LESONA 29
MPITAHIRY NY FANANAN'ANDRIAMANITRA
Izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy dia samy an'Andriamanitra noho ny maha-Mpahary Azy. Azy avokoa ny volafotsy sy ny volamena ary ny akoho amam-borona. Raha ny marina, no holazaina, dia tsy misy na inona na inona antsika, satria izay rehetra antsika dia nalaintsika avy tamin'ny Azy avokoa. Izy koa no mandefa ny hainandro sy ny ranonorana. Noho izany dia manana fahefana Izy hangataka amintsika izay ho enti-manohana ny fitoriana ny Filazantsara. Voninahitra lehibe nomeny antsika rahateo izany, dia ny ho mpiara-miasa Aminy, amin'ny famonjena izao tontolo izao. Ny fahafolon-karena dia asain'Andriamanitra hatokantsika ho atom-piveloman'izay nanoka-tena ho mpiasan'Andriamanitra. Izay tsy mahafoy ny ampahafolony dia mampiseho fa mbola tsy takany tsara ny halehiben'ny famonjena ny tenany sy ny famonjena izao tontolo izao; afa-tsy izany dia mandika ny didy manao hoe: "Aza mangalatra" izy. Ny olona mahatoky kosa dia tsy mba ozona no tonga aminy, fa fitahiana lehibe, izay asain'Andriamanitra izahana toetra Azy mihitsy. Afa-tsy ny ampahafolony, dia tokony hanao fanomezana an-tsitra-po ny Kristiana.
1- Iza no Tompon'izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy?
Valiny. "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy" (Sal. 24: 1).
2- Ny ampahafirin'izay azontsika no lazain'Andriamanitra fa Azy?
Valiny. Ny ampahafolony. (Lev. 27: 30, 32).
Noty: ireto misy ohatra vitsivitsy: Raha manana trano iray hianao eo amin'ny fotoana anapahanao hevitra handoa ny ampahafolony, dia tsy tokony hamidinao tsy akory, na hotombananao ny tranonao hahazoanao manome ny ampahafolony; fa raha ahofanao kosa io tranonao io dia hanome ny ampahafolon'ny hofany hianao. Raha mpandray karama isam-bolana hianao, dia ny ampahafolon'ny karamanao no homenao. Raha mpivarotra hianao dia ny ampahafolon'ny tombom-barotra no ampahafolony. Raha miteraka ny biby fiompinao, ka tianao hotanana ny biby fa tsy hamidy, dia hotombananao izay tokony hovidin'ny ampahafolon'ny biby, eo amin'ny fotoana tokony hivarotana azy, ka homenao an'i Jehovah.
3- Misy zavatra tsy tokony handoavantsika ny ampahafolony ve?
Valiny. Tsia. "Izay rehetra homenao ahy, dia homeko anao tokoa ny ampahafolony" (Gen. 28: 22).
4- Iza no nanome antsika saina sy hery hahazoana harena?
Valiny. "fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena" (Deo. 8: 18).
5- Afa-tsy ny ampahafolony dia inona koa no tokony homentsika ho an'Andriamanitra?
Valiny. Fanomezana samihafa toy ny rakitra. "Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany" (Sal. 96: 8)
6- Inona no zavatra miseho raha mitana ny ampahafolony isika?
Valiny. "Voaozona amin’ ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao. Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko" (Mal. 3: 8- 10).
7- Toe-tsaina manao ahoana anefa no tokony handoavana ny ampahafolony?
Valiny. "tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra." (2Kor. 9: 7).
Noty: Matoa isika nandray izao fahamarinana izao, dia satria nisy olona nahatoky nanome ny ampahafolony; ary nahatoky izy, satria nahatsapa ny halehiben'ny namonjena ny tenany sy ny halalin'ny fahafoizan-tenan'Andriamanitra tamin'ny nanavotany izao tontolo izao. Ny fandoavana ny fahafolon-karena no fomba rariny sy mendrika indrindra, izay mampitovy lenta eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay avy, amin'ny adidiny.
8- Inona no nampanantenain'ny Tompo an'izay mandoa ny fahafolon-karena?
Valiny. "Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo... Ary hianareo hataon’ ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro." (Mal. 3:10, 12).
< LESONA 28 LESONA 30 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire