Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona (tapany 1)
Anisan’
ny mpianatr’ i Jesosy i Simona avy any Betania. Anankiray tamin’ ireo
Fariseo vitsivitsy izay nifandray ampahibemaso tamin’ ny mpanaraka an’ i
Kristy izy (Mat. 26 : 6-13 ; Mar. 14: 3-11 ; Lio. 7 : 36-50 ; Jao. 11 : 55-57 ; 12 : 1-11).
Nekeny ho mpampianatra Jesosy, ary nantenainy fa mety ho Mesia, nefa
tsy nanaiky Azy ho Mpamonjy izy. Tsy voaova ny toetra amam-panahiny ;
tsy niova koa ireo foto-kevitra nijoroany.
Sitrana tamin’ ny habokana i Simona, ary izany no nitarika azy ho eo amin’ i Jesosy. Naniry ny haneho ny fankasitrahany izy ka tamin’ ny namangian’ i Kristy farany tany Betania, dia nanao fanasana ho an’ ny Mpamonjy sy ny mpianany izy. Maro ny Jiosy tafangona tamin’ io fanasana io. Nisy fihetsiketsehan-tsaina betsaka tao Jerosalema tamin’ izany fotoana izany. Voasarika ho amin’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy bebe kokoa noho ny teo aloha ny saina. Ireo izay tonga tao amin’ ny fanasana dia nanara-maso akaiky ny fihetsiny, ary nisy nanao izany tamin’ ny mason’ ny tsy tia.
Henemana
fotsiny talohan’ ny Paska no nahatongavan’ ny Mpamonjy tao Betania, ary
araka ny fombany dia nitady fialan-tsasatra, tao an-tranon’ i Lazarosy
Izy. Naparitak’ ireo mpivahiny nandalo tao amin’ io tanàna io ny
filazana fa teo an-dalana ho any Jerosalema izy, ary hanao Sabata ao
Betania. Hafaliam-be ny an’ ny vahoaka. Maro ny olona nirohotra ho any
Betania, ny sasany noho ny firaisam-pony tamin’ i Jesosy, ary ny sasany
noho ny fitiavan-kahita ilay efa natsangana tamin’ ny maty.
Betsaka ireo izay nanantena ny handre zava-mahaliana hotantarain’ i Lazarosy ny amin’ izay hitany tany ankoatry ny fahafatesana. Gaga izy ireo raha tsy nilaza na inona na inona izy. Tsy nanan-javatra toy izany koa hotantaraina taminy izy. Hoy ny teny avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra : «Ny maty tsy mba mahalala na inona na inona ... Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona» (Mp.T. 9 : 5, 6). Fa vavolombelona mahagaga ny amin’ ny asan’ i Kristy kosa i Lazarosy. Izany no nananganana azy tamin’ ny maty. Nambarany tamim-pahatokiana sy tamin-kery fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra.
Vao mainka koa niendratrendratra ny olona noho ny tatitra nentin’ ireo mpitsidika tany Betania niverina tany Jerosalema. Liana hahita sy hihaino an’ i Jesosy ny olona. Ta-hahalala ny besinimaro raha hiaraka aminy ho any Jerosalema i Lazarosy, ary raha hasandratra ho mpanjaka amin’ ny Paska Ilay mpaminany. Hitan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka fa mbola nihena ihany ny fahefany tamin’ ny vahoaka ka vao mainka nampangidy ny hatezerany tamin’ i Jesosy izany. Mila tsy ho andriny ny hahitany fotoana mety hamongorana Azy mandrakizay tsy ho eo amin’ ny lalan’ izy ireo. Nandroso ny fotoana ka nanomboka nanahy izy ireo fa mety tsy hiakatra akory ho any Jerosalema Izy. Tsaroany fa matetika mihitsy no voasakana ireo tetika hamonoany Azy, ka natahotra izy ireo sao efa voavakiny sahady koa ny fikasana tao am-pon’ izy ireo hamono Azy, ka hijanona lavitra any Izy. Tsy hainy nafenina ny tebitebiny ka nifanontany izy ireo hoe: «Ahoana ny hevitrareo ? tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy ?»
Nantsoina hivory ny mpisorona sy ny Fariseo. Hatramin’ ny nananganana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty dia niray fo tanteraka indrindra tamin’ i Kristy ny vahoaka, ka nety hampidi-doza ny misambotra Azy ampahibemaso. Noho izany dia nanapa-kevitra ireo lehibe fa hisambotra Azy amin’ ny miafinafina ka hatao mangingina araka izay azo atao ny fitsarana Azy. Nanantena izy ireo fa rehefa re ny fanamelohana Azy, dia hivadika ny vahoaka mpiovaova hevitra ka hankasitraka azy ireo.
