Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona (tapany 2)
«Lazaiko
aminareo marina tokoa, hoy Kristy : Na aiza na aiza amin’ izao tontolo
izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay
nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy». Nitazana ny ho avy ny
Mpamonjy, dia niteny tamim-pahatokiana ny momba ny filazantsarany.
Hotoriana eran’ izao tontolo izao izany. Ary na aiza na aiza hitaran’ ny
filazantsara, dia handraraka ny fameroverony ny fanomezana nataon’ i
Maria, ka hisy fo handray fitahiana noho io fihetsiny tsy namboarina io.
Hitsangana sy hirodana ny fanjakana, hohadinoina ny anaran’ ny mpanjaka
sy ny mpitaritafika ; fa ny nataon’ ity vehivavy ity kosa dia voatahiry
ho mandrakizay eo amin’ ny takilan’ ny tantara masina.
Mandra-paha-tapitry ny andro, dia hilaza ny tantaran’ ny fitiavan’
Andriamanitra be dia be ho an’ ny taranaka lavo io tavoara alabastara
novakiana io.
Nifanohitra mazava tsara tamin’ izay efa nataon’ i Jodasy ny nataon’ i Maria. Lesona mavaivay manao ahoana no azon’ i Kristy nomena azy, izay nandatsaka ny voan’ ny faninitsiniana sy ny eritreri-dratsy tao an-tsain’ ny mpianatra. Rariny manao ahoana raha nampangaina ny mpiampanga. Ilay mahay mamaky ny anton-javatra manosika ny fo rehetra, ka mahazo ny dikan’ ny fihetsika rehetra, dia nahita teo imason’ ireo nanatrika ny fanasana, lafin-toetra manjombona teo amin’ ny fiainan’ i Jodasy. Azo natao ny nampihanjahanja ny fihamboana poakaty nampiorenany ny teniny, satria tsy niray fo tamin’ ny mahantra izy, fa nandroba azy tamin’ ny vola nokasaina hanamaivanana azy ireo. Azo natao ny nampirongatra ny hatezerana hamely azy noho ny fampahoriany ny mpitondra-tena, ny kamboty sy ny mpikarama. Nefa raha nesorin’ i Kristy ny sarontavan’ i Jodasy, dia ho naroso izany ho anton’ ny famadihana Azy. Ary na dia nohelohina ho mpangalatra aza i Jodasy, dia ho nisy niray fo taminy ihany na dia teo amin’ ny mpianatra aza. Tsy naninitsiny Azy ny Mpamonjy, ary tamin’ izany dia nanome fialan-tsiny azy ho anton’ ny namadihany Azy.
Nefa ny fijery natopin’ i Jesosy tamin’ i Jodasy dia nampiaiky azy fa voagorobaky ny Mpamonjy ny fihatsarambelatsihiny, ka namaky ny toetra amam-panahiny ambany sy mahamenatra. Ary tamin’ ny fiderany ny fihetsik’ i Maria izay nomelohina tamin’ ny fomba hentitra, dia nanome tsiny an’ i Jodasy i Kristy. Talohan’ izao dia tsy mbola nanome tsiny azy mivantana ny Mpamonjy. Ankehitriny kosa dia nampirehitra ny fony ny tsiny nomena azy. Nanapa-kevitra fa hamaly faty izy. Avy tao amin’ io sakafo io dia nivantana nankany amin’ ny lapan’ ny mpisoronabe izy, izay nahitany fa indro nivory tao ny synedriona ka dia nanolo-tena hamadika an’ i Jesosy ho eo am-pelatanan’ izy ireo izy.
Faly tokoa ny mpisorona. Efa nomena tombon-tsoa handray an’ i Kristy ho Mpamonjin’ ny tenany ireo mpitarika an’ Isiraely, tsy amim-bola tsy amin-karena. Nefa nolaviny ny fanomezana sarobidy natolotra azy tamin’ ny toe-tsaina feno halemem-panahy indrindra nentanin’ ny fitiavana mahery. Rehefa nolaviny ny handray ilay famonjena izay sarobidy noho ny volamena, dia novidiny volafotsy telopolo ny Tompony.
Nampanaram-po ny fitiavam-bola i Jodasy ka naharesy ny lafiny tsara rehetra tao amin’ ny toetra amam-panahiny izany. Notsiriritiny ny fanatitra natao ho an’ i Jesosy. Nirehitra tao am-pony ny fitsiriritana satria nandray fanomezana mendrika ny mpanjakan’ ny tany ny Mpamonjy. Vola kely lavitra noho ny vidin’ ny tavoara misy menaka fanosorana no namadihany ny Tompony.
Tsy tahaka an’ i Jodasy ny mpianatra. Tia ny Mpamonjy izy. Nefa tsy hainy ny nanombana araka ny tokony ho izy ny toetra amam-panahiny ambony. Raha fantany tsara izay efa nataony ho azy, dia ho tsapany fa na inona na inona natolotra Azy dia tsy fandaniam-poana. Ireo olon-kendry avy any Atsinanana, izay tsy nahalala afa-tsy kely tokoa ny momba an’ i Jesosy, dia nampiseho fa nahalala marimarina kokoa ny voninahitra mendrika Azy. Nitondra fanomezana sarobidy ho an’ ny Mpamonjy izy ireo ary niankohoka teo anatrehany ho fanajana Azy, fony Izy mbola zaza, sy nandry tao amin’ ny fihinanam-bilona.
