LESONA 34
Ny fiangonana rehetra dia samy mihambo ho marina avokoa. Raha ny marina anefa dia tsy ny anaran'ny antokom-pinoana na antokom-pivavahana iray no mahavonjy, fa ny finoana amin'ny fomba manokana an'i Kristy. Marina koa fa na aiza na aiza dia misy olona tia an'Andriamanitra sy manana fiainana mendrika Azy. Nefa kosa, araka ny fahendreny, Andriamanitra dia nanendry fiangonana iray, hatrany hatrany, teo amin'ny tantara, mba hitondra avo ny fanevany Nomena fiangonana iray ny fahamarinana; rehefa tsy mijoro intsony io fiangonana io dia afindran'ny Tompo amin'ny fiangonana vaovao hafa indray ny fehefana; dia tahaka izany hatrany hatrany. Tsy ny trano, fa ny fitambaran'ny mpino no antsoina hoe fiangonana. Amin'izao androntsika izao koa, dia tsy maintsy misy fiangonana anankiray, izay mitory ny fahamarinana sahaza izao andro farany izao.
1- Nahoana no tsy maintsy alamina ny fiangonana?
Valiny. "Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotranana, fa tompon’ ny fiadanana" (1Kor. 14: 33).
2- Taiza no nisy fiangonana voalamina voalohany indrindra?
Valiny. "Izy (Mosesy) ilay teo amin’ ny fiangonana tany an-efitra ... no nandray teny velona mba homeny antsika" (Asa. 7: 38).
3- Iza avy ireo maha-fiangonana ny fiangonana?
Valiny. "Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara" (Mar. 13: 34). "Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra" (Efes. 4: 11).
4- Oharina amin'ny inona moa ny fiangonana?
Valiny. "Trano fanahy", Izay Kristy no Vatolampy iorenany sy Vato fehizorony (1Pet. 2: 5- 8); tena, Izay Kristy no lohany (Efes. 1: 22, 23). Koa ny mpino tsirairay avy dia toy ny "vato velona" sy rantsana iray ao amin'ilay Fiangonan'Andriamanitra naoriny hatrany am-boalohany.
5- Rahoviana no ho tanteraka sy feno ny fiangonana?
Valiny. Amin'ny fiverenan'ny Tompo. "mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy" (Efes. 5: 27).
6- Manao ahoana no tokony ho fitondran'ny mambra ny loholona sy ny diakona eo aminy?
Valiny. Tokony ho tia sy hanaja azy izy. (Heb. 13: 7, 17).
7- Manao ahoana no tokony ho toetry ny mpitondra fiangonana?
Valiny. "tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena" (Asa. 6: 3); manana oha-pitondrantena tsara, mahay ny asany sy voazaha toetra. (1Tim. 3: 1- 13).
8- Moa ve olona maro an'isa ny olon'Andriamanitra velona eo amin'ny taranaka iray?
Valiny. "Olona vitsy" no niditra ny sambo-fiara (1Pet. 3: 29). "Aza matahotra, ry ondry vitsy", hoy Kristy tamin'ny mpanaraka Azy (Lio. 12: 32); "dia hianareo, ry Isiraely olom-bitsy ... hoy Jehovah". (Isa. 41:14).
9- Ahoana no hamantarana fa anisan'ny fiangonan'Andriamanitra isika? Ahoana no hahalalana ny fiangonana marina?
Valiny. Ny fiangonana marina sy izay mambra marina ao aminy, dia "manaiky sy mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy" (Apok. 14: 12).
Noty: Araka ny Baiboly, ny antsoina hoe olona masina, dia olona velona, izay hita eo amin'ny toetrany fa mino an'Andriamanitra sy mitandrina ny Didiny. (Apok. 14: 12)
< LESONA 33 LESONA 35 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire