Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona (tapany 3)
Ireo
teny natao an-katezerana hoe : «Inona no anton’ izao fandaniam-poana
izao ?» dia nametraka tamin’ ny fomba mazava teo imasoni Kristy ity
sorona lehibe indrindra amin’ izay efa natao ity - dia ny hanomezan’ ny
tenany mihitsy ho avotra ho an’ izao tontolo izao very. Ho feno
indrindra ny hatsaram-panahy hasehon’ ny Tompo amin’ ny fianakavian’ ny
olombelona ka tsy ho azo lazaina fa afaka hanao mihoatra noho izay
indray Izy. Ny lanitra manontolo no nomen’ Andriamanitra tamin’ ny
nanomezany an’ i Jesosy. Raha amin’ ny fomba fijerin’ ny olombelona, dia
fanobatobana very maina ny fahafoizan-tena toy izany, ary
fandaniam-poana famindrampo sy hery ny drafitry ny fanavotana manontolo.
Hitantsika hatraiza hatraiza ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena
araka ny fo manontolo. Gaga tokoa ny tafiky ny lanitra raha mijery ny
fianakavian’ ny olombelona izay mandà tsy hasandratra sy hampitomboina
amin’ ny harena tsy hita fetran’ ny fitiavana aseho ao amin’ i Kristy.
Mety hilaza tokoa ireo hoe : Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ?
Nefa feno be dia be sy tanteraka ny hoenti-manavotra an’ izao tontolo izao very. Mihoatra lavitra ny fanatitra nataon’ i Kristy ka mahatratra ny fanahy tsirairay izay noforonin’ Andriamanitra. Tsy azo ferana izany mba tsy hihoatra ny isan’ ireo izay afaka hanaiky ilay Fanomezana lehibe. Tsy voavonjy ny olona rehetra ; nefa na dia izany aza tsy fandaniam-poana ny drafitry ny fanavotana fa nahatanteraka izay natao malalaka ho an’ ny rehetra. Tsy maintsy ho ampy anefa izany ary koa tsy hofeperana ho an’ olom-bitsy.
Nisy asany teo amin’ i Simona tompon-trano ny faninitsiniana nataon’ i Jodasy momba ny fanomezana nataon’ i Maria ary gaga izy tamin’ ny fihetsik’ i Jesosy. Tafintohina ny hambom-pon’ ny maha-Fariseo azy. Fantany fa betsaka ny vahininy no nanamavo sy tsy nankasitraka an’ i Kristy. Hoy i Simona tao am-pony hoe : «Raha mpaminany Ity dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny, fa mpanota io».
Tamin’ ny nanasitranany an’ i Simona tamin’ ny habokana dia namonjy azy ho afaka tamin’ ny fahafatesana mbola velon’ aina Kristy. Izao anefa dia manontany tena i Simona na mpaminany ny Mpamonjy na tsia. Satria navelan’ i Kristy hanatona Azy io vehivavy io, satria tsy nanipaka azy tamin-katezerana Izy tahaka ny olona be fahotana loatra ka tsy azo avela heloka, satria tsy nasehony fa tsapany ny fahalavoan’ izy io, dia nalaim-panahy i Simona hihevitra fa tsy mpaminany Izy. Tsy misy na inona na inona fantatr’ i Jesosy ny amin’ ity vehivavy ity izay niliba tamin’ ny fiainana, hoy ny fiheviny, satria raha tsy izany dia tsy navelany hikasika Azy izy.
Ny tsy fahalalan’ i Simona an’ Andriamanitra sy an’ i Kristy anefa no nitarika azy hihevitra toy izany.’ Tsy tsapany fa tsy maintsy miasa araka ny lalàn’ Andriamanitra ny Zanak’ Andriamanitra, dia amim-pangorahana, amim-pahalemem-panahy sy amim-pamindrampo. Ny lalan’ i Simona kosa dia tsy mihevitra akory ny fanompoam-pibebahana nataon’ i Maria. Ny nanorohany ny tongotr’ i Kristy, sy ny nanosorany azy tamin’ ny menaka, dia nahatezitra ny fo vatony. Noheveriny fa raha mpaminany Kristy, dia ho fantany ny mpanota ka ho teneniny mafy.
Namaly izany eritreritra tsy miloaka izany ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho . . . Nisy roa lahy nananan’ ny mpanàna vola anankiray trosa : ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra ? Simona namaly ka nanao hoe : Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy : Marina ny hevitrao».
Tahaka ny nataon’ i Natana tamin’ i Davida, dia nafenin’ i Kristy tao anatin’ ny fanoharana ny hevitra tiany natsofoka tao am-pon’ i Simona. Napetrany teo amin’ ilay nampiantran ' Azy ny enta-mavesatra hanao fanamelohana ny tenany ihany. Simona dia nampanota an’ ilay vehivavy izay hamavoiny ankehitriny. Nanao ratsy betsaka tamin’ izy io izy, Simona sy ravehivavy no nasehon’ ireo olona roa nananana vola. Tsy nikasa ny hampianatra Jesosy fa misy ambaratonga samihafa eo amin’ ny adidy tokony hotsapan’ ireo olona roa izao, satria samy manan-trosam-pankasitrahana avy izy ireo izay tsy ho voaloa na rahoviana na rahoviana. Nefa nahatsiaro tena ho marina noho i Maria i Simona, ka tian’ i Jesosy ny hahitany ny tena halehiben’ ny fahadisoany. Tiany haseho azy fa lehibe noho ny an’ i Maria ny fahotany, lehibe tokoa tahaka ny tombon’ ny denaria diman-jato amin’ ny denaria dimam-polo.
Manomboka mahita ny tenany amin’ ny fahazavana vaovao izao i Simona. Hitany ny fomba nijeren’ Ilay mihoatra noho ny mpaminany an’ i Maria. Hitany fa ny mason’ i Kristy matsilo amin’ ny maha-mpaminany Azy dia namaky tao am-pony feno fitiavana lalina. Menatra izy, ary tsapany fa teo anatrehan’ Ilay Anankiray ambony noho izy ny tenany. «Niditra teto an-trano Aho hoy Kristy nanohy ; nefa tsy mba nanome rano Ahy hanasana ny tongotro hianao ; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namoaka azy tamin’ ny volon-dohany. Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao ; fa izy, izay hamavoinao, hatrizay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro». Notanisain’ i Kristy ireo fotoana nahazoan’ i Simona naneho ny fitiavany ny Tompony, sy ny fankasitrahany izay efa natao ho azy. Tamin’ ny fomba tsotra nefa tamimpitandremana fatratra, dia nolazain’ i Kristy mazava ny mpianany fa malahelo ny fony rehefa ataon’ ny zanany an-tsirambina ny fanehoana fankasitrahana Azy amin’ ny teny sy ny asam-pitiavana.
Ilay mahay mamantatra ny fo dia namaky ny antony nitarika an’ i Maria, ary hitany kosa ny toe-tsaina nahatonga ny teny nataon’ i Simona : «Hitanao va io vehivavy io» hoy Izy taminy. Mpanota izy. «Ary amin’ izany dia lazaiko aminao : Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy ; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana».
Ny toetra tsy rototra sy ny an-tsirambina nasehon’ i Simona tamin’ ny Mpamonjy dia ahitana fa kely tokoa ny fankasitrahana ny famindrampo noraisiny. Noheveriny fa voninahitra no nataony ho an’ i Jesosy raha nanasa Azy ho ao an-tokantranony izy. Nefa ankehitriny kosa dia hitany ny tena toetrany. Noheveriny fa namaky ny tao am-pon’ Ilay Vahininy izy, nefa ny Vahininy no namaky ny tao am-pony. Hitany ny fahamarinan’ ny fitsaran’ i Kristy azy. Akanjo fitafian’ ny Fariseo ny fivavahany. Nanamavo ny fango- rahan’ i Jesosy izy. Tsy nekeny ho solontenan’ Andriamanitra Izy. Maria dia mpanota voavela heloka, fa izy dia mpanota tsy voavela heloka. Ny lalàna henjana izay tiany nandentehana azy io no manameloka azy.
Nanohina an’ i Simona ny fahalemem-panahin’ i Jesosy tamin’ ny tsy nanomezany tsiny azy mivantana eo anatrehan’ ny vahiny. Tsy nataon’ i Jesosy taminy izay niriny ho natao tamin’ i Maria. Hitany fa tsy tian’ i Jesosy ny haneho ny fahadisoany amin’ ny hafa fa notadiaviny kosa izay hampiaiky azy tamin’ ny fanambarana ny tena izy, ka nampilefitra ny fony Izy tamin’ ny fahalemem-panahiny feno fangorahana. Ho nanamafy ny fon’ i Simona tsy hibebaka ny fiampangana henjana, fa ny fananarana ombam-paharetana kosa dia nampiaiky azy ny fahadisoany. Hitany ny halehiben’ ny trosany tamin’ ny Tompony. Nietry ny avonavony, nibebaka izy, ary ilay Fariseo nirehareha dia nanjary mpianatra nanetry tena, nahafoy tena.
< TAPANY 2 TAPANY 4 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire