LESONA 37
NY FIVAVAHANA
Sahala amin'ny iresahantsika amin'ny sakaiza tiana anankiray, ka amborahantsika aminy ny fiainantsika rehetra, no ahazoantsika miresaka koa amin'i Jesosy , amin'ny alalan'ny fivavahana. Azontsika entina eo Aminy ny tahotra rehetra, ny fahasahiranana rehetra, ny fifaliana rehetra tonga amintsika. Izy mihitsy no miantso antsika ho eo Aminy tsy amim-pisalasalana, toy ny fanatonan'ny zaza ny ray aman-dreniny. Manana ny hery rehetra sy ny fahendrena rehetra Izy. Azo antoka ny handrenesan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika sy ny handrenesantsika ny fanambarana avy Aminy, tahaka ny maha-azo antoka ny fifandraisan'olona anankiroa samy manana vata sady fandefasam-peo no fandraisam-peo ... raha toa ka mitovy ny halavan'ny onjam-peo iresahana.
Koa tsy antony feno fitiavan-tena fotsiny ary no anatonantsika an'Andriamanitra, fa fikatsahana indrindra ny fanatrehan'ny tavany sy ny fahalalana ny sitrapony, izay sady masina no tsara. Arakaraka ny itiavantsika ny fivavahana mangina no ahalalantsika na miray tsara amin'Andriamanitra Raintsika isika na tsia. Tombon-tsoa lehibe ho an'ny zanak'Andriamanitra ny fivavahana: manadio ny fiainany izany, manavao ny herim-panahiny ary mamatotra azy bebe kokoa amin'ny lanitra.
1- Miaro amin'ny inona ny fivavahana?
Valiny. "Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy" (Mat. 26: 41).
2- Fotoana toy ny inona avy no tokony hivavahantsika?
Valiny. Azontsika atao ny mivavaka ampahibemaso. Kanefa ny toerana foiben'ny fivavahana dia ao an-tokatrano. Tokony hanana fotoana fiaraha-mivavaka ny mpianakavy isa-maraina sy isan-kariva; ary ny tsirairay avy dia tokony hametra fotoana hivavahany mangina amin'Andriamanitra arak'izay azony atao. Fa "tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka", hoy Jesosy (Lio. 18: 1).
3- Inona no fepetra tsy maintsy tanterahina mba hahazoana valim-bavaka?
Valiny. Finoana. "Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo" (Mat. 21: 22).
4- Ary inona no misakana ny hihainoan'Andriamanitra ny vavaka?
Valiny. Ny fahotana. "Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana" (Oha. 28: 9).
5- Amin'ny alalan'Iza irery no tokony hivavahantsika?
Valiny. Amin'ny anaran'i Kristy irery, "Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako hianareo, dia hataoko izany" (Jao. 14: 14).
6- Inona avy no azontsika angatahina amin'ny anaran' i Jesosy?
Valiny. Na inona na inona angatahitsika Aminy dia ho azontsika avokoa, koa tsy ilaina intsony ny mpanelanelana hafa. "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka" (Jao. 14: 13).
7- Tokony hifampivavaka ve isika?
Valiny. "Mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" (Jak. 5: 16).
8- Iza ihany no afaka hanatona amim-pahatokiana an'Andriamanitra?
Valiny. Izay mahatsapa fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany. "Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria
mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika" (1Jao. 3: 22).
Commentaires
Enregistrer un commentaire