Fanazavana fanampiny

Hatramin'ny andron'ny Fanavaozam-pivavahana, ny fiovan'ny mofo sy divay ho tonga tenan'i Jesosy marina izay homboin'ny Pretra amin'ny hazo fijaliana indray amin'ny alalan'izany fomba izany, nefa tsy misy ra latsaka, dia tena azo melohina ho toy ny fanompoan-tsampy. Tsy misy filazana fiovana akory anefa ambaran'ny Baiboly momba izany, satria ny mofo sy divay amin'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo dia tsy inona fa ho tandindon'ny fahatsiarovana ny fanoloran-tenan'i Jesosy ihany. Izy aza dia tsy nohomboana tamin'ny hazo fijaliana raha tsy ny ampitson'ny fotoana iny izay nanaovana ny Fanasan'ny Tompo ary tsy hoe ny hariva nanaovana ny sakafo akory. Tsy sombi-mofo no natao fanatitra, fa ny tenany mihitsy no natao fanatitra teo amin'ny hazo fijaliana naseho tamin'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo ny ampitson'iny fotoana iny. Tsy misy fiovana io poti-mofo kely io satria na dia taorian'io mody ilazana hoe "fiovana" io aza, dia mofo ihany no ilazan'ny Baiboly ny mofo ary ny divay ihany ny divay. "Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ ny zavatra rehetra hianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo" (1Kor. 11: 2). Ankoatra izny, dia tsy natolotra afa-tsy indray mandeha ihany Kristy. Ny famerenana izany dia mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra. "dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena. "Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha. Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra, ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina." (Heb. 9: 28; 10: 10- 14).

Revôlisiona ao Vatikana, p. 89

< LESONA 40

Commentaires

Articles les plus consultés