Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia (tapany 2)

Ny fibanjinana mandrakariva an’ i Jesosy amin’ ny mason’ ny finoana no hampahery antsika. Hanao ny fanambarana sarobidy indrindra Andriamanitra ho an’ ny vahoakany noana sy mangetaheta. Hahita izy fa Mpamonjy ny tenany manokana Kristy. Rehefa mivelona amin’ ny teniny izy, dia hitany fa fanahy sy aina izany. Mamono ny toetra ara-nofo araka izao tontolo izao ny teny, ary mizara aina vaovao ao amin’ i Kristy Jesosy. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny maha-Mpananatra azy ny Fanahy Masina. Noho ny fiasan’ ny fahasoavany manova, dia tafafindra eo amin’ ny mpianatra ny herin’ i Kristy; manjary olom-baovao izy. Maka ny toeran’ ny fankahalana ny fitiavana, ka mandray ny fitovizana amin’ Andriamanitra ny fo. Izany no atao hoe mivelona «amin’ ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra». Izany no mihinana ny Mofo izay nidina avy tany an-danitra.       

Nilaza fahamarinana masina sy mandrakizay Kristy, mikasika ny fifandraisan’ ny tenany sy ny mpanaraka Azy. Fantany ny toetra amam-panahin’ ireo izay milaza ny tenany ho mpianany, ary misedra ny finoany ny teniny. Nambarany fa tokony hino sy hiasa araka ny teniny izy. Izay rehetra mandray Azy dia tokony ho mpiray amin’ ny toetrany, ka hitovy toetra Aminy. Izany dia mahafaoka ny famelana ny hambom-po nankamamiana. Mitaky fampileferana tanteraka ny tena amin’ i Jesosy izany. Nantsoina hahafoy tena isika, ho malemy fanahy sady tsy hiavona am-po. Tsy maintsy andehanana ny lalana ety izay nodiavin’ Ilay Lehilahin’ i Kalvary, raha te-hanana anjara amin’ ny fanomezan’ ny fiainana sy ny voninahitry ny lanitra.

Lehibe loatra ny fisedrana. Nihamangatsiaka ny firehetam-pon’ ireo izay nitady haka Azy an-keriny ka hanao Azy ho Mpanjaka. Nampihiratra ny masony, hoy ny nambarany, ity laha-teny tao amin’ ny synagoga ity. Tsy voafitaka intsony izy izao. Ny tao an-tsain’ izy ireo dia fiaikena mivantana ny teniny fa tsy Izy no Mesia; fantany fa tsy hisy valisoa ara-nofo amin’ ny firaisana Aminy. Noraisiny tamim-pifaliana ny heriny nanao fahagagana; niriny mafy ny ho afaka amin’ ny aretina sy ny fijaliana; nefa tsy tiany ny hiray fo Aminy eo amin’ ny fiainany feno fahafoizan-tena. Tsy noraharahainy ny fanjakana ara-panahy mifono zava-miafina izay nolazainy. Tsy naniry Azy intsony ny tsy madio am-po, ny tia tena izay efa nitady Azy. Raha tsy hanokana ny fahefany sy ny hery miasa mangina avy Aminy mba hahazoana fahafahana amin’ ny Romana Izy, dia tsy tiany ny hifandray Aminy, na amin’ inona na amin’ inona.   

Nolazain’ i Jesosy mazava taminy hoe «misy ny sasany aminareo izay tsy mino», sady nampiany hoe : «Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany». Niriny ny hahazoan’ izy ireo tsara fa matoa tsy voatarika ho eo Aminy izy, dia satria tsy misokatra hiasan’ ny Fanahy Masiny ny fony. «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny fanahy no hamantarana izany» (1kor. 2: 14). Amin’ ny alalan’ ny finoana no hibanjinan’ ny fanahy ny voninahitr’ i Jesosy. Miafina io voninahitra io mandra-pitsirin’ ny finoana ao amin’ ny fanahy, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina.

Vao mainka nampihataka ireo mpianatra ireo tamin’ i Jesosy ny fanomezan-tsiny ampahibemaso ny finoany. Sosotra mafy izy ka naniry ny hanao teny maharary amin’ ny Mpamonjy, ary hanome fahafaham-po ny faharatsian’ ny Fariseo, noho izany dia ny lamosiny no natodiny taminy, ka niala izy sady nanamavo Azy. Nampiasa ny safidiny izy, dia ny endrika tsy misy fanahy, toa akofa tsy misy voa. Tsy niova intsony ny fanapahan-keviny taty aoriana ; tsy hiaramandeha amin’ i Jesosy intsony izy.

«Eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra» (Mat. 3:12). Iray tamin’ ny fotoana fanadiovana izany. Amin’ ny alalan’ ny tenin’ ny fahamarinana no ampisarahana ny vary amin’ ny akofa. Satria mirehareha loatra sy tia tena loatra izy ka tsy nandray teny fananarana, ary tia an’ izao tontolo izao loatra ka tsy hanaiky fiainana feno fanetren-tena koa, dia betsaka no niala tamin’ i Jesosy. Betsaka koa no mbola manao izany ankehitriny. Sedraina ny fanahy tsirairay avy tahaka ireo mpianatra tao amin’ ny Synagoga tany Kapernaomy. Rehefa raisiny hitoetra ao am-po ny fahamarinana, dia habaribariny fa tsy mifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny fiainany. Ho hitany fa mila fiovana tanteraka izy ; nefa tsy vonona ny handray ny asa feno fahafoizan-tena. Noho izany dia tezitra izy rehefa aseho ny fahotany. Tafintohina izy ka lasa, eny, tahaka ny nandaozan’ ny mpianatra an’ i Jesosy, sady mimonomonona hoe : «Sarotra izany teny izany, iza ho mahahaino izany ?»

Mety hahafinaritra ny sofiny ny fiderana sy ny fanasohasoana ; nefa tsy raisiny amim-pifaliana ny fahamarinana; tsy zakany ny mihaino izany. Rehefa nanaraka an’ i Jesosy ny vahoaka, ka nofahanana ireo olona marobe, ary re ny antsoantsom-pandresena, dia nasandrany mafy ny feo midera ; fa rehefa asehon’ ny Fanahin’ Andriamanitra kosa ny fahotana, ka mibaiko ny hialana amin’ izany dia ny lamosiny no natodiny ny fahamarinana, ary tsy miara-dia amin’ i Jesosy intsony izy.

Rehefa niala hanalavitra an’ i Kristy ireo mpianatra nihemotra ireo, dia fanahy hafa no nifehy azy. Tsy hitany intsony izay. endrika mahasarika teo amin’ Ilay nahaliana dia nahaliana azy teo aloha. Nizaha ny fahavalony izy, satria nifandrindra tamin’ ny sainy sy ny asany izy ireo. Nodisoin’ ireo ny teniny, nosandohany ny fanambarany, ary notsininy ny anton-javatra manosika Azy. Mba hanamarinany ny fihetsiny dia nangoniny ny vaovao rehetra azo ahodina hanohitra Azy; koa lehibe indrindra ny vokatr’ ireny tatitra diso ireny, hany ka notandindomin-doza ny ain’ i Jesosy. 

Niparitaka haingana ny vaovao, fa tsy Mesia Jesosy avy any Nazareta araka ny fanambaran’ ny tenany mihitsy. Koa araka izany dia nihodina nanohitra Azy ny fizotry ny fihetseham-pon’ ny besinimaro tany Galilia, tahaka ny tany Jodia, herintaona talohan’ izao. Indrisy ry Isiraely ! Nitsipaka ny Mpamonjy azy izy, satria izay niriny mafy dia mpandresy hanome azy fahefana ara-nofo. Naniry ny hanina mety simba izy, fa tsy ilay maharitra mandritra ny fiainana mandrakizay.

Nalahelo mafy ny fon’ i Jesosy, raha nahita ireo efa mpianany niala taminy, Izy izay Fiainana sy Fahazavan’ ny olona. Nameno ny fony tamin’ ny fahoriana tsy hay lazaina ny fahatsapany mazava fa tsy nankasitrahana ny fangorahany, tsy misy setriny ny fitiavany, tsy noraharahaina ny famindram-pony, notsipahina ny famonjeny. Ny toe-javatra toy izany no nahatonga Azy ho Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana. 

Tsy nanandrana ny hanakana ireo izay nandao Azy Jesosy, fa nitodika teny amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka niteny hoe : «Hianareo koa va mba te-hiala ?»

  Namaly ny fanontaniana i Petera ka nanao hoe : «Hankany amin’ iza moa izahay ? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay», hoy ny nanampiny. «Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona».     

«Ho any amin’ iza moa izahay ?» Andevon’ ny fombafomba ivelany ny mpampianatr’ Isiraely. Nifanditra mandrakariva ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ny mandao an’ i Jesosy dia mahatonga azy ho latsaka ao anivon’ ireo fatra-panaraka ny fombafombam-pivavahana, sy eo amin’ ny olona be hambom-po tsy nitady afa-tsy ny voninahitry ny tenany. Nahita fiadanana sy fifaliana betsaka ny mpianatra hatr’ izay nanekeny an’ i Kristy ho ambony indrindra tao amin’ ny fiainany tany aloha rehetra. Ahoana no ahazoanay miverina any amin’ ireo izay nanamavo sy nanenjika Ilay Sakaizan’ ny mpanota ? Efa nibanjina ela ny fiavian’ ny Mesia izy; tonga Izy izao, ka tsy azony atao ny hiodina tsy ho eo anatrehany ka ho any amin’ izay mihaza ny ain’ ny Mesia, sy nanenjika azy ireo noho izy ireo tonga mpanaraka Azy. 

