LESONA 40
Mba tsy hanadinoan'ny Kristiana ny fahafatesan'i Jesosy, dia nomen'ny Tompo marika fahatsiarovana izany zava-dehibe izany ny fiangonana. Ny batisa izay fahatsiarovana ny nahafatesan'ny Tompontsika, dia fahatsiarovana koa ny nandevenana Azy sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Na inona na inona andro anaovana batisa, dia fahatsiarovana ny nitsanganan'ny Tompo izany, fa tsy nanendry velively ny Alahady ho fahatsiarovana ny nitsanganany Izy.
Ny mofon'ny Fanasan'ny Tompo sy ny ranom-boaloboka, dia tsy azo raisina ara-bakiteny ho ny tena sy ny ran'i Kristy; tokony tsy hahadiso hevitra antsika, tahaka izay nahavoa ny Jiosy fahizay ny teniny momba io zavatra iray loha io. Izy koa dia niteny hoe "Izaho no vavahady" (Jao. 10: 9), sy hoe "Izaho no voaloboka" (Jao. 15: 5), na "Izaho no làlana" (Jao. 14: 6); kanefa izany dia tsy azo raisina ara-bakiteny.
1- Inona no anton'ny Fanasan'ny Tompo?
Valiny. "Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy" (Lio. 22: 19).
2- Inona no natao tamin'ny mofo? ary mampiseho inona izany?
Valiny. "Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo" (Lio. 22: 19).
Noty: Ny mofo voalaza ato dia tsy misy lalivay, na masirasira, satria izany dia mampiseho ny toetra taloha (1Kor. 5: 6- 8).
3- Inona no asehon'ny divay?
Valiny. Ny ran'i Kristy izay nalatsaka ho famelana ny helotsika. "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo" (Lio. 22: 20).
Noty: Ny divay lazaina eto dia ranom-boaloboka mbola tsy nilona, izany hoe tsy misy alkola, noho ny antony efa voalaza momba ny mofo ihany.
4- Miova ara-bakiteny ho nofo sy ran' i Kristy ve ny mofo sy ny divay?
Valiny. Tsia, sady tsy mahasoa akory ny fihinanana azy ara-bakiteny, fa ho tahaka ny sakafo rehetra ihany Izy raha izany.*
Noty: Hoy ny Tompontsika: "Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona" (Jao. 6: 63). Eo amin'ny Fanasan'ny Tompo ary ,dia ny fandinihantsika ny antony lehibe nanorotoroana ny tenan'ny Mpamonjy sy nandatsahana ny rany, no ilaintsika sy mahasoa antsika. Raha manao izany isika, dia hitombo ara-panahy, tahaka ny itomboantsika ara-batana, rehefa mihinana sy misotro. Ka dia tsy itafiana fotsiny Kristy fa ivelomana koa.
5- Zava-dehibe inona no tsinjovin'ny Fanasan'ny Tompo?
Valiny. "Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ ny Tompo hianareo mandra-pihaviny" (1Kor. 11: 26).
Noty: Ny Fanasan'ny Tompo tsirairay avy dia fiandrandrana ilay fiverenany be voninahitra, dia fotoana izay handraisany ireo nanolorany ny tenany tany Kalvary.
* Fanazavana fanampiny
< LESONA 39 LESONA 41 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire