LESONA 36
NY FAMINANIANA SY NY FIANGONANA MARINA
Amin'ny fanomezam-pahasoavana hampandrosoana ny fiangonana, dia mitana toerana lehibe ny faminaniana. Teo amin'ny fiangonana apostolika dia sady nisy mpaminany lahy no nisy koa mpaminany vavy. Ny mpaminany dia oharin'ny Soratra Masina amin'ny mason'ny Fiangonana; koa raha fiangonana tsy manana mpaminany dia ho fiangonana jamba. Ny fiangonana apostolika dia nanana izay antsoina amin'ny fiteny tsy mahazatra antsika hoe "filazana an'i Kristy", izay tsy inona fa ny fanahin'ny faminaniana" (1Kor. 1: 6; Apok. 19: 10). Io fanahin'ny faminaniana io dia lazain'ny Tenin'Andriamanitra fa ho hita koa eo amin'ny fiangonana farany, dia ireo mijoro amin'ny Didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy. (Apok. 12: 17).
1- Inona no asan'ny mpaminany eo amin'ny vahoak'Andriamanitra?
Valiny. "Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy" (Hos. 12: 14).
2- Inona no iray amin'ny fanomezam-pahasoavana ambony indrindra?
Valiny. "Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany..."(1Kor. 14: 1, 39).
3- Fomba manao ahoana no itenenan'ny Tompo amin'ny mpaminany?
Valiny. "Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy" (Nom. 12: 6).
4- Inona ny mpaminany eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra?
Valiny. Maso sy loha. "Ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mampinany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany)" (Isa. 29: 10).
5- Ahoana no hamantarana ny mpaminany marina?
Valiny. a)- Tanteraka ny zavatra lazainy. b)- Mifanaraka amin'ny didin'Andriamanitra ny fiainany. (Mat. 7: 15- 20).
Noty: Na dia tanteraka aza izany ny faminanian'ny mpaminany, sy mahavita fahagagana ary asa lehibe izy, raha toa ka mitarika ny olona tsy hanoa ny Didy Folo izy, dia mpaminany tsy avy amin'i Jehovah (Deo. 13: 1- 4).
6- Misy mpaminany ve eo amin'ny fiangonana farany?
Valiny. Eny, ilay fiangonana antsoin'ny Baiboly hoe "zanany sisa" dia voalazany koa fa hanome mpaminany (Apok. 12: 17).
Noty: Raha Ramatoa E. G. White no resahina dia marina tokoa fa fiasana nentin'Andriamanitra hiantsoana ny olona avy any rehetra any izy, sady mpaminany izay namela toro-làlana mba ho fiahiana ny fiangonana, amin'ny alalan'ireo boky maro isan-karazany nosoratany tamin'ny fahavelony. Misy 100.000 pejy no sora-tànana navelan-dRamatoa White, izany hoe teny eo amin'ny 25 tapitrisa eo ho eo. Izany dia vita boky 54 amin'ny teny anglisy, ary amin'ny fitenin-drazantsika dia efa misy mihoatra ny 5 no nivoaka ( dia boky izay misahana zavatra maro: fitoriana, fitsaboana, fitaizana, sosialy). Ny iray amin'ireny fotsiny, "Ny Dia ho eo amin'i Kristy", dia natonta amin'ny fiteny 80, ary efa nahalafosana boky miisa 10 tapitrisa tamin'ny taona 1965. Araka ny tenin-dRamatoa E. G. White ihany, dia tsy misolo ny Baiboly tsy akory ny bokiny, fa ohariny amin'ny fahazavana kely izany izay ilaina, mba hitondra ny olona eo amin'ny fahazavana lehibe, dia ny Soratra Masina. Tsy nihambo na oviana na oviana ho mpaminany koa izy, saingy ny fiainany dia tena fiainan'ny mpaminany marina. Nomen'Andriamanitra fahitana sy nofy 2.000 (roa arivo) izy, izay nosoratany rehefa nahatsiaro, teo ambany fanilovan'ny Fanahy.
Tamin'ny 26 Novambra 1827 no teraka Ellen G. Harmon sy ny rahavaviny Elizabeth, kambana taminy. Vao 9 taona izy dia naratra mafy saiky maty, fa nisy mpianatra nitora-bato azy ka nahavoa azy teo amin'ny orony. Tamin'ny faha- 11 taonany no nanolorany ny tenany ho an'Andriamanitra. Anisan'ireo olona diso fanantenana mafy, niandry ny fiverenan'i Kristy, tamin'ny daty 22 Oktobra 1844 izy. Nefa mbola anisan'ireo olom-bitsy izay nifikitra tamin'ny Tompo koa, ka nivavaka tamin-dranomaso sy nandinika andro aman'alina ny Soratra Masina, mba hanazavan'Andriamanitra ny làlan-kizorany sy ny finoany.
Talohan'izany toe-javatra rehetra izany anefa, Andriamanitra dia efa nanome fahitana tovolahy iray, mpitoriteny mahay, atao hoe William Foy; saingy tsy ampy finoana izy, ka nalady nandà ny hafatra napetraka taminy homena ny olona. Herinandro vitsivitsy nialoha ny daty 22 Oktobra 1844, dia nifidy tovolahy mihaja sy nahita fianarana koa Andriamanitra. Kanefa na dia indroa aza ny Tompo no niantso azy sy naniraka azy, dia nandà Hazen Foss - izany no anaran'ilay tovolahy - noho ny tahony izay mety ho fitsaran'ny olona azy.
Arak'izany no nahatonga an'Andriamanitra hifidy ny malemy indrindra amin'ny fanaka malemy, dia E. G. Harmon, zazavavy vao 17 taona, nefa tia vavaka sy mato-tsaina. Niankina teo amin'ny sandry maherin'ny Tsitoha izy; araka ny fampanantenan'ny Tompo azy, dia nomena hery ny tenany marefo ary ny Fanahy Masina no nitari-dàlana azy, hahaizany sy hahazoany manatontosa ny adidy lehibe sy mahatahotra napetraka teo an-tsorony. Tamin'ny taona 1846 no nampakaran'Andriamatoa James White azy ho vady.
Nandritry ny 70 taona no niasan'ity mpanompovavin'ny Tompo ity ho an'ny fanjakan'Andriamanitra sy ho an'ny taranak'olombelona mila famonjena. Maty izy tamin'ny 16 Jolay 1915, kanefa ny asany dia mitohy sy mitatra ary tsy mitsahatra mandraka androany. Ny fitokisana ireo bokiny, izay atao hoe "fanahin'ny faminaniana", no tsiambaratelon'ny fandrosoan'ny fitoriana advantista eran'ny vavahady rehetra, sy iroboroboany hatraiza hatraiza, na dia olom-bitsy sy kely indrindra eo amin'ny fiangonana kristiana aza izy.
"Ny voany no hahafantaranareo azy", hoy Kristy (Mat. 7: 20). Raha ta-hahalala sy hanandrana amin'ny fomba manokana ary hianao, dia vidio ny bokiny, eny amin'ny tranom-printy advantista soamanandrariny na koa ao amin'ny Fiangonana advantista Mandrosoa. Efa maro no nivoaka amin'ny fiteny malagasy: Kristy Mpamonjy antsika, Ny Dia ho eo amin'i Kristy, Patriarka sy Mpaminany, Toro-làlana ho an'ny Fiangonana, Sambatra, Any am-parany any, Hery mifanandrina, Hasambarana tefin'Akany.
7- Inona no toro-hevitra omena antsika momba ny Fanahin'ny Faminaniana?
Valiny. "Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana" (1Tes. 5: 19, 20).
Commentaires
Enregistrer un commentaire