Nibaiko azy ny Mpamonjy hoe : «Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay» Aoka tsy ny tombon-tsoa ara-nofo fotsiny no ho tadiavina. Aoka ny ezaka lehibe indrindra tsy ho eo amin’ izay ilain’ ny fiainana ankehitriny, fa katsaho ny hanina ara-panahy, dia ny fahendrena izay maharitra mandritra ny fiainana mandrakizay. Ny Zanak’ Andriamanitra irery no afaka manome izany; «fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase» .
Liana tokoa ny mpihaino ka niloa-bava hoe : «Inona no hataonay mba hanaovanay ny asan’ Andriamanitra ?» Efa betsaka sady mafy ny asa efa nataony mba hahamendrika azy eo anatrehan’ Andriamanitra; koa vonona izy hihaino ny didy mba hankatoavany izany ahazoany antoka ny fahamendrehana lehibe kokoa. Inona no hataonay mba hahatonga anay ho mendrika ny lanitra ? Inona no sarany asaina haloanay mba hahazoanay ny fiainana ho avy ?
«Jesosy namaly ka nanao hoe : Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny». Jesosy no vidin’ ny lanitra. Ny lalana mankany an-danitra dia amin’ ny alalan’ ny finoana ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao» (Jao. 1: 29).
Tsy nisafidy ny handray io fanambaran’ ny fahamarinan’ Andriamanitra io anefa ny vahoaka. Efa nataon’ i Jesosy indrindra ny asa, izay nambaran’ ny faminaniana mialoha fa hataon’ ny Mesia; nefa tsy mbola hitany ny asa izay nantenainy hataon’ i Kristy izay hifanandrify amin’ ny sainy feno fitiavan-tena. Marina fa efa namahana vahoaka be indray mandeha tamin’ ny mofo vary hordea Kristy ; tamin’ ny andron’ i Mosesy dia nandritra ny efapolo taona no namahanana ny Isiraely tamin’ ny mana, nefa fitahiana be lavitra no nantenaina tamin’ ny Mesia. Tsy afa-po izy, ka velom-panontaniana hoe : Raha afaka nanao asa betsaka mahagaga tahaka izay efa natrehiny maso Jesosy, nahoana Izy no tsy ho afaka hanome fahasalamana, hery sy harena ho an’ ny olona rehetra, hanafaka azy amin’ ny mpampahory azy ka hanandratra azy ho amin’ ny fahefana sy ny voninahitra ? Kristy milaza fa Izy Ilay nirahin’ Andriamanitra, nefa mandà ny ho Mpanjakan’ Isiraely, dia zava-miafina tsy hainy takarina izany. Diso ny fandraisana io fandavany io. Betsaka no nihevitra fa tsy sahy manamafy ny fitakiany Izy satria Izy tenany aza misalasala ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny asa nanirahana Azy. Tamin’ izany no nanokafany ny fony ho amin’ ny tsy finoana, ka nampitsimoka tao aminy ny voa izay efa nafafin’ i Satana, dia ny fandraisana diso ny teny sy ny fihemorana.
Somary naneso Azy ny raby iray ka nanontany hoe : «Inona ary no famantarana ataonao mba ho hitanay ka hinoanay Anao ? Inona moa no asa ataonao ? Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe : Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohahiny» .
Noheverin’ ny Jiosy fa Mosesy no nanome azy ny mana ary dia notolorany haja izy, ka ny fiasana indray no nomeny voninahitra, koa dia very tsy teo imasony Ilay nahatanteraka ny asa. Nimono- monona tamin’ i Mosesy ny razana fahiny, ka nisalasala sy nandà ny asa nanirahan’ Andriamanitra azy. Ankehitriny dia io toe-tsaina io ihany no nentin’ ny taranany mitsipaka Ilay nitondra ny hafatr’ Andriamanitra ho azy. «Dia hoy Jehovah taminy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra». Nijoro teo anivon’ izy ireo Ilay nanome ny mana. Kristy mihitsy no nitarika ny Hebreo namakivaky ny efitra, ary namelona azy isan’ andro tamin’ ny mofo avy tany an-danitra. Tandindon’ ny tena mofo avy any an-danitra ny hanina. Ny Fanahy manome aina, izay mikoriana avy amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra tsy misy fetra, no tena mana. Hoy Jesosy : «Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao».
