LESONA 27

NY TOMBO-KASEN'ANDRIAMANITRA SY NY MARIKY NY BIBI-DIA

Ny biby, ao amin'ny Baiboly, dia enti-mampiseho fanjakana, na mpanjaka. Fomba tsotra sy mazava izany. Izay mahamora ny zavatra tiana hambara amin'ny fahitana. Raha liona, ohatra, no aseho dia milaza izany fa matanjaka sy manan-kery ary eken'ny fanjakana maro ilay mpanjaka voalaza. "Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. ... Ilay fahaefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra ety ambonin'ny tany" (Dan. 7: 17, 23).

1- Manana tombo-kase ve Andriamanitra?
Valiny. Eny. Manana fitomboka tokoa Andriamanitra, satria manana lalàna Izy; Raha tsy asiana fitomboka ny lalàna dia tsy manan-kery. "Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatara avy tamin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona" (Apok. 7: 2).

2- Eo amin'iza no hasiana tombo-kase ny lalàn'Andriamanitra?
Valiny. "Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro" (Isa. 8: 16).

Noty: Izany baiko izany dia ahalalana fa tsy misy fitomboka ny lalàn'Andriamanitra izay tandreman'ny olony, ka manjary tsy manan-jo. Ohatra: Ao amin'ny Didy Folo dia misy didy mandrara tsy hangalatra; kanefa raha esorina ny didy fahetra, tsy fantatra akory, na iza na iza no Andriamanitra nanao hoe: Aza mangalatra.

3- Inona no tombo-kasen'Andriamanitra, famantarana ny fahefany?
Valiny. Ny didy fahefatra izay mampitandrina ny Sabata. "Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo izany" (Eks. 31: 13).

Noty: Rehefa mety ho fitomboka dia tsy maintsy mitondra ny anaran'ny tompom-pahefana sy ny raharahany ary ny faritra iadidiany. Ao amin'ny didy faha-4, dia hita fa:
a) - Jehovah Andriamanitrao no anarana sy fanampin'anarany;
b) - Mpanao , na Mpamorona no raharahany sy voninahiny;
d) - Ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy no faritra iadidiany sy anjakany.

4- Inona kosa no asan'ny tombo-kasen-Andriamanitra eo amin'ny vahoakany?
Valiny. Ho fiarovana azy, rehefa hilatsaka eto ambonin'ny tany ny loza farany, tahaka ny niarovana ny Zanak'Isiraely tany Egypta raha nandalo ilay anjely mpandringana ny lahimatoa. "Ary izy niantso ny anjely fahefatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitra" (Apok. 7: 2, 3).

5- Inona kosa no famantarana ny fahefan'ny bibi-dia, na hoe mariky ny bibi-dia?
Valiny. Ny fandinihana ny toko faha- 13 amin'ny Apokalypsy dia ahafantarana fa ny fanjakana asehon'ilay bibi-dia dia fanjakana politiko-relijiozy, izay misampana avy ao Roma ka manerana izao tontolo izao. Efa hitantsika fa ny Eglizy dia manaiky sy mirehareha fa izy no nanova ny fitandremana ny Sabotsy ho amin'ny Alahady, noho ny fahefany. Ka dia ny Alahady ary no mariky ny bibi-dia.

6- Inona no hataon'ny Eglizy rehefa miverina ny heriny nananany taloha?
Valiny. Hanery ny olona sy hampamono izay tsy mety mitandrina ny Alahady ny bibi-dia sy ny sariny, izany hoe ny Eglizy sy ireo fiangonana hafa manao politika tahaka azy koa, ka amin'izay dia manao volon-gita mifandray tendro ny fanjakana sy ny fiangonana kristiana. (Apok. 13: 11- 17).



< LESONA 26                                                                                                                 LESONA 28 >

Commentaires

Articles les plus consultés