Toy izany no tetika nataony hamonoana an’ i Jesosy. Nefa raha mbola velona koa i Lazarosy, dia fantatry ny mpisorona sy ny raby fa tsy azo antoka ny amin’ ny hanjo azy ireo. Ny fisian’ ny lehilahy izay tany am-pasana efarana, ka tafaverina noho ny tenin’ i Jesosy, dia tsy maintsy hisy vokany na ho ela na ho haingana. Hifoteran’ ny vahoaka ireo mpitarika azy satria nandatsaka ny ain’ Ilay nahavita fahagagana toy izany. Noho izany dia nanapa-kevitra ny Synedriona fa tsy maintsy ho faty koa i Lazarosy. Lalina toy izany no andetehan’ ny fitsiriritana sy ny hevi-dratsy mibahana ao an-tsain’ izay efa nandevoziny. Nitombo hatrany ny fankahalana sy ny tsy finoan’ ireo mpitarika jiosy mandra-pandatsahan’ ny ain’ ny olona izay afaka tamin’ ny fasana noho ny hery mandrakizay.
Raha
novolavolaina toy izany io tetika io tany Jerosalema, dia nantsoina
tany amin’ ny fanasan’ i Simona Jesosy sy ny sakaizany. Teo amin’ ny
latabatra nipetrahan’ ny Mpamonjy dia nisy an’ i Simona izay nositraniny
tamin’ ny aretina mahatsiravina teo amin’ ny ilany iray, ary teo amin’
ny iray kosa nisy an’ i Lazarosy izay natsangany tamin’ ny maty. Marta
nandroso sakafo fa i Maria kosa nihaino tamin-kafanam-po ny teny rehetra
avy eo amin’ ny molotr’ i Jesosy. Noho ny famindrampony, dia namela ny
helony Jesosy, nanangana ny anadahy malalany avy tao am-pasana izy ka
feno fankasitrahana ny fon’ i Maria. Nandre an’ i Jesosy nilaza momba ny
hahafatesany efa manakaiky izy, ary noho ny fitiavany sy ny alahelony
lalina, dia naniry indrindra ny hanome voninahitra Azy izy. Nanao
fahafoizan-tena be izy mba hividianany tavoara alabastara «feno menaka
manitra nisy narda sarobidy indrindra», mba hanosorany ny tenany.
Betsaka anefa izao no milaza fa hosorana ho mpanjaka Izy. Nivadika ho
fifaliana ny alahelony ka naniry indrindra izy ny ho voalohany amin’ ny
fanomezam-boninahitra ny Tompony. Novakiny ilay tavoara nisy menaka
fanosorana, dia nararany teo amin’ ny tongotra sy ny lohan’ i Jesosy ny
tao anatiny, dia nandohalika nitomany izy, kotsan’ ny ranomasony ny
tongotr’ i Jesosy ka nofafany tamin’ ny volony lava, novahany.
Nokendreny ny tsy hojerijerena, ary nety ho tsy nisy nahamarika ny zavatra nataony, nefa feno fofo-manitra ny efitrano noho ny fanosorana nataony ka nanambara ny fihetsiny tamin’ izay rehetra teo izany. Sorena indrindra i Jodasy nahita izany. Tsy niandry hihaino izay holazain’ i Jesosy momba izany izy, fa nanomboka nibitsibitsika sy nimonomonona tamin’ izay teo akaikiny, ka nanome tsiny an’ i Jesosy Izay manaiky fandaniam-poana toy izao. Fetsy dia fetsy izy nanipy hevitra izay nety ho nahatonga tsy fankasitrahana an’ izay vao natao.