Manombam-bidy ny fihetsika mitory fanajana Azy avy ao ampo Kristy. Rehefa misy mampiseho fankasitrahana Azy, dia mitahy ny nanao izany amin’ ny fanajan’ ny any an-danitra Izy. Tsy laviny ny voninkazo tsotra indrindra notohazan’ ny tanan-jaza iray ka natolotra Azy tamim-pitiavana. Nekeny ny fanomezana nataon’ ny ankizy ary novaliany soa ny mpanome ka nosoratany tao amin’ ny bokin’ ny fiainana ny anarany. Ao amin’ ny Soratra Masina dia manavaka an’ i Maria amin’ i Maria hafa ny nanosorany an’ i Jesosy. Ny asam-pitiavana sy fanajana atao ho an’ i Jesosy, dia fanehoana mazava ny finoana Azy ho Zanak’ Andriamanitra. Ary milaza ny Fanahy Masina fa fanehoana mazava ny toetra mahatoky nananandravehivavy tamin’ i Kristy izany : «raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra».
Nankasitrahan’ i Kristy ny faniriana niredareda tao amin’ i Maria hanao ny sitrapon’ ny Tompony. Nekeny ity harenan’ ny fitiavana madio izay tsy azon’ ny mpianany sady tsy nety ho azony an-tsaina. Ny faniriana tao am-pon’ i Maria hanao io asa fanompoana io ho an’ ny Tompony, dia sarobidy kokoa teo imason’ i Kristy noho ny hosotra sarobidy rehetra eto amin’ izao tontolo izao, satria naneho ny fankasitrahany ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao izany. Ny fitiavan’ i Kristy no nanery azy. Nameno ny fanahiny ny fahatsaran’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy tsy misy toa azy. Tandindon’ ny fon’ ilay mpanome io hosotra io. Fanehoana ivelany ny fitiavana velomin’ ny loharanon’ ny lanitra mandra-pihoatrany izany.
Ny asa nataon’ i Maria no lesona nilaina indrindra tamin’ ny mpianatra, hilazany aminy fa ny mahafaly an’ i Kristy dia ny fanehoana ny fitiavany Azy. Efa zavatra rehetra ho azy ireo Izy, ary tsy tsapan’ izy ireo fa kely sisa dia tsy ho eo anatrehan’ izy ireo intsony Izy, ary kely sisa dia tsy ho afaka hanolotra Azy ny toky maneho fankasitrahana ny fitiavany lehibe izy ireo. Tsy azon’ ny mpianatra na oviana na oviana na tsapany araka izay tokony ho izy ny naha-irery an’ i Kristy, tafasaraka tamin’ ny lapan’ ny lanitra, niaina tamin’ ny fiainan’ ny olombelona.. Matetika nalahelo Izy noho ny mpianany tsy nanome Azy izay tokony ho noraisiny taminy. Fantany fa raha nanan-kery tamin’ izy ireo ny anjelin’ ny lanitra niaraka taminy, dia ho nihevitra koa izy ireo fa tsy misy fanomezana ampy vidy ho enti-milaza ny fitiavana ara-panahy avy amin’ ny fo.
Ny fahalalany taty aoriana dia nahafantarany ny tena dikan’ ny zavatra maro tokony ho nataony ho an’ i Jesosy hanehoana ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ ny fony, raha mbola akaiky azy ireo Izy. Rehefa tsy teo aminy intsony Jesosy, ka tsaroany fa tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo, dia hitany tamin’ izay ny nahazoany naneho fitiavana Azy izay ho nitondra fifaliana tao ampony. Tsy ho nanome tsiny intsony an’ i Maria izy ireo, fa nanome tsiny ny tenany. O ! raha azony natao ny nanatsoaka ny faninitsiniana nataony sy ny filazany fa mendrika kokoa ny fanomozany ny mahantra noho Kristy ! Tsapany nanaikitra azy indrindra ny fanomezan-tsiny raha nampidina ny tenan’ ny Tompo torotoro avy teo amin’ ny hazo fijaliana izy ireo.
Ankehitriny dia mazava koa io fahabangana io. Nefa vitsy no mankasitraka izay rehetra maha-Izy tokoa an’ i Kristy, ho azy ireo. Raha nanao izany izy ireo. dia hiseho ny fitiavana lehibe toy ny an’ i Maria, hitosaka malalaka ny fanosorana toy iny. Tsy holazaina fa fanobatobana ny menaka ilay fanosorana sarobidy. Tsy tokony hisy na inona na inona hoheverina ho sarobidy loatra homena an’ i Kristy, tsy tokony hisy fandavan-tena na fahafoizan-tena lehibe loatra ka tsy hiaretana ho Azy.
< TAPANY 1 TAPANY 3 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire