LESONA 39

NY FANASAN-TONGOTRA SY NY FANAMASINANA

Tamin'ny fiafaran'ny asany teto an-tany, dia nampiseho ny fara-tampon'ny fitiavany ny mpianany Kristy, sy nanome azy koa lesom-panetren-tena mahagaga, tamin'ny nanasany ny tongony. Mihoatra lavitra noho izany anefa no tian'ny Tompo haseho tamin'ny nanasany ny tongotry ny mpianany; nolazainy tamin'i Petera iankinan'ny famonjena azy izany. Ny fanasan-tongotra mantsy dia mampiseho ny fanamasinana ao amin'ny finoana. Io fanadiovana io no mahatonga antsika ho mendrika hanatona ny latabatra masina. "Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy" (1Kor. 11: 27- 29).

1- Inona no lesona voalohany asehon'ny fanasan-tongotra?
Valiny. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony". "Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra." (Jao. 13: 16, 13, 14).

2- Inona koa no asan'ny fanasan-tongotra?
Valiny. Fanadiovana ara-panahy "Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko" (Jao. 13: 8).

3- Fanadiovana toy inona no asehon'ny fanasan-tongotra?
Valiny. Ny fanamasinana. Koa "Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo" (Heb. 12: 14).

4- Inona no ifandraisan'ny batisa sy ny fanasan-tongotra?
Valiny. Ny batisa dia fandroana na fanadiovana ny tena manontolo, izay atao indray mandefa eo amin'ny fiainana; ny fanasan-tongotra kosa dia fanadiovana miandalana izay voaloton'ny tany, aorian'ny batisa, mandritry ny fiainana manontolo.

Noty: "Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa". (Jao. 13: 9, 10).

5- Inona kosa no ifandraisan'ny fanamarinana sy ny fanamasinana?
Valiny. Ny fanamarinana dia fanesoran'Andriamanitra ny fahotantsika taloha rehetra hatreo amin'ny batisa, noho ny finoantsika; ny fanamasinana kosa dia fanesoran'Andriamanitra izay pentina eo amin'ny mino, sady asa ataony mandra-pahafatintsika. Koa ny fanasan-tongotra dia famenon'ny batisa sady tohiny; toy izany koa: ny fanamasinana dia famenon'ny fanamarinana sady tohiny.

6- Nandidy ny fanasan-tongotra ho fitsipi-pivavahana ve Krissty?
Valiny. Eny. "Hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo" (Jao. 13: 14, 15).

7- Antoky ny inona ny fanarahana an'io didiny io?
Valiny. "Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany" (Jao. 13: 17).

8- Fotoana toy inona no tokony hanaovana ny fanasan-tongotra?
Valiny. Mialoha ny Fanasan'ny Tompo, mba hanatonana ny latabatra masina amin'ny fanahy mendrika sy feno fihavanana amin'ny mpiray tampo amin'ny finoana.


< LESONA 38                                                                                                                 LESONA 40 >

Commentaires

Articles les plus consultés