LESONA 28

TOKY OMENA IZAY MITANDRINA NY SABATA

Na oviana na oviana no nijoroan'ny olon'Andriamanitra tamin'ny fahamarinana dia nenjehina tahaka ny Tompony koa izy, satria rehefa tonga ny mazava dia misinda ny aizina sady miharihary ny ratsy nosakobonina. Ny Baiboly dia milaza amintsika fa amin'ny andro farany, alohan'ny hiverenan'i Jesosy, dia hisy hafatra manokana hitondra fanavaozana sy hotorina amin'ny firenena rehetra, ka anisan'izany ny fahamarinana momba ny Sabata. Izay mankato izany hafatra izany dia hahazo tombo-tsoa betsaka avy amin'ny fahalalana ny marina, kanefa hisetra zava-tsarotra betsaka koa eo amin'ny lafim-piainany samihafa. Manome toky Andriamanitra fa tia sy tsy hahafoy izay rehetra mifikitra Aminy.

1- Iza no lazain'i Jehovah fa sambatra?
Valiny. "Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory" (Isa. 56:2).

2- Iza no hifaly ao an-trano fivavahan'i Jehovah?
Valiny. "Ary ny hafa firenena izay efa manaiky an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony - dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko - dia ho entiko any an-tendrombohitro masina ka hampifaliako ao an-tranoko fivavahana" (Isa. 56: 6, 7).

3- Moa ve misy fitahiana ara-nofo ho an'izay voazaha toetra noho ny Sabata?
Valiny. "Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, Dia hiravoravo amin’ i Jehovah hianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany hianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny." (Isa; 58: 13, 14).

Noty: Tao anatin'ny fiaran'ny fanekena, teo akaikin'ny vato fisaky ny Didy Folo, dia nisy vilany volamena feno mana. Izao no antony: ta hampiseho ny Tompo fa tsy ho noana akory izay mitandrina ny didiny. Tano amin'ny teniny Izy!

4- Iza no hahazo ny fandresena farany eto an-tany?
Valiny. "Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibidia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana ny lokangan'Andriamanitra" (Apok. 15: 2).

Noty: Izany dia mampahatsiaro ny Zanak'Isiraely avy namakivaky ny Ranomasina Mena sy nihira hira fiderana rehefa voavonjy tamin'ny fomba mahagaga; nandritra izany kosa, ny tafiky ny fahavalo dia fefika avokoa sy nopaohin'ny fahafatesana.

5- Tia ny Sabata ve ireo mpitondra fivavahana kristiana?
Valiny. "Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; ... ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho." (Eze. 22: 26).

6- Iza no ho vonona rehefa tonga Kristy?
Valiny. "Indro, ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finonana an'i Jesosy" (Apok. 14: 12)



< LESONA 27                                                                                                            LESONA 29 >

Commentaires

Articles les plus consultés