LESONA 30

NY ADIDINTSIKA AMIN'NY FANJAKANA

Ny fanjakana dia notendren'Andriamanitra mba hiaro any ain'ny vahoaka sy ny fananany, ary mba hahazoan'ny vahoaka mahita ny rariny. Mila vola betsaka ny fandaminana ny raharaham-panjakana; ny hetra no ahazoana an'izany vola izany. Koa ny Kristiana dia tokony handoa amim-pifaliana ny hetra ho valin'izay rehetra mahasoa ataon'ny fanjakana. Ny Kristiana dia tokony hanaiky mandrakariva ny lalàm-panjakana, raha tsy ohatra angaha ka manohitra ny iray amin'ny Didy Folo izany. Sarotra ny mitondra firenena, koa tokony hivavaka ho an'ny manam-pahefana ny Kristiana.

1- Nahoana no tokony hisy fanjakana?
Valiny. Mba hiaro ny olona sy hanome azy ny rariny izay tokony ho azy avy.

2- Tokony hankato ny fitondram-panjakana misy ve ny Kristiana?
Valiny. "Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra." (Rom. 13: 1).

3- Raha tahiny ka tsy manohitra ny Didy Folo ny lalàm-panjakana kanefa tsy ekentsika, dia iza no toherintsika?
Valiny. "Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’ Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana." (Rom. 13: 2).

4- Avy amin'iza no andraisan'ny  fanjakana ny fahefany?
Valiny. "Izay misy dia voatendrin'Andriamanitra" (Rom. 13: 1).

Noty: Tokony tsy ho tery ny fandraisana izany fanambarana izany. Paoly, izay nanoratra ireo teny ireo ho an'ny Kristiana romana, dia velona tamin'ny andron'ny Romana, izay fanjakana natanjaka sy nahery setra. Na ny tenany aza, izay olom-pirenena romana, dia nanaovana ny tsy rariny. Niniany tsy nojerena anefa ny lafy ratsin'ny fitondrana, fa ny nobanjininy dia ny fikendren'Andriamanitra ihany, tamin'ny namelany fanjakana iray hitsangana ka hanapaka. Nino izy fa Andriamanitra no mampijoro, ary mbola Izy ihany koa no afaka hampirodana. Ao Eoropa, ohatra, dia iza no hanampo fa Romanie, izay tany komonista hirihiriny, no be Advantista indrindra?

5- Tokony handoa tsara ny hetrany ve ny Kristiana?
Valiny. "Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina." (Rom. 13: 6, 7).
"Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra." (Mat. 22: 21).

6- Inona no an'Andriamanitra?
Valiny. Ny ampahafolony sy ny fanatitra an-tsitra-po, arak'izay ho hitantsika, ary koa ny fivavahana sy ny fankatoavana ny Didy Folo.

7- Raha voatery hifidy isika, iza no tokony hankatoavina, Andriamanitra sa Kaisara?
Valiny. "Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona." (Asa. 5: 29).



< LESONA 29                                                                                                                LESONA 31>

Commentaires

Articles les plus consultés