LESONA 41

NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA SY NY ASAM-PISORONANA ATAON'I KRISTY ANY

Izao no teny nampitondrain'Andriamanitra ho an'ny Zanak'Isiraely tamin'ny alalan'i Mosesy: "Asaovy manao fitoerana masina ho Azy izy, dia honina eo aminy Aho" (Eks. 39: 5). "Ny fitoerana masina teto an-tany dia aloka, na endriky ny fitoeran masina any an-danitra; ary ny fombam-pivavahana tao dia nalamin'ny Tompo mba ho tandindona sy fampisehoana ny asa izay hataon'ny Zanak'Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra, ho fanavotana ilay taranaka very" (The Cross and its Shadow, p. 36, 37).
Isan'andro dia mitondra fanatitra eo anoloan'ny varavaran'ny fitoerana masina ny mpanota, miaiky ny fahotany izy sady mametraka ny tànany eo an-dohan'ilay biby: amin'izany ny fahamelohany dia toy ny mifindra amin'ilay biby tsy manan-tsiny.Vonoiny ilay biby avy eo, "fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka" (Heb. 9: 22). Ary ny rany izay mampiseho ny ain'ilay mpanota mibebaka, dia entin'ny mpisorona any amin'ny fitoerana masina, ka afafiny eo anoloan'ilay efitra lamba izay manakona ny Lalàna nodikainy. Amin'izany dia toy ny tafafindra ao amin'ny fitoerana masina ny fahotany, sy miavovona ao mandritry ny taona.
Indray mandeha isan-taona, tamin'ny andro Fanavotana, dia nodiovina ny fitoerana masina tety an-tany. Miditra ao amin'ny masina indrindra ny mpisoronabe amin'io andro io ka manao fanavotana ho an'ny fitoerana masina manontolo. Nandritry ny siekla valo ambin'ny folo no nanaovan'i Kristy ny asam-pisoronana tao amin'ny efitra masina. Nitaraina ho an'ny mpanota mibebaka ny rany izay nalatsaka teo Kalvary. Voavela ny fahotan'ireo mpanota ireo, nefa mbola tsy voakosoka kosa ao amin'ny rejistry ny lanitra. Koa toy ny nanadiovana ny fitoerana masina tety an-tany, tamin'ny andro Fanavotana, no tsy maintsy hanadiovana koa ny fitoerana masina any an-danitra. Izany asa izany dia niantomboka tamin'ny fiafaran'ny 2300 taona voalaza ao amin'ny Daniela 8: 14.

1- Inona avy ireo fitoerana masina voalaza amin'ny Baiboly?
Valiny. Ny fitoerana masina tety an-tany sy ny fitoerana masina any an-danitra. "Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerana masina momba ny ety an-tany" (Heb. 9: 1). "... izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra" (Heb. 8: 1, 5).

2- Nisy efitra firy ny fitoerana masina tety an-tany?
Valiny. Roa, dia ny efitra masina sy ny efitra masina indrindra. "... ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo" (Eks. 26: 33).

3- Inona avy ny fanaka tao amin'ny efitra voalohany?
Valiny. "Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho" (Heb. 9: 2).

4- Inona avy ny fanaka tao amin'ny efitra faharoa?
Valiny. "Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra,"izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana" (Heb. 9: 3- 5).

Noty: Ny lovia volamena voalaza eto, dia alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra; tao amin'ny efitra voalohany no nametrahana an'io fanaka io, na dia fanaky ny efitra faharoa aza izy, satria tsy azo nidiran afa-tsy indray mandeha isan-taona ny efitra faharoa. Ny vilany volamena sy ny tehin'i Arona ary ny vato fisaky ny Didy Folo dia zavatra natao tao anatin'ny fiaran'ny fanekena; ny rakotr'io fiara io no natao hoe rakotra fanaovam-panavotana. Teo ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nisy ny kerobima roa; ary teo anelanelan'ny kerobima no nisy ny voninahitr'Andriamanitra.

5- Misy karazany firy ny fanompoam-pivavahana nataon'ny mpisoronabe?
Valiny. Roa, dia ny fanompoam-pivavahana fanao isan'andro sy ny fanompoam-pivavahana fanao isan-taona.

6- Manao ahoana ny fanompoam-pivavahna isan'andro?
Valiny. Nanatitra zanak'ondry roa isan'andro izy: iray maraina, iray hariva. (Eks. 29: 38, 39).

7- Efitra inona no nanaovana izany fanompoam-pivavahana izany?
Valiny. Ny efitra masina, na hoe ny tabernakely voalohany. "Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana" (Heb. 9: 6).

8- Impiry isan-taona ny mpisoronabe no miditra ao amin'ny masina indrindra, na ny tabernakely faharoa?
Valiny. Indray mandefa isan-taona. "Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana" (Heb. 9: 7).

9- Nodiovina tamin'ny inona ny fitoerana masina?
Valiny. Tamin'ny ra. "Dia hofafazany ny ra impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely. Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona." (Lev. 16: 19, 20).

10- Inona no tsy maintsy nataon'ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro Fanavotana?
Valiny. Tsy maintsy nampahory ny tenany tamin'alahelo am-panahy izy noho ny ratsy vitany, satria io andro io dia mampiseho ny andro fitsarana. "Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’ izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny." (Lev. 23: 29).

11- Nandritr'izany, inona no natao tamin'ny fitoerana masina?
Valiny. "Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny." (Heb. 9: 22, 23), dia ny tena sy ran'i Kristy.


< LESONA 40                                                                                                                  LESONA 42 >

Commentaires

Articles les plus consultés