Jodasy no mpitahiry ny volan’ ny mpianatra, ary efa nakany ankinafinafina ny tahiry kelin-drizareo, ho an’ ny tenany manokana, noho izany dia nihena ny fananan’ izy ireo ka sakafo tsy mahafa- po sisa. Nazoto erỳ izy nanao tao amin’ ny kitapo izay rehetra nety ho azony. Matetika no nosintonina ny fananana tao amin’ ny kitapo mba hanampiana ny mahantra ; ary rehefa misy zavatra novidina izay noheverin’ i Jodasy ho tsy ilaina loatra, dia izao no filazany : «Nahoana io fandaniam-poana io ? nahoana no tsy narotsaka tao amin’ ny kitapo izay entiko ny vidin’ io ho an’ ny malahelo ?» Nifanohitra indrindra tamin’ ny fitiavan-tenany izao fihetsik’ i Maria izao, ka menatra izy, ary araka ny fanaony, dia nitady antony misy lanjany izy ny amin’ ny tsy nankasitrahany ny fanomezan’ i Maria. Nitodika nankany amin’ ny mpianatra izy dia nanontany hoe : «Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato, ka nomena ny malahelo ? Ary nilaza izany izy tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny». Tsy nanana fo mangoraka ny malahelo i Jodasy. Raha namidy ny menaka nahosotr’ i Maria, ka voarain’ i Jodasy ny vidin’ izany. dia tsy ho nisy tombon-tsoa akory ho voarain’ ny malahelo.
Ambony tokoa no fiheveran’ i Jodasy ny fahaizany ny asany. Noho ny maha-mpitam-bola azy dia nanao ny tenany ho ambony lavitra noho ny namany izy, ary efa voatariny hijery ny tenany toy izany koa izy ireo. Nanjary natoky azy izy ireo ary mafy tokoa ny hery miasa mangina tamin’ izy ireo avy amin’ i Jodasy. Namitaka azy ireo ny filazany fa mangora-po ny mahantra izy, ary nahatonga azy ireo tsy hatoky ny asam-pitiavana mahery nataon’ i Maria ny hevitra fetsy nasisiny. Nimonomonona ny manodidina ny latabatra ka nanao hoe : «Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo».
Ren’ i Maria ny teny fanakianana azy. Nangorohoro ny fony. Natahotra izy sao manome tsiny azy ny rahavaviny noho ny fihetsika hafahafa nataony. Ny Tompo koa mety hihevitra izany ho zavatra nataotao foana. Saika hiala moramora i Maria tsy hifona ary tsy hiala tsiny raha reny ny feon’ ny Tompony nanao hoe : «Avelao izy ; nahoana hianareo no mampalahelo azy ?» Hitany fa sady saikatsaikatra izy no ory. Fantany fa nanehoany ny fankasitrahany noho ny famelana ny fahotany io asam-panompoana nataony io, ka nanamaivana ny sainy izy. Nanandra-peo avo noho ny fimonomononana faninitsiniana Izy ka nanao hoe : «Asa soa no nataony Tamiko. Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo, fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy ; namonjy nanosotra ny Tenako hanamboarany Ahy halevina izy».
Ny fanomezana mani-pofona izay noheverin’ i Maria fa hatobaka eo amin’ ny tenan’ ny Mpamonjy rehefa maty, dia nararany teo amin’ Izy velona. Raha teo am-pandevenana dia ho nameno fotsiny ny fasana ny hani-pofony ; fa izao kosa nahafaly ny fon’ ny Mpamonjy noho ny fahatokisany ny finoany sy ny fitiavany. Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy dia tsy nanolotra ny fanomezany vokatry ny fitiavany an’ i Jesosy raha mbola velona Izy. Tamin-dranomaso mangidy no nitondrany ireo zava-manitra sarobidy ho an’ ny tenany mangatsiaka sy tsy mahatsiaro na inona na inona intsony. Ireo vehivavy izay nitondra zava-manitra ho any am-pasana dia niveri-maina fotsiny, satria efa nitsangana Izy. Fa i Maria kosa izay nampitosaka ny fitiavany teo amin’ ny Mpamonjy raha mbola afaka nahalala izany fitiavany lalina izany Izy, dia nanosotra Azy amin’ ny handevenana Azy. Ary raha nidina tao amin’ ny haizina Izy tamin’ ny fitsapana lehibe nihatra Taminy, dia nentiny niaraka Taminy ny fahatsiarovana an’ izany fihetsika izany, dia fitiavana mafana indrindra amin’ izay hatolotr’ ireo voavotra ho Azy mandrakizay.
Betsaka ny olona izay mitondra ny fanomezany sarobidy ho an’ ny maty. Raha eo anatrehan’ ny vatana mangatsiaka sy mangina dia miraraka ho azy ny tenim-pitiavana. Samy atobaka eo amin’ ilay tsy mahita sady tsy mandre ny fahalemem-panahy, ny fankasitrahana, ny fitiavana lalina. Raha natao ireny teny ireny fony nila izany indrindra ny fanahy reraka, raha fony afaka nandre ny sofina, ary afaka nahatsapa ny fo, ho sarobidy manao ahoana ny fofo-manitr’ izany.
Tsy fantatr’ i Maria ny tena dikan’ ny asam-pitiavana nataony. Tsy voavaliny ireo mpiampanga azy. Tsy hainy ny nanazava ny antony nifidianany an’ io fotoana io hanosorana an’ i Jesosy. Efa nanao drafitra ho azy ny Fanahy Masina, ary nankatò ny bitsika noraisiny izy. Tsy midina ambany ka nanome fanazavana ny tsindrimandry. Nisy fanatrehana tsy hita maso, izay miteny amin’ ny saina sy ny fanahy, ka mampihetsika ny fo hiasa. Ampy ho fanamarinana ho azy izany.
Nolazain’ i Kristy tamin’ i Maria ny dikan’ ny fihetsiny, ary tamin’ izany dia mihoatra noho ny noraisiny ny nomeny : «Fa izy raha nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, hoy Izy, dia ny namboatra Ahy halevina no nanaovany izany». Tahaka ny nahavaky ilay tavoara alabastara, ka nameno ny trano manontolo ny fameroverony, toy izany koa no tsy maintsy hahafatesan’ i Kristy, sy ny hahavakivaky ny tenany ; nefa tsy maintsy hitsangana avy ao am-pasana Izy, ka hameno ny tany ny fameroveron’ ny fiainany. Tia antsika Kristy ka nanolotra «ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana» (Efes. 5 : 2).
< TOKO 61 TAPANY 2 >
Sitrana tamin’ ny habokana i Simona, ary izany no nitarika azy ho eo amin’ i Jesosy. Naniry ny haneho ny fankasitrahany izy ka tamin’ ny namangian’ i Kristy farany tany Betania, dia nanao fanasana ho an’ ny Mpamonjy sy ny mpianany izy. Maro ny Jiosy tafangona tamin’ io fanasana io. Nisy fihetsiketsehan-tsaina betsaka tao Jerosalema tamin’ izany fotoana izany. Voasarika ho amin’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy bebe kokoa noho ny teo aloha ny saina. Ireo izay tonga tao amin’ ny fanasana dia nanara-maso akaiky ny fihetsiny, ary nisy nanao izany tamin’ ny mason’ ny tsy tia.
Betsaka ireo izay nanantena ny handre zava-mahaliana hotantarain’ i Lazarosy ny amin’ izay hitany tany ankoatry ny fahafatesana. Gaga izy ireo raha tsy nilaza na inona na inona izy. Tsy nanan-javatra toy izany koa hotantaraina taminy izy. Hoy ny teny avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra : «Ny maty tsy mba mahalala na inona na inona ... Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona» (Mp.T. 9 : 5, 6). Fa vavolombelona mahagaga ny amin’ ny asan’ i Kristy kosa i Lazarosy. Izany no nananganana azy tamin’ ny maty. Nambarany tamim-pahatokiana sy tamin-kery fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra.
Vao mainka koa niendratrendratra ny olona noho ny tatitra nentin’ ireo mpitsidika tany Betania niverina tany Jerosalema. Liana hahita sy hihaino an’ i Jesosy ny olona. Ta-hahalala ny besinimaro raha hiaraka aminy ho any Jerosalema i Lazarosy, ary raha hasandratra ho mpanjaka amin’ ny Paska Ilay mpaminany. Hitan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka fa mbola nihena ihany ny fahefany tamin’ ny vahoaka ka vao mainka nampangidy ny hatezerany tamin’ i Jesosy izany. Mila tsy ho andriny ny hahitany fotoana mety hamongorana Azy mandrakizay tsy ho eo amin’ ny lalan’ izy ireo. Nandroso ny fotoana ka nanomboka nanahy izy ireo fa mety tsy hiakatra akory ho any Jerosalema Izy. Tsaroany fa matetika mihitsy no voasakana ireo tetika hamonoany Azy, ka natahotra izy ireo sao efa voavakiny sahady koa ny fikasana tao am-pon’ izy ireo hamono Azy, ka hijanona lavitra any Izy. Tsy hainy nafenina ny tebitebiny ka nifanontany izy ireo hoe: «Ahoana ny hevitrareo ? tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy ?»
Nantsoina hivory ny mpisorona sy ny Fariseo. Hatramin’ ny nananganana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty dia niray fo tanteraka indrindra tamin’ i Kristy ny vahoaka, ka nety hampidi-doza ny misambotra Azy ampahibemaso. Noho izany dia nanapa-kevitra ireo lehibe fa hisambotra Azy amin’ ny miafinafina ka hatao mangingina araka izay azo atao ny fitsarana Azy. Nanantena izy ireo fa rehefa re ny fanamelohana Azy, dia hivadika ny vahoaka mpiovaova hevitra ka hankasitraka azy ireo.
Toy izany no tetika nataony hamonoana an’ i Jesosy. Nefa raha mbola velona koa i Lazarosy, dia fantatry ny mpisorona sy ny raby fa tsy azo antoka ny amin’ ny hanjo azy ireo. Ny fisian’ ny lehilahy izay tany am-pasana efarana, ka tafaverina noho ny tenin’ i Jesosy, dia tsy maintsy hisy vokany na ho ela na ho haingana. Hifoteran’ ny vahoaka ireo mpitarika azy satria nandatsaka ny ain’ Ilay nahavita fahagagana toy izany. Noho izany dia nanapa-kevitra ny Synedriona fa tsy maintsy ho faty koa i Lazarosy. Lalina toy izany no andetehan’ ny fitsiriritana sy ny hevi-dratsy mibahana ao an-tsain’ izay efa nandevoziny. Nitombo hatrany ny fankahalana sy ny tsy finoan’ ireo mpitarika jiosy mandra-pandatsahan’ ny ain’ ny olona izay afaka tamin’ ny fasana noho ny hery mandrakizay.

Nokendreny ny tsy hojerijerena, ary nety ho tsy nisy nahamarika ny zavatra nataony, nefa feno fofo-manitra ny efitrano noho ny fanosorana nataony ka nanambara ny fihetsiny tamin’ izay rehetra teo izany. Sorena indrindra i Jodasy nahita izany. Tsy niandry hihaino izay holazain’ i Jesosy momba izany izy, fa nanomboka nibitsibitsika sy nimonomonona tamin’ izay teo akaikiny, ka nanome tsiny an’ i Jesosy Izay manaiky fandaniam-poana toy izao. Fetsy dia fetsy izy nanipy hevitra izay nety ho nahatonga tsy fankasitrahana an’ izay vao natao.
Jodasy no mpitahiry ny volan’ ny mpianatra, ary efa nakany ankinafinafina ny tahiry kelin-drizareo, ho an’ ny tenany manokana, noho izany dia nihena ny fananan’ izy ireo ka sakafo tsy mahafa- po sisa. Nazoto erỳ izy nanao tao amin’ ny kitapo izay rehetra nety ho azony. Matetika no nosintonina ny fananana tao amin’ ny kitapo mba hanampiana ny mahantra ; ary rehefa misy zavatra novidina izay noheverin’ i Jodasy ho tsy ilaina loatra, dia izao no filazany : «Nahoana io fandaniam-poana io ? nahoana no tsy narotsaka tao amin’ ny kitapo izay entiko ny vidin’ io ho an’ ny malahelo ?» Nifanohitra indrindra tamin’ ny fitiavan-tenany izao fihetsik’ i Maria izao, ka menatra izy, ary araka ny fanaony, dia nitady antony misy lanjany izy ny amin’ ny tsy nankasitrahany ny fanomezan’ i Maria. Nitodika nankany amin’ ny mpianatra izy dia nanontany hoe : «Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato, ka nomena ny malahelo ? Ary nilaza izany izy tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny». Tsy nanana fo mangoraka ny malahelo i Jodasy. Raha namidy ny menaka nahosotr’ i Maria, ka voarain’ i Jodasy ny vidin’ izany. dia tsy ho nisy tombon-tsoa akory ho voarain’ ny malahelo.
Ambony tokoa no fiheveran’ i Jodasy ny fahaizany ny asany. Noho ny maha-mpitam-bola azy dia nanao ny tenany ho ambony lavitra noho ny namany izy, ary efa voatariny hijery ny tenany toy izany koa izy ireo. Nanjary natoky azy izy ireo ary mafy tokoa ny hery miasa mangina tamin’ izy ireo avy amin’ i Jodasy. Namitaka azy ireo ny filazany fa mangora-po ny mahantra izy, ary nahatonga azy ireo tsy hatoky ny asam-pitiavana mahery nataon’ i Maria ny hevitra fetsy nasisiny. Nimonomonona ny manodidina ny latabatra ka nanao hoe : «Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo».
Ren’ i Maria ny teny fanakianana azy. Nangorohoro ny fony. Natahotra izy sao manome tsiny azy ny rahavaviny noho ny fihetsika hafahafa nataony. Ny Tompo koa mety hihevitra izany ho zavatra nataotao foana. Saika hiala moramora i Maria tsy hifona ary tsy hiala tsiny raha reny ny feon’ ny Tompony nanao hoe : «Avelao izy ; nahoana hianareo no mampalahelo azy ?» Hitany fa sady saikatsaikatra izy no ory. Fantany fa nanehoany ny fankasitrahany noho ny famelana ny fahotany io asam-panompoana nataony io, ka nanamaivana ny sainy izy. Nanandra-peo avo noho ny fimonomononana faninitsiniana Izy ka nanao hoe : «Asa soa no nataony Tamiko. Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo, fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy ; namonjy nanosotra ny Tenako hanamboarany Ahy halevina izy».
Ny fanomezana mani-pofona izay noheverin’ i Maria fa hatobaka eo amin’ ny tenan’ ny Mpamonjy rehefa maty, dia nararany teo amin’ Izy velona. Raha teo am-pandevenana dia ho nameno fotsiny ny fasana ny hani-pofony ; fa izao kosa nahafaly ny fon’ ny Mpamonjy noho ny fahatokisany ny finoany sy ny fitiavany. Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy dia tsy nanolotra ny fanomezany vokatry ny fitiavany an’ i Jesosy raha mbola velona Izy. Tamin-dranomaso mangidy no nitondrany ireo zava-manitra sarobidy ho an’ ny tenany mangatsiaka sy tsy mahatsiaro na inona na inona intsony. Ireo vehivavy izay nitondra zava-manitra ho any am-pasana dia niveri-maina fotsiny, satria efa nitsangana Izy. Fa i Maria kosa izay nampitosaka ny fitiavany teo amin’ ny Mpamonjy raha mbola afaka nahalala izany fitiavany lalina izany Izy, dia nanosotra Azy amin’ ny handevenana Azy. Ary raha nidina tao amin’ ny haizina Izy tamin’ ny fitsapana lehibe nihatra Taminy, dia nentiny niaraka Taminy ny fahatsiarovana an’ izany fihetsika izany, dia fitiavana mafana indrindra amin’ izay hatolotr’ ireo voavotra ho Azy mandrakizay.
Betsaka ny olona izay mitondra ny fanomezany sarobidy ho an’ ny maty. Raha eo anatrehan’ ny vatana mangatsiaka sy mangina dia miraraka ho azy ny tenim-pitiavana. Samy atobaka eo amin’ ilay tsy mahita sady tsy mandre ny fahalemem-panahy, ny fankasitrahana, ny fitiavana lalina. Raha natao ireny teny ireny fony nila izany indrindra ny fanahy reraka, raha fony afaka nandre ny sofina, ary afaka nahatsapa ny fo, ho sarobidy manao ahoana ny fofo-manitr’ izany.
Tsy fantatr’ i Maria ny tena dikan’ ny asam-pitiavana nataony. Tsy voavaliny ireo mpiampanga azy. Tsy hainy ny nanazava ny antony nifidianany an’ io fotoana io hanosorana an’ i Jesosy. Efa nanao drafitra ho azy ny Fanahy Masina, ary nankatò ny bitsika noraisiny izy. Tsy midina ambany ka nanome fanazavana ny tsindrimandry. Nisy fanatrehana tsy hita maso, izay miteny amin’ ny saina sy ny fanahy, ka mampihetsika ny fo hiasa. Ampy ho fanamarinana ho azy izany.
Nolazain’ i Kristy tamin’ i Maria ny dikan’ ny fihetsiny, ary tamin’ izany dia mihoatra noho ny noraisiny ny nomeny : «Fa izy raha nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, hoy Izy, dia ny namboatra Ahy halevina no nanaovany izany». Tahaka ny nahavaky ilay tavoara alabastara, ka nameno ny trano manontolo ny fameroverony, toy izany koa no tsy maintsy hahafatesan’ i Kristy, sy ny hahavakivaky ny tenany ; nefa tsy maintsy hitsangana avy ao am-pasana Izy, ka hameno ny tany ny fameroveron’ ny fiainany. Tia antsika Kristy ka nanolotra «ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana» (Efes. 5 : 2).
< TOKO 61 TAPANY 2 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire