Toko 10—Ilay feo tany an-efitra (tapany 1)
Avy
tao amin’ ny olona mahatoky tao amin’ ny Isiraely, izay efa niandry ela
ny fiavian’ ny Mesia, no nipoiran’ ilay mpialoha lalana an’ i Kristy.
(Lio. 1: 5- 23; 57- 80; 3: 1- 18; Mat. 3: 1- 12; Mar. 1: 1- 8). «Samy
marina teo anatrehan’ Andriamanitra» i Zakaria, mpisorona efa zokiolona
sy Elizabeta vadiny ; ary namirapiratra tahaka ny kintana tao anatin’
ny haizina tamin’ ireo andro nanjakan’ ny faharatsiana ny fahazavan’ ny
finoana teo amin’ ny fiainany tony sy masina. Izy mivady tia vavaka ireo
no nomena teny fikasana fa hanana zanaka lahy izay «handeha hialoha ny
Tompo ka hamboatra ny làlany. Tany amin’ ny «tany havoana tany Jodia» no
nipetraka i Zakaria, nefa niakatra tany Jerosalema izy mba hanao ny
anjara fanompoana herinandro ifandimbiasan’ ny mpisorona avy isan’
antokony indroa isan-taona. «Ary nony nanao raharahampisoronana teo
anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony
araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny
hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra».
Nijoro teo anoloan’ ny alitara volamena tao amin’ ny fitoerana masina izy. Niakatra teo anatrehan’ Andriamanitra ny setroky ny ditin-kazo manitra niaraka tamin’ ny fivavahan’ ny Isiraely. Tsapany tampoka ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nisy anjelin’ ny Tompo «teo ankavanan’ ny alitara». Fambara tsara ny toerana nisy ny anjely, anefa tsy tsikaritr’ i Zakaria izany. Nandritra ny taona maro no efa nivavahany hiavian’ ny Mpanavotra ; ankehitriny ary dia naniraka mpitondra hafatra ny lanitra hilaza aminy fa efa hovaliana ny fivavahany ; toa lehibe loatra ho azy anefa ny famindrampon’ Andriamanitra ka sarotra inoana. Nameno ny fony ny tahotra ary nahatsiaro meloka izy.
Nefa noharabaina tamin’ ny teny feno fifaliana sy toky izy manao hoe : «Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. Ary ho faly sy ho ravoravo hianao. Ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany. Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro na divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina . . . Ary maro amin’ ny zanak’ Isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny. Ary izy handeha eo anoloany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka. ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo. Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely : Ahoana no hahafantarako izany ? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko ?»
Fantatr’ i Zakaria tsara ny nanomezana zaza an’ i Abrahama teo amin’ ny fahanterany noho izy nino fa mahatoky Ilay manao ny teny fikasana. Nefa nampitodika kely ny fisainany tamin’ ny fahalemen’ ny taranak’ olombelona ilay mpisorona efa zokiolona. Hadinony fa izay nampanantenain’ Andriamanitra dia hainy tanterahina koa. Manao ahoana re ny fahasamihafan’ io tsy finoana io amin’ ny finoana toy ny an’ ny zaza teo amin’ i Maria, ilay zanakavavin’ i Nazareta, izay namaly toy izao ny fanambarana mahagaga nataon’ ny anjely : «Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao» (Lio. 1: 38).
Ny nahaterahan’ ny zanakalahy ho an’ i Zakaria, tahaka ny nahaterahan’ ny zanak’ i Abrahama sy ny an’ i Maria, dia natao hampianatra fahamarinana ara-panahy lehibe, fahamarinana izay sarotra amintsika ny mianatra azy ary mora amintsika ny manadino azy. Raha ny tenantsika samirery dia tsy afaka manao zavatra tsara isika na dia iray aza; nefa izay tsy azontsika atao, dia hotanterahina amin’ ny alalan’ ny herin’ Andriamanitra ho an’ ny fanahy tsotra sy mino rehetra. Tamin’ ny alalan’ ny finoana no nanomezana ny zanaky ny teny fikasana. Amin’ ny alalan’ ny finoana no iforonan’ ny fiainana ara-panahy, ka mahatonga antsika ho afaka hanao ny asan’ ny fahamarinana.
Namaly ny fanontanian’ i Zakaria ny anjely nanao hoe : «Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany». Dimanjato taona talohan’ izao, dia nampahafantarin’ i Gabriela tamin i Daniela ilay fe-potoana ara-paminaniana izay mipaka amin ny fiavian’ i Kristy. Ny fahalalana fa efa akaiky ny fiafaran io fe-potoana io no nanosika an’ i Zakaria hivavaka ho an ny tiavian ny Mesia. Ankehitriny, ilay mpitondra hafatra izay nomena ny faminaniana mihitsy, no tonga nanambara ny fahatanterahan’ izany.
Ny tenin’ ny anjely hoe : «Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra», dia mampiseho fa mitana toerana be voninahitra any amin’ ny lapan’ ny lanitra izy. Raha nitondra hafatra ho an’ i Danielá izy, dia hoy izy hoe : «Tsy misy miaramisikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela, andriananareo» (Dan. 10: 21). Izao no nolazain’ ny Mpamonjy ny amin’ i Gabriela, ao amin’ ny Apokalypsy : «ary naniraka ny anjeliny lzy hanambara amin’ i Jaona mpanompony» (Apok. 1: 1). Ary hoy ny anjely tamin’ i Jaona : «fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao» (Apok. 22: 9). Eritreritra mahatalanjona : anjely manarakaraka ny Zanak’ Andriamanitra ny voninahiny, no nofidina mba hamelatra ny fìkasan’ Andriamanitra amin’ ny olombelona feno fahotana.
Niteny fisalasalana ny amin’ izay nolazain’ ny anjely i Zakaria. Tsy hiteny intsony izy mandra-pahatanterak’ izay nolazainy. «Koa, indro. ho moana hianao, hoy ny anjely . . . ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany». Adidin’ ny mpisorona manao io fanompoana io ny mivavaka ho an’ ny famelana ny fahotan’ ny besinimaro sy ny fahotan’ ny firenena, sy ho an’ ny fahatongavan’ ny Mesia ; nefa rehefa handeha hanao izany i Zakaria, dia tsy afaka namoaka feo izy.
Nivoaka hitahy ny vahoaka izy, dia «nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany. Efa niandry ela ny olona ary natahotra sao lavon’ ny fitsaran’ Andriamanitra izy. Nefa rehefa nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masina izy, dia namirapiratry ny voninahitr’ Andriamanitra ny tavany, «ary fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy». Nampahafantarin’ i Zakaria taminy izay efa hitany sy reny ; ary «rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana dia lasa nody tany an-trano izy».
Fotoana fohy tao aorian’ ny nahaterahan’ ny zaza nampanantenaina dia nisokatra ny vavan’ ny rainy, «ka nidera an’ Andriamanitra. Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy : ary niely teny amin’ ny tany havoanan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe : Ho zaza hanao ahoana re io ?» Izany rehetra izany dia nitarika ny saina ho amin’ ny fiavian’ ny Mesia, dia araka ny efa nanamboaran’ i Jaona ny lalany. Feno ny Fanahy Masina i Zakaria, ka ireto teny kanto ireto no faminaniana nataony momba ny asa hanirahana ny zanany :
«Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra ;
Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo hianao hamboatra ny làlany,
Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
Amin’ ny famelana ny helony
Noho ny halehiben’ ny famindrampon’ Andriamanitsika, izay
hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy
ao amin’ ny aloky ny fahafatesana,
Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny làlam-piadanana».
«Ary
ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy ; ary nitoetra tany
an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny
Isiraely». Talohan’ ny nahaterahan’ i Jaona, dia efa nilaza ny anjely
hoe : «Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na
toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina». Efa niantso ny zanak’ i Zakaria
ho amin’ ny asa lehibe indrindra izay mbola tsy nankinina tamin’
olombelona hatramin’ izay Andriamanitra. Mba hahatanterahany an’ io asa
io, dia tsy maintsy miasa miaraka aminy Jehovah. Ary ho eo aminy ny
Fanahin’ Andriamanitra, raha manaraka ny toro-hevitry ny anjely izy.
Handeha ho mpitondra hafatr’ i Jehovah i Jaona, hitondra ny fahazavan’ Andriamanitra amin’ ny olona. Tsy maintsy hahitsiny ho amin’ ny fitodika vaovao ny fisainan’ izy ireo. Tsy maintsy halatsany lalina ao am-pony ny fahamasinan’ ny didin’ Andriamanitra, sy ny ilan’ izy ireo ny fahamarinana tanteraka avy aminy. Tsy maintsy masina ny mpitondra hafatra toy izany. Tsy maintsy ho tempoly itoeran’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy. Mba hahatanterahany ny asa nanirahana azy, dia tsy maintsy manana toe-batana salama izy, ary hery ara-tsaina sy ara-panahy. Noho izany dia ilaina ny hifehezany ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Tsy maintsy hahafehy tsara ny tenany izy raha tojo ny toe-javatra manodidina fa hijoro toy ireo vatolampy sy tendrombohitra any an-efitra.
Tamin’ ny andron’ i Jaona mpanao batisa dia efa niparitaka hatraiza hatraiza ny fangoronan-karena sy ny fitiavana fahafinaretana ary ny rehaka. Ny fahafinaretana ara-nofo, ny hanina be sy ny fisotro, dia niteraka aretina sy fitotonganana teo amin’ ny ara-batana, ka nanadombo ny fahatsiarovana ny ara-panahy sy nampihena ny fahatsapana ny fahotana. Hijoro ho mpanao fanavaozana i Jaona. Tamin’ ny alalan’ ny sakafony sy ny fitafiany tsotra no nanamelohany ny fanao tafahoatra tamin’ ny androny. Izany no anton’ ireo torohevitra nomena ny ray aman-drenin’ i Jaona, - dia leson’ ny fahalalana onony nentin’ ny anjely avy any amin’ ny seza fiandrianan’ ny lanitra.
Mora andairan-javatra indrindra ny toetra amam-panahy eo amin’ ny fahazazana sy ny fahatanorana. Amin’ izay no tokony ahazoana ny fahaiza-mifehy tena. Ho amorom-patana sy eo amin’ ny ankohonana no iasan’ ny hery mangina izay hitondra vokatra haharitra mandritra ny mandrakizay. Ny fahazarana noraisina tamin’ ny taona voalohany niainana dia hanapaka, mihoatra noho ny toetra hafa nolovana, na handresy na ho resy ny olona iray eo amin’ ny adin’ ny fiainana. Ny fahatanorana no fotoana hamafazana. Manapaka izay ho toetry ny vokatra izany, ho amin’ ity fiainana ity sy ho amin’ ny fiainana ho avy.
Amin’ ny maha-mpaminany azy, dia «hampody ny ton’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo» i Jaona. Tamin’ ny nanamboarany ny lalana ho amin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany dia mampiseho ireo izay manomana vahoaka ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany izy. Milefitra amin’ ny fampanaranampo ny tenany izao tontolo izao. Tondraka ny hevi-diso sy ny anganongano. Mampitombo ny fandrika handripahany fanahy i Satana. Izay rehetra te-ho tanteraka amin’ ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra, dia tsy maintsy mianatra leson’ ny fahalalana onony sy ny fifehezan-tena. Tsy maintsy hofehezin’ ny hery ambony kokoa eo amin’ ny saina ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Ilaina io fifehezan-tena io hahazoantsika ilay hery ara-tsaina sy ilay fahitana ara-panahy izay hahatonga antsika ho afaka hahatratra sy hanatontosa ireo fahamarinana masina ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Noho io antony io, dia manan-toerana eo amin’ ny asa fanomanana ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny fahalalana onony.
Raha ny fandehan-javatra ara-dalàna dia tokony ho nobeazina ho Mpisorona ny zanak’ i Zakaria. Nefa tsy ho nahavonona azy ho amin’ ny asa miandry azy ny fitaizana tao amin’ ny sekolin’ ny raby. Tsy nalefan’ Andriamanitra tany amin’ ny mpampianatra «teolojia» izy mba hianatra ny fomba fanazavana ny Soratra Masina. Nantsoiny ho any an-efitra izy, mba hahazoany mianatra ny amin’ ny toetry ny zava-boahary sy ny toetran’ Andriamanitra.
Toerana mangingina no nahitanv izay honenana, teo anivon’ ny havoana ngazana, ny hady any an-tany haolo sy ny zohy anaty harambato. Vokatry ny safidim-pony dia naleony voafehy mafy tany an-efitra ny fiainany, toy izay niliba tamin’ ny fifaliana sy ny fahafinaretana. Nety indrindra tamin’ ny fiainana tsotra sy ny fahafoizan-tena nahazatra azy ny zavatra nanodidina azy. Tsy voasembantsemban’ ny tabataban’ izao tontolo izao izy tany, fa afaka nianatra lesona avy amin’ ny zava-boahary, sy avy amin’ ny fanambarana ary avy amin’ ny fitondran’ Andriamanitra. Naverimberin’ ireo ray aman-dreniny matahotra an’ Andriamanitra matetika taminy ireo tenin’ ny anjely tamin’ i Zakaria. Hatramin’ ny fahazazany no efa teo anatrehany mandrakariva ny asa nanirahana azy ka nanekeny ny fitokisana masina napetraka taminy. Ny naha-irery azy tany an-efitra dia fomba nandosirany tamim-pifaliana ny tany ama-monina izay efa nanjakan’ ny fiahiahiana sy ny tsy finoana ary ny fahalotoana. Tsy natoky ny herin’ ny tenany hanoherana ny fakam-panahy izy ka nandosirany ny fifampikasohana mitohy amin’ ny fahotana, sao tsy tsapany intsony ny toetra maha fahotana indrindra ny fahotana.
Efa natolotra ho an’ Andriamanitra, ho Nazirita hatramin’ ny nahaterahany i Jaona, ary nataony voady ny hanokan-tena mandritra ny fiainany. Ny fitafian’ ny mpaminany fahiny no nanaovany, dia lamba volon-drameva notazonin’ ny fehikibo hoditra. «Valala sy tantely remby» fahita any an-efitra no fihinany ary rano madio avy any an-kavoana no fisotrony.
Tsy lany tamin’ ny fidonanahana anefa ny fiainan’ i Jaona, na lany nanjoretany tamin’ ny fampahorian-tena, na lany nitokanany monina noho ny fitiavan-tena. Indraindray dia mandeha mifangaro amin’ ny olona izy ; ary nahaliana azy mandrakariva ny nandinika izay miseho eo amin’ izao tontolo izao. Raha tao amin’ ny fialofany mangina izy dia nanara-maso ny fizotry ny toe-javatra. Fahiratana nohazavain’ ny Fanahin’ Andriamanitra no namakafakany ny toetra amam-panahin’ ny olona, mba hahazoany mahafantatra ny fomba hahatongavan’ ny hafatry ny lanitra ao am-po. Nitambesatra taminy ny asa nanirahana azy. Nitady izay hanomanana ny fanahiny tao amin’ ny fanginana, tamin’ ny alalan’ ny fandinihan-tena lalina sy ny fivavahana izy ho amin’ ny asa mandritra ny fiainana nanoloana azy.
Na dia tany an-efitra aza izy, dia tsy afaka tamin’ ny fakampanahy tsy akory. Araka izay azony atao, dia nohidiny ny lalana rehetra azon’ i Satana idirana. Ny tsilon-tsaina tao aminy ny amin’ ny zava-panahy sy ny toetra matanjaka sy hentitra nananany ary ny fanampian’ ny Fanahy Masina, no nahafantarany ny fanakekezan’ i Satana sy nahazoany nanohitra ny heriny.
Tany an-efitra no nahitan’ i Jaona sekoly sy fitoerana masina ho azy. Tahaka an’ i Mosesy tany amin’ ny tendrombohitr’ i Midiana, dia nanodidina azy ny fanatrehan’ Andriamanitra ary hitany teo aminy ireo porofon’ ny heriny.
Tsy anjarany ny nipetraka tao amin’ ny fanginan’ ireo tendrombohitra mijoalajoala, tahaka ny nataon’ ilay mpitarika lehibe teo amin’ ny Isiraely ; fa teo anatrehany kosa ireo havoanan’ i Moaba, teny an-dafin’ i Jordana, izay nilaza taminy Ilay nampitoetra mafy ny tendrombohitra sy nanafy azy hery manodidina. Toa sary velona mampiseho ny toerana nisy ny Isiraely ny endrika malahelo sy mahatahotra teo amin’ ny zava-boahary tao amin’ ny fonenany tany an-efitra. Efa nanjary tany lao sy foana ilay tanimboaloboka mahavokatr’ i Jehovah. Namirapiratra sy kanto anefa ny lanitra nanarona tambonin’ ny efitra. Nanao andohalambo teo amin’ ny rahona nitangorona maizina noho ny tafio-drivotra ny avan’ ny teny fikasana. Toy izany koa, teo ambonin’ ny fitotonganan’ ny Isiraely no namirapiratan’ ny voninahitra nampanantenaina ho eo amin’ ny fanapahan’ ny Mesia. Notetezin’ ny avan’ ny faneken’ ny famindrampo ny rahon’ ny fahatezerana.
Irery tao amin’ ny alina mangina no namakian’ i Jaona ny teny fikasana natao tamin’ i Abrahama momba ny taranany tsy hita isa tahaka ny kintana. Ny fahazavana vao miposaka, nivolom-bolamena teo amin’ ny tendrombohitr’ i Moaba, dia nanambara taminy ny amin’ Ilay «toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona» (2Sam. 23: 4). Ary ny famira- piratan’ ny mitataovovonana dia nahitany ny fisehoan’ ny voninahiny rehefa hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany» (Isa. 40: 5).
Toe-tsaina feno fanajana nefa mientanentana koa no nentiny nandinika ireo horonan-taratasy mirakitra ny faminaniana momba ny fanambarana ny amin’ ny fiavian’ ny Mesia, — dia ilay taranaka nampanantenaina fa hanorotoro ny lohan’ ny menarana; ilay «mpanome fiadananaw, Silo, dia hiseho alohan’ ny tsy hisian’ ny mpanjaka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida. Tonga ny fotoana ankehitriny. Mpifehy romana no nipetraka tao amin’ ny lapa teo amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona. Noho ny tenin’ i Jehovah azo antoka, dia efa teraka Kristy tamin’ izay.
Tapany 2 >
< TOKO 9 TOKO 11 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire