LESONA 31

NY FAHAMASINAN'NY TOKANTRANO

Nametraka marika ambony momba ny fahamasinan'ny tokantrano Andriamanitra, dia marika izay tokony hotratrarin'ny olony. Ny fanambadiana dia fikambanana mandra-maty. Raha latsaka amin'ny fijangajangana ralehilahy, na ravehivavy, dia eken'Andriamanitra ny fisarahana; kanefa tsy hoe zavatra tsy maintsy hatao akory izany. Ao amin'ny fikasan'Andriamanitra dia izay efa mifankatia ihany no hivady, satria ny tsy fisian'ny fitiavana dia mahatonga fahoriana lehibe ao amin'ny tokantrano. Ny lahy no lohan'ny vavy, ary izao no hevitr'izany: tokony ho tia ny vadiny izy, tokony hamelona sy hitaiza ary hifehy amim-pahendrena ny ankohonany. Ny fampirafesana dia tsy sitrak'Andriamanitra; izay olony nanao izany dia fantatsika fa tsy afaka tamin'ny fijaliana sy ny fahasahiranana nateraky ny nataony. Raha misy anankiray zokiny loatra, amin'ireo olona mikasa ny hivady, dia tsy mendrika izany, sady hanjary loharano tsy ahitam-pahasambarana. Tokony hankato ny ray aman-dreniny ny ankizy sy ny tanora. Halan'i Jehovah ny fijangajangana.

1- Fitsipika ambony inona no nomen'Andriamanitra ny vahoakany?
Valiny. "Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo." (Lev. 19: 2).

2- Araka ny planan'Andriamanitra dia vady firy no tokony ho an'ny lehilahy iray?
Valiny. Tokana ihany, satria vady iray ihany no nomeny an'i Adama. "Dia ho nofo iray ihany izy roroa" (Efes. 5: 31).

3- Inona ihany no atony hahazoana misara-panambadiana?
Valiny. "Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga" (Mat. 19: 9).

4- Inona no hahazo izay mijangajanga? sy maloto fiaina?
Valiny. "Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny ... mpaka vadin’ olona sy ny sodomita... tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra." (1Kor. 6: 9, 10).

5- Inona no adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanany sy ny adidin'ny ankizy amin'ny ray aman-dreniny?
Valiny. a)- Ny ray aman-dreny dia tokony hitaiza ny zanany araka ny sitrapon'ny Tompo, sy hamelona azy (Efes. 6: 4; 1Tim. 5: 8). b) - Ny zanaka dia tokony hanaiky ny ray aman-dreny sy hanampy azy raha ilaina izany, indrindra eo amin'ny fahalehibiazany (Efes. 6: 1; Mar. 7: 10- 13).

6- Tokony hanao ahoana ny fifampitondran'ny mpivady?
Valiny. "Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo." (Efes. 5: 22). "Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana" (Efes. 2: 25).

Noty: Mifanampy sy mifameno ny mpivady eo amin'ny lafim-piainana rehetra. Ny lehilahy dia mila fankatoavana hendry avy amin'ny vavy; ary ny vehivavy dia mila fitiavana mahafoi-tena avy amin'ny lehilahy.

7- Mety ve ny manambady olona hafa finoana? na tsy mino?
Valiny. "Ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy" (Deo. 7: 3). "Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino". (2Kor. 6: 14).

Noty: Tsy firaisan'ny vatana fotsiny, na fitadiavana tombon-tsoa, ny fanambadiana, fa indrindra indrindra firaisan-tsaina sy fanahy, izay antoky ny fahasambarana maharitra. Ny Silamo, ohatra, dia tsy mino an'i Kristy ho Andriamanitra; Ny Kristiana dia mino Azy ho Andriamanitra. Hataony ahoana ny hahazoana miara-maina, na dia amin'ny sakafo fotsiny ihany aza? Tsy maintsy misy iray mandao ny heviny sy ny finoany. Toy izany koa: ny Katolika dia mino marimarina fa ny finoany no marina; ny Protestanta (Mpandà no dikany) dia tsy manaiky an'izany. Hataon'ny Katolika hirihiriny sy ny Protestanta hirihiriny ahoana no fiifanaraka eo amin'ny lafim-piainana lehibe toy ny fitaizana homena ny zaza? Hataon'ny vehivavy iray mpivavaka tso-po ahoana koa no fanambady lehilahy iray izay manao tsinontsinona ny Andriamanitra ivavahany?

8- Inona no tokony hatao raha tanora tsy mitovy finoana no mifankatia?
Valiny. "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana" (Jao. 17: 17).

Noty: Raha Kristiana samihafa finoana, na tsy mpino sy mino no mifankatia, dia mety ny hanetreny tena ka hangatahany ny fahazavana avy amin'Andriamanitra. Izany fahazavana izany dia ao amin'ny Baiboly. Tokony hampitaha amin-kitsim-po ny finoany hatrizay amin'izay voalaza ao amin'io Boky masina io izy roa. Ary rehefa hita fa ny an'ny anankiray no marina, dia hanaiky amim-pifaliana ny fahamarinana. Ny tena zanak'Andriamanitra dia tsy hihevitra ny fitiavana tovolahy iray, na tovovavy iray, ho zavatra ambonin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny famonjena ao amin'i Kristy Jesosy.



< LESONA 30                                                                                                                   LESONA 32>

Commentaires

Articles les plus consultés