Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona (tapany 4)

Noheverina ho mpanota lehibe i Maria, nefa Kristy nahalala ireo toe-javatra nanjary lasitra teo amin’ ny fiainany. Azony natao ny namono ny kilalaon’ afo rehetra nitondra fanantenana tao amin’ ny fanahiny. nefa tsy nanao izany Izy. Izy no nanandratra azy hiala teo amin’ ny fahakiviana sy ny fahafatesana. Impito i Maria no nandre ny fitenenana mafy an’ ireo demonia izay nifehy ny fony sy ny sainy. Efa reny ireo antsoantso mafy nataony ho azy tamin’ ny Ray. Fantany fa naharikoriko nanao ahoana ny fahotany teo anatrehan’ ny fahadiovany tsy misy pentina, ary noho ny herin’ Andriamanitra dia naharesy izy.

Rehefa toa tsy nisy fanantenana ny momba azy teo imason’ ny olombelona, Kristy kosa nahita tao amin’ i Maria toetra ahazoany manao soa. Lafin-toetra tsara kokoa no hitany teo aminy. Misy zava-dehibe mety ho vitan’ ny olombelona atolotra azy ao amin’ ny drafitry ny fanavotana, ary ho tanteraka izany ao amin’ i Maria. Noho ny fahasoavan’ i Kristy, dia nanjary mpiray amin’ ny toetran’ Andriamanitra izy. Ilay efa lavo, ilay saina nataon’ ny demonia fitoerana, dia tonga akaiky indrindra ny Mpamonjy tao amin’ ny naha-mpianatra azy sy teo amin’ ny fanompoana. Maria no nipetraka teo an-tongony ka nianatra taminy. Maria no nandraraka menaka manitra sarobidy teo amin’ ny lohany. sy nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony. Maria no nijoro teo akaikin’ ny hazo fijaliana, ka nanaraka Azy tany amin’ ny fasana. Maria no tonga voalohany teo amin’ ny fasana taorian’ ny fitsanganana tamin’ ny maty. Maria no voalohany nanambara fa nitsangana ny Mpamonjy.

Fantatr’ i Jesosy ny toe-javatra rehetra mikasika ny fanahy tsirairay. Mety hilaza ianao hoe : mpanota aho, mpanota be. Mety ho izany tokoa ianao : nefa arakaraka ny maharatsy anao. arakaraka izany no ilanao an’ i Jesosy. Tsy mba laviny ny olona mitomany sy torotoro fo. Tsy lazainy olon-kafa izay rehetra azony aseho, fa mibaiko ny fanahy mangovitra rehetra Izy hahery. Hamela heloka malalaka izay rehetra manatona Azy mitady famelan-keloka sy famerenana amin’ ny laoniny Izy.  

Azon’ i Kristy atao ny maniraka ny anjelin’ ny lanitra handraraka ny kapoaky ny fahatezerany eto amin’ ity izao tontolo izao ity, hanapotika an’ ireo izay feno fankahalana an’ Andriamanitra. Azony atao ny mamafa ity pentina maizina ity tsy ho eo amin’ ny tontolony. Nefa tsy manao izany Izy. Ankehitriny dia mijoro eo amin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra Izy mitondra eo anatrehan’ Andriamanitra ny fivavahan’ ireo izay maniry ny fanampiany. 

Ny fanahy izay mitodika any aminy, mitady fialofana, dia asandratr’ i Jesosy ho ambonin’ ny fiampangana sy ny fifandrafiana ataon’ ny lela. Tsy misy olona na anjely ratsy afaka hanakana ireny fanahy ireny. Ampiraisin’ i Kristy amin’ ny maha-olona sady Andriamanitra Azy izy ireny. Mijoro eo anilan’ Ilay Mpitondra heloka lehibe izy ireo eo amin’ ny fahazavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra : «Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka ? Kristy Jesosy no efa maty, eny. sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika».(Rom 8: 33, 34)  

< TAPANY 3                                                                                                                        TOKO 63 >

Commentaires

Articles les plus consultés