Mbola noheveriny fa mofo ara-nofo no nambaran’ i Jesosy, ka nisy tamin’ ny mpihaino Azy niloa-bava hoe : «Tompo ô, omed anay mandrakariva izany mofo izany». Namaly mazava Jesosy ka nanao hoe : «Izaho no mofon’ aina».
Sary mahazatra ny Jiosy no nampiasain’ i Kristy. Nahazo tsindrimandry tamin’ ny Fanahy Masina i Mosesy nanao hoe : «Tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona». Ary ny mpaminany Jeremia dia nanoratra hoe : «Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ ny foko» (Deo. 8: 3; Jer. 15: 16). Ny raby koa aza dia nanana fomba fiteny milaza fa ny fihinanana ny mofo, amin’ ny dikany ara-panahy, dia fandinihana ny lalana sy fanaovana asa tsara ; ary nambara matetika fa raha ho avy ny Mesia, dia hovokisana Isiraely manontolo. Nampahazava ny lesona lalina ara-panahy raketin’ ny fahagagana momba ny mofo ny fampianaran’ ny mpaminany. Io lesona io no niezahan’ i Kristy naharihary tamin’ ny mpihaino Azy tao amin’ ny synagoga. Raha azony ny Soratra Masina, dia ho azony koa ny teniny rehefa nilaza Izy hoe : «Izaho no mofon’ aina». Ny andro talohan’ io, dia vao nofahanana tamin’ ny mofo nomeny ny vahoaka marobe, rehefa noana sy reraka. Tahaka ny nandraisany aina sy hery ara-batana tamin’ io mofo io, no ahazoany mandray koa hery ara-panahy hitondra fiainana mandrakizay avy amin’ i Kristy. «Izay manatona Ahy, hoy Izy, tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony». Nefa nampiany hoe : «Nahita Ahy hianareo, nefa tsy mino» .
Efa nahita an’ i Kristy izy tamin’ ny alalan’ ny vavolombelona nasehon’ ny Fanahy Masina, sy tamin’ ny alalan’ ny fanambarana nataon’ Andriamanitra tamin’ ny fanahy. Efa teo anatrehany isan’ andro isan’ andro ny porofo velona momba ny heriny, nefa mbola nangataka famantarana hafa indray izy. Raha nomena izany izy dia mbola nijanona tsy mino sahala amin’ ny teo aloha ihany. Raha tsy resy lahatra tamin’ izay efa hitany sy reny izy, dia tsy misy antony ny hanehoana aminy asa mahagaga kokoa indray. Ho hitany ho fialan-tsiny hisalasalana hatrany ny tsy finoana ka horoahin’ ny sainy ny porofo mazava indrindra.
Niantso ireo fo maditra ireo indray Kristy. «Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy». Izay rehetra nandray Azy tamin’ ny finoana, hoy Izy, dia hahazo fiainana mandrakizay. Tsy misy na dia iray aza mety ho very. Tsy ilaina akory ny hiadin’ ny Fariseo sy ny Sadoseo hevitra momba ny fiainana ho avy. Tsy ilaina ny hitomanian’ ny olona very fanantenana sy ory indrindra ny maty eo aminy. «Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany».
Tafintohina anefa ny mpitarika ny vahoaka, dia hoy ireo : «Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny ? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe : Izaho nidina avy tany an-danitra ?» Niezaka ny hamohafoha ny hevitra nibahana tao an-tsainy izy tamin’ ny firesahana ny amin’ ny firazanana ambany niavian’ I Jesosy ka nanesoesoany Azy. Nataony fanarabiana ny fiainany amin’ ny maha-mpiasa Galileana Azy, sy ny fianakaviany izay mahantra sy ambany. Tsy mendrika ny hanintona ny sainy hoy izy, ny fitakian’ ity mpandrafitra tsy nahita fianarana ity. Ary ny amin’ ny fahaterahany mifono zava-miafina dia nanipy hevitra ny amin’ ny fototra niaviany mampisalasala azy Izy, ka nasehony tamin’ izany ho pentina eo amin’ ny tantarany ireo toe-javatra amin’ ny maha-olombelona teo amin’ ny naha-terahany.
Tsy niezaka ny hanazava ny zava-miafina mikasika ny nahaterahany Jesosy, na nanome valiny ny fanontaniana mikasika ny nidinany avy any an-danitra, toy ny tsy nanomezany valiny ny fanontaniana mikasika ny namakivakiany ny ranomasina. Tsy nanintona ny saina tamin’ ny fahagagana nampiavaka ny fiainany Izy. Niniany ny tsy hampisy laza ny tenany, fa naleony naka ny endriky ny mpanompo. Naneho ny toetra amam-panahiny anefa ny teniny sy ny asany. Izay rehetra nanana fo midanadana hohazavain’ Andriamanitra, dia nahita teo Aminy «Ilay Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana»(Jao. 1: 14).
Lalina noho izay nasehon’ ny fanontaniana napetraky ny Fariseo ny hevitra nibahana tao an-tsainy; ny faharatsian’ ny fony no nahatonga izany. Ny teny rehetra sy ny fihetsik’ i Jesosy no nampirongatra fanoherana tao aminy ; satria tsy nentiny nahitana setriny tao amin’ ny Tompo ny toe-tsaina nankamamian’ izy ireo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe : «Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy». Tsy hisy hanatona mihitsy an’ i Kristy afa-tsy ireo izay manaiky ny fitiavan’ ny Ray. Mitarika ny fo rehetra ho Aminy Andriamanitra, ary izay manohitra ny fitarihany no handà tsy hanatona an’ i Kristy.
Ny teny hoe: «Izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra», dia nalain’ i Jesosy tao amin’ ny faminanian’ Isaia : «Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be fiadanana ny zanakao» (Isa. 54: 13). Noraisin’ ny Jiosy ho an’ ny tenany io teny io. Reharehany tokoa izany hoe Andriamanitra no mampianatra azy. Nasehon’ i Jesosy anefa ny maha-zava-poana an’ io fihamboana io; fa hoy Izy : «izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy». Amin’ ny alalan’ i Kristy ihany no ahazoany mandray fahalalana ny Ray. Tsy mahazaka ny voninahiny ny mahaolombelona. Ireo izay nianatra ny amin’ Andriamanitra dia efa nihaino ny feon’ ny Zanany ka nanaiky an’ i Jesosy avy any Nazareta ho Ilay nanambara ny Ray tamin’ ny alalan’ ny zavaboary sy ny fanambarana.
«Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay». Tamin’ ny alalan’ i Jaona ilay malala, izay nihaino ireo teny ireo, no nanambaran’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fiangonana hoe : «Ary izao no fanambarany : Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany». Ary hoy Jesosy : «Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany». Nanjary nofo iray tamintsika Kristy, mba hahatonga antsika ho iray Aminy. Noho ny herin’ io firaisana io no hivoahantsika avy amin’ ny fasana, — tsy ho fanehoana fotsiny ny herin’ i Kristy, fa satria hanjary fiainantsika ny fiainany, amin’ ny alalan’ ny finoana. Izay mahita an’ i Kristy ao amin’ ny toetra amam-panahiny marina, ka mandray Azy ao am-po, no manana ny fiainana mandrakizay. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy no itoeran’ i Kristy ao amintsika; ary ny Fanahin’ Andriamanitra raisina ao am-po amin’ ny finoana, no fiantombohan’ ny fiainana mandrakizay.
Ny vahoaka dia nilaza tamin’ i Kristy ny amin’ ny mana nohanin’ ny razany tany an’ efitra, toy ny miteny Aminy fa ambony noho izay nataon’ i Kristy izany fahagagana izany ; nasehon’ ny Tompo kosa anefa fa maivana ihany iny fanomezana iny raha ampitahaina amin’ ireo fitahiana izay nahatongavan’ i Kristy hozaraina. Tsy nahazoana tohana afa-tsy ity fiainana eto an-tany ity io mana io ; tsy nanakana ny fahafatesana tsy hihatra io, na ahazoana antoka ny tsy hahafaty mandrakizay ; fa ny mofon’ ny lanitra kosa no hamelona ny fanahy ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Hoy ny Mpamonjy : «Izaho no mofon’ aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra nefa maty ihany. Ity no mofo izay nidina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy, raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy». Nampian’ i Kristy sary hafa koa izany ka nambarany fa amin’ ny alalan’ ny fahafatesany ihany no ahazoany mizara fiainana amin’ ny olona; amin’ ireto teny manaraka ireto ihany dia tondroiny ho fitaovam-pamonjena ny fahafatesany. Hoy Izy : «Ary ny mofo izay nomeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao».
Efa hankalaza ny Paska tany Jerosalema ny Jisoy, ho fahatsiarovana an’ ilay Alina nanafahana ny Isiraely, raha namely ny tokantranon’ ny Egyptiana ilay anjely mpandringana. Tian’ Andriamanitra ny ahitan’ izy ireo ny Zanak’ Andriamanitra eo amin’ ny zanak’ ondrin’ ny Paska, ary tiany ny handraisany Azy amin’ ny alalan’ ny tandindona dia Izy izay nanolotra ny ainy ho an’ izao tontolo izao. Ny tandindona no nanjary nataon’ ny Jiosy ho zava-dehibe indrindra, nefa tsy nomarihiny ny dikany. Tsy hitany ny tenan’ ny Tompo. Ny fahamarinana izay naseho ara-tandindona tao amin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Paska, dia nampianarina koa tao amin’ ny tenin’ i Kristy. Mbola tsy hitany ihany anefa ny hevitr’ izany rehetra izany.
Niloa-bava tamin-katezerana izao ny raby ka nanao hoe : «Hataon’ Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika ?» Niseho ho tsy nahazo ny dikan’ ny teny tamin’ ny ara-bakiteny tahaka ny nataon’ i Nikodemosy izy, fony nanontany hoe : «Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ?» (Jao. 3: 4). Misy azony ihany ny dikan’ ny tenin’ i Jesosy, fa tsy ta-hanaiky izany izy. Ny fandikany vilana ny teniny no nanantenany fa hahatonga ny vahoaka hampibahana hevitra hanohitra Azy ao an-tsainy.
Tsy nanalefaka ny fanehoana ara-tandindona Azy Kristy. Naveriny ilay fahamarinana, saingy tamin’ ny teny henjana kokoa. «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy».
Ny mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ i Kristy dia ny mandray Azy ho Mpamonjy ny tena manokana sy ny mino fa mamela ny fahotantsika Izy ary tanteraka ao Aminy isika. Ny fibanjinana ny fitiavany sy ny fitoerana amin’ izany, ny fisotroana ny rany, no hahatonga antsika ho mpiray amin’ ny fombany. Toy ny hanina mamelona ny tena, dia tsy maintsy ho toy izany koa Kristy ho an’ ny fanahy. Tsy mety mahasoa antsika ny hanina raha tsy hohanintsika, ka manjary momba ny tenantsika. Toy izany koa, tsy misy vidiny amintsika Kristy raha tsy fantatsika amin’ ny maha-Mpamonjy ny tenantsika manokana Azy. Tsy hitondra soa ho antsika ny fahalalana ara-tsaina fotsiny. Tsy maintsy hivelona Aminy isika.,handray Azy ao am-po ka hanjary fiainantsika ny fiainany, tsy maintsy ho voarain’ ny tenantsika ny fitiavany sy ny fahasoavany.
Nefa na dia ireo sary ireo aza tsy afaka mampiseho ny tombontsoa sesehena eo amin’ ny fifandraisan’ ny mpino amin’ i Kristy. Hoy Jesosy : «Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa, izay mihinana Ahy no ho velona Amiko». Tahaka ny iveloman’ ny Zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana ny Ray no tokony hivelomantsika koa amin’ ny finoana an’ i Kristy. Nilefitra tamin’ ny fomba feno indrindra tamin’ ny sitrapon’ Andriamanitra Jesosy, ka ny Ray irery no niseho teo amin’ ny fiainany. Na dia nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika aza Izy dia tsy voapentin’ ny ratsy izay nanodidina Azy. Toy izany no tokony handresentsika tahaka ny nandresen’ i Kristy koa.
Moa ve mpanaraka an’ i Kristy ianao ? Raha izany dia voasoratra ho anao izay rehetra voasoratra momba ny fiainana ara-panahy, ary mety ho tanteraka amin’ ny firaisan’ ny tenanao amin’ i Jesosy. Moa ve mihareraka ny hafanam-ponao ? Moa ve mihamangatsiaka ny fitiavanao voalohany ? Ekeo indray ny fitiavana atolotr’ i Kristy. Hano ny nofony, sotroy ny rany, dia hanjary ho iray amin’ ny Ray sy ny Zanaka ianao.
Tsy nino ireo Jiosy ka ninia tsy hahita afa-tsy ny lafiny tena ara-bakiteny tamin’ ny dikan’ ny tenin’ ny Mpamonjy. Ny lalàna momba ny fivavahana dia nanakana azy tsy hihinana ra, ary izao dia raisiny ho fitenenan-dratsy ny teny nataon’ i Kristy, ka nifanditra ny amin’ izany izy. Na dia teo amin’ ny mpianatra aza dia betsaka no nanao hoe : «Sarotra izany teny izany ; iza no mahahaino izany ?».
Namaly azy ny Mpamonjy hoe : «Mahatafintohina anareo va izany ? Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha hianareo. Ny fanahy no mahavelona ; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana» .
Ny fiainan’ i Kristy, izay manome aina izao tontolo izao, no ao amin’ ny teniny. Tamin’ ny teniny no nanasitranan’ i Jesosy ny aretina sy namoahany demonia; tamin’ ny teniny no nampitoneny ny ranomasina sy nananganany ny maty ; ary ny vahoaka no vavolombelona fa nanan-kery ny teniny. Nilaza ny tenin’ Andriamanitra Izy, tahaka ny nitenenany tamin’ ny alalan’ ny mpaminany sy ny mpampianatra rehetra tao amin’ ny Testamenta Taloha. Fanehoana an’ i Kristy ny Baiboly manontolo, koa nirin’ ny Mpamonjy ny hampitoetra ny finoan’ ny mpanaraka Azy amin’ ny teny. Rehefa tsy hatrehin’ ny maso intsony Izy, dia tsy maintsy ho loharanon-kery ho azy ireo ny teny. Tahaka ny Tompony no hivelomany amin’ ny «teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra» (Mat. 4. 4).
Tahaka ny fiainantsika ara-nofo tohanan’ ny hanina, dia toy izany koa ny fiainantsika ara-panahy tohanan’ ny tenin’ Andriamanitra. Ary ny fanahy rehetra dia tokony handray aina avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Tahaka ny tsy maintsy hihinanantsika sakafo ho an’ ny tenantsika mba handraisantsika famelomana, dia toy izany koa no tsy maintsy handraisantsika ny teny ho an’ ny tenantsika. Tsy tokony ho raisintsika fotsiny amin’ ny alalan’ ny sain’ ny olona hafa izany. Tokony handinika akaiky ny Baiboly isika, ka hangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina amin’ Andriamanitra, mba hahazoantsika ny teniny. Tokony handray andininy iray isika, ka hafantoka eo ny saintsika amin’ ny alalan’ ny famakafakana ny fisainana izay nataon’ Andriamanitra ao amin’ io andininy io ho antsika. Tokony hitoetra eo amin’ io fisainana io isika mandra-pahatongan’ izany ho fisainantsika, ka ho fantatsika «izay lazain’ i Jehovah».
Izao no lazain’ i Jesosy amiko ao amin’ ny teny fikasany sy ny fampitandremana nataony. Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very aho amin’ ny finoako Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Tokony ho fanandramana ataoko ny fanandramana voalaza ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Ny fivavahana sy ny teny fikasana, ny fitsipika sy ny fampitandremana, dia ahy. «Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo, dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy» (Gal. 2: 20). Rehefa raisin’ ny finoana toy izany ny foto-kevitry ny fahamarinana ka voatsakotsakony dia manjary isan’ ny tena izany, sy hery manosika ao amin’ ny fiainana. Ny tenin’ Andriamanitra raisina ao amin’ ny fanahy, dia mamolavola ny fisainana ka miditra ao amin’ ny fampitomboana ny toetra amam-panahy.
< TOKO 40 TAPANY 2 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire