LESONA 33
NY FITANDREMANA NY SAINA AMAM-PANAHY
Izay hohanintsika dia misy vokany amin'ny toetrantsika; toy izany koa, izay omentsika ny saintsika dia misy asany eo amin'ny vatana. Koa tokony ho sarotiny indrindra ny Kristiana amin'ny fahadiovana rehetra, na amin'ny tena, na amin'ny saina, na amin'ny fanahy. Ny tokantrano kristiana dia tokony ho voalamina tsara sy hadio ary hidiran'ny hainandro sy ny rivotra madio. Tokony ho fadiny sy sinema tsy voafantina, ny teatra, ny dihy, ny tantaram-pitiavana, ny hirahira tsy maotina, fa samy manimba ny saina amam-panahy tsikelikely ireny, ka amin'ny farany tsy hahaizana manavaka intsony izay masina sy tsy masina, na mandanjalanja ny fiainana.
Tokony ho madio sy mendrika ny fitafian'ny Kristiana. Ny fitondrana zavatra sarobidy loatra sy fanaovana firavaka dia mampiseho avona, ary fahotana izany, sady mitarika ho amin'ny fahotana. Tokony ho madio na ny fitenitsika na ny fieritreretantsika. Tokony handro matetika isika.
1- Azo sarahina ve ny ara-batana sy ny ara-panahy?
Valiny. Tsia. "Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra
rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany" (3Jao. 2).
2- Inona no tokony ho fitondrantenan'izay miandry an' i Kristy?
Valiny. "mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy
ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina
ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana
ankehitriny izao" (Tit. 2: 11- 13).
Noty: Ny fialam-bolin'ny Kristiana dia zavatra tokony ho mahafinaritra, nefa mahasoa sy madio koa. Ny fijerena fampisehoana misy heri-setra, na fihetseham-po be loatra; ny fihainoana tantara mampangitakitaka, tsy maotina; ny famakiana bokim-pitiavana noforomporonina, izay matetika maivamaivana na maloto, dia samy sakafo misy asany tsy mahasoa amin'ny saina, ka mahabe haitraitra ny fanahy sy ny fo, ary mitondra ny vatana hanao zavatra izay tsy ho nataony raha tsy nisy ireny.
3- Ankasitrahan'ny Tompo ve ny hiravahantsika amin'ny peratra sy ny kavina ary ny rojo sy ny firavaka samihafa?
Valiny. Tsia. "Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika
mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo
mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy" (1Tim. 2: 9).
4- Inona no firavahan'ny vehivavy ankasitrahan'Andriamanitra?
Valiny. "Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy
malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra" (1Pet. 3: 3, 4).
5- Tokony hahafoy ny firavany ve izay manolo-tena ho an'Andriamanitra?
Valiny. "Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba
azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay
ny fitafianareo; ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ... Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany
sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba ... ireo" (Eks. 35: 2- 4).
"Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa
raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia
handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao,
mba ho fantatro izay hataoko aminao" (Eks. 33: 5, 6).
6- Maty antoka ve ny Kristiana raha tsy manahaka an'izao tontolo izao?
Valiny. "Fa ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao, dia ny filan’ ny nofo
sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy
amin’ ny Ray, fa avy amin’ izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay." (1Jao. 2: 16, 17).
Commentaires
Enregistrer un commentaire