LESONA 35

FANOMEZAM-PAHASOAVANA SAMIHAFA HO AN'NY FIANGONANA

Rehefa hiakatra ho any an-danitra Kristy dia nampanantena fa handefa ny Fanahy Masina hisolo-tena Azy amin'ny fitarihana sy fikarakarana ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina no mizarazara ny fanomezam-pahasoavany amin'ny olona tsirairay avy araka ny fahaizany sy ny fahazoany manao, mba hitomboan'ny fiangonana sy hahazoany manefa ny adidy napetraka taminy.

1- Zavatra inona no tsara ho fantatry ny fiangonana?
Valiny. Ny fanomezam-pahasoavana, na ny zava-panahy, avy amin'ny Tompo ho an'ny olona. "1Kor. 12: 1).

2- Oviana Kristy no nandrotsaka be tamin'izany fanomezan izany?
Valiny. "Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona" (Efes. 4: 8).

3- Milazà sasantsasany amin'ireo fanomezam-pahasoavana ireo?
Valiny. "Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra" (Efes. 4: 11).

4- Inona no antony nandrotsahana ireny fanomezana ireny?
Valiny. "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy" (Efes. 4: 12, 13).

5- Fomba manao ahoana no izarazarana ireo fanomezana ireo?
Valiny. "Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany... Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony" (1Kor. 12: 4, 5; 8- 11).

< LESONA 34                                                                                                                   LESONA 36 >

Commentaires

Articles les plus consultés