LESONA 32

NY FITANDREMANA NY VATANA

Kristy dia nanavotra antsika, ary ny tenantsika dia Azy ka tsy azontsika atao amin'izay tiantsika fotsiny. Izay manao tsirambina ny tenany sy tsy mikarakara azy dia tsy manome voninahitra an'Andriamanitra. Ny fitondrantena ratsy, ny tsy fahalalana onony amin'ny fihinana sy ny fisotro, ny fahazarana amin-javatra manimba toy ny paraky, sigara, rongony, toaka, dia sady mandoto ny tena no manimba ny fahasalamana. Andriamanitra dia nanisy lalàna ara-panahy sy ara-batana ao amin'ny tenantsika; ny tsi-fankatoavana an'ireny dia fahotana, ka mitarika ho amin'ny aretina sy ny fahafatesana ary ny fahaverezana. Tokony hiezaka mafy isika mba ho sakafo sy fisotro mahatanjaka sy mahasalama mandrakariva no hamelomantsika ny tenantsika. Izay manimba ny tenany dia mba hosimban'Andriamanitra kosa.

1- An'iza moa ny tenantsika?
Valiny. An'Andriamanitra, noho ny maha-Mpahary sy Mpanavotra Azy. "Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo." (1Kor. 6: 19, 20).

2- Inona no ohatra tsara nomen'i Daniela ny tanora ny amin'ny fihinana sy ny fisotro?
Valiny. "Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany... Masìna hianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroina" (Dan. 1: 8, 12).

3- Natao hihinan-kena ve ny olona tamin'ny voalohany?
Valiny. Tsia. Vokatry ny tany no nataon'Andriamanitra ho sakafony (Gen. 1: 29). Taty aoriana ela izy vao nomena alalana hihinan-kena; kanefa izany indray aza nisy fanavahana tsy maintsy natao, mba hahalalana izay azo hohanina. 

4- Inona no fitsipika ahalalana ny biby sy ny hazandrano azo hohanina?
Valiny. a)- Ny amin'ny bibiy dia izay sady mivaky kitro no mandinika no azo hohanina, toy ny omby, ny ondry; ny kisoa dia mivaky kitro nefa tsy mandinika, ary ny rabitro dia mandinika nefa tsy mivaky kitro; koa noho izany dia tsy tsara hohanina ny kisoa sy ny rabitro. b)- Ny hazandrano, dia izay misy kirany sy vombony (nageoire dorsale ou aileron) no azo hohanina. d)- Ny vorona dia ireto ny sasantsasany amin'izay tsy azo hohanina: ny papango, ny goaika, ny vorondolo, ny hitsikitsika, ny vano, ny manavy, ets ... e)- Izay rehetra mandady amin'ny kibony, na mikisaka amin'ny tany, na maro tongotra, dia tsy fihinana avokoa. Izay manana fingotra hitsipahany toy ny valala anefa dia azo hohanina ihany. (Vakio ny Levitikosy faha-11).

5- Inona no fananarana momba ny zava-pisotro mahamamo?
Valiny. "Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra; Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana" (Oha. 23: 29- 32). "Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry" (Oha. 20: 1).

6- Inona no atao hoe fahalalana onony?
Valiny. Izay tsy mikasika mihitsy ny zavatra tsy mahasalama, ary manao ny antonony amin'izay avelan'ny Baiboly atao, no atao hoe mahalala onony. Toetra kristiana, vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ny fahalalana onony (Gal. 5: 22, 23).

7- Inona no voka-dratsy sasantsasany avy amin'ny tsi-fahalalana onony?
Valiny. a)- Tsy fanaovana ny rariny sy ny hitsiny eo amin'izay mitondra ny firenena. "Tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao, raha misoro izy, dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana" (Oha. 31: 4, 5). b)- Fiainana tsy voalanjalanja ary fahavoazana ara-pahasalamana, isam-pianakaviana sy isam-batan'olona. "An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? (Oha. 23: 29, 30). "Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena" (Oha. 23: 21).

8- Ho tonga any an-danitra ve ny mpimamo?
Valiny. "Aza mety hofitahina hianareo: fa ny ... mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra" (1Kor. 6: 9, 10).

9- Inona no fandrahonana ataon'Andriamanitra amin'izay manimba ny fahasalamany?
Valiny. "Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany." (1Kor. 3: 16, 17).

10- Manimba ve ny fisotroan-kafe sy dite?
Valiny. Eny. Ny kafe sy ny dite (fa tsy ranom-boafotsy) dia misy fanafody mahery atao hoe "caféine". Koa raha fanafody no atao fisotro dia manimba izany.

Noty: "Ny dite dia zavatra manaitaitra ary mety hahatonga karazan-pahamamoana mihitsy aza. Mitovy ny asan'ny kafe sy ny an'ireo fisotro hafa mitovitovy aminy. Ny zavatra voalohany voatsapa dia fahatsiarovan-tena ho falifaly; injao fa taitaitra ny ozatra amin'ny am-bava-fo, manako any amin'ny ati-doha izany fahatairana izany, ary ny ati-doha kosa mamindra azy amin'ny fo; dia mihafaingana ny fitepon'ny fo, ary ny organa rehetra dia voakorontana mihitsy mandritra ny fotoana kely. Hadino ny fahasasarana, ary toa miverina ny hery; velombelona indray ny saina, ary mihamavitribitrika ny eritreritra. Rehefa hitan'ny olona izany vokany izany, dia heveriny fa tena mahasoa azy mihitsy ny dite sy ny kafe, nefa diso hevitra izy. Tsy misy famelomana ho an'ny tenantsika ireny fisotro ireny, satria ny vokany dia miseho alohan'ny fahavitan'ny fandevonan-kanina. Izay heverina ho toa fahatanjahana azo avy aminy, dia tsy inona fa fahatairan'ny ozatra ihany. Rehefa injay mijanona ny asan'ilay zavatra manaitaitra, dia lasa koa ny hery, ka ny vokatr'izany dia fahavizambizanana sy fahareradrerahana.

"Ny fampiasana tsy an-kijanona ireny zava-manaitaitra ireny dia mandreraka ny fototry ny aina, ary arahin'ny faharisarisana be ihany: aretin'an-doha, tsy fahitan-tory, aretim-po, tsy fahalevonan-kanina, fangovingovitana. Fialan-tsasatra no ilain'ny ozatra sasatra fa tsy fanaitairana na fahasasarana fanampiny. Mila fotoana ny natiora hanonerana ireo hery lany. Rehefa voahetsiky ny zavatra manaitaitra ny tena, dia mety hahavita bebe kokoa noho izay fanaony mandrakariva, nefa rehefa reraka hatreo izy, dia mihasarotra aminy hatrany ny manatratra ilay fetra irina hotratrariny. Ny faniriana hihinana zavatra manaitaitra dia mitombo ka mila tsy ho azo toherina intsony, ary rehefa ela dia resin'ilay faniriana miredareda ny sitrapo. Daozy mihabe hatrany hatrany amin'izany manaitaitra izany vao mety hahatsapana ilay vokany tadiavina, mandra-pahatongan'ny andro izay hahareraka mafy ny tena manontolo ka tsy hahaizany manao fiezahana intsony na amin'inona na amin'inona, ary dia mijanona izy". (Rayons de Santé, p. 206, 207).

11- Manimba ny tenantsika ve ny paraky sy ny sigara?
Valiny. Eny. "Ny paraky dia poizina miasa miadana, tsy mibaribary nefa tena anisan'ny manimba indrindra. Na inona na inona fomba ihinanana azy (hohanina, fohina, trohina), dia misy vokany manimba ireny; ary vao mainka mampidi-doza izy, satria miadana ny fiasany, ary mila tsy ho hita aza amin'ny voalohany. Manaitra ny ozatra izy, rehefa avy eo dia mahalemy azy. Mampahosa sy mampanjavona ny ati-doha izy. Mandrakariva dia mamely mafy ny ozatra mihoatra noho ny fisotro mahamamo izy. Tsy misehoseho loatra izy, ary ny vokatra avy aminy dia sarotra ongotana amin'ny tena. Ny fampiasana azy dia mahatonga hetaheta mitady fisotro mahery, ary im-betsaka dia izany no fototra nihavian'ny fahazarana amin'ny toaka" (Rayons de Santé, p. 207, 208).

12- Inona no toetry ny mpanao fanatanjahan-tena tokony hianarana?
Valiny. Ny mpanao fanatanjahan-tena mendrika izany anarana izany dia mahonon-tena, mba hahazoany ny satroboninahitry ny fandresena. "Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò." (1Kor. 9: 25).

13- Inona no fitsipi-piainana tokony harahin'ny Kristiana?
Valiny. "Koa amin’ izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany." (1Kor. 10: 31).



< LESONA 31                                                                                                                LESONA  33 >

Commentaires

Articles les plus consultés