«Hankany amin’ iza moa izahay ?» Tsy ny hiala amin’ ny fampianaran’ i Kristy avy amin’ ny lesona nataony feno fitiavana sy famindrampo, ka ho eo amin’ ny haizin’ ny tsy finoana, ny haratsiampanàhin’ izao tontolo izao. Raha nandao ny Mpamonjy ny olona maro izay nanatri-maso ny asa mahagaga nataony, dia nampiseho ny finoan’ ny mpianatra kosa i Petera nanao hoe : — «Hianao no Kristy». Ny fiheverana fotsiny fa tsy ho azony ifikirana intsony io vatofantsiky ny fanahiny io dia mameno tahotra sy fahoriana azy. Ny tsy manana Mpamonjy no ho voatarika hivily ho any amin’ ny ranomasina maizina sy misamboaravoara. 

 Betsaka ny tenin’ i Jesosy sy ny fihetsiny no toa mifono zava-miafina ho an’ ny saina voafetra, nefa ny teny rehetra sy ny fihetsika rehetra dia manana zava-kendrena voafaritra eo amin’ ny asa fanavotana antsika ; samy voakendry hanana ny vokany avy ireny. Raha afaka mahafantatra ny zava-nokendren’ i Jesosy isika, dia ho hita fa zava-dehibe, feno ary mifandrindra amin’ ny asa nanirahana azy ny zavatra rehetra.

Raha tsy azontsika ankehitriny ny asa sy ny lalàn’ Andriamanitra, dia mety ho fantatsika kosa ny fitiavany lehibe izay fototry ny fifandraisany rehetra amin’ ny olona. Izay velona eo akaikin’ i Jesosy no hahatakatra betsaka ny amin’ ny zava-miafin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Ho fantany ny famindrampo izay mitondra fananarana ka misedra ny toetra amam-panahy, ary mitondra ny fikasan’ ny fo ho eo amin’ ny mazava.

Tamin’ ny fanehoan’ i Jesosy ny fahamarinana natao ho fisedrana, izay nampiverin’ ilalana ny betsaka tamin’ ny mpianany dia fantany tsara izay ho vokatry ny teniny, nefa notohizany ihany ny fikasany hamindra fo aminy. Hitany mialoha fa amin’ ny oran’ ny fakam-panahiny dia hosedraina mafy ny mpianany malala tsirairay. Ny ady hihatra aman’ aina hatrehiny ao Getsemane, ny hamadihana Azy sy ny hanomboana Azy eo amin’ ny hazo fijaliana no fizahan-toetra mahamay indrindra ho azy ireo. Raha tsy misy fisedrana nomena mialoha, dia ho betsaka no ho nanaraka Azy noho ny fitiavan-tena fotsiny. Rehefa nohelohina tao amin’ ny efitra fitsarana ny Tompony, ka nampahory Azy tamin’ ny fanarabiana ny vahoaka marobe izay vao avy niarahaba Azy ho Mpanjakany, rehefa niantsoantso ny vahoaka hanakora Azy hoe: «Homboy!» - rehefa diso fanantenana ny hambom-pony araka izao tontolo izao satria mitady tombon-tsoa ho an’ ny tenany izy ireo, dia nitondra alahelo mangidy sy enta-mavesatra teo amin’ ny fony ny mpianatra, ho fanampin’ ny fahorian’ izy ireo sy ny fahadisoam-panantenany tamin’ ny naharavan’ ny fanantenany mamy indrindra. Tamin’ io ora maizina io no mety hahavoatarika azy ireo hiala amin’ ny Tompo, toy ireo efa nihodina niala taminy. Navelan’ i Jesosy hihatra anefa io zava-tsarotra io, tamin’ ny fotoana izay nahazoan’ ny fanatrehan’ ny tenany hampahery ny fìnoan’ ireo tena mpanaraka Azy marina.

Mpamonjy be fangorahana indrindra Izy ka nanalefaka tamim-pitiavana ny lalana hodiavin’ ny mpianany, hampiomanany azy ho amin’ ny fitsapana fara-tampony, ka nampahery azy ho amin’ ny fisedrana farany, na dia fantany tanteraka aza ny fiafarana mahatsiravina miandry Azy. 



< TAPANY 1                                                                                                                       TOKO 42 > 

Commentaires

Articles les plus consultés