LESONA 38

NY BATISA SY NY FANAMARINANA

Nodidian'i Jesosy ny mpianany hanao batisa izay rehetra mino Azy. Ny mpanao batisa dia mandetika ilay mpino ao anaty rano, dia mangana azy indray. Ny rano dia mampiseho ny fanasana amin'ny fahotana taloha rehetra; ny fanitrihana dia mampiseho fa afoy ilay toetra taloha, ary ny fananganana avy ao anaty rano dia milaza fiainam-baovao sy fahamarinana. Ny zazakely dia tsy tokony hatao batisa, satria tsy afaka hino izy, na hahay hibebaka, na ho azo atsoboka anaty rano. Ny olon-dehibe kosa dia tokony hiandry mandra-pahatapitry ny Fotoam-pianarana vao hatao batisa. Tokony homena fotoana koa izy, hampisehoany eo amin'ny fiainany ny maha-Kristiana azy marina. Raha arahina izany toro-hevitra izany, dia fahadisoam-panantenana betsaka no ho voasoroka. Zava-dehibe loatra tamin'i Kristy ny batisa, koa na dia tsy nanota aza Izy, dia nangataka hatao, mba hanomezany ohatra ho antsika.

1- Tsy maintsy hanaiky hatao inona izay manaiky an'i Kristy?
Valiny. Hatao batisa. "mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" (Mat. 28: 19).

2- Inona no fepetra takin'ny batisa ara-Baiboly?
Valiny. a)- Fibebahana. "Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo" (Asa. 2: 38). b)- Finoana. "Izay mino sy atao batisa no hovonjena" (Mar. 16: 16).

3- Aiza no andraisan'ny mino ny Fanahy Masina?
Valiny. Eo amin'ny batisa "Ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina" (Asa. 2: 38).

4- Misy karazany firy ny batisa kristiana?
Valiny. "Iray ny batisa" (Efes. 4: 5).

Noty: Ny batisan-jazakely dia tsy miorina eo amin'ny Soratra Masina fa eo amin'ny teolojian'olombelona fotsiny ihany.

5- Inona avy moa no asehon'ny batisa marina?
Valiny. a)- Finoany fa maty Jesosy noho ny fahotany sy nalevina ary natsangana tamin'ny maty; b)- Fanekeny fa ho faty ny amin'ny toetrany taloha kosa izy sy handevina izany tsy ho hita intsony ary ho velona amin'ny fiainan'i Kristy; d)- Fanantenany fa na dia maty aza izy sy halevina, dia mbola hitsangana amin'ny farany.

Noty: "Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao" (Rom. 6: 3, 4).

6- Tonga inona isika eo amin'ny fotoana anaovana batisa antsika?
Valiny. Tonga an'isan'ny fianakavian'ny lanitra; izany no hevitry ny hoe: amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Hatreo dia "nitafy an'i Kristy" isika, tonga "zanak'Andriamanitra", ary raha zanaka dia "mpandova" ny tany sy ny lanitra. (Gal. 3: 26, 27; 4: 7). Ny batisa ary no varavarana idirantsika ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra hita maso, dia ny fiangonana.

7- Inona no asan'Andriamanitra tanteraka amintsika eo amin'ny batisa?
Valiny. Ny fahotantsika tamin'ny lasa rehetra dia novonoina avokoa tamin'ny batisa: izany no atsoin'ny Soratra Masina hoe "nohamarinina tamin'ny finoana" (Rom. 5: 1).


< LESONA 37                                                                                                                  LESONA 39 >

Commentaires

Articles les plus consultés